Seminera
1 Korintiana 15:13–28


1 Korintiana 15:13–28

“Fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy”

Sary
Painting of Jesus Christ looking up to heaven with His arms raised up. He is by the tomb where He was laid.

Alao sary an-tsaina kely hoe mbola tsy nitsangana tamin’ny maty mihintsy i Jesoa Kristy. Inona no mety ho hevitr’izany ho an’izao tontolo izao? Ary ho anao manokana? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty? Rehefa nanontany ny fahamarinana momba ny Fitsanganana amin’ny maty ireo Olomasina tao Korinto dia nanoratra ho azy ireo mikasika ny mety ho hevitry ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ho azy ireo i Paoly. Ity lesona ity dia afaka manampy anao mba hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy noho ny fandreseny ny fahafatesana.

Mandinika ny zavatra ilain’ny mpianatra mandritra ny fampianarana. Ny fampifanarahana ny fomba fampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hamita amim-pahombiazana ny anjara andraikiny amin’ny maha mpianatra azy ireo. Ohatra, raha toy ny reraka ny fahitana ireo mpianatra dia asao izy ireo hiara-hiasa amin’ny namana mba hanampiana azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fianarana. Raha mavitrika be ireo mpianatra dia manampy azy ireo hanao izay ampanaovina azy ny manasa azy ireo handalina manokana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana ary mba ho tonga vonona hizara ny mety ho valiny: Inona ny andro izay tena nanova indrindra ny fizotran’ny tantara? Nahoana?”

Sahanasa fianarana azo atao

Ilay andro nanova ny tantara

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fanontaniana iray izay efa nodinihiny indray mandeha. Jereo ny “Indro ny lehilahy!” manomboka amin’ny mari-potoana 1:37 ka hatramin’ny 2:31, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity teny manaraka ity.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Vao haingana aho no nanontany tao amin’ny internet hoe: “Inona no andro iray tena nanova ny fizotran’ny tantara?”

Ny valin’izany dia nanomboka tany amin’ny manaitra sy hafahafa ka hatrany amin’ny mitondra hevi-baobao sy mampieritreritra. Anisan’izany, ny andro izay nidobohan’ny planeta kely tamin’ny fahagolan-tany iray tany amin’ny Saikinosy Yucatán. Na ny nahavitan’i Johannes Gutenberg ny miliny fanontana printy tamin’ny 1440; ary mazava ho azy ilay andro tamin’ny 1903 izay nampisehoan-dry Wright mirahalahy an’izao tontolo izao fa tena afaka manidina raolombelona.

Raha toa ka apetraka aminareo io fanontaniana io dia inona no holazainareo?

(Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny lehilahy!,” Liahona, mey 2018, 107–8)

  • Inona no andro iray lazainao fa tena nanova ny fizotran’ny tantara? Nahoana?

Ny Loholona Uchtdorf dia nizara ny zava-nitranga izay tsapany fa tena nanova ny fizotran’ny tantara. Jereo ny horonan-tsary “Indro ny lehilahy” manomboka amin’ny mari-potoana 4:20 ka hatramin’ny 4:55, na vakio ity teny manaraka ity.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Maro ireo zava-nitranga nandritra ny tantara izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny hoavin’ireo firenena sy vahoaka. Saingy raha atambatra izy ireo dia tsy afaka ny oharina akory amin’ny maha zava-dehibe an’ilay zava-nitranga tamin’io maraina voalohan’ny Paska io.

Inona no mahatonga ilay sorona tsy misy fetra sy ilay Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ho toy ny zava-nitranga faran’izay manan-danja teo amin’ny tantara, izay nisy fiantraikany bebe kokoa noho ireo ady teto amin’izao tontolo izao sy ireo loza mahery vaika ary ireo fahitan-java-baovao ara-tsiantifika izay nanova ny fiainana?

(Dieter F. Uchtdorf, “Indro ny lehilahy!,” Liahona, mey 2018, 108)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantara ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

  • Nahoana no manan-danja aminao ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Nanoratra ho an’ny Olomasina Korintiana i Paoly mba hanitsiana ny fipoiran’ila finoana diso hoe tsy misy ny Fitsanganana amin’ny maty. Rehefa mandalina ny teniny ianao dia manaova tabilao mitovitovy amin’ity manaraka ity mba hanoratana ireo antsipiriany sy ireo fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina, ary koa ireo bitsika azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina, hanana traikefam-pianarana mahery vaika kokoa, ary hampitombo ny fitiavanao sy ny fahatakaranao mikasika ny Mpamonjy sy ny fandreseny ny fahafatesana.

