Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 11:11


Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 11:11

Samy manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy

Sary
Young couple stands outside the Ogden Utah Temple. They are looking out at the temple in the background with the Angel Moroni being almost top center of the image. He is wearing a dark blue suit with white collared shirt. She is in a white dress. It is late afternoon/early evening.

Tao amin’ny fandalinanao ny 1 Korintiana 11, dia nianatra momba ny fahitan’ Andriamanitra ireo anjara asa miavaka sy masin’ny vehivavy sy ny lehilahy ianao. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hampitombo ny fifehezanao ireo fampianarana ireo rehefa manao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 ianao, sy manazava ny fotopampianarana, ary mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “1 Korintiana 11,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitry ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 . Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andalan-tsoratra fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka ny sahan-kevitr’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao dia tadidio

Ity fandinihana momba ny tanana manaraka ity dia notsoahina avy tamin’ny lahateny nataon’i Linda K. Burton hoe “Hiara-hivoatra isika” (Liahona, mey 2015, 29–32).

Jereo ny tananao. Diniho hoe inona no mampitovy sy tsy mampitovy azy ireo.

  • Koa satria afaka miasa samirery ny tanana tsirairay, nahoana araka ny eritreritrao no nataon’ny Ray any An-danitra hanana tanana anankiroa ireo zanany?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny fahasamihafan’ireo tananao anao hanatontosa asa na hampiasa ny talentanao?

  • Inona no zavatra izay mety ifandraisan’io fandinihana momba ny tananao io amin’ny 1 Koritianina 11:11 ?

Omeo fotoana ireo mpianatra hahafahany mitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Koritianina 11:11 . Ity manaraka ity dia sahanasa anankiray azo atao momba ny fianarana mitadidy. Raha toa ka azo atao, dia amporisiho ireo mpianatra hampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hamerenany sy hitadidiany ity andalan-tsoratra masina ity.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Korintiana 11:11 sy ny andian-teny manan-danja ao aminy izay manao hoe, “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

Soraty ilay andian-teny mana-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andiny ao amin’ny soratra masina. Vakio na averimbereno imbetsaka ilay andian-teny sy ny toko sy andininy, dia mamafà teny isaky ny mandeha. Tohizo hatrany izany mandrapahafahanao mamerina tsara tsy an-kijery ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andinin-tsoratra masina.

Fizàrana mampihatra

Raketo an-tsoratra, ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto:

  1. Manao asa amim-pinoana

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  3. Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidin’ Andriamanitra

Farito ao anatin’ny fehezan-teny roa na telo ny fitsipika tsirairay. Azonao atao ny mijery ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mba hanamarinana ny fahalalanao sy hanampiana ny fampahalalana manan-danja izay mety tsy hitanao.

Amporisiho ireo mpianatra hitadidy ny zavatra izay nianaran’izy ireo tamin’ny fiomanan’ny mpianatra. Rehefa mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ireo mpianatra, dia hevero ny hanoratra (na asaivo soratany) eny amin’ny solaitrabe ny valin-teny izay aroson’izy ireo. Ny firaketana an-tsoratra ny heviny dia hanampy ireo mpianatra hampifandray ny zavatra ianarany amin’ny fiainany.

Tao amin’ny 1 Korintiana 11:11 , ianao dia nianatra fa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia tena manan-danja avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy.

  • Ahoana no hisehoan’ny tsy fahatakarana na fanaovana tsinontsinona ity fahamarinana ity eo amin’ny fiarahamonina?

  • Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany eo amin’ny fiainanao ahafahanao mampianatra na miaro ity fahamarinana ity?

Mba hahatonga ny fianarana ho hanan-danaja ho an’ny tena manokana kokoa, dia hevero ny hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny valin-teny izay naroson’ireo mpianatra tamin’ny fanontaniana napetraka teo aloha. Raha toa ka ilaina, dia ampiasao ireo rafi-tantara voalaza ao amin’ny lesona.

Mety hanampy ny fanehoana ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanaovana fifanakalozan-kevitra na omeo ny taratasy zaraina nampiarahana tato ireo mpianatra.

Hevero ny fomba mety ho tsara indrindra hianaran’ireo mpianatra avy amin’ity sahanasa ity. Afaka miasa irery izy ireo, na ao anatin’ny vondrona kely maromaro, na iray kilasy miaraka. Mety hanampy ny fanokanana fotoana kely amin’ny faran’ny fampianarana mba hiresahana ny zavatra izay hitan’izy ireo.

Sary
Heavenly Father’s plan.

Misafidiana anankiray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo manampy olona iray mba hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 mikasika ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  1. I Ravaka zandrivavin’i Mirana dia nandre ankizilahy nilaza tany am-pianarana fa ny lehilahy dia mana-danja kokoa noho ny vehivavy. Nanontany an’i Ravaka i Mirana hoe, “Moa ve aho tsy manan-danja mitovy amin’ny ankizilahy?”

