Seminera
2 Korintiana 11–12


2 Korintiana 11–12

Miaritra fitsapana miaraka amin’ny finoana an’i Kristy

Sary
A young woman sitting down. A woman (possibly her mother) has her hand on the girl’s shoulder. The girl has a sad expression on her face.

Na dia ireo mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky indrindra aza dia niaritra zava-tsarotra teo amin’ny fiainany. Nizara ny ampahany tamin’ireo fijaliana niaretany i Paoly ary nizara ny fomba nahafahany nahita fifaliana tamin’ireo zavatra izay niainany ireo tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao mba hiantehitra amin’ny Tompo rehefa miezaka ny hiaritra amim-pahatokiana ireo olana izay iainanao manokana ianao.

Mivavaka ho an’ireo mpianatra ary manonona ny anarany. Mangataha fanampiana amin’ny Ray any An-danitra mba hahatakatra ireo zavatra izay ilain’ny mpianatra tsirairay sy ny fomba hanomezana ireo filàna ireo. Rehefa avy eo dia henoy ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay mety ho tonga mandritra ny lesona na mandritra ny fanomanana ny lesona ho valin’ireo vavaka ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny antony hahatsapany fa tsy marina ity fehezan-teny manaraka ity: “Raha toa ka mivavaka amim-pinoana ampy an’i Jesoa Kristy isika dia hanaisotra ny fitsapana rehetra izay lalovantsika ny Ray any An-danitra.”

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo fitsapana eo amin’ny fiainana

Raha azo atao, dia mitondrà raozy ao an-dakilasy na mampisehoa sarina raozy miaraka amin’ny tahony misy tsilo.

Sary
Spring rose bush thorns.
  • Inona araka ny eritreritrao no tanjon’ny tsilo eo amin’ny kirihitra ana raozy?

Eo amin’ny fiainana, dia manana zavatra niainana mahafinaritra maro izay azo oharina amin’ny raozy isika. Na izany aza anefa, dia miatrika fitsapana sy fanamby izay azo oharina amin’ny tsilo ihany koa isika.

  • Inona avy ireo fitsapana sy fanamby sasantsasany izay mety atrehan’ny olona eo amin’ny fiainana?

Henoy tsara ny valin-teny izay aroson’ireo mpianatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Ny valin-tenin’izy ireo dia afaka manampy amin’ny famantarana ireo fahamarinana manan-danja indrindra mba hifantohana mandritra ny lesona.

  • Inona avy ireo eritreritra sy fanontaniana izay mety hapetraky ny olona momba an’ Andriamanitra rehefa miatrika fitsapana izy ireo? Inona ny zavatra mety mampametram-panontaniana azy ireo mahakasika ny tenany?

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiaritra amim-pahatokiana ireo fitsapana izay nosafidin’ Andriamanitra, noho ny fitiavany sy ny fahendreny, tsy ho esorina. Saintsaino ny antony ilainao ny fanampian’ Andriamanitra rehefa miaritra azy ireo ianao.

Fitsapana nahazo an’i Paoly

Vakio ny 2 korintiana 11:24–28 , ka tadiavo ny sasany amin’ireo fitsapana izay niaretan’i Paoly nandritra ny asa fanompoany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny halalin’ny fijaliana izay niainan’i Paoly, dia hevero ny hanasa azy ireo mba hizara izay eritreretiny fa sarotra iaretana indrindra tamin’ireo fitsapana izay nahazo an’i Paoly.

  • Inona avy ireo ohatra hafa azonao eritreretina na avy ao amin’ny soratra masina na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay maneho fa na dia ireo olo-marina aza dia miaritra zava-tsarotra? Ahoana no fomba anaporofoan’ny fiainan’ny Mpamonjy izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mamela ireo mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy hiaritra ny mafy ny Ray any An-danitra?

Na dia nitahy an’i Paoly tamin’ny fanambarana nahafinaritra aza Andriamanitra, anisan’izany ny fahitana ny fanjakana selestialy (jereo ny 2 korintiana 12:1–4), dia mbola tsy maintsy nisedra fangirifiriana sy fitsapana ny finoany ihany i Paoly. Vakio ny 2 korintiana 12:7 mba hahitana ny zavatra nampitahain’i Paoly tamin’ny iray amin’ireo fitsapana nosedrainy.

  • Ahoana no fomba mety ahafahan’ny “tsilo [amin’ny] nofo” mamaritra tsara ny fitsapana manokana sasany?

Raha tokony hametraka izao fanontaniana manaraka izao fotsiny, dia hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanao sary ao amin’ny diary fandalinany na eny amin’ny solaitrabe ny zavatra izay azony ampitahaina amin’ny iray amin’ireo fitsapana manokana atrehany.

