Seminera
Tombano ny fianaranao 8


Tombano ny fianaranao 8

Romana 1–16; 1 Korintiana 1–7

Sary
Students talking in a seminary class.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaran’ny tena manokana izay niainanao nandritra ny fianaranao ny Testamenta Vaovao. 

Tombano ny fianaran’ny mpianatra. Avelao ireo mpianatra hanao tombana ny zavatra izay nianarany ka afaka manampy azy ireo hisaintsaina ny fomba anampian’ Andriamanitra azy ireo hianatra sy hivoatra. Ampio ireo mpianatra hamantatra ireo fahombiazany sy ny fomba ahafahany mbola mivoatra. Rehefa misaintsaina ny fivoarany sy ny fanambiny izy ireo, dia afaka mahazo fanambarana momba ny dingana manaraka izay azony atao mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fivoarana misy eo aminy izay mifandray amin’ireo tanjona ara-panahy manokana napetrany. Asao ihany koa izy ireo hisaintsaina ireo zavatra nianarany na ireo tanjona napetrany rehefa avy nandalina ny Romana sy ny 1 Korintiana 1–7.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ny fiovan’ny toe-tsainy, ny faniriany, ary ny fahaizany miaina ny filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy ny Romana 1–16 ; 1 Korintiana 1–7 dia mety efa nanamafy fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao anatin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy

  • Raha toa ka afaka mandeha amin’ny toeran-kafa mbola tsy nalehanao ianao, dia aiza no tianao haleha?

  • Eny am-pandehanana, nahoana no zava-dehibe ny manombantombana raha mbola mizotra mankany ihany ny dia? Inona o zavatra mety hitranga raha tsy izany no izy?

Zava-dehibe ihany koa ny fanombanana ny diantsika ara-panahy. Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny maha zava-dehibe ny asa mikendry ny tanjona ara-panahy ary rehefa avy teo dia nanampy izy hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Hitako fa raha te hifantoka hatrany aho … , dia mila maka fotoana tsy tapaka hanontaniako tena hoe, “Manao ahoana aho?”

Ohatran’ireny hoe miresaka manokana sy mangina amin’ny tenanao ireny. …

Mandritra ’ireo herinandro ho avy, dia mitadiava fotoana hamerenana mijery ireo tanjona izay napetrakao teo amin’ny fiainanao sy ireo drafitra izay nataonao, ary ataovy azo antoka tsara fa mifanaraka amin’ny drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra izany mba ho an’ny fahasambarantsika. Raha mila mibebaka sy miova ianao, dia ataovy dieny izao izany. …

Mijoro ho vavolombelona ny tenako fa tsy misy tanjona lehibe mihoatra ny miaina mandrakizay miaraka amin’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy malalantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. Saingy mbola ambony noho ny tanjontsika izany—izany dia tanjon’ Izy Ireo ihany koa. Manana fitiavana tonga lafatra ho antsika Izy Ireo, manana hery lehibe izay mbola vao miantomboka ho takantsika. Izy Ireo dia mifanaraka tanteraka, sy feno, ary mandrakizay amintsika. Asan’ Izy Ireo isika. Ny voninahitsika dia voninahiny ihany koa. Mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, tian’Izy Ireo hody any an-trano isika.

(M. Russell Ballard, “Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 64–65)

Makà minitra vitsivitsy ametrahana amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto, toy ’ireny hoe miresaka manokana sy mangina amin’ny tenanao ireny ianao. Hevero ny hanoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo valin-teninao.

  • Inona no zavatra nataoko tato ato mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ana fahamarinana voafaritra tsara amin’ny alalan’ny Fanahy Masina? Inona no zavatra ianarako momba ny fandraisana fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina? (Mety efa naka fotoana handinihana izany ianao rehefa nandalina ny 1 Korintiana 2 .)

  • Inona no tanjoko mba hanatonako akaiky kokoa ny Mpamonjy sy hahatonga ahy ho lasa mpianany? Inona avy ireo fahombiazana iainako? Inona avy ireo sakana atrehiko? Inona no zavatra tokony hataoko mba hikatsahako ny fanampian’ny Tompo sy hanohizako ny fivoarana amin’ny diako ara-panahy?

Asao ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo momba ireo fanontaniana ireo. Tsarovy fa ireo tanjona sy zavatra niainana sasany dia mety ho an’ny tena manokana loatra na tsiambaratelo, noho izany dia aza takina ny hizara ny mpianatra. Dokafy ireo mpianatra noho ireo fahombiazany. Raha toa ka miatrika sakana sarotra aminy ny mandresy azy ireo mpianatra, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao amin’ny mpianatra ambiny: Inona n zavatra nianarantsika tamin’ity taona ity tamin’ny alalan’ny fandalinantsika ny Testamenta Vaovao izay mety hanampy? Inona avy ireo zavatra niainanao izay mety hanampy? Amporisiho ireo mpianatra hanohy hiasa ho an’ireo tanjony izay napetrany, ary haneho fahatokiana fa hanampy azy ireo ny Ray any An-danitra rehefa miezaka ny ho tonga tahaka Azy izy ireo.