  2. Manahy mafy i Rina satria nandre ny sasany amin’ireo mpikambana namany ao amin’ny kôlejy miresaka tsy amim-panajana momba ny vehivavy izy.

  3. Taorian’ny nijerena sarimihetsika malaza anankiray, dia nisy mpinamana maromaro naneso ny fihetsika mahatsikaiky izay nataon’ilay raim-pianakaviana. Maro no miombon-kevitra fa tsy nilaina akory ilay raim-pianakaviana, ary nilaza ny namana anankiray hoe, “Izany no antony tsy ilanao lehilahy mba hitaizana fianakaviana sambatra.”

  4. Miomana ny hanambady any amin’ny tempoly i Aina sy i Narindra. Mandroso hevitra ny mba hiresahana ny fomba hanatanterahan’ny tsirairay ireo anjara asa sy andraikitra samihafa ao amin’ny ankohonany amin’ny ho avy ny ray aman-drenin’izy ireo.

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao na ny olona ao amin’ny rafi-tantara manao asa amim-pinoana ho setrin’ilay olana izay nipetraka?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fanomezan-danja ny anjara asa miavaka sy manan-danjan’ny vehivavy sy ny lehilahy manampy anao amin’ny fanarahana ny dian’i Jesoa Kristy?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny izay mety hanampy raha toa ka sendra toe-javatra tahaka izao ianao?

  • Inona avy ireo andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidian’ Andriamanitra

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 ireo manampy anao hisedra izao toe-javatra izao?

Fotoana mety hahafahan’ireo mpianatra mizara ny zavatra izay nianaran’izy ireo tamin’ny fiomanany tamin’ny fianarany izany.

  • Inona avy ireo fampianarana nentanim-panahy hafa avy ao amin’ny soratra masina na avy tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana afaka manampy anao hamaly amim-pahatokiana?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina amin’ny lesona izay hampianarina tsy ho ela.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Korintiana 11:11 ary, fenoy amin’ny alalan’ny teny manan-danja ny banga. Asao ireo mpianatra hanoratra na hitanisa ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ny toko sy andinin-tsoratra masina, mba hamenoina amin’ny fomba marina ireo banga. Asao ireo mpianatra hanonona imbetsaka ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Sahanasa fianarana fanampiny

Loharanom-pahalalana nosafidian’ Andriamanitra

Toroy hevitra ireo mpianatra mba hampiasa ireto loharanom-pahalalana nosafidian’ Andriamanitra ireto na ny hafa toy izany rehefa hamaly momba ireo rafi-tantara izy ireo:

Linda K. Burton, “Hiara-hivoatra isika,” Liahona, mey 2015, 29–32Jean B. Bingham, “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 60–63

Ny tantaran’i Monika

Tao anatin’ny fampitana ny fiofanana ho an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, ny Rahalahy Chad H Webb dia niresaka ny fomba hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara anankiray mikasika ny zatovovavy iray antsoina hoe Monika. Rehefa avy niatrika fiampangana fa tsy manome lanja ny vehivavy ny Fiangonana, dia tsy nahafantatra tsara ny fomba tokony hamaliana izany i Monika.

Mety hanampy ireo mpianatra ny fampiasana ny tantaran’i Monika mba hifanakalozana hevitra momba ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 11:11–12 ary hizarana amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Hevero ny hanome ny ampahany amin’ny lahateny nataon-dRahalahy Webb ho an’ireo mpianatra mba hataony ho loharanom-pahalalana.

Jereo ny Chad H Webb, “Maîtrise de la doctrine” (lahateny nandritra ny fampitana fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 14 jona 2016), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

Miresaka mikasika ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy

Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo toe-javatra izay tokony hampianarana na hiarovana ny fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 ny mpianatra, dia mety te hiresaka momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy izy ireo. Ataovy izay hiresahana momba ity lohahevitra ity amim-piheverana, amim-pangorahana, ary amim-pitiavana. Mety hanampy ihany koa ny fampidirana ny 1 Korintiana 11:8–9, 12 sy ny andiam-pehezan-teny 2 sy 7 ao amin’ “ Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao ” (ChurchofJesusChrist.org) .

Tsarovy fa ny tanjona amin’ireto sahanasa ireto dia tsy ny hanomezan’ny mpampianatra ny valiny rehetra fa ny mba hanazaran’ireo mpianatra tena hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mihaino ireo mpianatra ianao ary voataona hametraka fanontaniana mba hanampiana azy ireo hanazava ny ahiahiny.

Ity rafi-tantara manaraka ity dia azo ampiasaina ho solon’ilay rafi-tantara ao amin’ny lesona:

I Olivia dia manana namana vitsivitsy izay mahatsapa ho voasarika amin’ny olona mitovy fananahana amin’izy ireo. Hoy izy hoe, “Sarotra ho ahy ny mahatakatra ny antony anohizan’ny Fiangonana ny fampianarana fa tsy mety ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Nahoana no sakanana ny fahasambarana izay mety ho azon’ny olona avy amin’ny fiarahana matotra eo amin’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy?”

Hamoaka printy