Seminera
1 Korintiana 15:32–54


1 Korintiana 15:32–54

Vatana selestialy, terestrialy, ary telestialy

Sary
Profile of a Young Woman in bright sunlight.

Nahoana no tsy mahafaty antoka ny manaraka an’i Jesoa Kristy na dia toa mahita fahasambarana ao amin’ny fahotana aza ny hafa? Nanazava ny iray amin’ny anton’izany i Paoly tamin’ny fampianarana ny Korintiana mikasika ny ambaratongam-boninahitra samihafa ao amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiezaka ho mendrika ny fitsanganana amin’ny maty selestialy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Mamporisika ny mpianatra handray anjara. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa tena ilaina amin’ny traikefam-pianarana ao an-dakilasy ny fandraisany anjara. Miezàha mamporisika azy ireo haneho hevitra amin’ny alalan’ny fisaorana azy ireo, na ny fiderana azy ireo, na amin’ny fanontaniana ny mpianatra hafa momba ny zavatra nianarany avy tamin’ireo fanehoan-kevitra ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 40:23 mba hahitana ny zavatra iraisan’ny vatana nitsangana tamin’ny maty rehetra, ary avy eo hamaky ny 1 Korintiana 15:40–42 hahitana ny fahasamihafana izay hisy eo amin’ireo olona nitsangana tamin’ny maty.

Sahanasa fianarana azo atao

Fitahiana hoavy ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra

Hevero ny hanome mofomamy kely ho an’ny mpianatra rehetra izay sendra manao akanjo miloko miavaka. Anontanio ireo mpianatra izay nitafy an’io loko io raha toa ka tiany ny nahafantatra izany fanomezana izany sy ny fomba ahafahana mahazo izany mialoha ny hahatongavany ao amin’ny kilasy.

  • Raha fantatrao fa hanome fanomezana ho an’ireo rehetra izay manao loko miavaka ny mpampianatra anao androany, mety hisy fiantraikany amin’ny safidin’akanjo hanaovanao ve izany?

  • Ho sosotra ve ianao raha efa tara loatra ny nahafantaranao izany? Fa nahoana?

Noho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra antsika dia nolazainy tamintsika ny zava-mitranga aorian’ity fiainana ity sy ny momba izay safidy hitondra any amin’ny fahasambarana na ny fanenenana. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao anio dia tadiavo ireo fahamarinana izay mety handrisika anao hisafidy ny làlana mankany amin’ny fahasambarana mandrakizay.

Manaova sary na kisary tsotsotra momba ny zavatra efa fantatrao momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Ampidiro ao ny toerana nisy antsika talohan’ny nahaterahantsika, ny fiainana eto an-tany, sy ny zava-mitranga aorian’ny fahafatesana. Rehefa manao sary ianao dia ataovy azo antoka ny mieritreritra ny anjara asan’i Jesoa Kristy manerana ny drafitry ny Raintsika.

Manasà mpianatra roa farafahakeliny hanao ny sary fanehoan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Afaka manome hevi-baovao mikasika ny fomba hampifanarahana ny lesona amin’izay ilain’ny mpianatra ny fahafantarana fa mahatakatra tsara momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana izy ireo.

  • Amin’ny fomba ahoana no mampisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra raisinao eto amin’ny fiainana an-tany ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika aorian’ny fahafatesana?

  • Ahoana no maha-ivon’ny drafitra an’i Jesoa Kristy?

Ao amin’ny 1 Korintiana 15:1–29 , ny Apôstôly Paoly dia nanitsy ilay finoana diso hoe “tsy [hisy] fitsanganan’ny maty” ( 1 Korintiana 15:13). Nampitandrina ny Korintiana izy avy eo mba tsy ho voafitaky ny olona milaza hoe: “Aoka isika hihinana sy hisotro; fa rahampitso dia ho faty” ( 1 Korintiana 15:32), izay maneho ny finoana diso fa tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana ka tsy mampaninona noho izany izay ataontsika eto amin’ity fiainana ity.

Mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina io finoana diso io dia fafao ny zava-mitranga rehetra aorian’ny fiainana an-tany amin’ny iray amin’ireo sary nataon’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

Ny finoana diso iray hafa dia ny hoe, na inona na inona safidintsika, Andriamanitra dia hanome ny fitahian’ny fiainana mandrakizay ho an’ny olon-drehetra (jereo ny 2 Nefia 28:8 ; Almà 1:4).

Hevero ny hanovana ny sarin’ny mpianatra iray hafa eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fanampiana zanatsipìka miala amin’ny tany manondro mankany amin’ny fanjakana selestialy ary mamafa ny fanjakana terestrialy sy telestialy.

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny finoana diso fa tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana na hoe Andriamanitra dia hanome ny olona tsirairay ny fitahian’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fihetsika ataontsika? Nahoana?

