Famerenana fifehezana fotopampianarana 18
Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny trangan-javatra amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hizatra hampihatra ny fotopampianarana sasany izay nianaranao tamin’ny Testamenta Vaovao eo amin’ny fiainana.
Sahanasa fianarana azo atao
Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
https://pixabay.com/photos/soccer-goalie-goal-tender-game-1501546/https://pixabay.com/photos/soccer-football-soccer-player-1477569/
Alaivo sary an-tsaina hoe ny 150 amin’ireo atleta tsara indrindra maneran-tany dia manandrana hiandry haraton’ny ekipa mpilalao baolina kitra anankiray sangany. Azonao sary an-tsaina ve fa tena ho sarotra ho an’ny mpanazatra ny hisafidy atleta iray monja avy amin’izy ireo?
-
Inona araka ny eritreritrao no mety ho mason-tsivana izay hampiasain’ireo mpanazatra mba hamerana izay ho voafidy?
Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra andinin-tsoratra masina miisa 8.000 eo ho eo. Nefa ny 53 amin’ireo andininy ireo ihany (izany hoe eo ho eo amin’ny 1 anatin’ny andininy miisa 150) no tafiditra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 ao amin’ny Testamenta Vaovao. Alaivo sary an-tsaina ny fanamby tamin’ny fisafidianana ireo andinin-tsoratra masina avy tao amin’ny Testamenta Vaovao iray manontolo izay tokony hohalalinina ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.
-
Raha ohatra ka mba nasaina nanampy tamin’ny fisafidianana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ianao, dia inona no mason-tsivana nampiasainao mba hitadiavana ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidinao?
Misafidiana anankiroa amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto izay mety ho vaovao aminao. Vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina ao amin’ny soratra masinao, ary tadiavo ny antony izay heverinao fa mety ho antony nisafidianana ireo andinin-tsoratra masina ireo ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hifantohan’ny zatovo manerana izao tontolo izao.
Fifehezana Fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao : 1 Korintiana–Apokalypsy
“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.” | |
“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.” | |
“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” | |
Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo. | |
“[Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no] hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.” | |
Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.” | |
“Tsy ho avy ny Fiavian’i Kristy … raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.” | |
“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.” | |
Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.” | |
“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.” | |
“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.” | |
“Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.” | |
“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.” |
Asao ireo mpianatra mba hivezivezy ao amin’ny efitrano ary hizara ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina izay nosafidiny amin’ny mpianatra vitsivitsy hafa. Asao izy ireo mba hitady ireo mpianatra izay nisafidy andinin-tsoratra masina tsy mitovy tamin’ilay nosafidiny.
Ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra
Ny antony iray nisafidianana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo dia noho izy ireo mirakitra fahamarinana izay afaka manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
-
Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray nanampy anao hanamafy orina ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Ahoana ny fomba nanampian’izany anao?
-
Inona no fahamarinana ianaranao momba Azy ireo avy tamin’ity andinin-tsoratra masina ity?
Eo am-pizaran’ireo mpianatra, dia hevero ihany koa ny hizara ireo valinteniny manokana tamin’ireo fanontaniana teo aloha.
Fampiharana andinin-tsoratra masina
Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ireo toe-javatra izay atrehanao eo amin’ny fiainanao ankehitriny sy amin’ny ho avy. Ohatra, ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 hoe ny filazantsara dia notorina tamin’ny maty any amin’ny tontolon’ny fanahy dia afaka manampy amin’ny fampiononana ny namana izay avy namoy olon-tiana na afaka mamporisika anao hanao asa atao any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana ho an’ireo razambenao.
Amin’ity sahanasa manaraka ity, dia asao ireo mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa. Ny mpianatra dia afaka mamorona rafi-tantara anankiray ho an’izao fotoana ankehitriny izao, ary ny anankiray hafa kosa ho an’ny fotoana mbola ho avy. Rehefa avy nomena fotoana ampy ireo mpianatra, dia asao izy ireo hifandimby hizara ny rafi-tantara izay noforoniny amin’ny namany. Rehefa avy eo dia asao ireo mpianatra mba hizara ny andinin-tsoratra masina izay heveriny fa azo ampiharina tsara amin’ny toe-javatra iainan’ny namany alohan’ny hanehoany ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidiny mba hampiharina amin’ny rafi-tantara izay noforonin’izy ireo manokana sy hanazavana ny antony nisafidianan’izy ireo ny zavatra izay nataony.
Raha tsy izany, dia afaka mizara toe-javatra izay iainan’izy ireo amin’ny iray kilasy manontolo ihany ny mpianatra vitsivitsy. Rehefa avy eo dia afaka mizara andinin-tsoratra masina tsapany fa azo ampiharina tsara amin’ilay rafi-tantara ireo mpianatra alohan’ny hanambaran’ilay mpianatra ny andinin-tsoratra masina izay nosafidiny sy ny antony nahatonga azy nisafidy izany.
Fampiharana amin’izao andro ankehitriny izao
-
Inona no tena zava-misy izay atrehin’ny zatovo ankehitriny ka azo resahina amin’ny alalan’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana voatanisa eo amin’ny tabilao? Afaka manoratra toe-java-misy izay iainanao manokana ianao, na ny toe-java-misy iainan’ olona iray fantatrao, na ny toe-java-misy izay iainan’ny tanora amin’ny ankapobeny.
-
Iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo no tena tsara ampiharina amin’ny toe-java-misy izay nosoratanao? Ahoana no ahafahana mampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’io andinin-tsoratra masina io amin’ilay toe-java-misy?
Fampiharana amin’ny ho avy
-
Inona no toe-java-misy izay mety hiainanao rehefa lehibe ianao ka ahafahan’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manampy na mitarika anao?
-
Iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo no tena tsara ampiharina amin’izany toe-javatra izany? Ahoana no ahafahana mampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’io andinin-tsoratra masina io amin’ilay toe-javatra?
Asao ireo mpianatra mba hisafidy andinin-tsoratra masina iray ary hirakitra izany ao anatin’ny diary fandalinany ny fomba hampiharany ireo fahamarinana izay ampianarin’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo.