2021
Vavaka momba ny solomaso fentina milomano
Jolay 2021


“Vavaka momba ny solomaso fentina milomano,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 27.

Fototra mafy orina

Vavaka momba ny solomaso fentina milomano

Sary
zazalahy sy zazavavy any amin’ny tora-pasika

Sary nataon’i Toby Newsome

Indray andro aho dia nandeha niaraka tamin’ny dadako tany Sigatoka, Fidji—toerana tena tsara hilomanosana ao amin’ny ranomasimbe. Nisara-panambadiana ny ray aman-dreniko, noho izany dia tsy niaraka taminay ny mamako. Nividianany solomaso fentina milomano miloko volomparasy aho nialoha ny niainganay. Marina fa hoe solomaso fotsiny ilay izy, saingy nanantena izy fa hikarakara tsara sy hitondra izany mody aho.

Rehefa nifarana ny andro faharoa tao Sigatoka dia tonga saina aho fa very ny solomaso. Nanahy aho fa very tany anaty ranomasimbe ilay izy. Ny zavatra voalohany nataoko dia ny nivavaka mba hahafahako mahita ny solomasoko. Nahatsapa fiadanana aho ary nahafantatra fa hilamina avokoa ny zava-drehetra.

Ny hany olona nolazaiko momba izany dia ny anadahiko. Tsy mino an’ Andriamanitra izy ary manakiana matetika ny zavatra inoako noho izaho hany mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny fianakaviako. Hoy izy hoe, “E, tsy hahita an’izay intsony ianao.” Hoy aho taminy, “Nivavaka momba izany aho ary fantatro fa hovaliana ny vavaka nataoko.”

Ny ampitson’iny dia nojerijereko ihany ny rano raha iny nilomano iny izahay. Rehefa fotoana hodiana dia mbola tsy hita ihany ny solomasoko. Nekeko fa mety tsy hahita izany intsony aho ka nisaotra ny Ray any An-danitra noho ny fampiononany sy ny fiadanany.

Tampoka teo dia nihiaka ny anadahiko. Nohazoniny ilay solomaso fentina milomano miloko volomparasy!

Mbola tsy mino ny filazantsara ny anadahiko saingy feno fankasitrahana aho noho ny fampiononana sy ny tanjaka ary ny fanomezan-toky azoko rehefa nametraka ny finoako tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

Shreya S., Suva, Fidji

Hamoaka printy