Joseph Smith—Matio 1:21–37; Lioka 21:25–36
Aza matahotra
Nandidy ireo mpianany i Jesoa Kristy hoe “aza matahotra” (Joseph Smith—Matio 1:23) na dia eo aza ny loza, fahoriana sy faharavana maro samihafa izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany. Ity lesona ity dia hanampy anao hiady amin’ny fahadisoam-panantenana sy handresy ny tahotra manoloana ireo zavatra hitranga amin’ny andro farany.
Fandresena ny fahadisoam-panantenana
-
Inona avy ireo hevi-diso roa na telo izay fahita matetika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?
Rehefa niresaka tamin’ny Apôstôliny ny Mpamonjy dia naminany fa hisy ireo hanaparitaka hevi-diso mialoha ny Fiaviany Fanindroany. Vakio ny Joseph Smith—Matio 1:22 , ary tadiavo ireo faminaniana izay nataon’ny Mpamonjy.
-
Ahoana no zava-dehibe tokoa ny fahafantarana fa na ny olom-boafidy” aza dia mety ho voafitakak?
Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) fa ireo Kristy sy mpaminany sandoka dia tsy voafetra hiseho amin’ny endrika olona fa afaka miseho amin’ny endrika hevitra na fampianaran-diso ihany koa (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 132). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hitadiavana ireo fomba ahafahanao matoky ny Tompo sy mandresy ireo hevi-diso na fahadisoam-panantenana.
Rehefa avy nampianatra momba ireo fahadisoam-panantenana hafa sy ireo famantarana momba ny Fiaviany ny Mpamonjy (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:23–36), dia nampianatra fomba iray andresena ny fahadisoam-panantenana Izy. Vakio ny Joseph Smith—Matio 1:37 .
Ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ataovy sary ny harena sarobidy na vata fitahirizana harena sarobidy iray. Ny hoe mitahiry zavatra iray dia midika fa mankafy, mitia, na manome lanja lehibe. Rehefa “mitahiry” ny tenin’ny Tompo isika, dia raisintsika ho zavatra masina izany ary arovantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:34). Soraty manodidina na ao anatin’ilay vata ireo fomba ahafahantsika mitahiry ny tenin’ny Tompo.
Ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha Mpanatanteraka ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nitantara ny fihaonana nataony tamin’ny misiônera niverina iray izay namaky vaovao nitsikera ny Fiangonana. Nanana fanontaniana maro izay tsy nahitany valiny ilay tovolahy, ary nahatsapa izy fa very ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany. Nanaiky ny Filoha Ballard fa hanomana valinteny ho an’ny fanontaniana izay napetrak’ilay tovolahy kanefa nanasa azy ihany koa izy mba hamaky ny Bôkin’i Môrmôna mandritra ny adin’ny iray isanandro ao anatin’ny 10 andro. Nitantara ny Filoha Ballard hoe:
Niverina tany amin’ny biraoko izy folo andro taty aoriana, ary efa vonona aho. Navoakako ireo taratasiko mba hanombohana mamaly ireo fanontaniany, saingy najanony aho.
“Filoha,” hoy izy, “tsy ilaina akory izany.” Dia nanazava izy avy teo hoe: “Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra tokoa i Joseph Smith.”
(M. Russell Ballard, “When Shall These Things Be?,” Ensign, Dec. 1996, 60)
-
Araka ny hevitrao, nahoana no afaka namaha ny ankamaroan’ny olan’ity tovolahy ity ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro?
-
Nahoana no manana hery eo amin’ny fiainantsika ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Soratra Masina?
Makà fotoana mba hisaintsainana ny fomba izay nitahian’ny tenin’ny Mpamonjy anao manokana. Inona ny fiantraikan’ny teniny teo amin’ny fitiavanao Azy? Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitahirizanao ny tenin’ny Mpamonjy nanampy anao mba tsy ho diso fanantenana?
Nanoro hevitra ihany koa ny Filoha Ballard hoe:
Manokana fotoana sy toerana mba handalinana ny soratra masina isan’andro, na dia minitra vitsy monja aza. … Raha oharina amin’ny zavatra lehibe, fotoana kely fotsiny dia efa ampy anaovana ireo zavatra ireo. Saingy ny tombontsoa maharitra ho antsika sy ny fianakaviantsika dia tsy manam-pahataperana sy mandrakizay, ary hanao zavatra maro mba hanomanana antsika izy ireo… manoloana ireo fanamby izay tsy mitsaha-mitombo hitranga.
(M. Russell Ballard, “When Shall These Things Be?,” Ensign, Dec. 1996, 60–61)
Ataovy tombana ny ezaka izay nataonao tamin’ny fandalinana sy fitahirizana ireo tenin’i Jesoa Kristy. Inona ny zavatra tsapanao? Hevero ihany koa ireo sakana izay atrehinao eo amin’ny fiainana sy ny fomba hanampian’ny fitahirizana ny tenin’i Kristy handresy azy ireny.
Soraty amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo akaikin’ilay sarina vata fitahirizana harena sarobidy ny tanjonao amin’ny fitahirizana ny tenin’ny Mpamonjy.
