Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 6:19–20


Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny fanahy masina ny tenanareo”

Sary
Two youth walk across a bridge. It is fall. The boys seem to be in conversation. The bridge goes over a lake. In the distance you can see fields and playground equipment.

Nandritra ny fandalinana ny 1 Korintiana 6, dia nianatra ny fenitra izay napetraky ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena sy ny maha zava-dehibe ny vatanao ianao. Ity lesona ity dia hanampy anao hampitombo ny fifehezanao ireo fampianarana ireo amin’ny alalan’ny fanomezana anao fahafahana hitadidiana ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 1 Korintiana 6:19–20, sy hanazavana ny fotopampianarana, ary hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny trangan-javatra tena misy marina eo amin’ny fiainana.

Mampianatra fahamarinana amim-pitiavana. Miezaha mampianatra ny filazantsara tahaka izay nataon’ny Mpamonjy. Ampianaro amin’ny fomba mazava tsara ny fahamarinana fa amim-pitiavana hatrany kosa. Ny fampianarana amim-pitiavana dia hanampy ireo mpianatra izay mety ho sahirana amin’ny fitsipiky ny filazantsara sasantsasany, na ireo izay mety ho manana olona lalaina ka tsy miaina ny filazantsara, na hianatra ny fahamarinana sy hahatsapa faharisihana ny hiaina izany. (Jereo ny “Les deux faces de l’enseignement: Message de Chad H Webb,” si.ChurchofJesusChrist.org.)

Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hizara amin’ireo mpianatra ny rafi-tantara fampiharana ao amin’ity lesona ity ary asao izy ireo hanomboka hieritreritra izay mety hamaliany izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny “1 Korintiana 6,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitry ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 . Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao dia tadidio

Alaivo sary an-tsaina hoe ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy na ao amin’ny kôlejy no misy mpiara-mianatra zandriny anankiray manontany ny mpampianatra hoe, “Inona marina moa no atao hoe lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?” Asain’ny mpampianatra mamaly ireo mpianatra hafa, ianao ao anatin’izany.

Ampiasao ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Korintiana 6:19–20 , dia manaova drafitra ho an’ny zavatra izay azonao zaraina amin’ireo mpiara-mianatra mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fitsipika izay napetraky ny Tompo momba ny fahadiovana ara-nofo na ny fahadiovam-pitondrantena, ary inona no maha zava-dehibe izany.

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 , ahoana no fomba mety hanazavanao amin’ny olona anankiray ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ary ny maha zava-dehibe izany?

Henoy tsara ny valin-tenin’ireo mpianatra ary tombano ny fahatakaran’izy ireo. Raha toa ka ilaina, dia avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fitsipika avy ao amin’ny lesona miompana amin’ny 1 Korintiana 6.

Omeo fotoana ireo mpianatra hahafahan’izy ireo mitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Korintiana 6:19–20 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay ao anatin’izany. Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ity manaraka ity.

Mba hanampiana anao hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe, “Tempolin’ny fanahy masina ny tenanareo,” dia hevero ny hamorona sary, sary maneho hevitra, na tamba-tsary entina maneho ity andalan-tsoratra masina ity sy ny fotopampianarana ampianariny. Ny sary izay foroninao dia tokony hiavaka nefa tokony ho feno fanajana sy fandalàna ny andinin-tsoratra masina sy ny fotopampianarana izay ampianariny ihany koa. Azonao atao ny mampiasa ny sarin’olona mijoro eo akaikin’ny tempoly nataonao tamin’ny sahanasa ho an’ny lesona miompana amin’ny 1 Korintiana 6. Ataovy azo antoka ny manoratra ny toko sy andinin-tsoratra masina hoe 1 Korintiana 6:19–20 sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina eo akaikin’ilay sarinao.

Eo am-pijerena ilay sary noforoninao na nosafidianao, dia avereno ao an-tsaina ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny sorata masina mandrapahatsapanao fa tadidinao tsara daholo izy ireo.

Fizàrana mampihatra

Ampio ireo mpianatra hanao famerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ohatra iray amin’ny fomba hanaovana izany ity manaraka ity. Azo atao ho solon’izay, hevero ny hanasa mpianatra anankitelo hiomana mialoha amin’ny famintinana sy fampianarana fohy ireo fitsipika ireo amin’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo.

Raketo fohifohy ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra fantatrao sy tadidinao momba ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tsy an-kijery ireo loharanom-pitaovana hafa. Rehefa vitanao izany, dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mba hanamarinana ny fahalalanao sy hanampiana ny fampahalalana manan-danja izay mety tsy hitanao.

Saintsaino ity toe-javatra manaraka ity. Avy eo dia valio ireo fanontaniana manaraka izany amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 fa tempolin’ Andriamanitra izay ahafahan’ny Fanahy mitoetra ny vatantsika. Ho solon’izay, azonao atao koa ny mamorona rafi-tantara hafa izay mifanaraka aminao kokoa na amin’ny tanora ao amin’ny aaritra misy anao.

Ny fitsipika mandrakizay hoe tempolin’ Andriamanitra ny vatantsika ka ahafahan’ny Fanahy mitoetra dia azo ampiharina amin’ny toe-javatra hafa ankoatra ny fahadiovam-pitondrantena. Hevero ny hanisy fanamboarana ity rafi-tantara manaraka ity mba hahatonga izany ho tena mifanaraka tsara amin’ireo mpianatra.

Ny zatovolahy iray dia notezaina tamin’ny fahafantarana ireo fenitry ny Tompo momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, saingy rehefa tafiditra tao anatin’ny fiarahana matotra elaela izy, dia nahatsapa faniriana haneho ny fihetseham-pony amin’ny alalan’ny firosoana amin’ny firaisana ara-nofo amin’ilay olon-tiany. Misy olona ao amin’ny fianakaviany sy namany nanao firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana, ary hitany fa toa sambatra ihany izy ireo.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizayNy Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra fa “ny maha zava-dehibe mandrakizay ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia tsy hay takarina raha tsy ao anatin’ny sahan-kevitra manan-danjan’ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny zanany” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, Mey 2013, 41).

  • Inona avy ireo lafiny manokana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izay tianao ho takatry ny olona sy hosaintsaininy ao amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 amin’ny fomba fijerinao manokana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fifandraisanao amin’ Ny Andriamanitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidian’ AndriamanitraHevero ny hisafidy anankiray na maromaro amin’ireto loharanom-pahalalana izay notendren’ Andriamanitra manaraka ireto mba hikarohana ireo fahamarinana izay tokony hampiharina sy ahafahana manampy momba ilay rafi-tantara nosafidinao.

Valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no zavatra hitanao fa mety hanampy amin’ity rafi-tantara ity?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay mety hisafidianan’olona anankiray ny hanao asa amim-pinoana ao amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona avy ireo zavatra efa niainanao niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka mety hanampy anao hatoky Azy Ireo sy hanaraka ireo fampianarany?

Fintino ny fomba ahafahana mampihatra ny fitsipika tsirairay amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara. Raha namorona rafi-tantara manokana ianao, dia ataovy azo antoka fa hampiditra famintinana fohy momba ilay toe-javatra ianao.

Rehefa avy nomena fotoana hisaintsainana sy hamaliana ireo fanontaniana napetraka teo aloha ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ny rafi-tantara izay nampiasainy sy hifanakalo hevitra momba ny valin-teny izay narosony. Fomba anankiray hanaovana izany ny fametrahana seza tsy misy na inona na inona eo anoloan’ny efitrano sy ny fanasana ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa mipetraka eo amin’io seza io ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara. Manasà mpianatra anankiray hieritreritra ny zavatra iray izay mety hozarainy amin’io olona io. Rehefa avy eo dia manontania mpianatra hafa raha toa ka mbola misy hoampiany izay efa voalazan’ilay mpianatra voalohany. Manasà mpianatra maromaro hizara ireo hevitra izay mety hanampy ilay olona ao anatin’ity toe-javatra ity. Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina amin’ny lesona izay ampianarina tsy ho ela:

Asao ireo mpianatra hamerina hitadidy na hampiseho ilay sary izay noforonin’izy ireo mba hanehoana ny 1 Korintiana 6:19–20 . Asao izy ireo hijery raha toa ka mahatadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay mifandray amin’ity andalan-tsoratra masina ity izy ireo. Raha ilaina, dia manaova fanazaran-tena mitanisa ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja amin’ity andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity.

Hamoaka printy