2021
Diam-borosy 7 hahazoana fiainana sambatra kokoa
Jolay 2021


“Diam-borosy 7 hahazoana fiainana sambatra kokoa,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 8–11.

Diam-borosy 7 hahazoana fiainana sambatra kokoa

Ny dingana tsotra ataonao isan’andro dia mitambatambatra mba hahazoana fiainana sambatra iray.

Sary
zatovo mandoko

Sary nataon’i Katy Dockrill

“Jereo anie e! Nataoko ho anao ity!” hoy ny zanako lahy tamiko teo am-pihazonany ny sariny teo anoloan’ny tarehiko. Nikitika ny oroko ilay taratasy ka loko nanjavozavo no hany hitako. Tsy hitako mazava tsara ilay izy.

Rehefa nakisako hihemotra ilay sary hosodoko dia lasa hita mazava kokoa ireo loko manjavozavo naparitaka.

“Inona no hevitrao?” hoy izy nanontany.

Niasa nandritra ny ora maro ny zanako handoko izay noheveriny fa fanehoana tena izy ny endrikay roa lahy—fa ny voloko anefa dia tsy miloko mavo.

“Tsy ampy ny loko volontany tato,” hoy izy nanampy. “Ary ny mavo rahateo dia loko maneho fahasambarana.”

Rehefa nandinika akaiky ny tetikasany aho dia hitako fa tena nolokoin’ilay zanako tamim-pitiavana ilay sary. Tsy voaisa ireo diam-borosy. Betsaka loatra izy ireo. Ary marina ny azy, faly be aho ao amin’ilay sary—tafiditra ao anatin’izany ny volo miloko mavo.

Diniho kely ny sary hosodoko iray efa hitanao. Hahita ianao fa tsy misy diam-borosy tokana mahatonga ny sary ho tsara tarehy ao. Raha ny marina, rehefa mandinika diam-borosy tokana ianao dia tsy dia mahataitra izany. Saingy rehefa atambatra izy rehetra dia lasa manana zava-kanto mahatalanjona ianao.1

Ny fahitana fahasambarana eo amin’ny fiainana dia mitovy amin’ny sary hosodoko. Misy ireo diam-borosy bitika sy natao amin’ny nahim-po, na ireo zavatra fanao isan’andro, izay azontsika atao mba hamoronana fiainana feno fahasambarana. Raha raisina tokana na atao indray mandeha fotsiny dia toa tsy hoe miavaka be manao ahoana ireo zavatra ireo. Saingy rehefa atambatsika imbetsaka amin’ny alalan’ny ezaka isan’andro sy isan-kerinandro izy ireo dia afaka miteraka fiainana feno fahasambarana sesehena.

Ireto dia diam-borosy na zavatra azo atao miisa fito azonao kolokoloina mba hamoronana fahasambarana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao.

Diam-borosy 1: Ataovy izay hisian’ny olona mankahery manodidina anao.

Sary
zatovo miandrandra lanitra

Misy idirany betsaka amin’ny olona izay ifandraisanao ny fahasambarana. Tsy midika izany fa tsy afaka minamana amin’ireo olona izay tsy sambatra ianao indraindray. Raha ny marina dia samy miaina tsy fahasambarana ny olona rehetra amin’ny fotoana iray.

Saingy alaivo antoka fa mandany fotoana miaraka amin’ireo olona izay mankahery sy mampivoatra anao ianao. Ireo namana tsara izay manampy anao hiaina ireo fitsipiky ny Tompo dia mety hanova zavatra betsaka momba ny fahasambaranao. Dia miezaha koa mba ho namana mankahery ho an’ny hafa. Afaka manova zavatra betsaka amin’ny fiainan’ny hafa koa ianao.

Diam-borosy 2: Ampiasao ny mozika mba hampitombo ny fahasambaranao.

Sary
naotina mozika

Ny mozika dia mitondra fiantraikany mahery vaika amin’ny saina. Afaka manova ara-bakiteny ny simia ao amin’ny atidohanao izany. Ny mozika tsara dia afaka manampy anao hahatsiaro ho mavitrika, sambatra ary entanim-panahy. Mamoròna lisitra ana hira mifanesy mampifalifaly, mankahery, ary mitory ny finoana ho henoinao matetika.

Diam-borosy 3: Mandehana mivoaka kely.

