Seminera
Matio 25:1–13


Matio 25:1–13

Fanoharana momba ireo Virijiny Folo

Sary
Painting depicting the parable of the ten virgins as taught by Jesus Christ. Five of the women are adding oil to their lamps in preparation to meet the bridegroom. The other five women have no oil and are asking the five wise virgins for oil. The wise women are not able to spare the oil for the foolish.

Rehefa nanakaiky hifarana ny asa fanompoana izay nataony tety an-tany dia nampianatra ny mpianany ny maha zava-dehibe ny fiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanoharana momba ireo virijiny folo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanomanana ny tenanao hihaona amin’ny Tompo rehefa tonga indray Izy.

Vonona sa tsy vonona?

Saintsaino ny fotoana izay tsy nahavonona anao mihitsy tamin’ny zavatra iray izay nitaky fanomanana be.

  • Manao ahoana izany?

  • Inona no antony sasantsasany mahatonga antsika hanao ambanin-javatra ny fanomanana ny zavatra sasany?

Omeo isa miantomboka amin’ny 1 ka hatramin’ny 10 ny tenanao (1 dia midika fa tsy manaiky ianao; ary 10 kosa dia midika fa manaiky ianao) amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

Mahatsapa aho fa vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.

Ny Matio 25:1–13 dia mirakitra ny fanoharana izay nataon’i Jesoa Kristy momba ireo virijiny folo izay nampianariny mba hanampiany ireo mpanara-dia Azy hiomana amin’ny fiaviany fanindroany indray. Rehefa mianatra ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba tsara hiomananao sy ahafahanao manatsara izany. Saintsaino ny fanontaniana tahaka ny hoe “Iza moa aho amin’io fanoharana io?”

Mialoha ny handalinana io fanoharana io dia zava-dehibe ny mahatakatra ny fomba fampakaram-badin’ireo Jiosy tamin’ny andron’ny Mpamonjy. Ny mpampakatra miaraka amin’ny namany akaiky dia mandeha mankany an-tranon’ilay ampakarina mandritra ny alina mba hampaka-bady. Aorian’ny fampakaram-bady, dia mitohy any an-tranon-dralehilahy ny lanonana fiaraha-misakafo. Ireo vahiny nasaina izay tonga manatrika, anisan’izany ireo virijiny na ny demoiselles d’honneur dia tsy maintsy mitondra fanilo na jirony azy manokana mba hamantarana fa anisan’ireo nasaina hanatrika ilay lanonana fankalazam-panambadiana izy ireo sy mba hanampiana ny famirapiratana sy hakanton’ilay lanonana ihany koa.

Vakio ny Matio 25:1–4 , ary manaova lisitra an’ireo singa manan-danja tao amin’ny fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy toy ny olona na ny zavatra. Soraty eo akaikin’ireo singa tsirairay hoe iza na inona ny hevitra izay heverinao fa fonosin’izany.

Inona avy ny hevitra fonosin’ireo singa ao amin’ilay fanoharana momba ny virijiny folo?

Ny fanambarana sy fampianarana avy amin’ny mpaminany amin’izao andro maoderina izao dia afaka manampy anao hahatakatra ny hevitr’ireo famantarana izay hita ao amin’io fanoharana io.

  1. Ny mpampakatra dia famantarana ny Mpamonjy, ary ny fiavian’ilay mpampakatra dia maneho ny Fiaviana fanindroany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:17 ; 88:92 ; 133:10).

  2. Ny Filoha Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa: “ireo virijiny folo ireo dia maneho mazava ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy, satria nasaina amin’ilay lanonam-pampakaram-bady avokoa ny rehetra ary nahafantatra ny zavatra notakiana mba hahatafiditra azy ireo ao anatin’ny lanonana rehefa tonga ny mpampakatra” Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign or Liahona, May 2004, 8

  3. Ny fanala dia afaka maneho ny fijoroantsika ho vavolombelona (jereo ny David A. Bednar, “Miova fo ho amin’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 109). Mariho fa nanana fanala avokoa ireo virijiny folo.

