Seminera
Romana 8:18–39 


Romana 8:18–39 

“Ny fitiavan’ Andriamanitra, izay ao amin’I Kristy” 

woman sitting alone

Efa avy nalaim-panahy hanontany tena ve ianao nandritra ny toe-javatra anankiray izay nampatahotra, na tsy ara-drariny, na sarotra raha tena miahy anao marina Andriamanitra? Ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo olomasina tao Roma, izay nisy sasany tamin’izy ireo tena niaritra fitsapana mahatsiravina, dia ahitana hafatra mifono fankaherezana ho an’ireo izay mijaly. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatsapa fanantenana sy fiadanana amin’ny alalan’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika fitsapana sy fisalasalana ianao. 

Ny fianarana ny filazantsara dia sahanasa mifototra amin’ny tokantrano. Mitadiava fotoana ahafahana mamporisika ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay niainany nandritra ny seminera amin’ny fianakaviany sy hizara ny zavatra izay nianarany tany an-trano amin’ireo mpiara-mianatra aminy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao zavatra ho an’ny olona iray avy ao amin’ny fianakaviana izay maneho ny fitiavany amin’ny alalan’ny fihetsika fa tsy amin’ny teny ary mba ho vonona hizara ny zavatra nianarany avy tamin’io zavatra izay niainany io.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona ny zavatra hatolotrao?

Eritrereto ny mety ho sosokevitry ny mpitsabo mba hanampiany amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanolotra sosokevitra izay mety hatolony raha toa ka izy ireo ilay mpitsabo. Azo asaina ho eny anoloana ireo izay mazoto ary omena taratasy misy aretina mpahazo mahazatra toy ireto voatanisa etsy ambany ireto. Afaka manoritsoritra ny aretiny avokoa izy ireo ary mitady torohevitra fohy momba ny fitsaboana mifanaraka amin’ireo aretina ireo.

  • Aretin-kibo

  • Tapa-tongotra

  • Marary andoha

  • Sery

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no torohevitra manokana azo omena ho an’ireo trangan’aretina tsirairay ireo?

  • Inona no torohevitra ankapobeny mety hanampy amin’ny fitsaboana ireo trangan’aretina ireo?

Mazava ho azy, fa tsy izay fitsapana rehetra akory dia tonga dia ara-batana. Maro ny olona mijaly noho ny olana ara-tsaina, sy ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Ny Mpamonjintsika dia mahafantatra ny fomba hanampiana sy hampaherezana antsika tsirairay avy, na inona na inona ady atrehantsika. Na dia tsy mitovy aza ny fitsapana izay iainan’ny olona tsirairay, dia nampianatra fahamarinana mandrakizay amintsika Andriamanitra izay afaka manampy sy mampahery antsika amin’ny toe-javatra-tsarotra rehetra.Ataovy lisitra fohy, ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fitsapana izay ilanao fanampiana na ny an’ireo olon-tianao.

Hevero ny hizara tapa-taratasy ary asao ny mpianatra tsirairay tsy hanome anarana rehefa hanoratra fitsapana iray izay mianjady amin’izy ireo na ireo olona akaikin’ny fon’izy ireo. Ampahafantaro ireo mpianatra fa ny zavatra izay soratan’izy ireo dia mety hozaraina amin’ny iray kilasy ary hotazonina ho tsiambaratelo izay nanoratra izany. Angony ireo taratasy, vakio mangina izany ary manorata fitsapana maro samihafa eny amin’ny solaitrabe izay tena manan-danja indrindra—indrindra indrindra fa ireo izay nosoratan’ny mpianatra mihoatra ny iray. Asaivo mijery io lisitra io ireo mpianatra rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity sy amin’ny fotoana izay mahamety izany mandritra ny lesona.

  • Inona ny zavatra efa fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy, ary ny drafitry ny famonjena izay manampy anao amin’ireo fitsapana ireo? Ahoana no fomba nanampian’izany fahalalana izany anao?

Na dia tsy manamaivana ny maha-tena misy, na ny fanaintainana, na ny fahasarotan’ny fitsapana mahazo anao sy ireo olona akaikin’ny fonao aza ny fijoroanao ho vavolombelona anananao, dia afaka manome fanantenana, fampiononana, ary fomba fijery mandrakizay mandritra ireo fitsapana ireo izany.

Hevero ny hampiseho ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto.

Taona vitsivitsy monja taorian’ny nandefasan’i Paoly ny epistiliny ho an’ireo Romana, dia niharan’ny fanenjehana mahatsiravina ireo Olomasina tany Roma. Vakio ny Romana 8:18, 24–25, 28, 31–39 , ary asio marika ny andian-teny tsirairay izay inoanao fa afaka manampy na mampahery olona, na inona na inona fahoriana manokana izay mianjady aminy.

Asao ireo mpianatra hamita ny asa ampanaovina manaraka ao amin’ny diary fandalinany.

