Seminera
1 Korintiana 6


1 Korintiana 6

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenanareo”

Sary
Paraguay. A young woman and two young men on the grounds of the Asuncion Paraguay Temple.

Toa tsapa indraindray fa olana tsy manam-paharoa amin’izao androntsika izao ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fahotana amin’ny firaisana ara-nofo izay miely patrana. Kanefa tao amin’ny taratasiny nosoratany efa ho 2 000 taona lasa izay, dia nampianatra sy nampitandrina momba ireo fahotana ireo i Paoly. Nampahery sy nanitsy ireo Olomasina tao Korinto ireo fampianarana mafonja nataon’i Paoly, ka nampiverina azy ireo tamin’ny lalan’ny fanaovana fanekempihavanana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny maha zava-dehibe ny vatanao sy ny maha zava-dehibe ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena.

Mamorona tontolo azo antoka. Mamoròna tontolo itoeran’ny Fanahy Masina izay ahafahan’ny mpianatra maneho malalaka ny fanontaniany sy ny zavatra tsapany. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny mamaly mandrakariva ireo mpianatra amin’ny hatsaram-panahy sy fangorahana ary fanajana. Amporisiho ny mpianatra mba hanao toy izany koa amin’ny hafa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany momba ny fitsipiky ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantena ary hiomana hametraka ny fanontaniana rehetra ananany momba izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireto teny manaraka ireto:

Fahadiovam-pitondrantena

Vakio ireto teny manaraka momba ny fahadiovam-pitondrantena ireto. Omeo isa 1 ka hatramin’ny 5 ny teny tsirairay (1=mandà tanteraka, 2=mandà, 3=tsy misy safidy, 4=manaiky, 5=manaiky tanteraka).

  • Isika dia miaina ao anatin’ny tontolo ahitana olona manana hevitra samihafa momba ny fihetsika sy ny zavatra atao azo ekena manoloana ny filàna ara-nofo.

  • Takatro ny fitsipiky ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena (fantatra ihany koa amin’ny hoe ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena).

  • Manana faniriana ny hiaina ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena aho.

  • Fantatro fa mitahy ny fiainako ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Manana fanontaniana momba ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena aho.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra fantatrao sy inoanao mikasika ny fitsipiky ny Tompo amin’ny fahadiovam-pitondrantena ary koa ny fanontaniana rehetra anananao momba izany.Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia katsaho ny Ray any An-danitra mba hitarika anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Miezaha mamantatra sy mianatra fahamarinana afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa sy haniry hiaina ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena ary izay hanampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana sy olana anananao.

Mampianatra ny lalàn’ny Tompo momba fahadiovam-pitondrantena i Paoly

Tanàna midadasika sy manan-karena ary nahitana karazan-javatra izay nanjakan’ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo ny tanànan’i Korinto. Notanisain’i Paoly ho anisan’ny fahotana fanaon’ny Korintiana ny fijangajangana (firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana), ny fanitsakitsaham-bady, ary ny fiarahan’ny samy lahy na samy vavy (jereo ny 1 Korintiana 6:9–10).

Vakio ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:18–20 , ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mirakitra ny fampianaran’ Andriamanitra momba ny fahadiovam-pitondrantena sy ny toetra masin’ny vatan’olombelona.

  • Inona no fahamarinana tsapanao fa tian’ny Tompo ho takatrao avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hahatakatra ireo fahamarinana ireo ianao?

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fahitanao ny lalàn’ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena?

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe: tempolin’ Andriamanitra ny vatantsika izay ahafahan’ny Fanahy Masina mitoetra.

Eo afovoan’ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao dia mamoròna sary tsotsotra ahitana olona iray mijoro eo akaikin’ny tempoly. Tanisao manodidina ilay sary nataonao ny fitoviana misy eo amin’ny vatana sy ny tempoly. Fantaro ny antony mety hanampian’ity fampitahana ity anao hahatakatra ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Afaka manampy anao hanao ity fampitahana ity ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fieritreretana ny vatantsika ho toy ny tempoly eo amin’ny fomba hitondrantsika ny vatantsika?

  • Inona no fiantraikan’ity fanoharana ny vatantsika ho toy tempoly ity amin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika mikasika ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Inona no fahamarinana momba ny Fanahy Masina izay ilaina takarina ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity? Nahoana?

  • Inona avy ireo antony heverinao fa mendrika hanaovana ezaka mba hananana ny Fanahy Masina hitoetra aminao?

