1 Korintiana 13
“Fiantrana tsy ho levona mandrakizay”
Nampiseho fitiavana lehibe isan’andro i Jesoa Kristy nandritra ny androm-piainany tety an-tany. Nampiseho ny fitiavany tonga lafatra Izy tamin’ny finiavany hanolotra an-tsitrapo ny ainy ho antsika. Nanoratra amin’ny antsipiriany momba ny fitiavana, na fiantrana tahaka ny an’i Kristy ny Apôstôly Paoly, sy ny antony izay tokony mba hananantsika faniriana hahazo izany. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay madio tsy misy pentina ho anao sy hikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana mba hahatsapana izany fitiavana izany ho an’ny hafa.
Sahanasa fianarana azo atao
Fifandraisantsika amin’ny hafa
Mieritrereta olona anakiray izay tianao hifandraisana tsaratsara kokoa.
-
Nahoana no te hanatsara io fifandraisana io ianao?
-
Inona ny zavatra efa mba nataonao mba hanampiana ilay fifandraisana? Inona no nety? Inona no tsy nety?
-
Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny fanehoana fitiavana bebe kokoa eo amin’ny fifandraisana?
Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 13 ianao, dia mitadiava fomba ahafahanao mitia ny hafa tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy. Mitadiava aingam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina hamantarana ny zavatra azonao atao mba hampiharana ny zavatra ianaranao amin’ireo toe-javatra izay iainanao ankehitriny.
Ny fitiavana madio tsy misy pentin’i Jesoa Kristy
Rehefa avy nampianatra ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Apôstôly Paoly, dia nilaza izy fa hanoro azy ireo “fomba anankiray tsara” izay tokony hiainana ( 1 Korintiana 12:31). Vakio ny 1 Korintiana 13:1–3 , ary tadiavo io fomba tsaratsara io.
-
Inona ny zavatra fantatrao momba ny fiantrana izay manampy anao hahatakatra ny antony maha zava-dehibe izany?
Afaka manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny maha zava-dehibe ny fiantrana ny Bokin’i Môrmôna. Teo am-pamaramparanana ity rakitsoratra tranainy ity, no nampidirin’i Môrônia ny sasany tamin’ireo tenin’i Môrmôna rainy. Nanasongadina sy namaritra ireo singan’ny fiantrana i Môrmôna (jereo ny Môrônia 7:43–48).
Vakio ny Môrônia 7:46–47 , ary mitadiava zavatra azonao ianarana momba ny fiantrana.
-
Inona avy ireo fahamarinana azonao ianarana momba ny fiantrana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:
Ny fiantrana, “ny fitiavana madion’i Kristy” [ Môrônia 7:47 ], dia tsy asa fa toetra na toe-piainana. Tratra amin’ny alalan’ny fitohitohizan’ny fanaovana asa izay miteraka fiovam-po ny fiantrana. Ny fiantrana dia zavatra lasa toetran’ny olona iray.
(Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nôv. 2000, 34)
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny fanambarana izay nataon’ny Filoha Oaks manampy ny fahatakaranao ny atao hoe fiantrana?
Na i Paoly ao amin’ny Testamenta Vaovao, na i Môrmôna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia samy nampiasa teny sy andian-teny mitovy avokoa namaritana ny fiantrana. Amin’ny alalan’ny fahatakarana ireo teny izay nataon’izy ireo, dia afaka mahafantatra ny tokony hatao sy ny fomba tsara hahatongavana hitovy kokoa an’i Jesoa Kristy isika.
a. Vakio ny 1 Korintiana 13:4–7 na Môrônia 7:45 , ary tadiavo ny fomba namaritana ny fiantrana.
b. Misafidiana teny na andian-teny roa na telo izay mamaritra ny fiantrana, ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izy ireo.
d. Soraty amin’ny alalan’ny fampiasana ny teninao manokana ny dikan’izany, eo akaikin’ny famaritana tsirairay. Azonao atao ny mampiasa fitaovam-pianarana rehetra izay misy aminao. Ohatra, azonao atao ny mampiasa rakibolana mba hitadiavana ireo famaritan-teny toy ny hoe fahari-po na ohatra hoe fieboeboana. Soraty ihany koa ny fomba ahafahan’io toetra io manampy anao mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy.
-
Inona ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy avy tamin’ireo famaritana samihafa izay nohalalininao ireo?
Ilay ohatra tonga lafatra
Jesoa Kristy dia ohatra tonga lafatra amin’ny famaritana rehetra momba ny fiantrana. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra izay nosoratanao momba ny fiantrana ao amin’ny diary fandalinanao , dia mieritrereta ohatra avy ao amin’ny soratra masina tamin’ny fomba izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany madio. Ireto sary manaraka ireto dia mety hanampy anao hampifandray ny Mpamonjy amin’ireo andian-teny izay nohalalininao.
