Seminera
1 Korintiana 14–16


1 Korintiana 14–16

Topimaso ankapobeny

Ao anatin’ny hafatra izay namaranany ny epistily voalohany ho an’ny Korintiana dia nampianatra fahamarinana maro momba ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly. Nijoro ho vavolombelona tamin’ny nandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana izy, ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra, ary ny ambaratongam-boninahitra ho azon’izay nitsangana avy tamin’ny maty. Nampianatra momba ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty ihany koa izy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Korintiana 15:13–28

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy noho ny fandreseny ny fahafatesana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana ary mba ho tonga vonona hizara ireo mety ho valiny: Inona ny andro izay tena nanova indrindra ny fandehan’ny tantara? Nahoana?”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ireo mpianatra mba hitondra sarin’olona anankiray izay andraindrainy fatratra mba ho hita amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Raha dijitaly ireo sary, dia afaka mifandimby mizara ny efijeriny sy mamaritra ilay olona ao amin’ny sariny amin’ny iray kilasy ireo mpianatra.

Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 15:20–22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Korintiana 15:20–22 , izay manazava ny fotopampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo zavatra izay niainany rehefa nodimandry ny olon-tiana anankiray. Angataho izy ireo mba ho tonga vonona hiresaka momba ireo fanamby tao anatin’ireny zavatra niainana ireny sy ny fomba ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy manampy ireo izay miatrika ireo fanamby ireo ihany koa.

1 Korintiana 15:29

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanana faniriana sy hikendry mba handray anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa izay atao any amin’ny tempoly.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara ny tetiaram-pianakavian’izy ireo na hitantara tantara momba ny razambe anankiray izay tsy mba nanana ny filazantsara na nahazo ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana.

  • Sary: Hevero ny hanomana andian-tsary isan-karazany mba hampiasaina eny am-panombohana ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nandalina momba ny batisa ho an’ny maty ireo mpianatra dia zarao handeha tsiroaroa na anaty vondrona kely ao amin’ny fizaram-pivoriana izy ireo mba hahafahan’izy ireo manao fanazaran-tena amin’ny fizarana (na filalaovana an-tsehatra) ny fomba hanazavana io fotopampianarana io amin’ny olona anankiray izay tsy mahafantatra izany.

1 Korintiana 15:32–54

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hiezaka ny ho mendrika ny fitsanganana amin’ny maty ho any an-danitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 40:23 mba hahitana ny zavatra itovian’ireo vatana nitsangana tamin’ny maty rehetra, ary avy eo hamaky ny 1 Korintiana 15:40–42 hahitana ny fahasamihafana izay hisy eo amin’ireo olona mitsangana amin’ny maty.

  • Valisoa: Mitondrà valisoa kely ho an’ny mpianatra tsirairay izay manao akanjo miloko miavaka ao an-dakilasy.

  • Horonan-tsary: God among Us” (15:45; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 5:01 ka hatramin’ny 6:58)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra sasany mba hitazona ny sarin’ny drafitry ny famonjena izay nataony eo anoloan’ny fakantsariny rehefa manazava ilay drafitra amin’ny iray kilasy izy ireo.

Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 15:40–42

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Korintiana 15:40–42 , sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Korintiana 15:40–42 sy ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara rafi-tantara iray tena misy eo amin’ny fiainana ka mety ahafahan’ny fotopampianarana izay nampianarina amin’ity andalana ity manampy.

Hamoaka printy