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny tabilao ary fenoy miaraka amin’ny iray kilasy. Asao ihany koa ny mpianatra hanao sary ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany.

Raha toa ka tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy …

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy …

Asao ny mpianatra hiasa tsiroaroa na anatina vondrona kely rehefa manao izao manaraka izao izy ireo.

Vakio ny 1 Korintiana 15:13–19 . Ampio teny roa na telo eo amin’ny ilany havia amin’ny tabilaonao avy amin’ny zavatra nianaranao tamin’ireo andininy ireo.

  • Raha toa ka tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia inona no ho fiantraikan’izany aminao sy ny hafa?

Vakio izao ny 1 Korintiana 15:20–22 . Tadiavo ny zavatra hitranga noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ampio eo amin’ny tsanganana havanana amin’ny tabilaonao izany. Mariho fa ny “voaloham-bokatra” ao amin’ny andininy 20 dia ilazana an’i Jesoa Kristy ho ilay olona voalohany nitsangana tamin’ny maty.

  • Inona no namafisin’i Paoly fa hitranga satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa?

Ity andalana ity dia manampy antsika hahatakatra fa noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona tsirairay. Mihatra amin’ny rehetra ny fahafatesana ara-batana vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Nandresy izany vokany mihatra amin’ny olon-drehetra izany i Jesoa Kristy ho fanomezam-pahasoavana maimaim-poana.

Miatoa kely ary eritrereto hoe mampianatra inona momba an’i Jesoa Kristy ity fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny rehetra ity.

  • Mampianatra inona anao momba Azy ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana ara-batana ho an’ny olon-drehetra?

Raha azo atao dia jereo ny “#Haleloia—Hafatry ny Paska mikasika an’i Jesoa Kristy” (2:13), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Tadiavo ary tanisao ao amin’ny tsanganana havanana amin’ny tabilaonao ny fomba hitahiana anao noho ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty. Ny Haleloia dia midika hoe “Derao ny Tompo” (jereo ny Bible Dictionary, “ Hallelujah ”).

  • Inona no nianaranao avy tamin’ilay horonan-tsary ka nahatonga anao haniry hidera ny Tompo?

Mitandrema tsara rehefa mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto. Mizarà zavatra niainana manokana mba hanampiana ny mpianatra hamaly. Raha tsy vonona ny hizara amin’ny iray kilasy izy ireo dia afaka mamaly ao amin’ny diary fandalinany.

Eritrereto ilay fanontaniana tany am-piandohan’ny lesona hoe: “Nahoana no zava-dehibe aminao ny Fitsanganana amin’ny maty?”

  • Ahoana no fomba fiantraikan’ny zavatra nianaranao androany tamin’ny valinteninao tamin’io fanontaniana io?

  • Toy ny ahoana ny zavatra eritreretinao fa ho tsapanao momba an’i Jesoa Kristy rehefa nomeny fiainam-baovao ianao sy ireo olon-tianao?

Ny hevitry ny Fitsanganany tamin’ny maty ho antsika

Nijoro ho vavolombelona momba ny hevitry ny fandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesana ho antsika ireo mpitarika ny Fiangonana fahiny sy maoderina.

Vakio ny 1 Korintiana 15:51–58 , Almà 11:42–44 , ary ity teny manaraka nataon’ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy ity, izay nanan-janaka vavy matin’ny homamiadana. Ampio izay antsipiriany manan-danja hitanao ny tabilaonao. Mariho fa midika hoe maharitra mandrakizay ary tsy simba ny hoe “tsy mety ho lo” ( 1 Korintiana 15:52).

Sary
Elder Paul V. Johnson of the Quorum of the Seventy takes an official portrait, 2021.

Isika tsirairay dia manana kilema sy fahalemena ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetsehampo. Ireny olana ireny … dia ho voavaha any aoriana. Tsy misy amin’ireo olana ireo hampijaly antsika aorian’ny fitsanganantsika amin’ny maty. …

… Fantatsika fa [Kristy] dia afaka mahatonga antsika ho tomombana na manao ahoana na manao ahoana ny ratrantsika. Fantatsika fa Izy dia “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny maso[ntsika]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” [Apokalypsy 21:4].

(Paul V. Johnson, “Ary tsy hisy fahafatesana intsony,” Liahona, mey 2016, 122–23)

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nampiany tao amin’ny tabilaon’izy ireo avy amin’ny teny nataon’ny Loholona Johnson.

