Seminera
Romana 12–15 


Romana 12–15 

Firaisan-kina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Sary
Young men and young women walk through Crystal Gardens at Navy Pier in Chicago. There are palm trees and other plants in the background.

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa fahasarotana tamin’ny fifandraisanao tamin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana? Ireo Olomasina tao Roma izay niaina tamin’ny andron’i Paoly dia samy hafa fiaviana sy samy nanana ny kolontsainy avokoa. Nisy fotoana izy ireo tsy nifanaraka sy nifanditra. Ho setrin’izany, dia namporisika azy ireo i Paoly mba “hiray saina amin’ny namany avy” (Romana 12:16). Ity lesona ity dia hanampy anao hahita ny fomba ahafahana miray hina bebe kokoa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. 

Fitadiavana Ireo Fitsipika. Rehefa mianatra mamantatra ireo fisipiky ny filazantsara ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra, dia afaka mifankazatra kokoa amin’ireo fahamarinana izay hitarika azy ireo ho any amin’ny Mpamonjy. Mitaky ezaka sy fampiharana amim-pitandremana ny famantarana ny fitsipiky ny filazantsara. Rehefa hitan’ireo mpianatra ireo fitsipika, dia avereno lazaina amin’ny fomba mazava sy tsotra ireo fahamarinana ireo mba hanampiana azy ireo hitadidy izany amin’ny manaraka.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27 ary hieritreritra ny antony ilan’ny Tompo ny mpikambana ao amin’ny Fiangonany hiray hina.

Sahanasa fianarana azo atao

Afaka miray hina avokoa isika

Zarao amin’ny iray kilasy ity rafi-tantara manaraka ity, na mizarà tantara na ohatra iray hafa izay maneho fanamby mitovy amin’izany.

Telo taona lasa izay no nanaovana batisa an’i Mika sy ny fianakaviany. Naharitra elaela ny fianakavian’i Mika vao zatra ny fomba fiaina vaovao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo, kanefa nahazo fanohanana ara-tsosialy matanjaka sy fanekena avy amin’ireo mpikamban’ny sampana izay misy azy ireo izy ireo. Vao tsy ela akory izay, dia nahita asa vaovao ny rain’i Mika, ary nifindra any amin’ny faritra hafa ny fianakaviany. Nanatrika fiaraha-mientan’ny Fiangonana sy ny zatovo tao amin’ilay paroasy vaovao izay nisy azy nandritra ny herinandro vitsivitsy i Mika, saingy nahatsiaro sahirana izy tamin’ny fomba fandraisana azy ireo tao. Toa mahafinaritra ihany ireo zatovo tao, saingy efa mpikambana tao amin’ny Fiangonana efa hatry ny ela ny ankamaroan’izy ireo, ka nanontany tena i Mika fa sao hitsara azy izy ireo noho ny tsy fahalavorariany sy ny tsy fananany traikefa tao amin’ny Fiangonana.

  • Inona no mety ho torohevitra homenao an’i Mika mba hanampiana azy amin’izany toe-javatra izany?

  • Inona no mety ho torohevitra homenao an’ireo zatovo ao amin’ilay paroasy vaovao izay misy an’i Mika?

Nandritra ny fotoana niarahan’ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana, izay samy hafa foto-pinoana sy kolontsaina nefa niara-nivavaka no nanoratan’i Paoly ny epistiliny ho an’ireo Romana. Nisy fotoana tsy nifanaraka ireo Olomasina ireo na nitsara tsy ara-drariny ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana izay tsy nitovy safidy tamin’izy ireo. Iray amin’ireo lesona izay azontsika tsoahina avy amin’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Romana 12–15 ny hoe na dia manana ny maha-samy hafa azy aza isika rehetra dia afaka miezaka ny hiray hina avokoa amin’ny alalan’ny fampianaran’i Jesoa Kristy ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

  • Inona no mety mampananosarotra ny fahatsapana firaisan-kina amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny fiomanany ho amin’ny fianarana mialoha ny hametrahana ny fanontaniana manaraka. Mety hanampy azy ireo koa ny famakiana mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:27 .

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amin’ny Tompo ny firaisan-kinan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonany?