Manazava ny fahasoavan’i Jesoa Kristy

Mba hanampiana anao hanombana ny fahatakaranao ny fahamarinana anankiray manan-danja ao amin’ny filazantsara izay nohalalininao vao haingana, dia ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe nifandray taminao ny misiônera. Mampianatra olona mitovy taona aminao izay manana olana amin’ny fahatakarana ny momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy izy ireo. Nangataka anao ireo misiônera hiaraka amin’izy ireo amin’ny fotoam-pampianarana manaraka mba hahafahanao mizara ny zavatra fantatrao momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny fomba nahafahan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy nitahy ny fiainanao.

Makà fotoana hikarohana soratra masina sy fahamarinana ao amin’izany izay mety manampy. Mety hanampy ny famakiana ny sasany amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto:

Romana 3:10–12, 20–28

Romana 4:16 (anisan’izany ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Romana 4:16, Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

Romana 5:1–2, 21

  1. Soraty amin’ny teninao manokana ny fomba hanazavanao ny fahasoavan’ny Mpamonjy.

  2. Amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina anankiray avy ao amin’ny Romana, dia mizarà fahamarinana anankiray momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahantsika mandray izany eo amin’ny fiainantsika. Hevero ny hampidirana ny fitondran’ny fahalalana ireo fahamarinana ireo anao ho akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Ataovy azo antoka ny hanome fotoana ampy tsara ireo mpianatra mba hiomanana. Rehefa nahavita izany ireo mpianatra, dia afaka miara-miasa amin’ny mpiara-mianatra aminy izy ireo ary mifandimby mifampianatra toy ireny hoe mizara ireo zavatra ireo amin’olona ampianarin’ny misiônera izy ireo.

Ampitomboy ny fanirianao hiray hina amin’i Kristy

Ny firaisan-kina dia foto-kevitra anankiray hafa manan-danja tao amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo Romana sy Korintiana.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hisafidy andininy anankiray na roa izay nampianaran’i Paoly momba ny firaisan-kina (ohatra, Romana 14:19 na Romana 15:1). Dia ataovy ny anankiray amin’ireto sahanasa manaraka ireto avy eo:

  1. Lazao miaraka amin’ny iray kilasy ilay andininy na ireo andininy.

  2. Zarao anaty vondrona kely ireo mpianatra ary asao izy ireo hilaza amin’ny feo mafy ilay andininy na ireo andininy amin’ny alalan’ny fifandimbiasana milaza ny andalana tsirairay ao amin’ilay soratra masina. Raha toa ka mbola mila fanamby fanampiny ireo mpianatra, dia afaka mifandimby milaza ny teny tsirairay izy ireo.

  3. Tanisao miaraka amin’ny iray kilasy ny andinin-tsoratra masina na ireo andinin-tsoratra masina, ka mpianatra hafa foana no miteny ny teny tsirairay.

Entano ireo mpianatra hanombantombana ny fomba niarahan’izy ireo niasa ary mba hizara ny hevi-baovao rehetra izay nianaran’izy ireo momba ny firaisan-kina tamin’ny alalan’ity sahanasa ity. Asao ireo mpianatra hamintina ny zavatra nampianarin’i Paoly ao amin’ilay andininy na ireo andininy.

a. Mitadiava andinin-tsoratra masina anankiray izay nianaranao tao amin’ny Romana na 1 Korintiana ka nampianatra anao fahamarinana manan-danja momba ny fananana firaisan-kina amin’ny hafa ao amin’i Kristy. Ny ohatra sasantsasany dia hita ao amin’ny Romana 12:10–21 ; 14:10–13, 19 ; 15:1–7 ary ao amin’ny 1 Korintiana 1:10–13 ; 3:3–9 . Inona no fahamarinana ampianarin’ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidianao?

b. Saintsaino ny fotoana anankiray niainanao ny zavatra izay nampianarin’i Paoly tao amin’ilay andinin-tsotra masina nosafidinao. Inona araka ny hevitrao no tena nanampy anao tamin’ny ezaka nataonao mba hiray hina ao amin’i Kristy?

d. Valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no maha samy hafa ny hoe miara-miasa tsara fotsiny sy ny fananana firaisan-kina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

  • Nahoana no manan-danja aminao ilay fahamarinana nosafidinao tao amin’ny lohahevitra a ?

  • Tao anatin’ny volana lasa, ahoana no nitombohan’ny fahatakaranao ny firaisan-kina sy ny fanirianao mba hiray hina amin’ny hafa?

  • Inona no zavatra nataonao mba hahatonga anao ho lasa miray hina kokoa amin’ny hafa ao amin’i Kristy?

  • Inona avy ireo fanamby izay atrehanao rehefa miasa mba ho hiray hina kokoa amin’ny hafa ianao?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ireo lafiny tian’ny Tompo hiraisanao hina kokoa amin’ny hafa ao amin’i Kristy. Mikatsaha fanambarana momba ny fomba handresena ireo olana izay mety hatrehinao ihany koa.

Tohizo hatrany ny fivoarana amin’ny dia ara-panahinao, mba hanakaikezana kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fantaro fa tia anao Izy Ireo ary vonona hanampy anao amin’ny ezaka ataonao.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’ Izy Ireo hanampy.

Hamoaka printy