Seminera
1 Korintiana 2


1 Korintiana 2

Mahatakatra zavatra ara-panahy

Sary
BYU Photo Walk. Two women talking.

Inona avy ireo foto-kevitra araka izao tontolo izao manodidina anao izay mampananosarotra ny fanavahana ny fahamarinana indraindray? Ireo Olomasina tao Korinto dia nikorotan-tsaina noho ireo foto-kevitra araka izao tontolo izao, ary niezaka nanampy azy ireo ny Apôstôly Paoly hahita ny fomba hianaran’izy ireo fahamarinana ara-panahy maharitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanasa ny Fanahy Masina hanampy anao hianatra zavatra ara-panahy. 

Milaza ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny teninao manokana. Ny famporisihana ny mpianatra hilaza ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny teniny manokana dia manampy azy ireo hahatakatra sy hampifandray ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Mety hanampy ihany koa ny mangataka azy ireo hisaintsaina mba hahazoana fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina fa marina ny tenin’izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanomana ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo fahamarinana sasantsasany lasa fantatrao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina? Ahoana no nanamafisan’ny Fanahy Masina ireo fahamarinana ireo taminao?

Sahanasa fianarana azo atao

“Lazao amiko hoe ahoana no ahafantaranao”

Vakio na asao ny mpianatra iray hamaky ity tantara manaraka ity.

Ny famintinana ilay tantara dia hozaraina any aoriana any amin’ny lesona.

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity tantara manaraka ity:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Tao anaty fiaramanidina iray aho dia nipetraka teo akaikin’ny profesora tsy mino an’ Andriamanitra iray izay tena faingana amin’ny filazany ny tsy finoany an’ Andriamanitra hany ka nijoro ho vavolombelona taminy aho. “Diso ianao,” hoy aho, “misy Andriamanitra. Fantatro fa velona Izy!”

Nandà mafy izy hoe: “Tsy mahafantatra ianao. Tsy misy olona mahafantatra izany! Tsy afaka ny hahafantatra izany ianao!” Rehefa tsy nilavo lefona aho dia nametraka fanontaniana izay angamba faran’ny sarotra indrindra momba ny fijoroana ho vavolombelona ilay tsy mpino an’ Andriamanitra izay mpisolovava no asany. “Eny ary,” hoy izy sady somary naneso, “hoy ianao hoe mahafantatra ianao. Lazao amiko hoe ahoana no ahafantaranao.”

(Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 51)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahitanao io karazana fanontaniana io eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Ahoana no mety hamalianao ny fanontanian’ilay lehilahy?

Eo am-pandalinanao dia saintsaino hoe manao ahoana ny fahaizanao mianatra fahamarinana ara-panahy ary mikaroka fahatakarana izay hanampy anao hianatra misimisy kokoa.

Mianatra fahamarinana ara-panahy

Ireo Olomasina tao Korinto dia nanafangaro foto-kevitra sy fanao araka izao tontolo izao niaraka tamin’ny fiainana ny filazantsara. Vokatr’izany dia lasa nanao fahadisoana maro izy ireo. Nanoratra ho azy ireo i Paoly mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba hianarana zavatra ara-panahy.

Vakio ny 1 Korintiana 2:9–14 , ka tadiavo ireo fahalalana izay afaka manampy antsika hianatra fahamarinana ara-panahy.

Mariho fa ny “olona araka ny nofo” ao amin’ny andininy 14 dia “olona mifidy ny hotarihin’ny firehetampo, ny faniriana, ny filàna ary ny fahatsapan’ny nofo toy izay ny fitaoman’ny Fanahy Masina” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Olona araka ny nofo ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Inona avy ireo andininy na andian-teny izay nanaitra anao? Inona no tianao momba azy ireo?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany anao ao amin’ny andininy 9 ?

  • Inona no fahamarinana hitanao mikasika ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra fahalalana amin’ireo zanany?

Jereo ny torohevitra enti-mampianatra any am-piandohan’ity lesona ity mba hanampiana ireo mpianatra eo am-pamantaran’izy ireo fahamarinana.

Ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ny fahamarinana hoe amin’ny alalan’ny Fanahiny ihany no ahafahantsika mahafantatra sy mahatakatra ireo zavatr’ Andriamanitra.

Ohatra mety hitranga amin’ny tsy fahatakarana ny fomba hianarana fahamarinana ara-panahy, vakio ny zava-nitranga tamin’ny Filoha Packerniezaka nanazava ny fomba nahafantarany fa tena misy Andriamanitra tamin’ilay olona tsy mino an’ Andriamanitra tao anaty fiaramanidina:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Rehefa nampiasa ny teny hoe Fanahy sy vavolombelona aho dia novalin’ilay olona tsy mino an’ Andriamanitra hoe: “Tsy misy fantatro izay zavatra resahinao.” Ny teny hoe vavaka, sy fahaizana manavaka, ary finoana, dia samy tsy midika na inona na inona aminy.

(Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 51)

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fahamarinana ara-panahy sasany nianaranao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tanisao ihany koa ny fahamarinana sasantsasany tianao hahazoana fijoroana ho vavolombelona. Mety ahitana izao manaraka izao ny ohatra sasantsasany: Tena misy ary tia ahy ny Ray any An-danitra, i Jesoa Kristy no Mpamonjiko, ary mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana hitanao ary valio ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no hilazan’izao tontolo izao anao ny amin’ny fomba hahitana ny fahamarinana momba io lohahevitra io?

  • Inona no nataonao, na azonao atao, mba hahafantaranao izany fahamarinana izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

Eritrereto ny hanasa mpianatra izay manolo-tena hizara ny valinteniny raha toa ka tsy tena an’ny tena manokana loatra izany. Raha misy mpianatra mizara fahamarinana iray tiany ho fantatra dia hevero ny hanontany raha toa ka misy mpianatra hafa te hizara ny zavatra niainany momba ny lalana nahafantarany izany fahamarinana izany. Hevero ihany koa ny hizara zavatra niainanao manokana.

Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina hamantarana raha toa ka hahasoa ny mpianatra ny fandalinana bebe kokoa ny fianarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ampiasao ny sasany na ny rehetra amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto.

Raha te-hianatra kokoa momba ny fianarana fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao dia diniho ny fandalinana ny sasany amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto:

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Manampy ny hafa hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Vakio ity manaraka ity mba ho feno ilay tantaran’ny Filoha Packer. Rehefa nandà ny fanazavan’ny Filoha Packer ilay lehilahy tao anaty fiaramanidina, dia nahazo fitaomam-panahy ny Filoha Packer hangataka ilay lehilahy mba hilazalaza ny tsiron’ny sira:

Sary
Final official portrait of Elder Boyd K. Packer, President of the Quorum of the Twelve Apostles, 2000. Passed away 3 July 2015.

Rehefa nanandrana nanao izany imbetsaka izy, dia mazava ho azy fa tsy nahomby. Tsy vitany ny nampita tamin’ny alalan’ny teny fotsiny ihany ny zavatra tsotra toy ny tsiron’ny sira. Nijoro ho vavolombelona taminy indray aho ka niteny hoe: “Fantatro fa misy Andriamanitra. Nihomehezanao izany fijoroana ho vavolombelona izany ary nilaza ianao fa raha mahafantatra tokoa aho dia ho afaka ny hilaza aminao marina tokoa hoe ahoana no hahalalako izany. Ry namako, raha amin’ny ara-panahy, dia efa nanandrana ny sira aho. Mitovy amin’ny tsy fahafahanao milaza amiko amin’ny teninao manokana ny tsiron’ny sira ny tsy fahafahako mampita aminao ny nahazoako izany fahalalana izany. Kanefa lazaiko aminao indray hoe misy Andriamanitra! Tena velona Izy! Ary satria fotsiny hoe tsy mahafantatra ianao, dia aza miezaka milaza amiko hoe tsy mahafantatra aho, satria mahafantatra aho!” …

Nanomboka tamin’izay zavatra niainako izay, dia tsy sadaikatra intsony aho na menatra hoe tsy afaka nanazava amin’ny alalan’ny teny fotsiny ny zavatra rehetra fantatro ara-panahy.

(Boyd K. Packer, “The Candle of the Lord,” Ensign, Jan. 1983, 52)

  • Nahoana ny Fanahy Masina no loharanon’ny fahalalana tsara kokoa noho ny fahendrena sy ny fihevitr’izao tontolo izao?

  • Inona no azonao atao mba hikatsahana fahalalana avy amin’ny Ray any An-danitra?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tianao hatao mba hanohizana ny fianarana fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Mizarà fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny maha-zava-dehibe ny fianarana zavatra ara-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Manehoa fahatokiana fa rehefa miezaka mianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo mpianatra dia hanampy azy ireo ny Fanahy Masina.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no azoko atao mba hianarana zavatra ara-panahy?

Ny Loholona Paul V. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza hoe:

Sary
Elder Paul V. Johnson of the Quorum of the Seventy takes an official portrait, 2021.

Ny valin’ny fanontaniana ara-panahy dia omena an’ireo olona izay tsy manamafy ny fony, izay mangataka ombam-pinoana, mino fa hahazo valiny ary izay mitandrina ny didy amim-pahavitrihana.

(Paul V. Johnson, “A Pattern for Learning Spiritual Things” [fampitana mivantana an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 7 aog. 2012], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Moa ve ny zavatra toy ny fomba fiasa ara-tsiantifika na ny lôjika azo ampiasaina fotsiny mba hahatakarana fahamarinan’ny filazantsara?