Eritrereto hoe hatraiza ny fifandraisanao amin’ny olona ao amin’ny paroasy na sampana izay misy anao, na ireo mpiara-mianatra aminao ao amin’ny seminera, na koa ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Mandritra ity lesona ity dia eritrereto ny fomba ahafahanao miray hina bebe kokoa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

Ny fampianaran’i Paoly momba ny firaisan-kina

Asehoy ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto mba hohalalinin’ireo mpianatra. Mety hanampy ny manome andian-tsoratra masina ho an’ny vondrona kely tsirairay izay misy ireo mpianatra.

Mba hanampiana ireo mpianatra hiditra lalindalina kokoa amin’ny zavatra izay nianarany, dia asao izy ireo hisafidy andinin-tsoratra masina na andian-teny iray ary hamorona fanehoana an-tsary avy amin’izany mba hanehoana ny zavatra izay ampianarin’io andinin-tsoratra masina io. Ohatra, ireo mpianatra dia afaka manao sary na manao tamba-tsary izay maneho ilay andinin-tsoratra masina.

Romana 12:10–15

Romana 12:16–21

Romana 14:10–13, 19

Romana 15:1–7

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra izay nianarany tamin’ny fandalinana izay nataony. Raha sendra ka namorona fanehoana an-tsary ireo mpianatra, dia asao izy ireo hizara izany amin’ny hafa. Mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hifanakalozana hevitra momba ny firaisan-kina.

  • Inona ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina izay nohalalininao ka afaka manampy anao hiray hina kokoa amin’ny hafa?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanaovana ezaka mba hiray hina amin’ny hafa manampy antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

  • Inona avy ireo zavatra izay efa niainanao teo amin’ny fiainana na teo amin’ny fiainan’ny hafa ka nampiseho anao ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana?

Mampihatra ny zavatra izay nianaranao

Eritrereto ny zavatra izay efa nianaranao sy tsapanao momba ny firaisan-kina nandritra ny fianarana izay natao androany. Makà fotoana kely hanaovana drafitra ny fomba hampidiranao ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainanao. Manorata tanjona anankiray momba ny fomba hiezahanao hananana firaisan-kina amin’ny iray na maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy na kôlejin’ny fisoronana

  • Miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny kilasin’ny seminera izay misy anao

  • Miaraka amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy na sampana izay misy anao

Mety hanampy koa ny fanoratana ireo sakana rehetra izay atrehanao amin’ny fanatratrarana ny tanjona izay napetrakao. Ahoana ny fomba ahafahanao mandresy ireo olana ireo? Ahoana ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao?

Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy. Mitadiava fomba hiderana azy ireo noho ny hevitra izay narosony, ary amporisiho ireo mpianatra mba hanaraka hatrany ny drafitr’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozana hevitra androany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona ny zavatra azontsika tsoahina avy tamin’ireo olana izay natrehan’ny Fiangonana tany Roma tamin’ny andron’i Paoly?

Ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Ny kolontsaintsika ato amin’ny Fiangonana dia avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ianaran-javatra lalina ny Epistilin’ny Apôstôly Paoly ho an’ny Romana. …

… Nanafatra ny Jiosy sy ny Jentilisa i Paoly mba hitandrina ny didy, hifankatia, ary hanamafy fa ny fahamarinana dia mitondra mankany amin’ny famonjena.

Ny kolontsain’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy kolontsaina Jentilisa na kolontsaina Joda. Tsy voafaritry ny lokom-bolon-koditry ny olona izany na ny toerana onenan’ny olona. Na dia mifaly amin’ny fisian’ny kolontsaina miavaka aza isika dia tokony hamela ny lafin-javatra amin’ireo kolontsaina ireo izay mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

(Quentin L. Cook, “Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana sy firaisan-kina,” Liahona, nôv. 2020, 20–21)

Inona ny zavatra izay mety hitranga rehefa manao ezaka isika mba ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy miray hina?

Ny Loholona Jorge T. Becerra ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Elder Jorge T. Becerra, First Quorum of the Seventy official portrait.

Mila ny olon-drehetra isika ao amin’ny paroasy sy sampana tsirairay—ireo izay mety ho matanjaka ary ireo izay mety ho misedra olana. Ilaina daholo ny rehetra amin’ny fanorenana manan-danja ny “tenan’i Kristy” manontolo. Matetika aho no misaintsaina hoe iza no tsy tonga amin’ireo mpiangona izay mety hanatanjaka sy hanasitrana antsika.