  • Raketo ny andian-teny izay nanaitra anao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Nahoana no nisafidy an’io andian-teny io ianao?

Araka izany, dia manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny andian-teny izay nosoratany. Rehefa mizara izy ireo, dia hevero ny hanondro fitsapana manokana avy amin’ny lisitra eny amin’ny solaitrabe ary asaivo hazavain’izy ireo ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana izay voarakitra ao anatin’ilay andian-teny izay hitany fa afaka manampy sy mampahery olona ao anatin’izany toe-javatra manokana izany.

  • Raketo ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’io andian-teny io manampy anao sy ireo olona akaikin’ny fonao amin’ny fahoriana manokana sasantsasany izay atrehanareo.

  • Ataovy tsianjery ilay andian-teny izay nosafidinao. Azonao atao ihany koa ny mamorona fampahatsiahivana isan’andro an’io andian-teny io amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika na manoratra sy mametraka izany amin’ny toerana mora ahitanao izany isan’andro mandritra ny andro maromaro manaraka.

Ity fizarana manaraka amin’ny lesona ity dia mifantoka tanteraka amin’ny andian-teny iray izay hita ao amin’ny Romana 8:39 . Aza misalasala mifantoka amin’ny andian-teny na fahamarinana iray na maromaro hafa izay ampianarina ao amin’ny Romana 8 raha toa ka mifanaraka kokoa amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra izany.

Ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Mialoha ny hizarana ity fahamarinana manaraka ity, dia asao ireo mpianatra izay efa nahavita ny sosokevitra momba ny fiomanan’ny mpianatra hizara ny zavatra izay nataony mba hanehoany ny fitiavany ny hafa.

Ny iray amin’ireo andian-teny izay mety nasianao marika tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampianatra ny fahamarinana hoe “[tsy misy] hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra” ( Romana 8:39).

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho fantatrao fa tiany ianao. Nasehon’izy ireo tamin’ny asa sy ny teny izany fitiavana izany.

  • Araka ny Romana 8:32 , inona ny zavatra izay nataon’ny Ray any An-danitra ka nanehoany fa tiany ianao?

Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hita ao amin’ny Jaona 3:16 , ary mariho ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy momba ny antony nandefasan’ny Ray any An-danitra ny Zanany tety an-tany. Azonao atao ny mampifandray na mampifandrohy io andinin-tsoratra masina io amin’ny Romana 8:32 .

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa fa ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ny fitiavan’ Andriamanitra dia hevero ny hanasa azy ireo hihira na hihaino ilay hiran’ny Kilonga hoe “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21).

Ny fanolorantenan’ny Mpamonjy hanonitra ny fahotantsika ihany koa dia porofon’ny fitiavany antsika (jereo ny Romana 8:34–35 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:1–3).

  • Oviana no nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao teo amin’ny fiainanao? Ahoana ny fomba nanampian’ny fitiavan’izy ireo anao manoloana ny fahoriana izay atrehanao?

Hevero ny hizara ohatra manokana mikasika ny hoe ahoana ny fomba nanampian’ny fahatakarana ny fitiavan’ Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra.

Soraty ao anaty diary fandalinanao ny zavatra izay nianaranao androany momba ny Ray any An-danitra sy momba an’i Jesoa Kristy izay tianao hotadidina. Azonao atao ihany koa ny manoratra taratasy ary manome izany ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana izay mety mba hahazo tombontsoa avy amin’ny zavatra izay nianaranao na tsapanao androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no dikan’ny hoe ny fahoriana izay lalovantsika ety an-tany dia “tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika”? ( Romana 8:18)

Nampianatra ny Rahavavy Linda S. Reeves, Mpanolotsaina Faharoa teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

11:22
Official portrait of Linda S. Reeves, sustained at the April 2012 general conference as second counselor in the Relief Society general presidency, October 2012. Released April 2017 General Conference.

Tsy fantatro ny antony mahatonga ireo fitsapana maro eo amintsika, saingy ny fahatsapako manokana ry rahavavy isany dia hoe, lehibe tokoa, mandrakizay sy tsy manam-petra mihitsy, ary tena mahafinaritra sy mihoatra noho ny fahatakarantsika ilay valisoa hany ka amin’io andro handraisana valisoa io dia hilaza amin’ny Raintsika feno famindram-po sy be fitiavana isika hoe, “Izay fotsiny ve ny zavatra notakina?” Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’izy ireo indray. Inona moa izay fijaliantsika tety … raha toa ka amin’ny farany, ireo fitsapana ireo no tena hahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana faratampony ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra miaraka amin’ny Raintsika sy ny Mpamonjy antsika?

