Seminera
1 Korintiana 1–7


1 Korintiana 1–7

Topimaso ankapobeny

Ny lesona amin’ity herinandro ity dia miresaka momba ireo toko fito voalohany ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ireo Korintiana. Nikorontan-tsaina mafy ireo Olomasina tao Korinto noho ireo foto-kevitr’izao tontolo izao, ka dia niezaka nanampy azy ireo mba hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mianatra fahamarinana ara-panahy maharitra i Paoly. Nampahery sy nanitsy ireo Olomasina tao Korinto tokoa ireo fampianarana mafonja izay nataon’i Paoly, ka nitarika azy ireo hiverina tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana izany. Amin’ity herinandro ity ihany koa no hampidirana ny lesona izay hanampy anao hanombana ny zavatra izay ianaranao.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Korintiana 1–4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fanorenana ny fiainantsika eo amin’i Jesoa Kristy manampy antsika handresy ireo olan’izao tontolo izao. 

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hangataka olona ao amin’ny fianakaviany na namany anankiray mba hanazava ny fomba nanampian’ny fanorenana ny fiainany teo amin’’i Jesoa Kristy azy ireo tamin’ny fiatrehana ireo fanamby samihafa teo amin’ny fiainany.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Tapa-taratasy anankiray na diary fandalinana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Amin’ny alalan’ny fampiasana ny solaitra fotsy, dia manasà mpianatra anankiray hanao sary trano misy fototra. Avy eo dia asao ny iray kilasy hanoratra manodidina ilay sarin-trano ireo fanamby na fitaoman-dratsy sasany izay atrehan’izy ireo. Asao ihany koa izy ireo hanoratra ao anaty na manodidina ilay fototra ny zavatra izay azon’izy ireo atao mba hanorenana ny fototry ny fiainany amin’ny Mpamonjy.

1 Korintiana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanasa ny Fanahy Masina mba hanampy azy ireo hianatra zavatra ara-panahy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanomana ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany izay lasa fantatrao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina? Ahoana no fomba nanamafisan’ny Fanahy Masina ireo fahamarinana ireo taminao?

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny lahatsoratry ny 1 Korintiana 2:9–14 . Amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana fanisiana marika, asao ireo mpianatra hanipika na hanao anaty faribolana ireo teny na andian-teny izay mampita fahamarinana ara-panahy. Asao izy ireo hanazava ny antony nanisiany marika izany.

1 Korintiana 6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny maha zava-dehibe ny vatany sy ny maha zava-dehibe ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra fantany momba ny fenitra izay napetraky ny Tompo momba ny fahadiovam-pitondrantena ary hiomana hametraka ny fanontaniana rehetra izay manitikitika azy ireo momba ny fahadiovam-pitondrantena.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Kiboky Jeunes, soyez forts ho an’ny mpianatra tsirairay, raha azo atao

  • Horonan-tsary: I Choose to Be Pure” (4:20) na “Chastity: What Are the Limits?” (3:59)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa hitan’ny mpianatra ireo fitsipika ao amin’ny 1 Korintiana 6:18–20 , dia hevero ny hampiseho sarin-jatovo sy tempoly. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisana chat, dia asao ireo mpianatra hanao lisitra ny zavatra mampitovy ny vatan’olombelona amin’ny tempoly. Asao ihany koa izy ireo hifanakalo hevitra momba ny mety ho fiantraikan’io fampitahana io eo amin’ny fomba fijerintsika sy ny fitondrantsika ny vatantsika.

Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 6:19–20

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 , hanazavana ilay fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Hevero ny hizara amin’ireo mpianatra ny rafi-tantara fampiharana ao amin’ity lesona ity dia asao izy ireo hanomboka hieritreritra ny fomba mety hamaliany ny momba izany.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Mety hahasoa ny mampiseho ilay rafi-tantara mba hahafahan’ireo mpianatra mijery izany rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Zarao ao anaty zana-bondrona ireo mpianatra mba hilalaovan’izy ireo an-tsehatra fanazavana lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny antony maha zava-dehibe ny fampiasana ireo fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 6:19–20 . Raha azo atao, dia mihainoa zana-bondrona maromaro mba hanombanana ny fahatakaran’ireo mpianatra ity fahamarinana ity. Hevero ihany koa ny hampiasa ny fitaovam-pifandraisana chat mba ahafahan’ireo mpianatra mandefa ny sarinyy, ny sary maneho hevitra, na tamba-tsary maneho ny 1 Korintiana 6:19–20 .

Tombano ny fianaranao 8

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tombantombana ny tanjona napetrany sy ny fivoaran’ny tena manokana izay niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny tanjony ara-panahy manokana izay napetrany. Ho fanampin’izany, dia asao izy ireo hisaintsaina ireo zavatra efa nianarany na ireo tanjona izay napetrany rehefa nandalina ny Romana sy ny 1 Korintiana 1–7 izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina sy hampihatra ny firaisan-kina, dia asao izy ireo hanindry ny bokotra participants en vue Galerie mba hahafahan’izy ireo mahita ny mpianatra rehetra. Azo inoana fa hiseho amin’ny filaharana samihafa ny mpianatra tsirairay. Amin’ny fitaovana sasany, dia azo ovaina izany amin’ny alalan’ny fitarihana sy fandatsahana an’ilay fenêtre amin’ny filaharana izay tiana. Raha toa ka azo atao, dia asao ny mpianatra tsirairay mba handahatra ny mpiara-mianatra aminy manaraka ny filaharana izay miseho eo amin’ny efijeriny. Avy eo dia andramo ny mampitanisa ireo mpianatra ny Romana 14:19 na Romana 15:1 , ny mpianatra tsirairay dia milaza teny anankiray isany avy, manaraka ny filaharana eo amin’ny efijery fanehoana.

Hamoaka printy