2021
Ao San Diego, Etazonia
Jolay 2021


“Ao San Diego, Etazonia,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 20–21.

Manao ahoana ny fitsaohanay

Ao San Diego, Etazonia

Sary
San Diego

Sary avy amin’ny Getty Images

Sary
zatovolahy iray miaraka amin’ny kisoa

Salama e! Chace B. no anarako, 14 taona aho, ary mipetraka eto San Diego aho. San Diego dia eny amin’ny faran’ny atsimon’ny faritra Californie, Etazonia. Ahitana toe-tany isan-karazany aty. Misy seranan-tsambo, mesa (lemaka), lohasaha, canyon (hantsam-be), ary havoana ao San Diego. Amin’ny ankapobeny dia mafana be sy misy masoandro foana aty mandritra ny taona manontolo.

Ireo ny fianakaviako

Sary
fianakaviana tamin’ny Krismasy

Monina any an-tampon’ireo tendrombohitr’i San Diego izaho sy ny fianakaviako. Mipetraka miaraka amin’ny mamako aho; ny anabaviko izay 10 taona, i Payslie; ary i abuelito sy abuelita (dadabe sy bebe). Monina ao amina toeram-piompiana izahay. Miezaka ny hanana fiainana tena tsotra sy mitovy amin’ny fomba fiainan’ olona taloha izahay.

Sary
avana any ambanivohitra

Manao ny fanasan’ny Tompo ho fotoana miavaka

Sary
zatovolahy

Nandritra ny fihibohana tamin’ny COVID-19 dia mety ho mora foana ny nahatonga ny alahady ho andro toy ny mahazatra ao an-tokantrano rehefa mipetraka eo amin’ny sezalava sy manao ny akanjo fitena. Naniry hanao zavatra aho mba hakana antoka fa andro miavaka ny alahady. Nanapa-kevitra ny hanamboatra lovian’ny fanasan’ny Tompo ho an’ny fianakaviako mba ho tanjoko ara-panahy iray ho an’ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo vaovao aho.

Sary
zatovolahy mandrafitra

Voalohany, naka hazo aho ka nasiako lavaka teo amin’ny tapany ilany mba hametrahana ireo kaopy. Dia nataoko sokitra ny ilany hafa hametrahana ny mofo. Nanampy ahy mba hampalama ilay izy tanteraka i abuelita. Dia nasianay tahony fitondrana azy ilay izy avy eo ka nofehezinay ilay hazo.

Sary
lovian’ny fanasan’ny Tompo natao tanana

Ny alahady voalohany nanomananay ny fanasan’ny Tompo dia tsy nahita kaopy miditra tsara ao amin’ireo lavaka ao amin’ilay lovia izahay. Nitady izany nandritra ny ora marobe izahay. Rehefa kelikely dia nanapa-kevitra aho fa na misy na tsisy kaopy miditra tsara ao amin’ilay lovia dia tsy maintsy hanatanteraka ny fanasan’ny Tompo foana izahay. Tsy havelanay hanakana anay hitandrina ny andro Sabata ho masina ilay lovian’ny fanasan’ny Tompo.

Tamin’io alahady io, raha nandray ny fanasan’ny Tompo izahay, dia tamin’ny fahanginana sy fitandremana ary fanajana kokoa izany. Nahatsapa ho finaritra tamin’ny tanjona napetrako sy vitako aho. Fantatro ary afaka nahatsapa aho fa faly tamiko ny Ray any An-danitra noho ny tanjoko sy ireo safidy nanodidina izany.

Hamoaka printy