Seminera
1 Korintiana 15:29


1 Korintiana 15:29

“Nahoana ireny no atao batisa ho an’ny maty?”

Sary
Baptismal font in the Ogden Utah Temple.

Maro tamin’ireo Olomasina tao Korinto no nandray anjara tamin’ny batisa ho an’ireo razambeny izay efa nodimandry, kanefa ny sasany tamin’izy ireny dia tsy nino ny Fitsanganan’ny tena amin’ny maty akory. Nanampy azy ireo i Paoly mba hahita fa manao ôrdônansy ho an’ny maty isika miaraka amin’ny finoana fa hanangana antsika rehetra ho velona indray i Kristy amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanana faniriana sy hikendry mba handray anjara kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa izay atao any amin’ny tempoly.

Manome fotoana ahafahana manao fampiharana. Ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara dia ny hanampy ireo mpianatra hieritreritra sy hahatsapa faniriana hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary hanao asa araka ny fanirian’izy ireo avy eo. Omeo fahafahana ireo mpianatra hahafahany manao drafitra hampiharana ireo fahamarinana izay nianarany eo amin’ny fiainany. Rehefa manao drafitra hampiharana ny zavatra izay nianarany izy ireo, dia mampitombo ny fahafahany miaina ireo fahamarinana izay nampianarina tao amin’ny lesona ireo mpianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara ny tetiaram-pianakavian’izy ireo na hitantara tantara momba ny razambe anankiray izay tsy mba nanana ny filazantsara na nahazo ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny maha-zava-dehibe ny vavolombelona

Ity sahanasa manaraka ity dia natao amin’ny fomba maivana sy mahafinaritra mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra ny fifandraisan’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny asa izay atao any amin’ny tempoly ho an’ireo izay efa maty. Raha toa ka ilaina, dia ampifanaraho ireo andian-tsary roa voalohany nampiarahana mba hifanaraka amin’ny kolontsaina sy mba hanintona ireo mpianatra.

Diniho ireto andian-tsary nampiarahana telo manaraka ireto. Saintsaino ny fifandraisan’ireo sary roa isaky ny andiany.

Andiany voalohany

Sary
The Orchestra at Temple Square, May 2007. They are participating in the performance of the oratorio “Elijah” that took place in the Tabernacle on Temple Square.

Amboarampeon’ny Tabernakely, rindran-kira “Elijah” mey 2007

Sary
Portland, OR Six Stakes Dance Festival

Andiany faharoa

Sary
Vegetables, tomatoes, broccoli an carrots
Sary
Young men running.

Andiany fahatelo

Sary
Jesus Christ’s empty tomb - set at Goshen, Utah
Sary
Daytime photo of the Guadalajara Mexico Temple.
  • Ahoana no fomba hanazavanao amin’ny olona anankiray ny fifandraisana misy eo amin’ny fasan’ny Mpamonjy sy ireo tempolin’ny andro maoderina?

Rehefa fantatr’i Paoly Apôstôly fa nisy olona sasany tany Korinto nampianatra fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, dia nasongadiny fa ireo Olomasina dia efa nanatanteraka zavatra izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-tena misy marina tokoa ny fitsanganana amin’ny maty.

Vakio ny 1 Korintiana 15:29 , ary tadiavo ny fomba fanao izay noresahin’i Paoly.

  • Ahoana no fomba hamerenanao ireo zavatra izay ampianarin’i Paoly ao amin’ny andininy 29 amin’ny teninao manokana?

  • Ahoana no fomba ahafahana milaza fa ny batisa ho an’ny maty dia fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganana amin’ny maty?

Raha toa ka mila fanampiana amin’ny famaliana ny fanontaniana izay napetraka teo aloha ireo mpianatra, dia eritrereto ny hanomezana azy ireo fampahalalana avy ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” any amin’ny faran’ity lesona ity.

Batisa ho an’ny maty

Fahamarinana anankiray izay azontsika ianarana avy amin’ny 1 Korintiana 15:29 ny hoe ireo izay maty tsy vita batisa dia mbola afaka mandray io ôrdônansy manan-danja io amin’ny alalan’ny asa izay atao any amin’ny tempoly.