  • Inona ny fampitahana azonao ampiasaina mba hamaritana fitsapana manokana anankiray izay efa nosedrainao na niaretan’olona akaikin’ny fonao? Nahoana?

Vakio ny 2 Korintiana 12:8–10 mba hahitana ny zavatra izay niainan’i Paoly rehefa nivavaka izy mba hanesorana ny “tsilo tamin’ny nofo[ny]”. Rehefa mamaky ianao dia ataovy ao an-tsaina fa ny teny hoe fahasoavana dia midika hoe “ny fanampiana sy ny tanjaka … omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fahasoavana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny Etera 12:27).

Fahamarinana anankiray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra izay niainan’i Paoly ny hoe tsy voatery hanaisotra hatrany ireo fanamby izay atrehantsika ny Tompo, fa afaka mahazo hery avy amin’ny fahasoavany isika rehefa miaritra azy ireny amim-pahatokiana.

  • Ahoana no ahitanao izany fahamarinana izany mivaingana eo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy? (jereo ny Lioka 22:41–44).

Ho an’ity sahanasa manaraka ity, dia hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hiara-hiasa amin’ny namana anankiray ary asaivo mamaky andinin-tsoratra masina samihafa ny mpianatra tsirairay ary hifampizara ny zavatra izay nianarany rehefa avy eo.

Mitadiava ary mamakia tantara anankiray avy ao amin’ny soratra masina farafahakeliny ka mampiseho ny fomba ahafahan’ny Tompo mitahy ireo izay miaritra fitsapana amim-pinoana Azy. (Ireto manaraka ireto misy soso-kevitra amin’ireo tantara izay mety hosafidianao.)

Fotopampianarana Sy fanekempihavanana 121:1–8; 122:7–9 . (Nivavaka i Joseph Smith rehefa nijaly tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy.)

Môzià 24:8–15 . (Babon’ireo Lamanita ny vahoakan’i Almà ary niaina teo ambany fifehezan’i Amiolôna izay mpisorona ratsy fanahy izy ireo.)

  • Inona ny zavatra izay nianaranao momba ny Tompo sy ny zavatra izay omeny ho an’ireo izay miaritra fitsapana amim-pahatokiana?

  • Inona amin’ireo fitahiana avy Aminy no tena ilainao rehefa miaritra ny fitsapana anao ianao? Nahoana?

  • Iza ny olona mba fantatrao manokana izay niaritra fanamby anankiray tamim-pahatokiana? Inona ny zavatra izay nataon’izy ireo nahafahany niaritra tamim-pahatokiana? Ahoana ny fomba nahitanao ny fahasoavan’ny Tompo nanampy azy ireo?

  • Inona araka ny eritreritrao ny zavatra izay tian’ny Mpamonjy hataonao mba hiaretanao amim-pahatokiana ireo fitsapana izay sedrainao?

  • Inona ny zavatra izay nianaranao momba ny fiaretana fitsapana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy?

Miainga avy amin’ny zavatra izay nianaranao sy tsapanao rehefa nandalina ny 2 Korintiana 12 androany, ampio na avereno soratana ity teny manaraka ity mba hahatonga izany ho marina kokoa.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ity teny manaraka ity ary asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra ao anaty vondrona kely ny fomba hanovan’izy ireo izany. Rehefa avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hankeny amin’ny solaitrabe ary hamerina hanoratra ilay teny miainga avy tamin’ny fifanakalozan-kevitra izay nataon’izy ireo tao amin’ny vondrona izay nisy azy. Angataho ireo mpianatra mba hanazava amin’ny iray kilasy ny antony nahatonga ny vondrona izay misy azy ireo nanao ny fanovana izay nataony.

“Raha toa ka mivavaka amim-pinoana ampy tsara an’i Jesoa Kristy isika, dia hanaisotra ny fitsapana rehetra izay lalovantsika ny Ray any An-danitra.”

Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fahasoavana izay atolotr’Izy Ireo rehefa miaritra fitsapana amim-pinoana Azy Ireo Isika. Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra izay niainan’izy ireo tamin’ny fomba nitahian’Andriamanitra azy ireo, sy ny zavatra izay nianarany ihany koa, rehefa avy niaritra fitsapana izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ohatra momba ny fahamarinana izay nampianarina tao amin’ity lesona ity?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza izao manaraka izao momba ny Lioka 22:41–44 :

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Eto isika dia mahita ny finoana sy fahatokiana tanteraky ny Mpamonjy ho an’ny Ray any An-danitra. “Kanefa,” hoy izy, “aoka tsy ny sitrapoko anie no atao, fa ny anao.” Ny valin-tenin’ny Ray dia ny handà ny fitalahoan’ny Zanany Lahitokana. Ny Sorompanavotana dia tsy maintsy nataon’ilay zanak’ondry tsy nisy kilema. Kanefa na dia nolavina aza ny fangatahan’ny Zanaka, dia voavaly ny vavaka izay nataony. Ny Soratra Masina dia mirakitra ny hoe: “Ary nisy anjely niseho taminy avy tany an-danitra, nampahery azy” (DJS, Lioka 22:43).