Ahoana raha misy olona tsy mankatò ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Nanamarika i Paoly rehefa nampianatra ny Korintiana fa efa nanao fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo ny sasany tamin’ireo mpikambana tao Korinto taloha (jereo ny 1 Korintiana 6:9–11). Saingy rehefa nibebaka sy natao batisa izy ireo dia nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Vakio ny 1 Korintiana 6:11 , ary asio marika ireo teny na andian-teny nampiasain’i Paoly hanampiana ny Korintiana hahatakatra ny hery manadio avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay natao ho an’ny olona rehetra.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa afaka manadio antsika amin’ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo i Jesoa Kristy?

Tsarovy fa “tsy meloka sy tsy mila mibebaka ireo niharan’ny herisetra ara-nofo. Raha toa ka niharan’ny herisetra ara-nofo ianao dia fantaro fa tsy manan-tsiny ianao ary tia anao Andriamanitra. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe atokisana hafa, ary katsahoa avy hatrany ny hahazo ny torohevitry ny evekanao. Afaka manohana anao ara-panahy izy ireo ary manampy anao amin’ny fahazoana fiarovana sy izay fanampiana ilainao” (“Pureté Sexuelle,” Jeunes, soyez-forts [kiboky, 2011], 36–37 ).

Vakio indray ny 1 Korintiana 6:19–20 ka tadiavo ny zavatra hafa nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe “tsy tompon’ny tenanareo hianareo” sy ny hoe “olom-boavidy hianareo”?

Mety hahasoa ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny mitarika ny mpianatra any amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12 mba hahafahan’izy ireo mahita ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy tao anatin’ny Sorompanavotany sy ny antony nanaovany izany. Asao ny mpianatra hanoratra ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity mba ho soratra masina mifandray eo akaikin’ny 1 Korintiana 6:19–20 .

  • Misy fiantraikany amin’ny fomba fisainanao sy ny fomba itondranao ny tenanao amin’ny fomba ahoana ny sorona nataon’ny Mpamonjy?

Ny Loholona Jeffery R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy ny fifandraisan’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny sorona nataon’ i Jesoa Kristy.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ampahany manan-danja ao amin’ny hoe olona ny vatana. Ny fotopampianaran’ny Olomasin’ny andro farany izay miavaka sy manan-danja indrindra dia mampivoitra ny antony maha-ratsy ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo. … Rehefa manararaotra ny vatan’ny olona iray hafa ny olona iray—izany hoe manararaotra ny fanahiny—dia maniratsira ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay nanavotra izany fanahy izany sy mahatonga ny fanomezana ny fiainana mandrakizay ho azo tanterahina. …

Aza milaza mihitsy hoe: “Handratra an’iza moa izany? Nahoana aho no tsy mahazo manana fahalalahana kely? Afaka mandika lalàna aho izao dia mibebaka avy eo.” Aza manao hadalana sy ratsy fanahy toy izany. Tsy afaka “manombo an’i Kristy indray amin’ny hazo fijaliana” ianao ka tsy ho voasazy [jereo ny Hebreo 6:6 ]. “Mandosira ny fijangajangana” [ 1 Korintiana 6:18 ], hoy ny hiakan’i Paoly, mandosira ny “zavatra toy izany” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6 ; nampiana fanamafisana], hoy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana entina hanamafisana izany. Nahoana? Vokatry ny antony iray izay noho ny fijaliana tsy hay refesina niaretan’ny vatana sy ny fanahin’ny Mpamonjy izao tontolo izao mba hahafahantsika mandositra [jereo indrindra fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20 ]. Ananany trosa amin’izany isika. Raha ny marina dia tokony hanome azy ny zava-drehetra noho izany isika.”

(Jeffrey R. Holland, “Personal Purity,” Ensign, nôv. 1998, 76)

  • Manampy anao hahatakatra ny momba ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ny fahafantaranao fa nijaly ho anao tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany Izy? Ahoana no ahafahan’izany fahatsapana izany mampitombo ny fanirianao sy ny fahafahanao mankatò Azy?

Tahaka ny niresahan’i Paoly tamin’ireo Olomasina Korintiana, ireo mpanompon’ny Tompo amin’izao androntsika izao dia manome torohevitra manan-danja mikasika ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena sy ny hery ananan’ny Mpamonjy hamela sy hanadio antsika. Vakio ny “Pureté Sexuelle,” Jeunes, soyez-forts (kiboky, 2011), 35–37, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile, hitadiavana fahamarinana afaka mampahery anao sy mamaly ny fanontanianao.

  • Inona no fitsipika nianaranao avy amin’ny 1 Korintiana 6 sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina izay nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fenitry ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena?

  • Raha manana fanontaniana na ahiahy momba ny fahadiovam-pitondrantena ianao izay tsy novalina ato amin’ity lesona ity, dia aiza no itodihanao?