-
Ahoana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy fiantrana tao anatin’ireo toe-javatra tsirairay ireo?
-
Ahoana ny fomba nijoroanao manokana ho vavolombelona ny fitiavan’ny Mpamonjy ho anao na ho an’ny hafa?
-
Ahoana ny fomba ahafahan’ny fisaintsainana momba ny fitiavan’ny Mpamonjy anao no mampisy fiantraikany amin’ny fitiavanao Azy?
Miaina fiainana feno fiantrana
Namarana ny fampianarany momba ny fiantrana ny mpaminany Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanasana maika mba hiasa. Vakio ny Môrônia 7:48 , ary tadiavo io fanasana io.
-
Inona avy ireo teny na andian-teny manampy anao hahatakatra ny zavatra izay ilaina mba hahazoana ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana?
Nandritra ny androm-piainany, dia nasehon’i Jesoa Kristy fa azo atao ny mahazo fiantrana amin’ny toe-javatra rehetra. Andramo alaina sary an-tsaina hoe inona no mety ho fiantraikany eo amin’ny fiainanao raha toa ka manaraka ny ohatry ny fiantrana izay nasehon’ny Mpamonjy ianao amin’ny toe-javatra rehetra. Saintsaino ny fifandraisana manokana izay noeritreretinao tany am-piandohan’ny lesona. Hevero ny fomba ahafahan’ny fananana fiantrana bebe kokoa hitahy izany fifandraisana izany.
-
Inona ny zavatra azonao atao mba hanehoana fiantrana bebe kokoa?
-
Inona ny zavatra hataonao mba hanehoana amin’ny Ray any An-danitra fa maniry ny fanampiany ianao?
Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho
Ahoana ny fomba ahafahantsika mampiseho ny fiantrana ho an’ny hafa?
Ny Loholona Marvin J. Ashton (1915–94) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny fiantrana dia tonga rehefa mifanao tsara fanahy isika, rehefa tsy mitsara na tsy manasokajy olon-kafa, rehefa mifanome tombotsoa amin’ny fisalasalana na mangina fotsiny tsotra izao. Ny fiantrana dia fanekena ireo zavatra mampiavaka ny hafa, ny fahalemeny ary ny tsy fahatanterahany; fafihetseham-ponanana faharetana amin’ny olona izay namitaka antsika; na fanoherana ny tsy hay tohaina ny ho lasa tezitra rehefa misy olona iray tsy manatanteraka zavatra iray araka izay mety nantenaintsika azy. Ny fiantrana dia fandavana ny hanararaotra ny fahalemen’ny hafa ary vonona ny hamela ny olona iray izay nanao ratsy antsika. Ny fiantrana dia fanantenana ny tsara indrindra avy amin’ny tsirairay.
(Marvin J. Ashton, “The Tongue Can Be a Sharp Sword,” Ensign, May 1992, 19)
Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra momba ny fiantrana tao amin’ny hafatry ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany “Ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay” (Liahona, Nôv. 2010, 122–25). Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary mikasika ity hafatra ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 15:05 ka hatramin’ny 17:22.
Nahoana no tsy ho levona mandrakizay ny fiantrana, ilay fitiavana madion’i Jesoa Kristy?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:
Ny fiantrana marina … dia niseho tanteraka ary madiodio tao amin’ny fitiavan’i Kristy antsika izay tsy mety levona ary tonga lafatra, sy ny feno fanavotana. … Izany no ilay fiantrana—ny fitiavana madiony ho antsika—izay, raha tsy misy an’izany, dia ho tsinontsinona sy tsy tsy misy fanantenana isika, ary ho fadiranovana indrindra amin’ny olona rehetra. Marina tokoa fa ireo izay hita manana ireo fitahian’ny fitiavany amin’ny andro farany—ny Sorompanavotana, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny fiainana mandrakizay, ny fampanantenana mandrakizay—dia tena ho soa ho azy tokoa izany. …
Ny fiainana dia misy tahotra sy tsy fahombiazana. Indraindray dia tsy mety ny zavatra atao. Indraindray dia mamitaka antsika ny olona, na tsy manampy antsika ny fiharian-karena na ny raharaham-barotra na ny governemanta. Kanefa ny zavatra iray mandritra izao fiainana izao na mandrakizay izay tsy mamitaka antsika dia—ny fitiavana madion’i Kristy.
(Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant [1997], 336–37)