2021
Vitanao io!
Jolay 2021


“Vitanao io!” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 24–26.

Avia, hanaraka Ahy

Vitanao io!

Mila mahatsiaro ny zavatra rehetra efa nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy—sy ny zavatra izay mbola ataon’ Izy Ireo—mba hanampiana antsika handova ny fanjakana selestialy isika.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Sary
zatovovavy iray

“Izaho ve? Ao amin’ny fanjakana selestialy? Mieritreritra aho fa tsy ho vitako izany.”

Efa nanana eritreritra toy izany ve ianao? Raha ny marina dia tsy hoe diso ianao manontany tena raha toa ka mahavita azy indrindra rehefa tena toa lavitry ny fahatanterahana isika. Indraindray dia tsapa fa toa tsy azo tratrarina ny fanjakana selestialy!

Aza kivy anefa. Ny tanjona manontolon’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia ny manampy anao ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary miaina miaraka amin’ Izy Ireo ao amin’ny fanjakana selestialy. Ary efa amin’ny toerana tsara mihoatra noho izay eritreretinao ianao. Ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampahatsiahy antsika momba ny miaina miaraka amin’ Izy Ireo indray, fa “tsy antsika irery izany tanjona izany—fa tanjon’ Izy Ireo ihany koa izany.”1

Irin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy, mihoatra ny zavatra rehetra, ny hiainantsika ao amin’ny fanjakana selestialy miaraka amin’ Izy Ireo sy ny fianakaviantsika. Ny vaovao tsara dia ny hoe tsy voatery hanao izany irery isika. Rehefa manatona an’i Kristy sy manaraka Azy isika dia mandray ny hery sy ny fanampiana ilaintsika. Noho ny Sorompanavotany dia tsy hoe azo tratrarina fotsiny ny fandovana ny fanjakana selestialy, tena mety hitranga izany.

Noho izany dia vitanao io, miaraka amin’ny fanampiany! Vitanao io!

Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny olona tsirairay

Mba hidirina ao amin’ny fanjakana selestialy dia mila manana finoana an’i Jesoa Kristy isika ary mikatsaka ny hampitombo izany finoana. Mila miezaka mafy ny miova sy mibebaka isan’andro isika. Mila atao batisa sy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika—sy mahatsiaro an’i Jesoa Kristy matetika ary manavao ireo fanekempihavanantsika. Mila maharitra hatramin’ny farany isika. Raha toa ireo ka zavatra irinao ka miezaka manao ireo zavatra ireo ianao dia eo an-dalana ho lasa iray amin’ireo izay handova ny fanjakana selestialy ianao izay.

Ankoatra izay, ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ireo izay mendrika ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy dia “ireo izay nahafeno ireo fitakiana avo indrindra ho an’ny fanjakany, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahatokiana amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempolin’ Andriamanitra sy ny fanambadiana ho an’ny mandrakizay.”2 (Afaka mianatra misimisy kokoa momba izany ianao amin’ny alalan’ny famakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–7092–96).

Raha mampandinika anao—na mampanahy—anao momba ny fiomananao mba handova ny fanjakana selestialy izany dia tsarovy fa dia iray ilay izy. Ny andro tsirairay izay isafidianantsika ny ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia andro hanatonantsika kokoa amin’ny fahatongavantsika ho olona selestialy kokoa—ary akaiky kokoa ny fanjakana selestialy. Mazava ho azy fa hibolisatra sy hanao fahadisoana ary hanota isika tsirairay avy. Ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy rehefa mibebaka isan’andro no fanalahidiny. Ity dia ity dia feno fanantenana noho ireo zavatra rehetra efa nataony sy nataon’ny Ray any An-danitra—sy mbola ataon’ Izy Ireo—mba hanampiana antsika ho tonga any.

Manana ny Mpamonjy isika.

Sary
Jesoa Kristy

Ny Mpamonjy dia manolotra ny lalana hiverenantsika any amin’ny Raintsika any An-danitra. I Joseph Smith dia namariparitra fa ireo izay miaina ao amin’ny fanjakana selestialy dia ireo izay “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa … izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51, 69).