(Linda S. Reeves, “Mendrika ireo fampanantenana nataontsika,” Liahona, nôv. 2015, 11)

Ahoana no hahatonga ireo fitsapana izay iainantsika ireo “ho soa ho [antsika]”? ( Romana 8:28)

Nilaza ny Loholona James B. Martino avy ao amin’ny Fitopololahy hoe:

2:3
Official Portrait of Elder James B. Martino. Photographed March 2017.

Ny Raintsika any An-danitra, izay tia antsika tanteraka sy amin’ny fitiavana tonga lafatra, dia mamela antsika hiaina toe-javatra izay ahafahantsika manana toetra sy toe-po izay ilaintsika mba ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa hatrany hatrany. Miseho amin’ny fomba isan-karazany ireo fitsapana izay iainantsika, saingy izy ireny dia hamela antsika ho tahaka ny Mpamonjy kokoa rehefa mianatra ny tsara hatrany avy tamin’ireo zavatra izay niainantsika tsirairay isika. Rehefa takatsika izany fotopampianarana izany, dia manana fahatokiana lehibe kokoa isika momba ny fitiavan’ny Ray. Mety tsy ho takatsika amin’ity fiainana ity mihitsy ny antony iatrehantsika izany, saingy afaka matoky isika fa afaka mitombo amin’ny alalan’ny zavatra izay niainantsika isika.

(James B. Martino, “Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa,” Liahona, mey 2010, 101)

Inona no dikan’ny hoe tsy misy afaka “hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra”? ( Romana 8:39)

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Tia anareo ny Rainareo any an-danitra—ianareo tsirairay avy. Tsy miova mihitsy izany fitiavany izany. Tsy misy fiantraikany amin’izany fitiavana izany ny endrikareo ivelany na ny fanananareo na ny habetsahan’ny vola napetrakareo any amin’ny banky. Tsy manova izany ny talentanareo sy ny fahaiza-manao anananareo. Eo fotsiny izany fitiavana izany. Eo izany ho anareo rehefa malahelo ianareo na faly, na kivy na feno fanantenana. Eo ny fitiavan’ Andriamanitra anareo na mahatsapa mendrika ny homena fitiavana ianareo na tsia. Eo foana fotsiny izany.

(Thomas S. Monson, “Tsy irery na oviana na oviana isika,” Liahona, nôv. 2013, 123–24)

Koa satria be fitiavana Andriamanitra, moa ve hamonjy ny olona rehetra Izy na inona na inona safidin’izy ireo?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra:

15:8
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Ny fitiavan‘[Andriamanitra] dia voafaritra ao amin’ny soratra masina ho “fitiavana lehibe sy mahagaga,” “fitiavana tanteraka,” “fitiavana manavotra,” ary “fitiavana mandrakizay.” Ireo no teny tsara ampiasaina kokoa satria ilay teny hoe tsy misy fepetra dia mety mampita hevitra diso mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra, tahaka ny hoe, tsy manome tsiny amin’ny zavatra rehetra ataontsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany, na hoe tsy mitaky na inona na inona amintsika Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany na koa hoe ny rehetra dia voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitr’ Andriamanitra satria tsy misy fepetra ny fitiavany. Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy manam-petra ary haharitra mandrakizay, saingy ny dikan’izany ho antsika tsirairay dia miankina amin’ny fandraisantsika tsirairay izany fitiavany izany.

(D. Todd Christofferson, “Mitoera ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48)

Sahanasa fianarana fanampiny

Manamafy sy manazava fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny Bokin’i Môrmôna

Tao amin’ny lesona iray teo aloha dia nasaina ireo mpianatra hampiasa ny Bokin’i Môrmôna mba hanampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny asa soratr’i Paoly na ireo andinin-tsoratra masina hafa.

Asao ireo mpianatra hanao fampiharana io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny fitadiavana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo zavatra izay manamafy sy manazava ny fahamarinana izay hitany avy tao amin’ny Romana 8 . Ny sasany amin’izany andinin-tsoratra masina izany dia ahitana ny 1 Nefia 1:1 ; Almà 31:31 ; Almà 36:3 .

Ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fitahiana atolony antsika

Hevero ny hanome valisoa kely ho an’izay rehetra nazoto namita ireo asa tsotra tao an-dakilasy ireo. Raha sendra ka misy olona manapa-kevitra ny tsy hamita ilay asa, dia anontanio ireo mpianatra raha toa ka tsy rariny na raha toa izany manaporofo fa tsy mitovy ny fitiavana ireo mpianatra raha toa ka tsy mahazo valisoa mitovy amin’ireo mpianatra nahavita ilay asa izy ireo.

Hevero ny hampiasa ny teny izay nataon’ny Loholona Christofferson izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ary asehoy ny tantaran’ny Loholona Renlund izay voalaza ao amin’ny horonan-tsary “Infuriating Unfairness” manomboka avy amin’ny mari-potoana 1:16 ka hatramin’ny 2:28, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa ny safidy ataontsika dia mitondra anjara biriky amin’ny fitahiana izay azontsika.

14:51