Rehefa misaintsaina ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia tsara ny manasa azy ireo hifanakalo hevitra miaraka amin’ny ray aman-dreniny na ny evekany momba ireo fanontaniana fanampiny ananany mikasika ny fahadiovam-pitondrantena.

Mijoroa ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny maha-zava-dehibe ny fiainana araka ny fitsipiky ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena. Anontanio raha misy mpianatra iray na roa koa afaka mijoro ho vavolombelona.

Makà fotoana kely hisaintsainana ny bitsiky ny Fanahy Masina mikasika ny zavatra asain’ny Tompo hataonao noho ireo zavatra niainanao androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

1 Korintiana 6:19 . Nahoana no zava-dehibe ny fahitako ny vatako ho toy ny “tempolin’ny Fanahy Masina”?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra momba ny fiantraikan’ny fahitana ny vatantsika ho toy ny tempolin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Noho ny vatanao izay ampahany manan-danja tahaka izany amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra dia tsy mahagaga izany raha nofaritan’i Paoly Apôstôly hoe “tempolin’ Andriamanitra” [ 1 Korintiana 3:16 ; jereo koa ny 6:19 ]. Isaky ny mijery fitaratra ianao dia jereo ho toy ny tempolinao ny vatanao. Izany fahamarinana izany—izay tokony hananantsika fankasitrahana isan’andro—dia afaka misy fiantraikany tsara amin’ireo fanapahan-kevitra raisinao mikasika ny fomba hikarakaranao ny vatanao sy ny fomba hampiasanao azy.

(Russell M. Nelson, “Fanapahan-kevitra ho an’ny Mandrakizay,” na Liahona, nôv. 2013, 107)

Ahoana no fomba hakan’i Satana fanahy antsika mba hampiasantsika amin’ny fomba ratsy ny vatantsika?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba fanodinkodinana ataon’i Satana sy ny maha-zava-dehibe ny vatana.

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Satria tena manan-danja amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray sy ny fivoarantsika ara-panahy ny vatana, dia mikatsaka ny hanembantsembana ny fivoarantsika i Losifera amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika mba hampiasa ny vatantsika tsy araka ny tokony ho izy. …

Ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena dia fahotana mampahory sy fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny vatantsika. Ho an’ireo izay mahafantatra sy mahatakatra ny drafitry ny famonjena, ny fandotoana ny vatana dia fikomiana (jereo ny Môzià 2:36–37 ; [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana] 64:34–35) ary fandavana ny maha-isika antsika marina amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika. Rehefa mijery mihoatra ny fiainana an-tany sy mijery ny mandrakizay isika, dia mora ny manavaka fa tsy maharitra ary tsy misy akory ny fiarahana ho toy ny namana mandrakariva mody atolotry ny fahavalo.

(David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 43)

I Susan W. Tanner, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha, dia niresaka momba ny sasany tamin’ireo fomba ataon’ny fahavalo hakana fanahy antsika hampiasa amin’ny fomba ratsy ny vatantsika.

Sary
Former official portrait of Susan W. Tanner, general president of the Young Women, 2003. Released April 2008.

[I Satana] dia maka fanahy olona maro handotoana io fanomezana lehibe ho an’ny vatana io amin’ny alalan’ny fahalotoam-pitondrantena, ny tsy fahamaotinana, ny fampanaranam-po ary ny fiankinan-doha. Mamitaka ny olona sasany hanao tsinontsinona ny vatany izy; ny sasany alainy fanahy hanompo ny vatany. Amin’ireo tranga roa ireo, mitaona izao tontolo izao izy mba hihevitra ny vatana fotsiny ho toy ny zavatra. Manoloana ny laingan’i satana maro momba ny vatana, dia te-hanandratra ny feoko aho anio ho fanohanana ny fahamasinan’ny vatana. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny vatana dia fanomezana tokony horaisina amim-pankasitrahana sy amim-panajana.

(Susan W. Tanner, “The Sanctity of the Body,” Ensign or Liahona, Nov. 2005, 13)

Sahanasa fianarana fanampiny

Mitoetra ho madio raha tsy manao izany ny hafa

Mba hampianarana ilay fitsipika hoe raha misafidy ny hifandray akaiky amin’ireo izay tia ny ota isika dia afaka ny ho voatariky ny faharatsian’izy ireo, dia asao ny mpianatra handalina ny 1 Korintiana 5:1–2, 6–7, 9–11 . Inona no fanoharana ampiasain’i Paoly hampianarana io fahamarinana io? Inona no torohevitra omen’i Paoly ny Olomasina Korintiana amin’ny toe-javatra misy azy ireo? Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo olona tia ny ota, kanefa tsy mampihena ny fitandremantsika ny fenitra arahantsika ny fanaovana izany?

Hamoaka printy