Seminera
Romana 8:1–17


Romana 8:1–17

“Mpiray lova amin’i Kristy” 

Sary
A Hispanic man gives the Savior, Jesus Christ, a hug. Christ is wearing a white robe.

Rehefa tsy niray saina ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Roma ary tsy niombon-kevitra tamina olana manan-danja maro, dia nanoratan’i Paoly izy ireo mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny Fanahy Masina mba hahazoana miaina ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba handresena ny toetra lavon’izy ireo. Nampanantena i Paoly fa raha manao izany izy ireo dia ho mpiray lova amin’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra. Eo am-pandalinanao dia katsaho ny hampitombo ny fanirianao hanaraka ny Fanahy Masina sy handray izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra. 

Fiteny manavaka ny lahy sy ny vavy ao amin’ny soratra masina. Ny soratra masina indraindray dia mampiasa fiteny toy ny hoe “lehilahy” na “zanakalahy” rehefa miresaka ireo fitahiana atolotr’ Andriamanitra (jereo ohatra ny Romana 8:14). Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa sady ho an’ny lehilahy no ho an’ny vehivavy ny fampanantenana mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra momba ny fahazoana izay rehetra ananany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 ary ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny antony hanirian’izy ireo ny hahazo ireo fitahiana voalaza ao amin’ireo andininy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Inona no tianao holovana?

Alohan’ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto dia azonao atao ny mampiseho na miresaka momba ana zavatra , na toetra, na fanomezam-pahasoavana manan-danja nolovainao tamin’ireo razambenao.

  • Raha afaka misafidy olona handovana zavatra iray ianao, dia iza no hofidinao? Nahoana?

  • Inona no tianao holovana avy amin’io olona io?

Nanoratra ho an’ny Olomasina tany Roma ny Apôstôly Paoly momba ny lova omen’ny Ray any An-danitra ny zanany tsirairay.Vakio ny Romana 8:16–17, 32 , ary asio marika ny zavatra atolotry ny Ray any An-danitra ho antsika. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny mpandova dia “olona nomena lalana handova ara-batana na ara-panahy ireo fanomezam-pahasoavana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Mpandova ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ny teny na andian-teny nasianao marika?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mpiray lova amin’i Jesoa Kristy?

Iray amin’ireo fahamarinana izay takatsika kokoa avy amin’ireo andininy ireo ny hoe Maniry ny hanome antsika amin’izay rehetra ananany ny Ray any An-danitra (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:55 ; 84:38).

Raha niresaka momba ny lova tian’ny Ray any An-danitra omena antsika ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra izy hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy takatry ny saiko ny zavatra rehetra fonosin’izany fampanantenana izany. Fa ny fantatro dia mahatalanjona izany, masina, mandrakizay, ary mendrika ny hanaovana ny ezaka rehetra vitantsika eo amin’ny fiainana.

(Dieter F. Uchtdorf, “Fomba efatra iantsoana antsika,” Liahona, mey 2013, 60)

Makà fotoana hieritreretana ny mety ho dikan’ny hoe mandova izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra, ary eritrereto hoe inona avy ireo fanontaniana mety hanananao momba io fahamarinana io. Eritrereto hoe inona avy ireo endrika sy toetra ary fitahiana hafa tianao holovaina avy amin’ny Ray any An-danitra. Rehefa manohy ny fandalinanao ianao anio dia tadiavo ireo fahamarinana afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny lova tian’ny Ray any An-danitra homena anao sy ny zavatra azonao atao mba ho mendrika ny hahazo izany.

Mianatra kokoa momba ny lovan’ny Ray any An-danitra

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Hevero ny mety hanampian’ny fandalinan’ny mpianatra ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto samirery, na anaty vondron’olona vitsivitsy, na miaraka amin’ny iray kilasy.

Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity:

Fitahiana tian’ny Ray any An-danitra holovaintsika

Ny zavatra azontsika atao mba ho mendrika ny hahazo io lova io

Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia nanambara kokoa momba ny lova tian’ny Ray any An-danitra homena antsika ny Tompo. Ao anatin’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith ary voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 ankehitriny, ny Tompo dia namaritra ireo izay handova ny fanjakana selestialy indray andro any.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70 ary koa ny fampianarana misimisy kokoa avy amin’’i Paoly ao amin’ny Romana 8:1, 5–9, 13–14 , tafiditra ao anatin’izany ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 8:8–9 , izay hita any amin’ny Fanampiana ho an’ny fandalinana. Eo am-pandalinanao dia ampio ao amin’ilay tabilao ireo fampanantenana novakinao sy izay zavatra lazain’ireo andinin-tsoratra masina momba ny azonao atao mba ho mendrika ny hahazo ireo fampanantenana ireo. Tsarovy fa na dia mampiasa teny toy ny hoe “zanakalahy” sy “lehilahy” aza ny sasany amin’ireo andininy ireo, dia mihatra amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra ny fampanantenan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1). Mety hanampy ihany koa ny mahafantatra fa ny teny hoe “araka ny nofo” izay voalaza ao amin’ny Romana 8 , dia entina ilazana olona iray izay mifantoka amin’ny zavatr’izao tontolo izao na ny zavatra ara-nofo. Azo ilazana ny filan’ny nofo ihany koa izany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Ara-nofo ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Rehefa mahavita ny fandalinana ireo mpianatra dia manasà mpianatra vonona hanolo-tena hampiditra ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo hevi-baovaony. Mampiasà fanontaniana toy ireto manaraka ireto hanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja momba ny zavatra ianaran’ireo mpianatra.

