2021
Mampifandray
Jolay 2021


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, eo amin’ny fonony anoloana anatiny.

Mampifandray

Orin S.

17, Colombie-Britannique, Kanadà

Sary
zatovolahy iray

Sary nalain’i Christina Smith

Nanao fialan-tsasatra tambonin’ny sambo ny fianakaviako ka tsy nandia tany nandritra ny telo herinandro mahery izahay. Taorian’ireo herinandro roa voalohany dia nisy tafio-drivotra tena nahery vaika namely anay. Tafiditra tao anaty rivotra mahery ny sambonay, ka nadiboky ny onjan-dranomasina ny tokotanin-tsambo, nandrakotra tanteraka ny tapany anoloan’ny sambo. Ary tsy izany ihany fa efa mby ho lany tanteraka ny rano fisotro—ka na dia ho tafavoaka velona amin’ilay tafio-drivotra aza izahay dia mbola misy an’izay olana hafa izay ihany.

Nifampisisika tao amin’ny hany faritra maina tao amin’ny sambo ny fianakaviako ary dia nivavaka saika nandritra ny adiny iray izahay. Tsy nahalala aho tamin’io alina io raha ho tafavoaka velona, saingy fantatro fa, na inon-kidoana na inon-kitranga dia hiaraka amin’ny fianakaviako foana aho satria efa nofehezina izahay.

Rehefa nahavita ny vavaka izahay dia nahita fa nihanalefaka ny rivotra ary nijanona ny onja mahery. Vetivety taorian’izay dia nanomboka avy ny orana, izay zavatra tena mahalana be ao amin’ilay faritry ny ranomasimbe nisy anay. Nampiasa labasy izahay hamenoana ny barikanay ka fahagagana no nahazoanay rano sahaza hamaranana ny dia.

Izany zavatra niainana izany dia nampiseho anay fa tena afaka ny ho mahery vaika ny vavaka ary ny Ray any An-danitra dia tena miahy antsika tokoa. Rehefa mitamberina ao an-tsaiko ny momba izay tafio-drivotra izay dia fantatro fa tena marina ary velona ny filazantsara.

Hamoaka printy