Famerenana fifehezana fotopampianarana 9
Fanaovana fampiharana manakatra sy manazava ny fahamarinana
Ahitana fahamarinana manan-danja momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo fahatakarana bebe kokoa momba ireo fahamarinana ireo ary manampy anao hanao fampiharana hanazava izany amin’ny hafa.
Fampitomboana fahaiza-manao
-
Inona no zavatra tena hainao?
-
Ahoana no nahatonga anao nahay izany?
Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fomba hampitomboana ny fahaiza-manao.
Mba hahatonga ny olona iray ho tena mahay amin’ny zavatra iray na inona izany na inona dia mitaky fifehezan-tena tsara, fahafoizan-tena ary ora maro tsy voaisa eo amin’ny fiofanana sy fanazaran-tena izany ankoatra ny talenta voajanahary.
(Gary E. Stevenson, “Ny boky mirakitra ny tetikadinareo ao amin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2019, 47)
-
Ahoana no mety hampiharana izany amin’ny fandalinanao ny soratra masina?
-
Hatraiza ny fahatokisanao ny fahaizanao manazava ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa?
Anio ianao dia hampiasa andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanamafisana ny fahatakaranao ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy, ary hampihatra ny fanazavana ireo fahamarinana ireo amin’ny hafa. Voalohany dia mety hanampy ny mamerina mijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaranao vao haingana. Andramo ampifandraisina amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifanaraka aminy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.
A. “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.” | |
B. Ary hoy Jesoa taminy: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.” | |
3. Jaona 7:17 |
D. “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” |
E. “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.” |
Manakatra andinin-tsoratra masina
Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tianao hotakarina lalindalina kokoa. Mba hanampiana anao hahatakatra misimisy kokoa io andinin-tsoratra masina io dia vakio miadana sy amim-pitandremana aloha ilay izy, ary diniho ny heviny.
1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Manorata fanontaniana betsaka araka izay azonao atao momba ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana . (Ahitana izao manaraka izao ny ohatra amin’ireo fanontaniana mety azonao apetraka: Inona no hevitr’io andian-teny io? Iza no niresahan’ny Mpamonjy, ary nahoana? Inona no fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy, ary nahoana? Rahoviana no mety hanampy ahy io fampianarana io?)Mitadiava valin’ireo fanontanianao ireo amin’ny fampiasana loharanom-pahalalana toy ny andinin-tsoratra masina hafa, vavaka, fanampiana amin’ny fandalinana ny filazantsara, ary olona atokisanao. Soraty izay valiny hitanao.
Zava-dahibe ny mitadidy fa tsy hita avy hatrany avokoa ny valiny rehetra. Mitaky fotoana fanampiny, fandalinana fanampiny ary fanambarana ho an’ny tena manokana ny sasany. Na izany aza, ny fanaovana fampiharana mametraka fanontaniana sy mikatsaka valiny dia afaka manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra ary manampy anao hitombo amin’ny fahaizanao mizaka tena ara-panahy.
Manazava ny fahamarinana
Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray mamaky ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay vao avy nianaranao teo nefa sahirana manakatra ny hevitr’izany sy mamantatra ny maha-zava-dehibe izany amin’ny fiainany. Manontany anao momba izany izy ireo.
2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:
Manorata fanazavana momba ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ho an’ilay namanao. Alaivo antoka ny fitadiavana ireo fahamarinana manan-danja ary hazavao ny antony maha-zava-dehibe izany ho anao.
Fanaraha-maso ny fampiharana
Saintsaino io zavatra niainana io izay nikatsahana ny hahatakatra sy hanazava lalindalina kokoa ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.
-
Inona no fiantraikan’ny fampitomboana ny fahatakaranao amin’ny fahaizanao manazava ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara?
-
Inona no azonao atao amin’ny ho avy mba ho vonona hanazava amin’ny hafa ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezina fotopampianarana sy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa?