Seminera
1 Korintiana 10


1 Korintiana 10

Miala amin’ny fakam-panahy

Sary
John’s life may have been very different had he not had the courage to leave a party one evening in Japan.

Moa ve ianao efa mba naniry ny ho afa-miala amin’ireo fakam-panahy atrehinao? Nampianatra fitsipika manan-danja iray afaka manampy antsika ny Apôstôly Paoly rehefa tojo fakam-panahy isika. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hiantehitra amin’i Jesoa Kristy mba handresena ny fakam-panahy.

Mamaky ireo andinin-tsoratra masina. Maro ireo fomba azo hamakiana ny andinin-tsoratra masina mandritra ny fotoam-pianarana, anisan’izany ny famakiana iarahan’ny iray kilasy, ao anatina vondrona kely, na ho an’ny tena manokana. Eritrereto ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny fahaiza-manaony miaraka amin’ny fitaovana enti-mampianatra rehefa misafidy fomba famakiana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny “1 Korintiana 10:1–13: Manome làlana hialana amin’ny fakam-panahy Andriamanitra” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023. Rehefa mianatra izy ireo, dia afaka misaintsaina ity fanontaniana ity: “Inona avy ireo karazam-pandosirana fakam-panahy izay natolotry ny Ray any An-danitra ho anao?”

Sahanasa fianarana azo atao

Fakam-panahy

Mitondrà andriamby sy fitaovana vy ao an-dakilasy ary asao ireo mpianatra hampiasa izany hanazavana ny foto-kevitry ny fanoherana ny fakam-panahy. Azon’izy ireo atao ohatra, ny manamafy ny maha zava-dehibe ny fanalavirana ny fakam-panahy sy ny loza ateraky ny fanatonana izany akaiky loatra.

Sary
Silver Spheres Gravitated Towards a Red Magnet on Blue Background

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, na jereo ny horonan-tsary “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra” manomboka amin’ny mari-potoana 2:44 ka hatramin’ny 3:23, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Silver Spheres Gravitated Towards a Red Magnet on Blue Background
Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Raha atao fanoharana ny fanekena fakam-panahy dia toy ny manatona andriamby sady mitondra vy. Hisintona ilay vy ny hery tsy hita maso ao amin’ilay andriamby ary hitazona izany mafy. Rehefa apetraka lavitra azy ihany ilay vy vao tsy manan-kery aminy intsony ilay andriamby. Noho izany, tahaka ny andriamby izay tsy afaka mampihatra ny heriny amin’ny vy izay lavitra azy, rehefa manohitra fakam-panahy isika dia hihena izany ary tsy hanana hery amin’ny saintsika sy ny fontsika intsony, ka tsy hihatra amin’ny zavatra ataontsika.

(Ulisses Soares, “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 83)

Eo am-pandalinanao ny 1 Korintiana 10 , dia henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina izay hanampy anao hahafantatra ny zavatra azonao atao hanoherana ireo fakam-panahy atrehinao.

Iray amin’ireo tanjon’ny soratra masina ny hanampy antsika hianatra avy amin’ny fiainana sy ny olana natrehan’ireo izay nialoha lalana antsika (jereo ny 1 Korintiana 10:6, 11 ; Môrmôna 9:31). Araka ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 10 , dia nampiasa ny ohatra tamin’ny Isiraelita niampita ny Ranomasina Mena sy ny dia tany an’efitra i Paoly rehefa nampahatsiahy ny Korintiana ny fomba niarahan’ny Tompo tamin’ny Isiraelita nandritra ny dian’izy ireo (jereo ny 1 Korintiana 10:1–4).

Jereo ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’ny Isiraelita sy ny anaram-boninahitra nampiasaina hiantsoana Azy ao amin’ny andininy 4 .

  • Inona no azonao ianarana mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny anaram-boninahitra nampiasain’i Paoly ao amin’ny andininy 4 ?

Na dia teo aza ireo fomba mahagaga nanohanan’ny Tompo ny Isiraelita, dia tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ireo indraindray. Vakio ny 1 Korintiana 10:5–11 , ka tadiavo ireo fakam-panahy nahatonga ny Isiraelita hiala tamin’i Jesoa Kristy ilay “vatolampy ara-panahy” ho azy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mampitovy ny toe-javatra iainantsika amin’ny an’ny Isiraelita?

  • Inona ireo fakam-panahy mahazatra mety atrehan’ny tanora ka mety hahatonga azy ireo hiala amin’ny Mpamonjy?