  4. Ny solika dia afaka maneho ny fiovam-pontsika ho an’ny Tompo Jesoa Kristy (jereo ny David A. Bednar, “Miova fo ho amin’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 109). Tafiditra ao anatin’izany ireo ezaka izay ataontsika hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy hiaina amim-pankatoavana ny Mpamonjy sy ny Filazantsarany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–58 ; Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 256).

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo dikany ara-panoharana ireo no tena manan-danja indrindra aminao, ary nahoana?

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny teninao manokana ny maha samihafa ny virijiny adala sy virijiny hendry?

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ireo zavatra izay azontsika atao mba hametrahana ny solika ara-panoharana ao anatin’ilay fanalantsika?

Vakio nyambiny amin’ilay fanoharana ao amin’ny Matio 25:5–13 . Rehefa manao izany ianao, dia alaivo sary an-tsaina hoe anankiray amin’ireo virijiny ireo ianao. Azonao atao ny mihaino ny fitantarana ny Soratra Masina ao ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Evangile. Azonao atao ihany koa ny mijery horonan-tsarin’ny Baiboly “Ny virijiny folo” manomboka avy amin’ny minitra faha (1:40) na ny horonan-tsary “Ireo izay Hendry” manomboka avy amin’ny minitra faha 0:00 ka hatramin’ny minitra faha 5:41.

Ao amin’ny Matio 25:12 , mariho ny valin-tenin’ilay mpampakatra tamin’ireo virijiny folo adala izay niezaka hiditra tamin’ny lanonam-pampakaram-bady kanefa tsy nanana ny solika ampy akory izy ireo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 25:11 dia manazava fa ilay mpampakatra dia nilaza hoe: “Tsy mahafantatra ahy ianareo” (ao amin’ny Matio 25:12 , Torolalana ho an’ny Soratra Masina a).

  • Tsarovy ny hevitra fonosin’ilay solika, ary nahoana no nilaina io solika io mba ahafantarana marina ny Mpamonjy sy mba hananana fahavononana tsara hihaona Aminy?

  • Nahoana no tsy afaka nanome solika ho an’ireo virijiny adala ireo virijiny Hendry?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Iray amin’ireo tanjona manan-danja eo amin’ny fiainana eto an-tany ny hoe tsy mianatra momba ny Lahitokana avy amin’ny Ray fotsiny fa miezaka ny mahafantatra Azy ihany koa. … Lasa mahafantatra ny Mpamonjy isika rehefa manao izay rehetra azontsika atao mba handeha any amin’izay tiany handehanantsika, rehefa miezaka milaza izay tiany holazaintsika, ary rehefa tonga tahaka izay tiany hahatongavantsika.

(David A. Bednar, “Raha nahafantatra Ahy hianareo,” Liahona, nôv. 2016, 103, 104)

Hevero ny hanoratra ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mahafantatra ny Mpamonjy aho sy miomana ny amin’ny fiaviany amin’ Alalan’ireo fiezahana manaraka ny ohatra izay nomeny amin’ny fiainana araka ny fahamarinana.Makà minitra vitsivitsy mba hanoratana ny endrik’io fanoharana io amin’izao andro maoderina izao. Ahoana no mety ho fiainan’ireo virijiny hendry ireo amin’izao fotoana izao? Ahoana no ahafahanao milaza fa mahafantatra ny Tompo izy ary niova fo ho Azy? Ahoana indray no mety ho fiainan’ireo virijiny adala? Inona avy no antony sasantsasany andrasan’izy ireo mba hamantarana ny Tompo?

  • Nahoana araka ny hevitrao, no manan-danja ny ezaka izay atao mba hahafantatra ny Mpamonjy sy ny fahavononana ny hihaona Aminy rehefa miverina indray Izy?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fiezahana miaina tahaka ny Mpamonjy manampy antsika hahafantatra Azy bebe kokoa?

  • Inona ny zavatra izay efa niainanao sy ny asa tamim-pahamarinana izay nataonao ka nanampy anao hahafantatra an’i Jesoa Kristy?