  • Iza amin’ireo andininy avy amin’ny fandalinanao no tena manan-danja aminao? Nahoana?

  • Nanampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa momba ny lafiny inona mahakasika ny lova irin’ Andriamanitra homena anao ireo andininy ireo? Inona no azonao atao mba ho mendrika ny hahazo izany lova izany?

Avereno jerena ao anatin’ilay tabilao nataonao tao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nosoratanao, anisan’izany ireo fitahiana tian’ny Ray any An-danitra holovanao.

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fitahiana nampanantenaina ireo?

  • Inona no anjara asan’ny Mpamonjy eo amin’ny fanampiana antsika handray io lova io? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69).

Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao?

Eritrereto vetivety hoe amin’ny fomba ahoana no mampisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao sy ireo safidy ataonao ny fahatakarana ny lova izay tian’ny Ray any An-danitra homena anao.

Asehoy ireo rafi-tantara sy ny toromarika miaraka amin’ireo rafi-tantara. Ho solon’ny fanasana ny mpianatra hanoratra teny kely ho an’ilay olona ao anatin’ilay rafi-tantara izay nofidiny dia azo zaraina ho vondrona kely vitsivitsy ny iray kilasy, ary azo omena ny iray amin’ireo rafi-tantara ireo ny vondrona tsirairay. Avy eo dia afaka mampiasa ireo fanontaniana miaraka amin’ireo rafi-tantara ny mpianatra mba hifanakalozana hevitra momba ny fomba hanampiana ireo olona ao anatin’ireo rafi-tantara.

Izao dia saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no hampisy fiantraikany ireo fahamarinana nianaranao androany eo amin’ireo zatovo ao anatin’ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  1. Niatrika zava-tsarotra maro teo amin’ny fiainany i Bodo ka nahatsiaro ho kivy izy. Manontany tena izy sao very maina fotsiny ny fanohizana mandeha any am-piangonana sy ny fitandremana ireo didy.

  2. Tian’i Feno ny teknôlôjia mahatalanjona atolotr’izao tontolo izao. Mandany ny ankamaroan’ny fotoanany amin’ny filalaovana jeux vidéos, fampiasana ny tambajotran-tserasera, na fijerena horonan-tsary izy.

  3. Matetika i Noro no miady mafy amin’ny fiheveran-tena ho tsy misy dikany ary manontany tena izy raha mba misy olona tena miraharaha azy marina.

Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara teo aloha ireo (na mieritrereta rafi-tantara hafa). Manorata teny fohy ho an’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara nosafidinao, ary zarao ireo fahamarinana sy soratra masina nohalalininao tato amin’ity lesona ity mba hanampiana ilay olona amin’ny toe-javatra iainany. Azonao heverina ireto fanontaniana manaraka ireto eo am-panoratanao:

  • Aminao, inona no dikan’ny hoe afaka mandray izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io lova io manampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara nosafidinao?

  • Inona no nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mahazo ireo fitahiana ireo?

  • Inona avy ireo zavatra tsotra vitsivitsy azon’ilay olona tamin’ny rafi-tantara nosafidinao atomboka ka hanampy azy ireo amin’ny toe-javatra iainany?

Manasà mpianatra vitsivitsy vonona hizara ny fanazavan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Isaory amin’ny ezaka ataony ny mpianatra, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo sy ny faniriany hanome azy ireo fitahiana. Amporisiho izy ireo hanaraka ny Fanahy isan’andro eo am-piezahan’izy ireo hahazo ireo fitahiana ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no manampy antsika ny fahatsiarovana ny lovantsika?

Ny Filoha Elaine S. Dalton, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany teo aloha, dia nizara tantara momba ny mpanjaka iray izay maneho ity lesona ity:

Sary
Final official portrait of Sister Elaine S. Dalton, Young Women general presidency, 2008. Released as second counselor and sustained as first counselor at the April 2007 general conference. Sustained as president at the April 2008 general conference. Released as president at the April 2013 general conference.