Eritrereto ny fakam-panahy atrehinao amin’izao fotoana izao sy ny fomba ahafahan’izany mampiahataka anao amin’ilay “Vatolampy”, dia i Jesoa Kristy. Saintsaino ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao raha vitanao ny mandresy ireo fakam-panahy ireo.

Hanampy antsika handresy ny fakam-panahy ny Mpamonjy

Tsarovy fa tsy fahotana izany hoe alaina fanahy izany fa ny manaiky ho resin’ny fakam-panahy no fahotana. Vakio ny 1 Korintiana 10:12–14 , ka tadiavo ireo fitsipika afaka manampy anao handresy ny fakam-panahy.

  • Inona no nampanantenain’ Andriamanitra fa hataony hanampiana anao handresy ny fakam-panahy?

  • Inona avy ireo teny sy andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mamaritra ny zavatra andrasan’ Andriamanitra hataontsika rehefa miatrika fakam-panahy isika?

  • Inona ireo fitsipika hitanao?

Mety hahita karazana fitsipika maro ireo mpianatra. Makà fotoana hiresahana momba ireo fitsipika ireo sy hifantohana amin’ny zavatra manan-danja amin’ireo mpianatra. Hevero ny hametraka fanontaniana ho fanaraha-maso toy ny hoe “Inona no teny sy andian-teny nanampy anao hamantatra io fitsipika io?” sy hoe “Ahoana no mety hanampian’io fitsipika io anao?”

Mety efa hitanao ny fitsipika iray toy ny hoe Andriamanitra dia hanome fomba ahafahantsika miala amin’ny fakam-panahy, saingy tsy maintsy misafidy ny hampisaraka ny tenantsika amin’ny fakam-panahy isika.

Hevero ny hizara fanambarana mifono faminaniana fanampiny ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra ao amin’ny soratra masina amin’ny fialana amin’ny fakam-panahy dia diniho ny hamaky sy hifanakalo hevitra mikasika ny Genesisy 39:1–12 na ny Matio 4:1–10 .

Ao amin’ny soratra masina manontolo sy tamin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina dia nampianatra antsika ny fomba handresena ny fakam-panahy ny Mpamonjy. Vakio ity soratra masina sy fanambarana mifono faminaniana manaraka ity, ka tadiavo ny zavatra azonao atao hitodihana any amin’ny Mpamonjy sy hialana amin’ny fakam-panahy. Azonao atao ny mampifandray azy ireo amin’ny 1 Korintiana 10:12–14 .

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Mitondra antsika any amin’ny fibebahana sy ny fitandremana ny didiny ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Mankatò sy manohitra ny fakam-panahy isika amin’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina. Hiova ny toetrantsika rehefa mandeha eny ny fotoana. Ho tonga tahaka ny zazakely isika, mankatò an’ Andriamanitra ary be fitiavana kokoa. Izany fiovana izany, raha manao izay tsy maintsy ataontsika isika mba hitandremana izany, dia hahamendrika antsika amin’ny fankafizana ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Dia ho voaro eo amin’ilay hany vatolampy azo antoka isika.

(Henry B. Eyring, “As a Child,” Ensign na Liahona, mey 2006, 16)

  • Inona no nianaranao avy amin’ireo soratra masina ireo sy avy amin’io teny nambara io ka mandrisika anao hitodika any amin’ny Mpamonjy mba hialana amin’ny fakam-panahy?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany hatolotr’ Andriamanitra hialana amin’ny fakam-panahy?

  • Inona no azontsika atao hamantarana sy hampiasana ireo fomba fialana izay omen’ Andriamanitra?

Noho ny maha saro-pady ny fakam-panahy sasany dia avelao ny mpianatra hiasa tsirairay amin’ireto fampiasana manaraka ireto. Rehefa mahavita ny mpianatra dia afaka mizara ny zavatra nataony amin’ny ankapobeny izy ireo. Tsy tokony hizara amin’ny iray kilasy ny fakam-panahy ezahiny horesena ny mpianatra.

Vitao ny roa na mihoatra amin’ireto manaraka ireto:

Mariho fa ny fanoloana ny anarantsika sy ny toe-javatra misy antsika manokana ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy antsika hampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika. Amporisiho ny mpianatra hampihatra io fahaiza-manao io amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina.

  • Avereno soratana ny 1 Korintiana 10:14 , ka ampidiro eo amin’ny toeran’ny teny hoe “ry malala” ny anaranao, ary soloy fakam-panahy iray izay atrehanao ny teny hoe “fanompoan-tsampy.”