(Jorge T. Becerra, “Ireo Mahonena Kely,” Liahona, mey 2021, 40)

Ny Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nizara ity tantara manaraka ity:

Sary
Official Portrait of Sister Sharon Eubank. Photographed in 2017.

Tamin’ny 1842, dia niasa mafy ireo Olomasina mba hananganana ny Tempolin’i Nauvoo. Taorian’ny nananganana ny Fikambanana Ifanampiana ny volana martsa, dia nanatrika matetika ny fivorian’izy ireo ny Mpaminany Joseph mba hanomanana azy ireo amin’ireo fanekempihavanana masina sy mampiray hina izay hataon’izy ireo tsy ho ela ao amin’ny tempoly.

Ny 9 jona ny Mpaminany dia “nilaza fa hitory momba ny famindram-po[.] Raha ohatra moa i Jesoa Kristy sy ny anjely ka tezitra amintsika amin’ny zavatra tsy misy dikany, dia inona no hiafarantsika? Tokony hamindra fo isika ary tsy hanisy lanja ireo zavatra kely.” Notohizan’ny Filoha Smith hoe, “Mampalahelo ahy ny tsy fisian’ny firaisan-kina feno kokoa—raha mijaly ny mpikambana iray dia tokony ho tsapan’ny rehetra izany—amin’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra” [“Minutes and Discourse, 9 June 1842,” 61, Taratasin’i Joseph Smith] .

Nanaitra ahy toy ny varatra io fehezan-teny kely io. Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra. Tsy araka izay aniriako azy ity tontolo ity. Betsaka ny zavatra tiako hovaina sy hatsaraina kokoa. Ary tsoriko aloha fa be ny fanoherana ireo zavatra izay antenaiko, ary indraindray aza aho dia mahatsiaro ho tsy afa-manoatra. Tato ho ato aho, dia nametraka fanontaniana mampandini-tena tamin’ny tenako hoe: Ahoana no ahafahako mahatakatra ny zavatra izay tsapan’ny olona manodidina ahy? Ahoana no hamoronako izany “fiombonam-pihetseham-po” izany kanefa samy hafa tanteraka avokoa ny olona rehetra? Hery inona avy amin’ Andriamanitra no afaka ho azoko raha toa aho ka miray hina kokoa amin’ny hafa?

Horonan-tsary momba ny maha-zava-dehibe ny firaisan-kina

  • “To Love Them All” (3:22), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny Loholona Patrick Kearon avy ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy dia miresaka momba ny fifangaroana sy finamanana ao amin’ny Fiangonana.

  • “Till We All Come in the Unity of the Faith” (2:21), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt avy ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia niresaka momba ny fitomboan’ny fahasamihafana izay misy ao amin’ny Fiangonana.

Sahanasa fianarana fanampiny

Andriamanitra dia manantena antsika hanokana ny fiainantsika ho Azy ary tsy hanaiky ny fanaon’izao tontolo izao

Mba hampianarana ity fahamarinana izay hita ao amin’ny Romana 12:1–2 ity dia mitondrà fitoeran-javatra roa samy hafa endrika sy rano iray kaopy ao an-dakilasy. Araraho avy amin’ny fitoeran-javatra iray mankany amin’ny iray hafa ny rano, ary asehoy ny fanarahan’ny rano ny endriky ny zavatra izay nasiana azy.

Hazavao fa ao anatin’izany fampisehoana izany ny rano dia maneho ny olona, ary ireo fitoeran-javatra dia maneho ny finoana sy fomba fanao samihafa araka izao tontolo izao. Asao ireo mpianatra mba hamaly ity fanontaniana ity: “Inona no loza mety hitranga avy amin’ny fanohizana ny fanarahana ny finoana sy ny fomban’izao tontolo izao?”

Fomba hafa hanombohana lesona: lesona ampiasana kifafa

Mitondrà kifafa ao an-dakilasy, na mampisehoa sarina kifafa anankiray.

Sary
A broom in a room at Cove Fort, Utah.

Mifanakaloza hevitra momba ny fahombiazana amin’ny fampiasana kifafa mba hanadiovana ny gorodona. Inona ny zavatra izay mety hitranga raha manandrana manadio amin’ny horon-kifafa tokana fotsiny ihany ianao? Asao ireo mpianatra hieritreritra hoe ahoana no ahafahan’ny horon-kifafa maro mitambatra manampy antsika hahatakatra bebe kokoa momba ny firaisan-kina.

Hamoaka printy