Seminera
Matio 25:14–46


Matio 25:14–46

Miomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy

Sary
Resurrected Christ with arms outstretched stands above a throng of people of all races and times, some prone, some standing. The people on the right side of Christ are in the attitude of worship. The people on the left side of Christ are in anguish. Scenes of ruin are in the foreground and background. The Washington D.C. temple is pictured in the upper left corner.

Nampianatra ny fanoharana momba ny talenta sy ny ondry ary ny osy ny Mpamonjy mba hanampiana ireo mpianany hahafantatra ny fomba tokony hiomanan’izy ireo amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao hamantatra ireo fahamarinana avy amin’ireo fanoharana ireo sy hiomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Tadidio ny sasany amin’ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy ireo. Ireto sary manaraka ireto dia hanampy anao hitadidy ny sasany izay efa nianaranao tamin’ity taona ity.

Sary
Mustard seeds
Sary
Stack of old silver coins.
Sary
shell sand pearl
  • Inona no fampianarana mba tsaroanao avy amin’ireo fanoharana ireo?

  • Nanampy anao tamin’ny fomba ahoana ireo fampianarana nianaranao tamin’ity taona ity avy tamin’ny fanoharana?

  • Manao ahoana ny fahatokisan-tenanao amin’ny fahaizanao mianatra momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo fanoharana izay nataony?

Avereno jerena ny fomba hahatakarana ireo fanoharana

Mety hanampy ny famerenana ireo sosokevitra momba ny fomba fahatakarana ireo fanoharana ireo. Vao tsy ela akory tamin’ity taona ity, dia nianatra ireo dingana efatra ahafahana mahatakatra fanoharana ianao. Raha toa ka tsy nianatra na nila fanampiana tamin’ny fitadidiana ny hoe inona avy izy ireo ianao, dia azo atao ny mijery ny lesona ao amin’ny “Matio 13.”

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto lohateny manaraka ireto. Asio malalaka eo anelanelan’ny lohateny tsirairay mba handraketana ireo fahitana sy fomba fijery.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana ara-panahy.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

Rehefa manohy ity lesona ity ianao, dia hampihatra ireo fitsipika efatra ao amin’ireo fanoharana izay hita ao amin’ny Matio 25:14–46 .

Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Rehefa nampianatra momba ny Fiaviana Fanindroany sy ny Fitsarana ny Mpamonjy, dia nizara fanoharana Izy mba hanazavana ireo zavatra tokony hataontsika mba hiomanana amin’ny fiverenany. Safidio ary ianaro ny iray amin’ireto fanoharana izay nomen’ny Mpamonjy ireto, ary tadiavo ny antsipiriany manan-danja.

Fanoharana momba ny Talenta

Vakio ny Matio 25:14–30 , na jereo ny “The Parable of the Talents” (3:03), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
shell sand pearl

Mety hanampy anao eo am-pandalinanao ity fanoharana ity izao fampahafantarana manaraka izao:

  • Ny atao hoe “talenta” dia teny iray izay entina milaza vola be dia be tamin’ny andro taloha. Eto amin’ity fanoharana ity, dia nanehoana “zavatra sarobidy,” toy ny filazantsara na fitahiana, fanomezam-pahasoavana, fahaizana sy fahafahana manao zavatra anankiray izay nomen’ny Tompo antsika (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Talenta ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ny teny hoe “usury” dia entina milaza ny fitakiana zana-bola amin’ny fampindramam-bola na mety hidika hoe taham-bola ambony loatra ihany koa (jereo ny Bible Dictionary, “ Usury ”).

  • Ny tompo dia maneho an’i Jesoa Kristy.

  • Ny mpanompo dia maneho antsika tsirairay avy.

Manaova kisarisary maneho ity fanoharana ity.

Fanoharana momba ny ondry sy ny osy

Vakio ny Matio 25:31–46, na jereo ny “Ye Have Done It unto Me” (3:14), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
shell sand pearl

Mety hanampy anao amin’ny fianarana ity fanoharana ity ny fahafantarana izao manaraka izao:

  • Ny “tanana ankavanana”: Tamin’ny andro fahiny, dia ny fipetrahana eo an-tanana ankavanan’ny mpanjaka na eo amin’ny ilany ankavanana, no toerana manam-boninahitra indrindra mandritra ny fety iray.

Manaova kisarisary maneho ity fanoharana ity.

Manaova fampitahana ara-panahy, ary tadiavo ireo lesona manan-danja indrindra

Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampy anao hahafantatra ny lesona izay nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ireo fanoharana izay nataony ireo. Ataovy mazava tsara araka izay azo atao.

  • Inona no fahamarinana na lesona izay nianaranao rehefa nianatra ity fanoharana ity ianao?

  • Ahoana no hanampian’ny fahalalana sy fiainana ireo fahamarinana ireo antsika hiomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? Araka ny hevitrao, nahoana no nampianatra ireo fahamarinana ireo ny Mpamonjy?

  • Ahoana no maha mpamindra fo sy marina ny Tompo?