  • Soraty ny zavatra niainanao izay nanampian’ny Mpamonjy anao hiala amin’ny fakam-panahy. Ahoana no mety hanampian’io zavatra niainana io anao hiala amin’ireo fakam-panahy atrehinao ankehitriny?

  • Raketo an-tsoratra ireo dingana manokana hataonao mba hianteherana amin’i Jesoa Kristy sy hanoherana ny fakam-panahy atrehanao.

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina ny 1 Korintiana 10 ianao?

  • Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hiala amin’ireo fakam-panahy atrehinao?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy sy ny Fanahy Masina ahy handresy ny fakam-panahy?

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Ny fiadiana amin’ny fakam-panahy dia mitaky fahazotoana sy fahatokiana mandritra ny fiainana manontolo. Saingy fantaro fa ny Tompo dia vonona hanampy antsika amin’ireo ezaka manokana ataontsika ary mampanantena fitahiana mahatalanjona raha maharitra hatramin’ny farany isika. …

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miantehitra amin’ny vatolampin’ny famonjena, dia ilay Mpamonjy ny fanahintsika isika, … dia hitombo be ny fahafahantsika mifehy ny eritreritsika. Afaka manome toky anareo aho fa hitombo haingana ny fahamatorantsika ara-panahy, ka hanova ny fontsika, ary hahatonga antsika ho tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Ankoatra izany, ho lehibe kokoa ary tsy ho tapaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Avy eo dia hihena ny herin’ny fakam-panahin’ilay fahavalo eo amintsika, ka izany dia hiteraka fiainana sambatra sy madio ary masina kokoa.

Ho an’ireo izay latsaka ao anatin’ny fakam-panahy, na inona na inona antony, ary manohy manao asa tsy am-pahamarinana, dia manome toky anareo aho fa misy ny lalana miverina, misy ny fanantenana ao amin’i Kristy.

(Ulisses Soares, “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 83–84)

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Fitsipika iray momba ny fivoarana mandrakizay ny hoe hanamafy ny fahafahantsika hanohitra ny fakam-panahy ny fifehezan-tena. Marina izany na amin’ny ara-panahy na amin’ny ara-nofo. …

Ao anatin’ny drafitra masin’ Andriamanitra dia notahiana amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina isika. … Feo fampitandremana amin’ny ratsy koa izy sy feno fiarovana amin’ny loza. Rehefa mamakivaky ny onjam-piainana isika, dia zava-dehibe ny manaraka ny fahatsapana ny Fanahy Masina. Hanampy antsika hisoroka ny fakam-panahy sy ny loza ny Fanahy ary hampionona sy hitarika antsika ao anatin’ny fahasahiranana.

Ahoana no ahafahako miomana mialoha hiala amin’ny fakam-panahy?

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) hoe:

Sary
Portrait painting of President Spencer W. Kimball.

Mora kokoa ny mandray fanapahan-kevitra tsara rehefa atao mialoha izany, sady mitahiry an-tsaina ny tanjona tiana hahatongavana; manafaka alahelo maro izany [mandritra ny fotoana hanapahana hevitra], rehefa reraka sy alaim-panahy fatratra isika. …

Ampitomboy hatrany ny fifehezanao ny tenanao, amin’izay ianao tsy ho voatery hanapa-kevitra sy hiverina hanapa-kevitra hoe inona no hataonao rehefa miverimberina ny fakam-panahy iray. Mila maka fanapahan-kevitra iray ianao indray mandeha! …

Ny fotoana hialana amin’ny fomba ratsy dia mialoha ny fotoana hisehoan’izy ireny. Ao amin’ny fiarovana sy ny fisorohana no misy ny tsiambaratelon’ny fiainana tsara. Ireo izay milefitra amin’ny faharatsiana no matetika mametraka ny tenany amin’ny toerana mora hamelezana azy.

(Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball[2006], 108–9)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny boky mirakitra ny tetik’adinao hialana amin’ny fakam-panahy

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny anjara asan’ny boky mirakitra tetik’ady ho an’ny ekipa mpanao fanatanjahantena. Angataho ny mpianatra hieritreritra momba ireo fakam-panahy atrehin’izy ireo eo am-pijerena “Ny boky mirakitra ny tetik’adinareo ao amin’ny fisoronana” manomboka amin’ny mari-potoana 3:50 ka hatramin’ny 5:59, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’ity horonan-tsary ity, ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia miresaka ireo fomba ahafahantsika manohitra ny fakam-panahy.

Aorian’ilay horonan-tsary dia afaka omena fotoana ny mpianatra hamorona boky mirakitra tetik’ady ho azy manokana sy hanao drafitra hanoherana ny fakam-panahy.

Hamoaka printy