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity atrikasa manaraka ity:

Sary
Simple drawing of an ancient oil lamp.

Manaova sarina fanala tsotsotra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantaranao ireo ohatra izay nataonao mba hahafantaranao ny Mpamonjy sy ireo fomba hiomananao amin’ny Fiaviany indray. Hevero ny hanoratra ireto ao anatin’ilay fanala mba hanehoana ny solikao. Katsaho ihany koa ny fitarihan’ny Fanahy mba hahafantaranao ny zavatra izay tian’ny Tompo hataonao sy mba hahafantaranao Azy bebe kokoa ary hiomananao amin’ny fiaviany indray. Soraty eo ivelan’ilay fanala ny iray na roa amin’ireo, mba hanehoana ny solika izay mbola tokony ho azonao.

Katsaho ny fanampian’ny Tompo rehefa miezaka mamantatra Azy bebe kokoa sy miomana amin’ny fihaonana Aminy ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Matio 25:6 . Inona no dikan’ny fahatongavan’ilay mpampakatra amin’ny misasak’alina?

Ny ankamaroan’ny lanonam-pampakaram-badin’ireo Jiosy dia atao amin’ny alina avokoa. Maro ireo andinin-tsoratra masina manambara ny fiavian’ny Mpamonjy indray tahaka ny mpangalatra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 12:44 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]; 1 Tesalonianina 5:2 ; 2 Petera 3:10 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:19 ; 106:4). Ny fiavian’ny mpampakatra amin’ny misasak’alina dia manambara ny ora tsy ampoizina amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy. Ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nanazava fa:

Sary
Portrait painting of President Spencer W. Kimball.

Tsy nandà ny hividy solika ireo virijiny adala. Fantatr’izy ireo fa tokony nanana solika izy ireo. Nangatak’andro tsotra izao izy ireo, tsy nahafantatra ny fotoana izay hahatongavan’ilay mpampakatra. … Tara loatra ny misasak’alina ho an’ireo nangatak’andro.

(Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 256)

Ahoana izany raha ohatra ka rahampitso ny andro hahatongavany?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra izao manaraka izao:

Sary
Portrait painting of President Spencer W. Kimball.

Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso, amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina, inona no hataontsika anio? Inona ireo fibabohana hataontsika? Inona ireo fomba fanao izay tokony hajanontsika? Inona avy ireo fifandirana na olana izay tokony alamintsika? Inona avy ireo famelan-keloka hataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozakaintsika?

Raha tsy maintsy hataontsika ihany izany, nahoana no tsy atao izao ankehitriny izao? Nahoana no tsy katsahina ny fiadanana raha mbola afaka mahazo fiadanana? Raha manomboka mihalany solika ny fanala fiomanantsika, dia handeha atomboka avy hatrany ny famenoana izany indray.

(Dallin H. Oaks, “Preparation for the Second Coming,” Ensign or Liahona, May 2004, 9)

Nahoana ireo virijiny hendry no tsy te hizara ny solik’izy ireo?

Raha niresaka momba ireo virijiny hendry tsy nizara ny solika tamin’ireo virijiny adala ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nampianatra fa:

Sary
Portrait painting of President Spencer W. Kimball.

Tsy fitiavan-tena na haratsiam-panahy izany. Tsy azo zaraina ilay karazana solika izay ilaina mba hanazava ny haizina. Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara ny fankatoavany ny fitsipiky ny fahafolonkarena … ? … Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara toe-tsaina tsara na fanajana ny fahadiovam-pitondrantena, na ireo zavatra izay efa niainany tamin’ny fanaovana asa fitoriana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara ireo tombontsoa azo avy amin’ny tempoly? Tokony manana izany karazana solika izany ho an’ny tenany manokana ny tsirairay. …

Eo amin’ny fiainantsika, ny solika ho an’ny fiomanana dia mitombo tsikelikely avy amin’ny fiainana am-pahamarinana. … Ny zavatra rehetra atao amim-panoloran-tena sy fankatoavana dia miangona tahaka an’ireny tete iray.

(Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 255–56)

Hamoaka printy