Asao ireo mpianatra izay nanao sahanasa fanomanan’ny mpianatra mba hizara momba ireo olon-tiany izay maty nefa tsy vita batisa akory. Asao ireo mpianatra hieritreritra ny mety ho fiantraikan’ny batisa ho an’ny maty eo amin’ireo olona ireo.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra mikasika ny fomba ahafahan’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao amin’ny tempoly mampifandray antsika amin’i Jesoa Kristy:

Sary
Frontal half-length portrait of President Gordon B. Hinckley. President Hinckley’s hands are resting on the back of a chair. The image is the official Church portrait of President Hinckley as of 1995. This was President Hinckley’s last official portrait. President Hinckley died 27 January 2008.

Heveriko fa ny asa isoloana tena ho an’ny maty dia manakaiky kokoa ny sorona izay nisoloan’ny Mpamonjy ny tenany mihoatra noho ny asa hafa izay fantatro. Omena am-pitiavana izany, tsy misy fanantenana handray valin-kasasarana, na tambin-karama, na zavatra hafa toy izany. Fitsipika be voninahitra tokoa izany [takaraiva amorom-patana tany Birmingham, Angleterre, 29 Aog. 1995].

(Gordon B. Hinckley, “Excerpts from Recent Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, Jan. 1998, 73)

  • Ahoana ny fomba hahatonga antsika hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy rehefa mandray anjara amin’ny batisa sy ny asa hafa izay atao amin’ny tempoly?

Halalino ny fahatakaranao

Alaivo sary an-tsaina hoe niresaka momba ny drafitrareo tsirairay ho an’ny faran’ny herinandro ianao sy ireo namana indray andro tany am-pianarana. Nilaza ny namana anankiray fa tsy andriny intsony ny handehanana any amin’ny tempoly hanao batisa ho an’ny maty miaraka amin’ny zatovo hafa ao amin’ny paroasiny. Ary i Kaya, namany anankiray hafa, dia sanganehana ary manontany hoe: “Batisa ho an’ny maty? Inona daholo ary izany?”

  • Manao ahoana ny fahatokisan-tenanao hamaly io fanontaniana io amin’ny fomba mazava mba hahazoan’i Kaya izany?

Makà fotoana kely hanamafisana ny fahatakaranao ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty amin’ny alalan’ny fisafidianana anankiray na maromaro amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto na amin’ny alalan’ny fikarohana ireo loharanom-pahalalana izay anananao manokana. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava zavatra azonao zaraina amin’ny olona toa an’i Kaya izay te hahatakatra bebe kokoa an’io fomba fanao io.

Fantaro ny zavatra izay ilain’ireo mpianatra. Raha tokony hanome ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto ho an’ny mpianatra ianao, dia mety ho tsara kokoa ny famelana azy ireo hikaroka sy hahita ireo loharanom-pahalalana samirery, izay afaka manampy azy ireo hampihatra ny fitadiavana loharanom-pahalalana azo antoka.

Ireo mpianatra dia afaka mahazo ihany koa tombontsoa avy amin’ny fandalinana ireo loharanom-pahalalana fanampiny ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” any amin’ny faran’ity lesona ity.

Ho fanampin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay nianarany avy tamin’ny fandalinana izay nataony, dia eritrereto ihany koa ny hanomezana azy ireo fotoana ahafahany manao fanazaran-tena manazava ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty amin’ny olona toa an’i Kaya izay tsy mahalala io ôrdônansy io. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra na amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hanoratra ny fanazavany sy hizara ireo zavatra izay nosoratany. Asao ireo mpianatra hiara-hiasa mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely mba hahafahan’ny be sy ny maro manana fotoana ahafahana manazava sy mizara ary mijoro ho vavolombelona. Azo ampiasaina amin’ny fanazavany ireto teboka manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra asehon’ny ôrdônansin’ny batisa ho an’ny maty mikasika ny zavatra izay tsapan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany momba antsika tsirairay avy.

  • Ny zavatra izay niainanao manokana tamin’ny fandraisanao anjara tamin’ity ôrdônansy ity.

