Seminera
Tombano ny fianaranao 9


Tombano ny fianaranao 9

1 Korintiana 8–16 sy 2 Korintiana

Sary
Young man studying scriptures

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fivoarana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Manampy ireo mpianatra hanombana ny fianarana izay nataony. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanombanany ny fianarana izay ataon’izy ireo. Fomba iray anaovana izany ny fanasana azy ireo hisaintsaina ireo tanjona izay napetrany mba hiainany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa misaintsaina ireo mpianatra, dia ho fantatr’izy ireo ny zavatra izay tokony mbola ho hatsaraina sy izay efa nihatsara. Amporisiho ireo mpianatra hanasa ny fanampian’ny Fanahy mba hahatsapan’izy ireo fanantenana sy hahafantarany ny fomba izay ahafahan’izy ireo manohy mianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo fomba niezahany nampihatra ireo fitsipika izay nianarany tao amin’ny 1 Korintiana 8–16 sy ny 2 Korintiana .

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hanao tombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ny fiovan’ny fomba fihetsiny, sy ny faniriany, ary ny fahaizany miaina ny Filazantsara. Ny fandalinan’ny mpianatra ny 1 Korintiana 8–16 sy ny 2 Korintiana dia mety efa nanamafy fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao anatin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hanombantombana ny fianarana izay nataonao sy ny fomba nampiharanao ireo fitsipika nampianarina tao amin’ny 1 Korintiana 8–16 sy 2 Korintiana . Ny fanaovana tombana ny fianarana izay nataonao dia afaka manampy anao hamakafaka ny fomba hanampian’ny fandalinana ny soratra masina anao mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Tombano ireo tanjona izay napetrakao

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fanomezana fanamby ireo mpianatra mba haminavina ny isan’ny pejin’ny soratra masina voatonta ao amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy lafo vidy mitambatra. Rehefa avy naminavina izany ireo mpianatra, dia asao izy ireo mba hikajy ny tena isan’ny pejy mba hahitana ny vinavinan’ireo izay manakaiky indrindra ny valiny tena marina.

Vinavinao ny isan’ny pejin’ny soratra masina voatonta ao amin’ny Baiboly, Bokin’i Môrmôna, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy lafo vidy mitambatra.

  • Nahoana araka ny hevitrao no nanome antsika pejin’ny soratra masina be dia be ny Tompo?

  • Ahoana ny fomba hanehoana fankasitrahana noho ny teniny?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ireo antony nanomezan’ny Tompo ny teniny be dia be ao amin’ny soratra masina. Vakio ity lahateny manaraka ity na jereo ny “La bénédiction des Écritures” (3:03), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Eritrereto ny halehibean’ny fitahiana izay azontsika … amin’ny fananana boky soratra masina be dia be. Ary tsy izany fotsiny ihany, fa ny lehilahy, ny vehivavy, ary ny ankizy tsirairay dia afaka samy manana sy mandalina ny taha-dika azy manokana , amin’ireo lahatsoratra masina ireo, indrindra amin’ny fiteniny manokana. … Azo antoka fa miaraka amin’izany fitahiana izany no anambaran’ny Tompo amintsika fa lehibe kokoa raha mitaha tamin’ny fotoana teo aloha ny filantsika tsy tapaka ny soratra masina. Enga anie isika mba hivoky tsy tapaka amin’ny tenin’i Kristy izay milaza ny zavatra rehetra tokony hataontsika (jereo ny 2 Nefia 32:3).

(D. Todd Christofferson, “La bénédiction des Écritures,” Ensign na Liahona, mai 2010, 35)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “lehibe kokoa raha mitaha tamin’ny fotoana teo aloha ny filantsika [mitodika amin’ny] soratra masina [akehitriny]”?

  • Inona amin’ireo filàna manokana eo amin’ny fiainanao no valian’ny soratra masina, na koa inona avy ireo filàna izay mety hovaliny?

Makà minitra vitsivitsy mba hieritreretana ny fandalinanao manokana ny soratra masina. Milà hevitra amin’ny Ray any An-danitra ny amin’ny fomba izay amalian’ny fandalinanao ny soratra masina ireo filànao ary koa raha toa ka mila manova zavatra ianao. Angamba tokony ho matotra kokoa ianao amin’ny fandalinana soratra masina izay ataonao isan’andro na tokony hampitombo kokoa ny halalin’ny fahatakarana azonao avy amin’ny fandalinana izay ataonao. Soraty ny fanitsiana izay hitanao fa tokony hataonao. Azonao atao ny mangataka amin’ny fianakavianao, ny mpampianatra seminera anao, na mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana mba hanampy anao amin’ireo tanjona izay napetrakao amin’ny fandalinana ny soratra masina izay ataonao.

Miantehera amin’ny Mpamonjy ary mitadiava ny fanampiany

Sary
Jesus forgiving and healing a man.

Raha nanoratra ho an’ireo Olomasina tany Korinto i Paoly dia nifantoka tamin’ireo fomba itahian’i Jesoa Kristy sy anampiany antsika. Ohatra sasantsasany tafiditra anatin’izany ny fanampiana antsika handositra ny fakam-panahy (jereo ny 1 Korintiana 10:13), ny fanampiana antsika hanana fiantrana (jereo ny 1 Korintiana 13), ny fananganana antsika amin’ny fahafatesana amin’ny alalan’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15), ny fanasana antsika hihavana Aminy (jereo ny 2 Korintiana 5:16–21 ; 7:1–10), ary ny fampaherezana antsika mba hiaritra amim-pahatokiana ireo fanamby (jereo ny 2 Korintiana 1112).

