Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 20


Famerenana fifehezana fotopampianarana 20

Takaro ary hazavao

Sary
Young Men reading scriptures

Anisan’ny tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny mba hahafahanao manazava izany avy amin’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hanalalina ny fahatakaranao sy hanao fanazaran-tena hanazava ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao ary hisafidy anankiray izay tiany hotakarina bebe kokoa amin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Inona ny zavatra mba fantatrao momba an’i Jesoa Kristy?

Hevero ny hampiseho ity sary manaraka ity ary asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra amin’ny namana anankiray mikasika ny zavatra izay asehon’ilay zava-nitranga momba an’i Jesoa Kristy.

Fariparito ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampiasana ny ampahany monja amin’ny fiainany izay asehon’ity sary manaraka ity:

Sary
Christ hanging on a cross at Calvary. Two thieves, also hanging on crosses are at the left and right of Christ. Numerous observers, including Mary, the mother of Christ, Mary Magdalene, other mourners and Roman soldiers are gathered around the crosses. Thunder clouds are gathering in the sky.

Avy eo dia asehoy ireto sary telo manaraka ireto (na sary iray hafa ahitana ny Mpamonjy), ary asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

Izao dia jereo ireto sary ireto ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

Sary
Christ hanging on a cross at Calvary. Two thieves, also hanging on crosses are at the left and right of Christ. Numerous observers, including Mary, the mother of Christ, Mary Magdalene, other mourners and Roman soldiers are gathered around the crosses. Thunder clouds are gathering in the sky.
Sary
Jesus Christ standing and placing His hands on the eyes of a blind man who kneels before him. A group of men, women and children are gathered around Christ. The people are witnessing Christ heal the man of blindness. Stone arches are in the background.
Sary
Jesus Christ standing and placing His hands on the eyes of a blind man who kneels before him. A group of men, women and children are gathered around Christ. The people are witnessing Christ heal the man of blindness. Stone arches are in the background.
  • Inona avy ireo tranga izay naseho tao amin’ny tsirairay avy amin’ireo sary telo ireo?

  • Inona ny zavatra niampy tamin’ny fahatakaranao ny amin’i Jesoa Kristy sy ny asa izay nanirahana Azy avy tamin’ireo tranga tsirairay ireo?

Mba hamantarana hoe iza marina moa ny Mpamonjy sy ny antony maha-zava-dehibe Azy aminao, dia manampy ny mandalina tantara maro momba ny fiainany sy ny asasoratry ny mpaminany mihoatra ny anankiray.

Toy izany koa, ny fandalinana sy fampitahana ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maromaro dia afaka manampy anao hahatakatra feno kokoa ny fotopampianaran’ny Mpamonjy raha ampitahaina amin’ny fianteherana amin’ny andininy anankiray fotsiny ihany.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanao ity sahanasa manaraka ity miaraka amin’ny namana anankiray. Afaka miaraka miasa amin’olona hafa isaky ny fampitahana izy ireo.

Vakio sy saintsaino ireo zavatra izay ampianarin’ny Hebreo 12:9 , Jakoba 1:5–6 , ary Jakoba 2:17–18 antsika momba ny Raintsika any An-danitra sy ny fifandraisantsika Aminy.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo ireo miaraka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra?

Vakio sy saintsaino ireo zavatra izay ampianarin’ny 1 Petera 4:6 sy ny Apokalipsy 20:12 antsika momba ny Fitsarana farany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa ireo miaraka manampy anao hahatakatra bebe kokoa momba ny Fitsarana farany?

Hevero ny hanao fampifanarahana na hampifandray ireo andinin-tsoratra masina izay tianao haverina hianarana miaraka indray amin’ny manaraka.

Fampifandraisana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Raha toa ka tsara kokoa ho an’ireo mpianatra ny mamita ity sahanasa manaraka ity miaraka amin’ny iray kilasy dia asao ny iray kilasy mba hisafidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray izay tian’izy ireo hianarana bebe kokoa ao amin’ny Testamenta Vaovao. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Rehefa avy eo dia asao ireo mpianatra mba hiasa ao anaty vondrona kely ary hitady, maro araka izay azon’izy ireo atao, andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifandray amin’izany ao anatin’ny fotoana voafetra. Raha toa ka manahirana ireo mpianatra ny mikaroka ireo andinin-tsoratra masina rehetra miisa 96, dia hevero ny hamintina ny fikarohana izay ataon’izy ireo amin’ny andinin-tsoratra masina izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fotsiny ihany (na mampiasà fomba hafa hamintinana ny fikarohan’izy ireo). Azon’ireo mpianatra atao ny manao lisitra ireo andinin-tsoratra masina izay hitany eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny loharano mifandray amin’izany.

Farany, asao ireo mpianatra mba hanazava ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina fanampiny izay hitany mampitombo ny fahatakarany ny andinin-tsoratra masina izay voafidy avy tao amin’ny Testamenta Vaovao.

a. Misafidiana anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao izay tianao hianarana bebe kokoa, ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.b. Tadiavo ary vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray manontolo, ary raketo ny zavatra takatrao momba ilay fotopampianarana izay ampianarin’izany.

d. Jereo ny lisitra manontolo momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

e. Mitadiava ary mamakia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiroa farafahakeliny avy amin’ny lesona hafa fandalinana soratra masina izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nosafidinao.

f. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina fanampiny ireo manampy ny fahatakaranao ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Raha toa ka nahavita ny sahanasa izay natao teo aloha avokoa ny mpianatra tsirairay, dia asao izy ireo mba hizara amin’ny mpianatra manodidina azy ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nosafidiny ary hanazava ny zavatra izay nianarany avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina fanampiny.

Raha sendra ka mbola misy fotoana, dia hevero ny hamerina ilay sahanasa miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana faharoa. Na manaova sahanasa mitovy amin’izany amin’ny alalan’ny fangatahana ireo mpianatra mba hanoratra fanontaniana na olana ao amin’ny diary fandalinany ary hitady ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manokana izay afaka manampy amin’ny famaliana ny fanontania na ny olan’izy ireo.

Asao ireo mpianatra mba hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ilay sahanasa ao amin’ny fandalinany ny soratra masina izay ataony any an-tokantrano sy ny fomba ahafahan’ny fanaovana izany mitahy azy ireo rehefa mandalina ny filazantsara izy ireo.

Hamoaka printy