Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 3


Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 3

Takaro ary hazavao

Sary
A group of young women are shown looking at a teacher. They discuss and talk together with each other.

Ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina manokana sy fahaizana manazava ireo fahamarinana izay ampianarin’izy ireny no fototra ahaizana ny fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa sy hizatra hanazava ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireto andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana manaraka ireto: Matio 5:14–16; Lioka 2:10–12; Jaona 3:5; Jaona 3:16.

Mampiasa karazana fomba fampianarana sy fitarihana ny fampianarana. Afaka manampy ireo mpianatra izay mampiasa fomba fianarana samihafa ny fampiasana karazana fomba fampianarana.

Fiomanan’ny mpianatra: Misafidiana andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana manan-danja iray avy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Miomàna hizara amin’ny iray kilasy ny maha manan-danja io andinin-tsoratra masina io aminao.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondrom-paritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra fotoana ampianarana ny seminera.

Inona no fomba tsara indrindra ahafahanao mianatra?

Misy maro ny fomba fianarana , ary samy hafa avokoa ny fomba fianarantsika sy ny fomba fahazoantsika fampahalalana.

Hevero ny hampiseho ity lisitra manaraka ity. Asao ireo mpianatra hamaky manontolo ireto fomba fianarana ireto sy hanisy laharana azy ireo ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina, manomboka amin’ny 1 hatramin’ny 4, ka ny 1 dia izay hitany fa tsara indrindra ary ny 4 dia izay hitany tsy mety indrindra amin’izy ireo.

  • Fakana sary an-tsaina: Mianatra amin’alalan’ny fijerena sy fakana sary an-tsaina aho. Ny fanaovana sary, fandokoana, tabilao, kisarisary, sy haino aman-jery isan-karanany dia manampy ahy hianatra sy hahazo fampahalalana.

  • Mizara amin’ny hafa: Ny fanoratana sy ny firesahana amin’ny hafa dia manampy ahy hiroso sy hianatra bebe kokoa.

  • Mianatra samirery: Aleoko mianatra ho ahy samirery, sady mahatsiaro mahatoky tena kokoa aho mamantatra zavatra amin’ny fomba fiasako samirery.

  • Mianatra amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra: Afaka mianatra tsara kokoa aho rehefa mampiasa karazana retsi-pahatsapana, toy ny fitsapana, fanimboloana, , fandrenesana, ary ny fampihetsehana ny vatako.

Saintsaino ny fomba nanomanan’ny Mpamonjy ny fampianarany hifanaraka amin’ireo zavatra ilain’ireo izay nampianariny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampiasa fomba isan-karazany ny Mpamonjy mba hampianarana ny hafa? Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?

Amboary ity fampiasana manaraka ity miankina amin’ny hoe firy sy ny hoe inona avy ireo andinin-tsoratra ahazoan’ireo mpianatra tombony avy amin’ny famerenana.

Mampihatra ny fomba fianaranao amin’ny fifehezana fotopampianarana

Makà fotoana ahafahana mamaky ireto andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao manaraka ireto. Andramo raha afaka mahatadidy ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina ianao.

Raha nahavita ny fiomanan’ny mpianatra ho an’ity lesona ity ireo mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hizara ny andinin-tsoratra masina izay hitan’izy ireo fa nanan-danja tamin’izy ireo sy ny anton’izany.

  • Inona amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto no tsapanao fa takatrao tsara? Inona amin’izy ireo no tianao mba ho azo bebe kokoa?

Vitao ny sahanasa A, B, D na E amin’alalan’ny fampiasana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana teo aloha (na andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao) izay tianao ho azo bebe kokoa. Raha manam-potoana, dia manaova sahanasa maro ahitana andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana samihafa.

A: Maka sary an-tsaina

Manamboara sary, kamban-tsary, soratra mahatsikaiky, haingon-tsoratra na habakaban-teny(nuage de mots), na zavatra hafa fanehoan-javatra hita maso izay maneho ny zavatra ampianarin’ny andinin-tsoratra masina nosafidinao. Tsindrio ireto rohy ireto mba hahafahanao mahita ohatra sasantsasany:

Haingon-tsoratraMemes(soratra mahatsikaiky)

B: Mizara amin’ny hafa

Manaova drafitra entinao mampianatra ny andinin-tsoratra masina nofidinao. Saintsaino ireo fanontaniana mety hapetrakao mba hanampianao ireo izay ampianarinao hahatakatra ilay andinin-tsoratra masina, manaova horonan-tsary manazava ny dikan’ireo teny sy andian-teny manan-danja, na mampiasà mozika mba hampianarana ny hafa.

D: Mandalina samirery

Misafidiana teny manan-danja hohalalinina avy amin’ilay andinin-tsoratra masina. Raketo ireo famaritana, toko sy andininy mifandray amin’izany, na ireo fanambarana avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay afaka mandranitra kokoa ny fahatakaranao.

E: Mianatra amin’ny alalan’ny fanaovan-javatra

Mamorona na mitadiava zavatra azo tsapain-tanana na lamina ahafahanao maneho ilay andinin-tsoratra masina na teny na andian-teny miavaka ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ho an’ny Matio 5:14–16 , azonao atao ny mampiasa loharanom-pahazavana samihafa mba hanehoana ilay fanasan’i Kristy manao hoe: “Aoka hazava […] toy izany ny fahazavanareo.”

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany tsiroadroa na ao anatina vondrona kely. Aorian’izay dia asehoy ireto filaharana sy fanontaniana manaraka ireto mba hahafahan’ireo mpianatra handinika ny zavatra niainany nandritra ny fianarana.

(A) Manaiky (B) Somary manaiky ihany (D) Sady tsy manaiky no tsy mandà (E) Tsy manaiky

  1. Azoko tsara ilay (ireo) andinin-tsoratra masina izay nosafidiko.

  2. Tsapako ho mahatoky tena kokoa aho ankehitriny amin’ny fahaizako manazava amin’ny olon-kafa ilay (ireo) andinin-tsoratra masina nosafidiko, raha ilaina izany.

  3. Mino aho fa ny fampiasana fomba mitovitovy amin’ity amin’ny fianarana sy famerenana andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana hafa dia hanampy ahy tokoa.

Avelao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny valin-teny izay nomen’izy ireo tamin’reo fanontaniana nipetraka teo aloha. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fivoaran’izy ireo dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny fanampiany amin’ny maha-Andriamanitra Azy. Asao ireo mpianatra hitady fanampiana manokana avy any amin’ny Ray any An-danitra amin’ny fandalinana rehetra ataon’izy ireo.

Hamoaka printy