Seminera
2 Korintiana 13


2 Korintiana 13

“Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia”

A woman is standing looking at her refection in the widow of a building. You can see a city street in the background.

Matetika ireo mpitarika ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra no lasibatry ny fanakianana. Nanjary nanakiana an’i Paoly ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Novaliany tamin’ny fanasana azy ireo handinika ny fifandraisan’izy ireo manokana amin’i Kristy izany. Ity lesona ity dia afaka hanampy anao handresy ny fakam-panahy hitsikera ny hafa, anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fandinihana ny fahatokianao ny Tompo.

Mamporisika ny fandalinana soratra masina isan’andro. Amporisiho ny fandalinana isan’andro ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana tsy tapaka ny mpianatra mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaritra ny maha-samy hafa ny fananana fanontaniana amin-kitsim-po na fanahiana mikasika ny zavatra nampianarin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’ny zavatra nolazainy ho fitsikerana izany olona izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanontaniana amin-kitsim-po sa fanakianana?

Ifampiresaho amin’ny iray kilasy ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha toa ka nampiasaina ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra dia asao ny mpianatra hizara ny eritreriny.

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny fomba mety hanakianan’ny olona ankehitriny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

  • Inona no maha-samy hafa ny fananana fanontaniana amin-kitsim-po na fanahiana mikasika ny zavatra nampianarin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana amin’ny zavatra nolazainy ho fitsikerana izany olona izany?

Ampio ny mpianatra hahatakatra io fahasamihafana io. Mety hanampy izao manaraka izao.

Amin’ny ankapobeny, midika hoe mitsara ny olona iray amin’ny lafiny ratsy ny fitsikerana azy, milaza ny tsininy na ny fahadisoany. Ao amin’ny soratra masina, ny tsikera dia azo lazaina hoe fitenenan-dratsy na fimonomononana amin’olona iray.

Azo atao ny mahatakatra ny fahadisoana na ny fahalemen’ny hafa nefa tsy mitsikera azy. Mitsikera isika rehefa miresaka na manoratra momba ny hafa amin’ny fomba mitsara na amin’ny fomba ratsy.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mandresy ny fakam-panahy hitsikera ny hafa, anisan’izany ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

Rehefa mandalina ny 2 Korintiana 13 ianao dia tadiavo ny fomba ahafahantsika misoroka ny fitsikerana, indrindra fa ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ao amin’ny Fiangonany.

Fitsikerana, fitenenan-dratsy, ary fimonomononana

Toa nitsikera ampahibemaso an’i Paoly ny sasany tamin’ireo Olomasina tao Korinto (jereo ny 2 Korintiana 10:10 ; 12:10–15). Ao amin’ny 2 Korintiana 13:1–2 , i Paoly dia niantso azy ireo hibebaka tamin’ny fiteny mahery.

Vakio ny 2 Korintiana 13:3 , ka tadiavo ny zavatra notadiavin’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany tany Korinto hoporofoin’i Paoly. Mety ho porofo fanampiny amin’ny fitsikerana an’i Paoly ampahibemaso ny fitakian’ireo olona ireo porofo fa tena niteny ho an’i Kristy tokoa izy. Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ka tadiavo hoe inona no fiantraikan’ny fitsikerana ireo mpitarika antsika eo amintsika.

Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Ny Filoha George Q. Canon dia nanome fampitandremana izay hampitaiko aminareo toy ny avy aty amiko koa. Mino aho fa nilaza ny marina izy: “… Tsy misy olona … afaka hiteny ratsy ny voahosotry ny Tompo sy hitady fahadisoana amin’ny fahefan’ Andriamanitra eto an-tany ka tsy hiharan’ny hatezerany. Ny Fanahy Masina dia hisintaka amin’ny olona toy izany, ka dia handeha anaty haizina izy. Araka izany, tsy hitanareo ve ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandremantsika?”

(Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, mey 2019, 59)

Diniho ireto tantara ao amin’ ny soratra masina manaraka ireto sy ny fahasamihafana asehon’izany amin’ny fampiharana finoana sy ny fitsikerana:

Jaona 6:60, 66–69 . Ampitahao amin’ny fihetsiky ny mpianatra maro hafa ny fihetsik’i Petera tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy.

Nomery 14:2, 6–9, 35–38 . Ampitahao ny teny sy fihetsika nataon’i Josoa sy i Kaleba tamin’ny teny sy fihetsika nataon’ireo izay nahatonga ny Isiraelita nimonomonona tamin’i Mosesy sy ny Tompo.