[Ny mpanjaka] dia nanana fahalalana tsy azo hozongozonina momba ny maha-izy azy. Fony fahatanorany, dia nalain’ireo olon-dratsy an-keriny izay nanongana ny mpanjaka rainy izy. Fantatr’ireo lehilahy ireo fa raha afaka mamotika azy ara-pitondrantena izy ireo, dia tsy handova ny seza fiandrianana izy. Nandritra ny enim-bolana dia naroson’izy ireo teo aminy izay zava-dratsy rehetra mety hisy eo amin’ny fiainana, saingy tsy nilefitra velively izy. Nanahiran-tsaina ireo nisambotra azy izany, ary rehefa avy nanao izay rehetra azony natao izy ireo, dia nanontanian’izy ireo azy ny antony mahatonga azy hanana tanjaka ara-tsaina lehibe toy izany. Tsotra ny valinteniny. Hoy izy: “Tsy afaka manao izay angatahinareo aho satria nateraka ho mpanjaka” [jereo Vaughn J. Featherstone, “The King’s Son,” New Era, Nov. 1975, 35].

Tahaka ny zanaky ny mpanjaka, dia samy nandova zon’ny maha-mpanjaka hatrany am-pahaterahana ianao. Samy manana lova avy amin’ Andriamanitra isika tsirairay.

(Elaine S. Dalton, “Tsarovy hoe iza ianareo!,” Liahona, mey 2010, 121)

Inona no karazana ezaka takina mba hanarahana ny Fanahy Masina tsy tapaka sy hahazoana izay rehetra ananan’ny Ray any An-danitra?

Fony izy tao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny Loholona Bruce C. Hafen hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Bruce C. Hafen of the First Quorum of the Seventy, 2007. Called as president of the St. George Utah Temple beginning in November 2010. GIven emeritus status at the October 2010 general conference.

Raha irintsika “izay rehetra ananan’[ny] Ray” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38 ], dia mangataka izay rehetra ananantsika Andriamanitra. Mba hahazoana izany harena faran’izay tsara izany, na inona na inona ataontsika, dia tsy maintsy manome tahaka ny nanomezan’i Kristy isika—ny faran’ny bitika indrindra nananany: “Mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15 ]. Hoy i Paoly: “Raha miara-miaritra aminy isika,” dia “mpiray lova amin’i Kristy” isika [ Romana 8:17 ; nampiana fanamafisana]. Amin’ny fony iray manontolo, amin’ny fontsika iray manontolo.

(Bruce C. Hafen, “The Atonement: All for All,” Ensign na Liahona, mey 2004, 98)

Nahoana i Paoly no nampianatra fa tokony ho tonga zanak’ Andriamanitra isika na dia efa zanany avokoa aza?

Na dia zanaka ara-panahin’ny ray aman-dreny any an-danitra ara-bakiteny aza ny olona tsirairay, ny fampianaran’i Paoly momba “ny fanahin’ny zanaka natsangana” sy ny hoe tonga “zanakalahy [sy zanakavavin’] Andriamanitra” (jereo ny Romana 8:14–15) dia afaka manampy antsika hahatakatra fa azo ateraka ara-panahy indray isika, na hoe atsangana ho zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy ao amin’ny fanekempihavanan’ny filazantsara (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fanekempihavanana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Niaina io karazana fahaterahana indray ara-panahy io ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, ka nahatonga an’i Benjamina nanao fanamarihana hoe: “Ary ankehitriny, noho ny fanekempihavanana izay efa nataonareo dia hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, dia ny zanany lahy sy ny zanany vavy; fa indro, efa niteraka anareo ara-panahy Izy androany” ( Môzià 5:7). Ny fahatongavana ho zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahaterahana indray ara-panahy dia zava-dehibe mba hahamendrika ny hahazo izay rehetra an’ny Ray any An-danitra (jereo ny Môzià 27:25–26).

Sahanasa fianarana fanampiny

Fampiasana ny fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny an’ny Zatovovavy

Asao ny mpianatra hikaroka ny Fanevan’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ny Fanevan’ny Zatovovavy (ChurchofJesusChrist.org) ary hamantatra ireo fahamarinana mitovy na mifandray amin’ireo izay ampianarina ao amin’ny Romana 8:1–17 .

Ny fahamarinana sasany mety ho hitan’ny mpianatra dia ahitana ny hoe: manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra isika; amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miezaka ny ho lasa tahaka Azy isika; ary ny mpianatr’i Kristy dia miezaka ny hitovy kokoa Aminy isan’andro.

Asao ny mpianatra hizara ny hoe inona no asongadin’ireo zavatra itovian’ireo faneva sy ny Romana 8:1–17 momba ny lanjan’ireo fahamarinana ireo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ny fomba hanentanan’ireo fahamarinana ireo azy ireo mba hanaraka akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Gospel Topics, “Becoming Like God,” ChurchofJesusChrist.org

Raha heverinao fa hahasoa ny mpianatra ny fahatakarana tsara kokoa ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny hery anaty ananan’ny olombelona mba hahatongavana tahaka an’ Andriamanitra, dia asao izy ireo hametraka fanontaniana mikasika ilay fotopampianarana hoe afaka ny ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra isika ary hahazo izay rehetra ananany (jereo ny Romana 8:16–17). .

Hamoaka printy