Makà fotoana fohy hamerenana mijery ireo andinin-tsoratra masina izay nasianao marika na ireo fanamarihana an-tsoratra izay nataonao ao amin’ny 1 Korintiana 8–16 sy ny 2 Korintiana ka nanampy anao hianatra momba ny Mpamonjy na hiantehitra Aminy.

Manomàna hafatra maharitra 3 ka hatramin’ny 5 minitra mikasika ny fomba anampian’i Jesoa Kristy anao. Ampidiro ao izao manaraka izao:

  • andinin-tsoratra masina iray na mihoatra, avy ao amin’ny 1 Korintiana 8–16 na avy amin’ny 2 Korintiana izay manan-danja aminao

  • fanazavana ny zavatra izay ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba anampian’ny Mpamonjy sy ny ampaherezany anao

  • zavatra iray izay niainanao teo amin’ny fiainanao na ohatra iray ao amin’ny soratra masina ahitana an’i Jesoa Kristy manampy araka izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo

  • ny fomba mety hanasanao ny hafa mba handray ny fanampian’ny Mpamonjy sy ny heriny

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy izay manolo-tena mba hizara ny hafatr’izy ireo amin’ny iray kilasy. Raha tsy izany, dia azon’izy ireo atao ny mizara izany amin’ny mpiara-mianatra iray. Amporisiho ny mpianatra mba hizara ny hafatr’izy ireo any an-trano na any am-piangonana.

Tantaram-pianakaviana sy ny asa atao ao amin’ny tempoly ary ny Fitsanganana amin’ny maty

Sary
Temple Family History

Sahanasa A: Mandray anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao ao amin’ny tempoly

Raha toa ka tsy nampianarina ny lesona momba ny 1 Korintiana 15:29 na raha tsy nasaina namorona drafitra mba handraisana anjara bebe kokoa amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao ao amin’ny tempoly ireo mpianatra dia azo dinganina ny sahanasa A.

Raha toa ka tsy hain’ireo mpianatra ny mampiasa ny FamilySearch.org na ny application FamilySearch dia omeo fotoana izy ireo hianarana izany. Azon’izy ireo atao ny mitady razambe anankiray fantany manokana ka efa maty na anankiray hafa izay azony resahana. Ampio ireo mpianatra mba hisaintsaina ny mety ho dikan’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty amin’ireo razambe izay hitan’izy ireo.

Mety efa avy nandalina ny 1 Korintiana 15:29 ianao teo aloha. Eritrereto ny fiantraikan’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty amin’ireo razambenao.

Sary
Temple Family History

Rehefa nandalina ny 1 Korintiana 15:29 ianao dia mety namorona drafitra iray mba handraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao ao amin’ny tempoly. Raha eny, dia makà fotoana handinihana ilay drafitrao ary eritrereto ny asa izay nataonao mba hampiharana izany drafitra izany. Raha tsy nanao izany kosa ianao, dia eritrereto izao ny hamorona drafitra momba ny fomba izay ahafahanao manampy ny razambenao hisitraka ireo fitahiana rehetra avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto mba hahafahan’ireo mpianatra mahita izany rehefa misaintsaina sy manoratra izy ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra, dia asao ireo mpianatra vonona ny hizara ny eritreriny.

Manaova tatitra momba ny drafitrao.

Raha nanao drafitra ianao, dia zarao ny zavatra izay nety tsara sy ireo sakana izay natrehanao. Misy fanitsiana izay tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao ve? Ahoana ny fomba ahafahan’ireo fanitsiana ireo manampy anao?

Raha toa kosa ka tsy nanao drafitra ianao, dia mizarà zavatra izay tianao hatao ary lazao ny antony itiavanao hanao izany. Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ny drafitra izay nataonao eo aminao sy ny hafa rehefa mampihatra izany ianao?

Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandraisanao anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao ao amin’ny tempoly maneho ny fanantenanao ny Fitsanganana amin’ny maty?

  • Nanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray Any An-danitra sy hanahaka bebe kokoa an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny fandraisanao anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao ao amin’ny tempoly?

Sahanasa B: Hazavao ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy

Ampio ireo mpianatra hanombana ny fahaizan’izy ireo manazava ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ireto fanontaniana sasantsasany manaraka ireto. Asao ny Fanahy Masina mba hitarika izany fifanakalozan-kevitra izany.

  • Nahoana no ampahany manan-danja amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny Fitsanganany tamin’ny maty?

  • Inona ny zavatra izay nohalalininao tao amin’ny 1 Korintiana 8–16 na ny 2 Korintiana momba ny Fitsanganana amin’ny maty ka nanampy anao?

  • Araka ny eritreritrao, inona amin’ireo safidy eo amin’ny fiainantsika no mety ho niova raha toa ka tsy mino ny Fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny isika?

  • Nahoana ianao no velom-pankasitrahana fa i Jesoa Kristy dia manome antsika ny hery handresena ny fahafatesana? Ahoana ny fomba hanehoanao izany fankasitrahana izany?

Hamoaka printy