1 Nefia 2:12–13, 16, 19–21 . Ampitahao amin’ny fihetsika nataon’i Lamàna sy i Lemoela ny fihetsik’i Nefia.

Ankoatra ny zavatra ianaran’ny mpianatra ao amin’ny 2 Korintiana dia afaka mandalina ny iray na maromaro amin’ireo tantara ireo ihany koa izy ireo. Avy eo dia afaka mizara ny zavatra nianarany momba ny voka-dratsin’ny fitsikerana ny Tompo na ny mpanompony izy ireo. Eo am-panomanana ny fampianarana ity lesona ity dia makà fotoana handalinana ny sahan-kevitr’ireo tantara ireo mba ho vonona hamaly ireo fanontaniana mety hananan’ny mpianatra.

Afaka mifanakalo hevitra tsiroaroa na ao anatina vondrona kely momba ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra.

  • Inona no ampianarin’io tantara io mikasika ny maha-samy hafa ny fitsikerena amin’ny fampiharana finoana ary ny vokatra ateraky ny tsirairay amin’izany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misintaka ny Fanahy rehefa “miteny ratsy” na “mitady fahadisoana” amin’ireo izay nantsoin’ny Tompo hitarika ny Fiangonany ny olona?

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika manao asa amim-pinoana raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny zavatra nampianarin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana isika na tsy miombon-kevitra amin’ny zavatra nampianariny?

Mifady ny fitsikerana

Vakio ny 2 Korintiana 13:5–6 , ka tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana izay nanontany azy raha toa ka niteny tamin’ny alalany ny Tompo izy na tsia. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny olona nolavina dia olona tsy mendrika na tsy mahomby tamina fitsapana iray.

Farano araka ny zavatra nampianarin’i Paoly ity teny manaraka ity: Isika dia tsy tokony hitsikera ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa tokony …

Avelao ny mpianatra hampiasa ny teniny manokana mba hahitana fahamarinana mitovy amin’ireto manaraka ireto:

Tokony handinika ny fahatokiantsika ny Tompo isika fa tsy hitsikera ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana.

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Eyring mikasika ny fihetsika asehontsika amin’ ireo izay nantsoin’ ny Tompo hanompo. Tadiavo ny fomba hanamafisan’ny teniny ny zavatra nampianarin’ i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 13:3, 5 :

2:3
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Mitaky finoana ny fahatokiana marina fa mahafantatra tanteraka ny olona antsoiny [i Jesoa Kristy], na ny fahaiza-manaony na ny zavatra mety ho vitany, ka noho izany dia tsy manao fahadisoana Izy amin’ny olona antsoiny.

Mety hampitsiky na hampihifikifi-doha ny sasany izay manatrika eto izany, na ireo izay mihevitra fa mety ho fahadisoana ny antso nomena azy ireo manokana, na ireo izay mieritreritra ny olona sasany izay fantany fa tsy hahavita ny antso nomena azy ireo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo. Ny torohevitra omeko an’ireo vondrona roa ireo dia ny hanatsahatra ny fitsaratsarana toy izany mandra-pahitanareo tsara kokoa ny zavatra izay hitan’ny Tompo. Ny fitsarana ilainareo atao, ho solon’izay, dia ny hoe manana ny fahafahana handray fanambarana sy hanao asa mifanaraka amin’izany tsy amin-tahotra ianareo.

(Henry B. Eyring, “Mitarika ny Fiangonany ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 82)

  • Ahoana no ahafahan’ny torohevitry ny Filoha Eyring manampy antsika raha alaim-panahy hitsara na hitsikera ireo mpitarika nofidin’ny Tompo isika?

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe manampy antsika tsy hanaratsy na hitsara ny hafa ny fandinihana ny fahatokiantsika an’i Jesoa Kristy?

Diniho ny tenanao

Rehefa manao dinidinika mikasika ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly isika dia anontaniana raha toa ka manohana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Nanolotra fanontaniana vitsivitsy afaka manampy antsika hiomana hamaly izany ny Filoha Eyring. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pisaintsainanao ireo fanontaniana ireo.

Asehoy ity teny manaraka ity ary asao ny mpianatra hisaintsaina ny valin-teniny na hanoratra izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Mety efa nanontaniana ianareo, na mbola hanontaniana, raha toa ka manohana ny evekanareo, ny filohan’ny Tsatòka, ireo Manampahefana Ambony sy ireo mpiandraikitra ambony ato am-piangonana. …

… Afaka miomana ianareo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny tenanareo toa ireto manaraka ireto:

1. Efa nihevitra na niteny momba ny fahalemena araka ny maha-olombelona nananan’ireo olona izay efa nanaovako fianianana fa ho tohanako ve aho?