Sary
hazo

Ny fankafizana ireo zavatra noharian’ Andriamanitra dia tena manasitrana ny fanahintsika sy ny vatantsika. Tena iankinan’ny fahasambarantsika ny maka fotoana matetika hanalavirana ny efijerin’ny fahitalavitra sy ny solosaina ary ny finday ka hivoahana ary hankafizana ny tara-masoandro, ny zava-maniry ary ny biby manodidina anao. Mandehana an-tongotra miaraka amin’ny fianakavianao sy ny namanao, manaova kilalao any ivelany, mamakia ary manaova fandalinana any an-kalamanjana. Ho gaga ianao amin’ny fahatsapana tsara ho azonao rehefa manao izany ianao.

Diam-borosy 4: Ataovy ampy tsara ny torimaso.

Sary
fandriana

Ny Tompo dia nilaza fa ny torimaso dia iankinan’ny fahasalaman’ny sainao sy ny vatanao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:124). Toy ny finday iray izay mila fenoina ny vatoaratra, ny atidohanao koa dia mila matory mba hahafahany hiasa tsara. Toa aanao mamaritra fotoana hifohazana amin’ny maraina, alaivo antoka hoe mamaritra fotoana hamonjena ny fandriana ihany koa ianao (ary aza hoentina miaraka aminao ny findainao!).

Diam-borosy 5: Manaova resadresaka lalindalina ifanatrehan-tava.

Sary
tanora mifampiresaka

Ny fampiasana SMS sy ny tambajotran-tserasera mba hiresahana amin’ny namanao sy ny fianakavianao dia mety hahafinaritra be. Saingy ny firesadresahana mivantana dia mitondra zavatra ho an’ny sainao sy ny fanahinao izay tsy vitan’ny fifandraisana nomerika. Ataovy izay ifandraisana amin’ny fianakavianao sy ny namanao Makà fotoana hihainoana sy hiresahana amin’ireo olona manodidina anao.

Diam-borosy 6: Mampiasà vatana matetika ary miezaha mihinana sakafo mahasalama.

Sary
sakafo

Tsy afaka miasa ny atidohanao raha tsy omenao angovo izany. Ny sakafo nandalo fanamboarana be loatra sy be siramamy dia mety ho matsiro saingy izy ireny anefa matetika dia mahatonga ny sainao sy ny vatanao ho toy ny hoe tsy mandeha tsara. Ny vaovao tsara dia hoe rehefa mihinana voankazo sy legioma ary voamaina bebe kokoa ianao dia hihena ny fanirianao hanaram-po hihinana sakafo matsiro. Vatana iray ihany no nomen’ny Tompo antsika, noho izany dia karakaraho tsara izany!

Diam-borosy 7: Mivavaha ary manaova fisaintsainana.

Sary
zatovolahy mieritreritra

Ny Tompo sy ny mpaminaniny sy apôstôliny dia nanoro hevitra antsika matetika ny haka fotoana hivavaka sy ho tony. Ny vavaka sy ny fisaintsainana dia mitondra fiantraikany tsara amin’ireo faritry ny atidoha izay hahatsapanao fahasambarana. Raha maka fotoana tsy tapaka hisaintsainana sy hivavahana ianao dia hitombo tsikelikely hatrany ny fahasambaranao. Rehefa ela ny ela dia hahatsikaritra fahasamihafana lehibe eo amin’ny fahatsapanao fiadanana sy fahatokian-tena ianao.

Mitady hevitra bebe kokoa ve ianao?

Ireo diam-borosy fito ireo dia vitsy fotsiny amin’ireo dingana isan’andro azontsika rehetra atao mba hamenoana fahasambarana ny vatantsika sy ny fanahintsika. Mba hahazoana hevitra fanampiny dia jereo ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez forts mba hamantarana ireo fitsipika izay nahatonga anao sy ny hafa ho sambatra tamin’ny lasa. Inona no tsapanao fa mila ataonao mba hampiharana tsy tapaka kokoa ireo zavatra ireo amin’ny fiainanao andavanandro?

Tsarovy foana fa ny loharanom-pahasambarana faratampony indrindra dia i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Na inona na inona toe-javatra misy anao dia mijoro ho vonona ny hitahy sy hanampy anao manoloana ny fahasahirananao Izy. Hanampy anao hahita ny fahasambarana antenainao Izy.

Fanamarihana

  1. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa mifameno ireo diam-borosy … ireo dia mamokatra asa tanana mahatalanjona, ary toy izany koa ny vokatry ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely nefa mitondra vokatra manan-danja ara-panahy” (fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôkt. 2009 [Liahona, nôv. 2009, 19–20]).

Hamoaka printy