(Dallin H. Oaks, “Faith in the Lord Jesus Christ [Finoana an’i Jesoa Kristy Tompo],” Ensign, Mey 1994, 100)

Inona ny zavatra izay atolotry ny Mpamonjy ho antsika mandritra ireo fitsapana lalovantsika?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara toy izao:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy Tompo—na izany manaisotra ny enta-mavesatsika na izany mampahatanjaka antsika mba hiaritra sy hiara-hiaina miaraka amin’izy ireo tahaka ny Apôstôly Paoly—dia eo hatrany mandritra ny fahoriana rehetra izay lalovana eto an-tany.

(Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden [Manasitrana ireo mavesatra entana Izy],” Ensign na Liahona, Nov. 2006, 8)

Ahoana no fomba ahafahan’ireo ady izay ataontsika manampy antsika hitahy ireo izay manodidina antsika?

Nampianatra ny Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Official Portrait of Sister Reyna Aburto. Photographed in 2017.

Tsy mamaritra ny momba anao ireo ady izay atrehanao, fa afaka manadio anao kosa. Noho ilay “tsilo [natsatoka teo amin’ny] nofo,” dia afaka manana fahafahana haneho fangorahana bebe kokoa ny hafa ianao.

(Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 59)

Afaka manasitrana ireo rehetra manam-pinoana ny ho sitrana ve ireo izay mihazona ny fisoronana?

Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official Portrait of Sister Reyna Aburto. Photographed in 2017.

Na dia afaka manasitrana ny olona rehetra izay mety ho sitrana aza ny Mpamonjy, dia tsy marina kosa izany ho an’ireo izay mihazona ny fahefan’ny fisoronany. Ny fampiasana izany fahefana izany dia voafetra amin’ny alalan’ny sitrapon’Ilay tompon’ny fisoronana. Vokatr’izany, voalaza fa ny sasany amin’ireo izay omen’ny loholona tsodrano dia tsy ho sitrana satria izy ireo dia “voatendry ny ho faty” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:48 ]. Mitovy amin’izany ihany, rehefa nikatsaka ny hositranina avy tamin’ny “tsilo [amin’ny] nofo” izay nandratra azy i Paoly Apôstôly ( 2 Korintiana 12:7), dia tsy nanaiky ny hanasitrana azy ny Tompo.

(Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden [Manasitrana izay mavesatra entana Izy],” Ensign na Liahona, Nov. 2006, 7)

Sahanasa fianarana fanampiny

Afaka manadio sy manefy antsika ny fitsapana

Hevero ny hampiseho ireto sary manaraka ireto na mitondrà vato maraorao anankiray sy vato malambolambo anankiray ao an-dakilasy. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay takina mba hampalambolambo sy malama ny vato anankiray ary ny fomba iharan’izany amin’ny fanefena izay ilaintsika eo amin’ny fiainantsika. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina, ny antony mahatonga ny Tompo, indraindray, hamela antsika hanohy hiaritra ny fitsapana sarotra na dia manam-pinoana Azy ampy hanasitranana antsika aza isika.

Sary
A heart shaped rounded edge rock.
Sary
Stones laid out on a white background.

Finoana ny tsy ho sitrana

Hevero ny hampiasa ity tantara ity sy ireo fanontaniana fanaraha-maso mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny finoana an’i Jesoa Kristy izay ilaina amin’ny fanekena ny sitrapony raha toa ka tsy mitovy amin’ny sitrapontsika izany.

Ny loholona David A. Bednar ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara ny tantara marina momba ny zatovolahy mahatoky anankiray izay nijaly nararin’ny homamiadana sy ny lesona izay nianarany sy ny hafa momba ny fananana finoana ny tsy ho sitrana. Ity tantara ity dia hita ao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Accepter la volonté et le calendrier du Seigneur [Manaiky ny Sitrapon’ny Tompo sy ny fotoan’ny Tompo],” Ensign, août 2016, 29–35.

Inona no dikan’ilay fanontaniana hoe “Moa ve manana finoana ny tsy ho sitrana ianao?” aminao?

Inona no mety ifandraisan’io fanontaniana io amin’ny toe-javatra izay nosoritsoritan’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 12:7–10 ?

Misy toe-javatra eo amin’ny fiainanao ve mety ilanao fanazaran-tena hampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy na dia mety tsy hahazo fitahiana amin’ny fomba na fotoana izay anantenanao azy aza ianao?

Inona ny zavatra izay fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka afaka hanampy anao hatoky Azy na dia ao anatin’ireo toe-javatra ireo aza ianao?

Hamoaka printy