Fandresena ireo fanelingelenana sy tahotra
Nirakitra torohevitra sy fampitandremana fanampiny izay nozarain’ny Mpamonjy momba ny Fiaviana Fanindroany i Lioka. Vakio ireto andinin-tsoratra masina ireto, ary ampifandraiso amin’ny famintinana marina izany.
a. Ny fahotana sy ny fanahian’izao fiainana izao dia mety hanelingelina ny fahavononantsika amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.b. Amin’ny andro farany, dia maro ireo olona ho resin’ny tahotra.d. Rehefa mijery tsara ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika, mivavaka, sy miezaka ny ho mendrika, dia afaka ny ho vonona amin’ny fiverenan’ny Tompo.
(Fanamarihana: Ny dikatenin’ny Joseph Smith ho an’ny Lioka 21:36, Torolalana ho an’ny Soratra Masina d, dia miampy ny fehezanteny hoe “ary tandremo ny didiko.”)
-
Inona ny zavatra nanamarika anao rehefa namaky ireo andinin-tsoratra masina momba ny Fiaviany Fanindroany ireo?
-
Inona avy ireo antony sasantsasany izay mety hahaketraka ny fon’ny olona noho ny tahotra amin’izao fotoana izao?
-
Ahoana no mahatonga ny fahotana sy ny fiahiahian’izao fiainana izao hanelingelina antsika amin’ny fiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo? Nahoana no mampidi-doza ny variana tahaka izany?
-
Ny fivavahana sy ny fiezahana ho mendrika dia manampy antsika hihaona amin’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana?
Nanazava ireo teniny sasantsasany avy tamin’ny alalan’ny Filoha Russell M. Nelson ny Tompo. Raha misy, dia jereo ny horonan-tsary “Men’s Hearts Shall Fail Them” (3:24). Henoy ny zavatra izay ampianarin’ny Filoha Nelson momba ny fandresena ny tahotra sy ahiahy amin’ny andro farany. Ilay horonan-tsary sy ny lahatsoratr’izany dia azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Evangile.
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo manampy antsika handresy ireo ahiahy sy tahotra amin’izao andro farany izao?
Mampihatra ny zavatra izay nianaranao
Alaivo sary an-tsaina fa taorian’ny lesona momba ny Fiaviany Fanindroany dia misy namana roa nilaza izao manaraka izao:
Namana #1: “Tena tsy mieritreritra mihitsy aho fa olana lehibe ny Fiaviana Fanindroany. Raha ny tena marina, dia na ny raiko aza tsy mieritreritra akory fa tena hitranga marina tokoa izany. Tsy tiako ny miahiahy amin’ny zavatra tahaka izany.”
Namana #2: “Tsy te hieritreritra momba ny Fiaviana Fanindroany aho. Matahotra sy mikorotan-tsaina tokoa aho rehefa mandinika ny fiainana andavanandro tahaka ny fianarana sy ny olana miaraka amin’ny namana, kanefa ny Fiaviana Fanindroany dia mbola lehibe lavitra noho izany. Ireo famantarana tahaka ny ady sy horohoron-tany ary ny fahadisoam-panantenana—dia toa mampatahotra.”
1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:
Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara teo aloha. Ampiasao ny zavatra izay nianaranao tato amin’ity lesona ity, katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa manoratra zavatra izay mety holazainao na hataonao mba hanampiana ny namanao ianao. Mitadiava fomba tsara ahafahana mamporisika azy ireo mba hitahiry ny tenin’ny Tompo sy hatoky Azy.
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Matio 24:24 . Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny lainga sy fahadisoam-panantenana amin’ny andro farany?
Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoritsoritra ny sasany amin’ireo fomba ampiasain’i Satana mba hikatsahana handisoana fanantenana an’izao tontolo izao ankehitriny.
Ohatra, sarontsaronany ny voka-dratsy manimban’ny zava-mahadomelina na ny fisotroana ka lazainy fa hitondra fahafinaretana kosa izany. Arobony ao anatin’ny singa ratsy maro karazana izay hita ao anatin’ny tambazotran-tserasera isika, anisan’izany ny fampitahana mandrava sy ny zava-misy lazaina fa lafatra loatra. Ankoatra izany, dia ataony tsara afina ireo votoatin-javatra maizina sy manimba hita ao amin’ny internet toy ny pôrnôgrafia, sy ireo fanafihana mibaribary ny hafa amin’ny alalan’ny fandrabiana ao amin’ny internet, ary ny famafazana fampahalalana diso mba hiteraka ahiahy sy tahotra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika.
(Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 95)
Lioka 21:26 . Ahoana ny fomba hanoherako ny tahotra mba hiatrehako ny hoaviko amin’ny finoana?
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson momba ny maha zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ny fotoanan’ny fisalasalana:
Mazava ho azy, fa voaro tanteraka isika rehefa mifamatotra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy! Ny fiainana tsy misy an’ Andriamanitra dia fiainana feno tahotra. Ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra dia fiainana feno fiadanana.
(Russell M. Nelson, “Raiso am-pinoana ny ho avy,” Liahona, nôv. 2020, 75)