Avereno jerena ny tabilaonao. Saintsaino ny fiantraikan’ny zavatra noraketinao amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Nanampy anao tamin’ny fomba ahoana tamin’ny fandalinanao ny fampiasana ity tabilao ity?

  • Miantraika amin’ny fitiavana tsapanao ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy avy amin’Izy Ireo amin’ny fomba ahoana ny zavatra noraketinao?

Mba hamaranana ny fandalinanao dia vakio ny tonon’ny fihirana “Velona ilay mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny Ankizy, lah. 76), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Soraty eo ambanin’ny tabilaonao ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka nanan-danja indrindra taminao ary ny anton’izany.

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hanoratana. Avy eo dia hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny dikan’ny hery nananany nandresena ny fahafatesana ho anao manokana.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no fomba ahafahan’ny fahalalana ny herin’ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty mitaona ahy?

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny fanomezan-toky hoe ny fitsanganana amin’ny maty dia anisan’ny fahafahana hiarahana amin’ny fianakaviantsika—vady, ray aman-dreny, rahalahy sy anabavy, zanaka ary zafikely— dia famporisihana mahery vaika ho antsika hanatanterahana ny andraikitra sahanintsika amin’ny fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany. Izany dia manampy antsika hiara-hiaina amim-pitiavana mandritra ity fiainana ity eo am-piandrandrana ilay fihaonana sy fiarahana feno fifaliana any ankoatra.

(Dallin H. Oaks, “Resurrection,” Ensign na Liahona, May 2000, 16)

Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty amin’ireo famoizana izay iainantsika eto amin’ny fiainana an-tany?

Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Ny Mpamonjy no manao izay hahalasa marina ny zava-drehetra. Tsy misy tsy fahamarinana eto amin’ity tany ity ka haharitra, eny fa na dia ny fahafatesana aza satria namerina ny fiainana indray Izy. Tsy misy ratra na kilema na fitaka na fanararaotana izay tsy ho voahonitra any amin’ny farany noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany faratampony.

(D. Todd Christofferson, “Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 112)

Hitsangana amin’ny maty miaraka ve ny rehetra?

“Nohazavain’i Paoly fa ny Fitsanganana amin’ny maty dia manaraka lamina na filaharana voaorina (jereo ny 1 Korintiana 15:23). …

“I Jesoa Kristy no olona nitsangana tamin’ny maty voalohany. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia natsangana avy tao am-pasana avy hatrany ireo Olomasina marina (jereo ny Matio 27:52–53). Amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hitohy ny Fitsanganana amin’ny maty miaraka amin’ny fahatongavan’ireo Olomasina marina hafa, izay -an’i Kristy amin’ny fiaviany- ( 1 Korintiana 15:23). Mianatra isika amin’ny alalan’ny fanambaran’ny andro farany fa ireo olona ireo dia handova ny fanjakana selestialy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 ; 88:97–98 ]. Dia ho avy ny fitsanganan’ireo izay handray ny voninahitra terestrialy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–79 ; 88:99 ]. Hanaraka azy ireo amin’ny fiafaran’ny Arivotaona ireo izay handova ny voninahitra telestialy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–86 ; 88:100–101 ]. Farany, ny Fitsanganana amin’ny maty dia hofaranana amin’ny fitsanganan’ireo … -zanaky ny fahaverezana- izay tsy hahazo ambaratongam-boninahitra fa -hiverina any amin’ny fitoerany avy, mba hifaly amin’izay tiany horaisina, satria tsy nety hankafy izay mety ho azony izy ireo- [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:31–39, 43–44 ; 88:28–32, 35, 101–2 ]” (Boky torolalana ho an’ny mpianatra Testamenta Vaovao [2014], 385).

Ireo fanahy izay nikomy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ka tsy nahazo vatana mety maty dia tsy ho anisan’ireo izay hitsangana amin’ny maty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:32–39).

Sahanasa fianarana fanampiny

Sahanasa fandalinana ny 1 Korintiana 15:20–22

Asao ny mpianatra hamaky ny “Andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra: 1 Korintiana 15:20–22” ao amin’ny pejy 12 tamin’ny Desambra 2012 New Era. Afaka mampiasa ireo loharano voatanisa ato amin’ity lahatsoratra ity ny mpianatra rehefa mameno ny tabilaony mandritra ny lesona.

Hamoaka printy