Ny hoe lasa tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy dia tsy midika hoe tsy hanao fahadisoana na oviana na oviana isika. Midika izany fa hibebaka isika ary hiezaka ny ho tsara kokoa tsikelikely isan’andro, miantehitra amin’ny Mpamonjy sy ny herin’ny Sorompanavotany mba hanampy antsika hiova. Rehefa manao izany isika dia mamela antsika hivoatra mankany amin’ny ambaratonga ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy izay hiainantsika mandrakizay miaraka Aminy, ny Ray any An-danitra, ary ny fianakaviantsika, ny fahasoavany. Handray izay rehetra an’ny Raintsika any An-danitra ihany koa isika. Tsy ho tanteraka avokoa izany rehetra izany raha tsy eo ny Mpamonjy.

Manana ny Fiangonana isika

Nampianatra ny Filoha Oaks fa eo ihany koa ny Fiangonana “mba hanampy ny zanak’ Andriamanitra rehetra hahatakatra ny fahafahan’izy ireo hivoatra ary hahatratra ny tanjon’izy ireo avo indrindra. Ity fiangonana ity dia misy mba hanome fahafahana ny zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra hiditra sy hahazo fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy.”3 Izany dia tanteraka amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara.

Sary
tempoly

Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ireo dia mitaky ny fisoronana, izay ao amin’ny Fiangonana marin’ Andriamanitra ihany no misy azy. Amin’ny alalan’ireo fomba ireo sy ny fomba hafa, ny Tompo sy ny Fiangonany dia manampy antsika eo amin’ny lalantsika ho lasa ny tsara indrindra amintsika mba hahavonona ny fontsika indray andro any handova izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra ary hahazo ny fiainana mandrakizay.

Tohizo hatrany ary aza milavo lefona!

Ity dia mankamin’ny fanjakana selestialy ity dia feno fanantenana, saingy tsy mora foana anefa. Fantatry ny Ray any An-danitra izany. Efa nampanantena Izy sy i Jesoa Kristy fa hanampy sy hankahery antsika amin’ny dingana tsirairay eo amin’ilay lalana.

Sary
masoandro miposaka

Sary avy amin’ny Getty Images

Koa dia tohizo hatrany ny dia ary aza milavo lefona. Hahazo fanampiana isika rehefa miezaka manaraka ny Mpamonjy, manana fiainana mendrika ny handray ny bitsiky ny Fanahy Masina sy mandray andraikitra eo anatrehan’izy ireny, ary mamantatra ny sehatra azontsika hivoarana. Eo am-pamakivakiantsika ny fiainana amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka rehefa ilaina izany, ny Raintsika any An-danitra dia hanampy antsika hiova mba ho tsaratsara kokoa.

Ny hoe mendrika ny fanjakana selestialy dia tsy vita amin’ny alalan’ny asa tokana lehibe iray. Fa izany dia fitambaran’ny fisafidianana hatrany ny hanaraka ny Mpamonjy sy ny fianteherana amin’ny fanantenana sy ny fanomezan-toky avy amin’ny filazantsarany.

Noho izany, raha toa ianao ka miezaka mafy ny hanaraka ny Mpamonjy ka mbola manahy ihany raha ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy, ny famantarana rehetra dia manondro tsara mankany amin’ny hoe “Eny! Vitanao io!” Izany no irian’ny Ray any An-danitra ho antsika rehetra! Ary araka ny nampianarin’ny Filoha Oaks dia tanteraka daholo izany rehetra izany “noho ny fitiavan’ Andriamanitra ireo zanany sy noho ny sorompanavotana sy fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, -izay mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:43].”4

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2017 (Liahona, mey 2017, 65).

  2. Dallin H. Oaks, “Apostasy and Restoration,” Apr. 1995 general conference (Ensign, May 1995, 86).

  3. Dallin H. Oaks, “Apostasy and Restoration” (87).

  4. Dallin H. Oaks, “Apostasy and Restoration” (87), nampiana fanamafisana.

Hamoaka printy