Vakio ny 1 Korintiana 15:40–42 , ka tadiavo ny fampianaran’i Paoly momba ny fitsanganana amin’ny maty ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Tena manampy ny fahafantarana fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Korintiana 15:40 dia miresaka momba ny vatana telestialy ihany koa.

Raha nanao ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra iraisan’ny vatana mitsangana amin’ny maty rehetra sy ny fahasamihafana hisy.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny fahamarinana fa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra dia misy ambaratongam-boninahitra samihafa ho an’ny vatana nitsangana tamin’ny maty?

Ambaratongam-boninahitra

Sary
Illustration of the three degrees of glory. A sun, moon and stars are pictured. Stick figures underneath show varying degrees of shining rays.

Ho an’ity asa atao manaraka ity dia asehoy ireo fanontaniana telo notanisaina aorian’ny tenin’ny Filoha Monson mba hojeren’ny mpianatra mandritra ny fandalinany. Ireo mpianatra koa dia azo tarihina amin’ny Lohahevitry ny Filazantsara, “Fanjakam-boninahitra,” (topics.ChurchofJesusChrist.org) mba hianarana bebe kokoa momba ny ambaratongam-boninahitra sy ny zavatra takiana hahazoana ny fanjakana selestialy.

Rehefa nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny iray kilasy ny valinteniny sy ny fanontaniana rehetra izay mety hananany.

Ny fanambarana amin’ny alalan’ny mpaminany maoderina dia manome hevi-baovao fanampiny momba ny fampianaran’i Paoly. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–52, 62–64, 69–70, 71–76, 81–85 ; 88:21–24 ary vakio ity teny nataon’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) manaraka ity. Tadiavo ny valin’ireo fanontaniana telo manaraka ilay teny.

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Vokatry ny fandresen’ i Kristy ny fasana dia hitsangana amin’ny maty isika rehetra. Izany no fanavotana ny fanahy. Nanoratra i Paoly hoe: “Ary misy … tenan’ny any an-danitra, ary misy tenan’ny ety an-tany, fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny ety an-tany” ( 1 Korintiana 15:40).

Ilay fanjakana selestialy no katsahintsika rehetra. Ny hiaina eo anatrehan’ Andriamanitra no irintsika. Te-hiaraka eo anivon’ ny fianakaviana mandrakizay isika. Ireo fitahiana ireo dia azo avy amin’ ny alalan’ny fiainana feno ezaka, sy fikatsahana, sy fibebahana, ary farany fahombiazana.

(Thomas S. Monson, “Ny Hazakazaky ny Fiainana,” Liahona, mey 2012, 93)

  • Inona no andraikitry ny Mpamonjy amin’ny diantsika mankany amin’ny fanjakana selestialy?

  • Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fanjakana selestialy?

  • Nahoana no mendrika ezaka ny fahazoana ny fanjakana selestialy noho ny fanjakana terestrialy na telestialy?

Saintsaino hoe aiza no ahitanao ny tenanao eo amin’ny lalana mankany amin’ny fanjakana selestialy. Moa ve ianao miantehitra amin’ny Mpamonjy mba hanampy anao hiaina amin’ny fomba izay ahafahanao mahazo ireo fitahiana ireo?

Afaka mahazo ny fanjakana selestialy tokoa ve isika?

Kivy ny olona sasany rehefa mahatsapa fa lavitra ny fiainana selestialy izy ireo ety an-tany. Vakio ny zavatra nampianarin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fivoarantsika mandrakizay, na jereo ilay horonan-tsary “Eo anivontsika Andriamanitra,” manomboka amin’ny mari-potoana 5:01 ka hatramin’ny 6:58, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Illustration of the three degrees of glory. A sun, moon and stars are pictured. Stick figures underneath show varying degrees of shining rays.
Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Safononoky ny fankasitrahana ho an’ny Raiko any An-danitra ny foko. Takatro fa tsy nandahatra ireo zanany Izy mba hitolona sy hiaina fahasarotana ety an-tany tsy ombam-panantenana ho ana hoavy mamiratra sy mandrakizay. Nanome torolalana izay manambara ny lalana miverina any Aminy Izy. Ary i Jesoa Kristy Zanaka Malalany sy ny sorona nataony ho antsika no ivon’izany rehetra izany. …

Zazakely avokoa isika raha oharina amin’ireo olona be voninahitra izay natao hahatongavantsika. Tsy misy olona hivoatra avy amin’ny fandadizana ho amin’ny fandehanana sy ny fihazakazahana ka tsy hianjera sy ho tafintohina ary haratra matetika. Izany no fomba ianarantsika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Eo anivontsika Andriamanitra,” Liahona, mey 2021, 8–9)

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra ny teny nataon’ny Loholona Uchtdorf?

  • Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fahatsapanao momba Azy sy ny fifandraisanao Aminy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina mangina ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona no tsapanao fa nentanin’ny Fanahy mba hataonao noho ny zavatra nianaranao androany?

Mijoroa ho vavolombelona fa mendrika ezaka ny fiomanana handray ny vatana selestialy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany amin’ireo havan-tiany izay mila ireo fahamarinana ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana moa raha miezaka miaina amim-pahatokiana amin’izao fiainana izao isika, nefa mbola tsy lavorary ihany rehefa maty?

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

Raha miakatra tohatra ianao dia tsy maintsy manomboka any ambany ary miakatra tsikelikely mandrapahatonga anao any amin’ny tampony ary dia toy izany koa amin’ireo fitsipiky ny filazantsara—tsy maintsy manomboka any amin’ny voalohany ianao ary manohy hatrany mandrapahaizanao ireo fitsipika rehetra mikasika ny fisandratana. Saingy mbola ho fotoana lava any aorian’ny hiampitanao ny voaly hahafatesanao mihitsy aza vao hahalala azy rehetra ianao. Tsy natao ho takatra eto amin’ity izao tontolo izao ity daholo izany; fa ho asa lehibe ny fianarana momba ny famonjena sy ny fisandratana ho antsika eny na dia any ankoatry ny fasana aza.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 268)

Inona no dikan’ny hoe “Afafy amin’ny fahalòvana izy; atsangana amin’ny tsi-fahalòvana” ( 1 Korintiana 15:42)?

Nampitahain’i Paoly tamin’ny voa iray tsy lavorary na simba ny vatana mety maty (jereo ny 1 Korintiana 15:37–38, 42). Rehefa maty isika ka alevina (afafy na ambolena), dia hitsangana avy ao am-pasana toy ny zavamaniry mitsimoka avy ao amin’ny tany indray andro any. Tsy ho simba intsony ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty, fa ho lavorary noho ny herin’ Andriamanitra.

Iza no hahazo ny fanjakana selestialy?

Ny fanjakana selestialy dia toerana nomanina ho an’ireo izay “nandray ny tenivavolombelon’i Jesoa” ary “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanelanelan’ny fanekempihavanana vaovao izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51, 69). Mba hahafahana mandova izany fanomezana izany dia tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena isika, mitandrina ireo didy ary mibebaka amin’ny fahotantsika. Mba hahazoana fanazavana amin’ny antsipiriany mikasika ireo izay handova ny fanjakana selestialy dia jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 ; 76:92–96 .

(Lohahevitra ara-pilazantsara, “Fanjakam-boninahitra,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Sahanasa fianarana fanampiny

Mampitaha ny vatantsika mety maty amin’ny vatantsika mitsangana amin’ny maty

Asao ny mpianatra hikaroka lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay azon’izy ireo ampiasaina hanampiana olona iray hahatakatra ny Fitsanganana amin’ny maty. Eritrereto ny hanomezana azy ireo ohatra toy ny fampitahana ny fanday amin’ny lolo, na ny fampitahana ny fandravana trano efa tranainy amin’ny fananganana trano vaovao eo amin’ny toerany.

Hazavao amin’ny mpianatra fa nampiasa ohatra amin’ny famafazana voa i Paoly mba hanampiana ny Korintiana hahatakatra ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:35–38). Azo oharina amin’ny voa iray ny vatantsika mety maty. Ny fahafatesantsika sy ny fandevenana antsika dia azo oharina amin’ny voa nambolena (nafafy). Azo oharina amin’ny zavamaniry mitsimoka ny vatantsika mitsangana amin’ny maty.

Asao ny mpianatra handalina ny 1 Korintiana 15:43–54 , ka hanisy marika ireo teny izay nampiasain’i Paoly hamaritana ny vatantsika mety maty, sy hanisy marika (amin’ny fomba hafa) ireo teny izay nampiasain’i Paoly hamaritana ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty.

Asao ny mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny olana ara-batana mahazo ny havan-tiany iray. Azo atao ohatra amin’izany ny aretina, ny tsy fahitan’ny maso, ny aretin-damosina, na ny olan’ny vanin-taolana. Asao ny mpianatra hanakimpy ny masony sy haka sary an-tsaina ireo havan-tiany ao anatin’ny vatana mitsangana amin’ny maty, nositranin’ny herin’ Andriamanitra tamin’ireo olana rehetra ireo. Fafao tsirairay ireo olana ara-batana eny amin’ny solaitrabe, ary mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, izay nanao ireo olana ireo ho mandalo fotsiny ihany, ary hanome antsika tsirairay avy ny vatana mitsangana amin’ny maty ho mandrakizay.

Hamoaka printy