  • Ahoana no ahafahanao mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ao amin’ireo fahamarinana izay nampianariny tamin’ny alalan’ity fanoharana ity?

  • Ahoana ny fiantraikan’ny fahafantaranao ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fanirianao mba hanomananao ny fihaonana amin’ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany Fanindroany?

Fantaro ny fomba fampiharana azonao atao manokana

1. Ataovy samirery ny sahanasa 1 na 2 ary ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina indray ny sahanasa 3. Fantaro ireo fihetseham-po avy tamin’ny Fanahy Masina mikasika ny zavatra izay azonao atao mba hiomanana amin’ny fihaonana amin’ny Mpamonjy.

  1. Raha sendra ka mianatra ny fanoharana momba ny talenta ianao, dia ataova lisitra ireo fahaiza-manao sy fitahiana izay nomen’ny Tompo anao. Raha azo atao, dia fantaro amin’ny alalan’ny fanatonana olona izay fantatrao na amin’ny alalan’ny famakiana ny tsodranon’ny patriarikanao ny sasany amin’ireo fitahiana ireo, raha toa ka ananao izany. Eritrereto ny fomba hitiavan’ny Tompo hampiasanao ireo fahaiza-manao sy fitahiana ireo.

  2. Raha toa ka nianatra ny fanoharana momba ny ondry sy osy ianao, dia eritrereto ny mety ho hevitra fonosin’ny fanomezana sakafo, zava-pisotro, fitafiana, ary finamanana amin’olona araka ny toe-java-misy iainanao. Eritrereto ireo olona izay fahitanao matetika, ary fantaro hoe iza amin’izy ireny no tian’ny Tompo hampianao. Manorata fomba izay hahafahanao hanampy izany olona izany mba hanatona kokoa Azy.

  3. Mizarà fahamarinana iray nianaranao hita ao anatin’ity lesona ity avy tamin’ireo fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy, ary hazavao ny fomba hampiharanao izany fitsipika izany amin’ireo zavatra izay fanaonao andavanandro.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana raha misy olona mahazo betsaka kokoa na kely kokoa noho izay azoko?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Ny fivoaran’ny talentantsika manokana no maridrefin’ny fivoarantsika tsara indrindra. … Ny fampitahana ireo fitahiana dia azo antoka fa hanaisotra ny fifaliana. Tsy afaka ny ho sady feno fankasitrahana isika no sady feno fitsiriritana ihany koa. Raha te hanana marina ny Fanahin’ny Tompo isika ary te hiaina fifaliana sy fahasambarana, dia tokony hifaly amin’ny fitahiana izay azontsika ary hahay hankasitraka.

(Quentin L. Cook, “Mifalia!,” Ensign, nôv. 1996, 29–30)

Inona avy ireo fihetsika izay hitsaran’ny Mpamonjy antsika?

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Amin’ny andro farany dia tsy hanontany momba ny toetoetran’ny antsontsika ny Mpamonjy. Tsy hanontany momba ny fananantsika ara-nofo na ny lazantsika Izy. Hanontany Izy raha toa ka nanompo ny marary isika, nanome sakafo sy rano ny noana, namangy ireo izay any an-tranomaizina na nanampy ny osa [jereo ny Matio 25:31–40 ]. Rehefa manolo-tanana hanampy ireo madinika indrindra amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra isika, dia manao izany Aminy ihany koa [jereo ny Matio 2540 ]. Izany no fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

(Joseph B. Wirthlin, “Ny Didy Lehibe,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 30)

Inona ny zavatra andrasan’ny Tompo hataontsika amin’ireo zavatra nomeny ho antsika?

Ny Loholona Stanley G. Ellis avy ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy dia nizara ny fomba fijeriny mahakasika ny fanahorana momba ny talenta:

Sary
Official Portrait of Elder Stanley G. Ellis. Photographed in March 2017.

Ilay mpanompo nahazo dimy ary namerina folo, sy ilay naka roa ary namerina efatra, dia nolazaina fa mpanompo tsara sady mahatoky. Fa ny tena nanaitra ahy dia ilay mpanompo izay nahazo iray, nikarakara izany, ary namerina izany soa aman-tsara tany amin’ny tompony. Nahagaga ahy ny zavatra navalin’ilay tompony: “Ry mpanompo ratsy sady malaina, … koa alao aminy ny talenta, … Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa”! (Jereo ny Matio 25:14–30.)

Toa fanehoan-kevitra henjana tamin’ny olona iray toa niezaka nikarakara izay nomena azy izany. Saingy nampianatra ahy izao fahamarinana izao ny Fanahy—miandrandra fiovana ny Tompo!

(Stanley G. Ellis, “Matoky Antsika Izy!,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 52)

Ny Loholona Ellis dia nanoro hevitra fa afaka manao izany “fiovana” izany eo amin’ny fiainantsika isika amin’ny alalan’ny fifikirana amin’ny Tompo (jereo ny Jaona 15:5), ny fanaovana ireo andraikitsika ara-panahy, ary ny fanarahana ny Fanahy sy ireo mpitarika eo anivon’ ny Fiangonana.

Hamoaka printy