2. Efa nikatsaka porofo ve aho fa ny Tompo dia mitarika azy ireo?

3. Efa nanaraka tamin-tsitrapo sy tamim-pahatokiana ny fitarihan’izy ireo ve aho?

4. Efa niteny mikasika ny porofo izay hitako ny amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy ireo ve aho?

5. Moa ve aho mivavaka tsy tapaka ho azy ireo manonona ny anarany sy amim-pitiavana?

Ho an’ny ankabetsahany amintsika, ireo fanontaniana ireo dia hitarika tsy fahazoan’aina sy filana hibebaka.

(Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, mey 2019, 59)

Raha “hitarika tsy fahazoan’aina” ireo fanontaniana ireo dia mivavaha ary manorata momba ny zavatra azonao atao mba hibebahana sy hiovana.

Aza mitsikera ny hafa fa mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ireo mpitarika nofidiny ary ny fiarovana ara-panahy izay azo avy amin’ny fandinihana ny tenantsika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no loza miandry raha toa ka mitsikera ireo izay antsoin’ny Tompo?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

[Raha misy olona iray] mitsangana mba hanameloka ny hafa, sy mahita fahadisoana amin’ny Fiangonana, sy milaza fa diso lalana izy ireo, fa izy tenany no marina, dia fantaro tsy amim-pihambahambana, fa io olona io dia ao amin’ny lalan-dehibe mitondra mankany amin’ny fihemorana; ary raha tsy mibebaka izy, dia hihemotra, raha mbola velona koa Andriamanitra.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 318)

Mety ve ny manana fanontaniana?

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mety ve ny manana fanontaniana mikasika ny Fiangonana na ny fotopampianarany? Ry tanora namako, olona mpametram-panontaniana isika … satria fantatsika fa mitondra any amin’ny fahamarinana ny fametrahana fanontaniana. …

… Mety hahatsapa tena ho menatra na tsy mendrika ny sasany noho ny fananana fanontaniana sarotra mila valiny momba ny filazantsara, kanefa tsy tokony hahatsapa toy izany izy ireo. Tsy midika fahalemena ny fametrahana fanontaniana fa izany no fanombohan’ny fitomboana. …

Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Meteza ho tia karokaroka, saingy aza misalasala! Tano mafy hatrany ny finoana sy ny hazavana efa noraisinao. Satria tsy ho takatsika avokoa ny zava-drehetra mandritra ity fiainana ity. Tsy hazava avokoa ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao.

(Dieter F. Uchtdorf, “The Reflection in the Water” [Fampaherezam-panahy an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 1 nôv, 2009], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

Moa ve tsy mba diso ny mpaminany?

Hoy i Sheri Dew, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe:

Portrait of Sheri L. Dew, 2001.

Misy olona sasany manahy tokoa noho ny tsy fananana valiny amin’ilay fanontaniana manao hoe: Nefa, tsy mety diso ve ny mpaminany sy ny mpahita ary ny mpanambara? Diso io fanontaniana io. Ny tsara kokoa dia ny hoe, Iza marina ireo mpaminany? Izy ireo no notendrena ho mpihazona ny fanalahidin’ny fisoronana izay manome fahefana hizarana ny herin’ny Tompo manerana ny tany. Mety tsy ho tongalafatra izy ireo. Saingy izy ireo no mpitarika entanim-panahy tonga lafatra indrindra eto an-tany, ary madio tanteraka ny hany antony manosika azy ireo—mba hanampiana sy hanondroana antsika ny lalantsika miverina mankany amin’i Jesoa Kristy.

(Sheri Dew, “Prophets” [BYU–Fampaherezam-panahy Pathway Worldwide, 13 jolay 2021], 2, byupathway.org/speeches)

Sahanasa fianarana fanampiny

2 Korintiana 13:5 . “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia”

Eritrereto ny fampiasana izany ao amin’ny lesona eo ambanin’ny lohateny hoe “Mifady ny fitsikerana”.

Samy anisan’ireo loholona nandeha tany Missouri niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith i Ezra Booth sy Edward Partridge tamin’ny fahavaratry ny taona 1831. Asao ireo mpianatra hamaky ny “Facing Disappointment—We Always Have a Choice” nataon’i Matthew C. Godfrey , hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Angataho ny mpianatra hampitaha ny fihetsik’i Ezra sy i Edward tamin’ny fahadisoam-panantenana natrehan’izy ireo.

Ampio ireo mpianatra hamantatra ny fomba nandinihan’i Edward ny tenany sy ny nahitany fa azo atao ny mivoatra ary ny nibebahany, raha i Ezra kosa nanohy nitsikera ny Mpaminany ka tsy nanam-pinoana intsony.