Seminera
1 Korintiana 8–13


1 Korintiana 8–13

Topimaso ankapobeny

Rehefa nanohy ny taratasiny ho an’ireo Korintiana i Paoly, dia nampianatra izy fa tsy maintsy misafidy ny hanasaraka ny tenantsika amin’ny fakam-panahy isika. Nanazava izy fa ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiara-hiasa sy hifanohana rehefa manara-dia ny Tompo. Nampianatra izy fa raha toa ka mahatakatra sy mampiasa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy noraisiny avy amin’ny Tompo ny mpikambana rehetra, dia ho toy ny singa maro momba ny tena amin’ny vatana miara-miasa miaraka izy ireo. Nanoratra tamin’ny antsipiriany momba ny fitiavana na fiantrana tahaka an’i Kristy, sy ny antony tokony haniriantsiaka hahazo izany ihany koa izy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Korintiana 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hiantehitra amin’i Jesoa Kristy mba handreseny fakam-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handalina ny “1 Korintiana 10:1–13: Manolotra fomba mba handosirana ny fakam-panahy Andriamanitra” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023. Rehefa mianatra izy ireo, dia afaka misaintsaina ity fanontaniana ity: “Inona avy ireo karazam-pandosirana fakam-panahy izay natolotry ny Ray any An-danitra ho anao?”

  • Fitaovana ho an’ny lesona: Andriamby sy zavatra vita amin’ny vy

  • Horonan-tsary:Seek Christ in Every Thought” (14:47; jereo manomboka amin’ny mari-potoana faha 2:44 ka hatramin’ny 3:23)

1 Korintiana 11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny antony ilana ny fifanohanan’ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazoana ireo fitahiana tsara indrindra izay hita ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitadidy ny fotoana iray izay nahitany lehilahy sy vehivavy niara-niasa sy nifanohana. Amporisiho izy ireo mba hieritreritra ny fomba ahafahan’ny fomba fijery, sy fahafaha-manao, ary hery samihafa ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy mitondra fiantraikany tsara eo amin’ny fanambadiana, ny fianakaviana, ny fiarahamonina, ary ireo fifandraisana ao amin’ny Fiangonana.

Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 11:11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fifehezany ny 1 Korintiana 11:11 rehefa manao tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy ireo, sy manazava ny fotopampianarana, ary mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny fizarana faha 3 ao amin’ny lahatsoratra “Men and Women in the Work of the Lord,” izay nosoratan’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (New Era, Apr. 2014, 2–5), mba hahitana ireo fahamarinana ilaintsika ho takarina momba ny fotopampianaran’ Andriamanitra mikasika ny lehilahy sy ny vehivavy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanisy fanamboarana ao amin’ilay fampiharana fanazaran-tena miankina amin’ny tsy fahatakarana na toe-javatra izay atolotr’ireo mpianatra mahakasika ny anjara asan’ny vehivavy sy ny lehilahy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Raha toa ka mivoitra avy amin’ny mpianatra ny tsy fahatakarana na toe-javatra maro isan-karazany, dia azo atao ny mandamina azy ireo ho ao anaty zana-bondrona mba hifanakalo hevitra momba izany.

1 Korintiana 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay nomen’ny Tompo azy ireo mba hitahiana ny hafa sy hampatanjahana ny Fiangonany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra fanomezam-pahasoavana ara-panahy anankiray na roa izay misy ao aminy. Azon’izy ireo atao koa ny mangataka olona ao amin’ny fianakaviana na olona lalaina atokisana hafa mba hanampy azy ireo amin’izany. Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny fanomezam-pahasoavana azony sy ny fomba ampiasany izany mba hitahiana ny hafa. 

  • Fitaovana ho an’ny lesona: Fonosana misy fanomezana anankiray

  • Votoatin-kevitra haseho: Fanambarana izay nataon’ny Loholona Marvin J. Ashton momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy tsy dia fantatra loatra

  • Horonan-tsary:With All Your Heart” (3:26)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hametraka fanontaniana mikasika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ao amin’ny fitaovana fifandefasana hafatra an-tsoratra (chat). Asio fanamboarana ny lesona raha toa ka ilaina mba hamaliana ireo fanontaniana izay apetrak’izy ireo.

1 Korintiana 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity natao mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay madio tsy misy pentina ho azy ireo sy hikatsahana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana mba hahatsapany izany fitiavana izany ho an’ny hafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona anankiray ao amin’ny fianakaviany, na namana, na olon-kafa izay tiany hananana fifandraisana tsara kokoa. Entano ireo mpianatra mba hisaintsaina ny mety ho fiantraikan’ny fanehoana fitiavana bebe kokoa ho an’io olona io eo amin’ilay fifandraisana.

  • Horonan-tsary:Charity Never Faileth” (3:32; jereo manomboka amin’ny mari-potoana faha 0:56 ka hatramin’ny 1:55)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa zana-bondrona mba ahafahan’ireo mpianatra mifanakalo hevitra momba ny endriky ny fiantrana sy ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy azy ireo izany.

Hamoaka printy