Manaova asa araka ny zavatra izay nianaranao

Eritrereto ny zavatra izay efa avy niainanao manokana momba ny tantaram-pianakaviana sy ny asa izay atao amin’ny tempoly. Saintsaino ny antony nahatonga ireo zavatra izay efa avy niainanao ireo ho manan-danja sy ireo sakana rehetra izay efa avy natrehinao. Avy eo dia mamorona drafitra tsotra sy manokana momba ny fomba izay hampiharanao ireo zavatra izay nianaranao sy tsapanao androany. Ohatra, azonao atao ny manao drafitra mifandray amin’ny fandehanana any amin’ny tempoly, fahazoana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, fampiasana ny FamilySearch mba hahitana ny anaran’ireo razambenao izay mila mandray ny ôrdônansin’ny batisa, fanaovana zavatra manokana mba hahatonga ireo zavatra izay niainanao ao amin’ny tempoly ho manan-danja kokoa, na fieritreretana ny anankiray amin’ireo hevitra izay nobitsihin’ny Fanahy taminao manokana. Araho ireo bitsiky ny Fanahy Masina mba hamoronana drafitra izay mety aminao. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny drafitra izay nataonao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana ny fomba izay ifandraisan’ny batisa ho an’ny maty amin’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Isika tsy mahatombina te hanavotra ny maty, ary ny fotoana sy ny loharanom-pitaovana afointsika hanatanterahana izany fanoloran-tena izany no tena fanehoana indrindra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy. Izany dia mandrafitra ny fanambarana mahery vaika indrindra izay azontsika atao mahakasika ny maha-Andriamanitra Azy sy ny asa masina izay nanirahana Azy. Izany dia, voalohany, mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty; [ary] faharoa, ny amin’ny Sorompanavotany tsy manam-petra. …

Atao batisa ho an’ny maty isika satria fantatsika fa hitsangana izy ireo.

(D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, Nov. 2000, 10)

Nanao batisa ho an’ny maty ve ny mpikambana tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao?

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ihany no nanaovana batisa isoloan-tena. Ny 1 Korintiana 15:29 , ihany no hany andalan-tsoratra masina ao amin’ny Baiboly miresaka mikasika ny batisa isoloan-tena ho an’ny maty, na dia misy andinin-teny efa tranainy hafa aza manamarina fa ny Kristianina voalohany dia nanao batisa ho an’ny maty.

“Nampianatra i Jesoa Kristy fa ilaina ny manao batisa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 3:5). I Paoly mihitsy no natao batisa ary nampianatra fa amin’ny alalan’io ôrdônansy manan-danja io dia afaka ‘mandeha amin’ny fiainam-baovao’ isika ( Romana 6:4 ; jereo ihany koa ny Asan’ny Apôstôly 9:18). Kanefa an-tapitrisany ireo zanaky ny Ray any An-danitra no maty tsy nahazo fahalalana momba an’i Jesoa Kristy na tsy nandray ny ôrdônansy manan-danja momba ny batisa. Ny firesahan’i Paoly momba ny batisa ho an’ny maty dia milaza fa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany dia nahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra mba hanavotra ny maty (jereo ihany koa ny Jaona 5:25, 28 ; 1 Petera 3:18–19 ; 4:6)” (New Testament Student Manual [2014], 385).

Oviana ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy ho an’ny andro farany no nanomboka nanao batisa ho an’ny maty?

Mba hihainoana ny tantaran’ny fampidiran’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ny batisa ho an’ny maty dia jereo ny horonan-tsary “Glad Tidings: The History of Baptisms for the Dead” (6:55), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Aiza ny toerana ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny batisa ho an’ny maty?

“What Are Baptisms for the Dead?(Inona no Atao hoe Batisa ho an’ny Maty?)” (1:22), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

“Two Apostles Lead a Virtual Tour of the Rome Italy Temple” (11:31; watch from time code 1:23 to 4:13)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fandraisana anjara amin’ny asa izay atao amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana

Mba hanampiana ireo mpianatra handray anjara amin’ny asa izay atao amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana dia asao izy ireo mba handalina ilay lahateny hoe “Aoka Hitodika ny Fon’ny Ankizy” (Liahona, nôv. 2011, 24–27) izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Inona avy ireo fanasana sasantsasany izay natolotry ny Loholona Bednar ho an’ny zatovo? Nahoana izy no manome an’ireny fanasana ireny? Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana? Azo tao ihany koa ny mampiseho ilay horonan-tsary hoe “Spiritual Dynamite” (2:41), izay hita amin’ny ChurchofJesusChrist.org, .

Hamoaka printy