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Elder Paul V. Johnson of the Quorum of the Seventy takes an official portrait, 2021.

Rehefa mikatsaka fahamarinana momba ny fivavahana isika dia tokony hampiasa fomba ara-panahy mifanaraka amin’izany fikarohana izany: ny vavaka sy ny vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina ary ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Malahelo foana aho rehefa mahare olona manao tatitra ny famoizana ny finoana noho ny fampianarana araka izao tontolo izao. Ireo izay efa nahita zavatra ara-panahy dia afaka hampahorian’ny fahajambana ara-panahy izay nataon’ny tenany ihany. Araka ny nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy ao amin’izay heveriny fa hitany no olany; fa ao amin’ny zavatra mbola tsy hitany kosa” [Henry B. Eyring, To Draw Closer to God: A Collection of Discourses (1997), 143].

Ireo fomba ara-tsiansa dia mitarika antsika amin’ny antsointsika hoe fahamarinana ara-tsiansa. Saingy tsy “fahamarinana ara-tsiansa” ny fiainana iray manontolo. Ireo izay tsy mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118) dia mametra ny fahatakarany ny fahamarinana amin’izay azony hamarinina amin’ny alalan’ny siansa. Izy ireo ihany araka izany no mametraka fetra amin’ny fikarohany fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Rehefa mikatsaka ny fahamarinana momba ny fivavahana isika dia tokony hampiasa fomba ara-panahy mifanaraka amin’izany fikarohana izany: ny vavaka sy ny tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina ary ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Malahelo foana aho rehefa mahare olona manao tatitra ny famoizana ny finoana noho ny fampianarana araka izao tontolo izao. Ireo izay efa nahita zavatra ara-panahy dia afaka hampahorian’ny fahajambana ara-panahy izay nataon’ny tenany ihany. Araka ny nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tsy ao amin’izay heveriny fa hitany no olany; fa ao amin’ny zavatra mbola tsy hitany kosa” [Henry B. Eyring, To Draw Closer to God: A Collection of Discourses (1997), 143].

Ireo fomba ara-tsiansa dia mitarika antsika amin’ny antsointsika hoe fahamarinana ara-tsiansa. Saingy tsy “fahamarinana ara-tsiansa” ny fiainana iray manontolo. Ireo izay tsy mianatra “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118) dia mametra ny fahatakarany ny fahamarinana amin’izay azony hamarinina amin’ny alalan’ny siansa. Izy ireo ihany araka izany no mametraka fetra amin’ny fikarohany ny fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25)

Ahoana no mety ho fomba ampitan’ny Fanahy Masina fahamarinana amiko?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Elder Paul V. Johnson of the Quorum of the Seventy takes an official portrait, 2021.

Afaka mianatra zavatra tena manan-danja ianao amin’ny alalan’ny zavatra renao sy jerenao ary, mihoatra noho izany aza, amin’ny zavatra tsapanao, araka ny bitsiky ny Fanahy Masina. Olona maro no mametra ny fianarany amin’ny zavatra reny na vakiny voalohany indrindra. Mba hendry. Ampitomboy koa ny fahaizana mianatra amin’ny alalan’ny zavatra hitanao ary indrindra amin’ny alalan’ny zavatra bitsihan’ny Fanahy Masina mba ho tsapanao. Katsaho amim-pahalalana sy tsy tapaka ny hianatra amin’ny alalan’ny zavatra tsapanao. Ny fahafahanao manao izany dia hivelatra amin’ny alalan’ny fampiharana miverimberina. Ilaina ny finoana sy ny ezaka lehibe mba hianarana amin’ny alalan’ny zavatra tsapanao avy amin’ny Fanahy. Mangataha amim-pinoana ny fanampiana toy izany. Meteza ho mendrika ny fitarihana toy izany.

(Richard G. Scott, “How to Learn by the Spirit,” New Era, sept. 2014, 48)

Sahanasa fianarana fanampiny

Maneho fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ny 1 Korintiana 2:9 , ka hitady ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo izay tia Azy. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra ireo fitahiana azony ary mitady soratra masina mamaritra ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50, 58–70 sy ny Môzià 2:41). Azo asaina hamaky ny Jaona 14:15 ireo mpianatra avy eo ary hieritreritra ireo didy azony tandremana kokoa mba hanehoana ny fitiavany Azy Ireo.

Mendrika hahazo ny Fanahy Masina

Ireo mpianatra dia azo asaina handalina ny zavatra azony atao mba ho mendrika ny hampianarin’ny Fanahy Masina. Izy ireo dia afaka mamaky ny Almà 32:27–28 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14 ; ary ny Jaona 7:17 sy hizara ny zavatra hitany. Azonao asaina izy ireo hisaintsaina ny zavatra ataony ankehitriny sy ny zavatra azony atao amin’ny ho avy mba ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana.

Hamoaka printy