Seminera
Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9


Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

Topimaso

Nandritra ny asa fanompoana nataon’i Jesoa tany Galilia dia nisy vehivavy iray nanana aretina momba ny rà sitrana tamin’ny alalan’ny fikasihana ny akanjony. Nanangana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty ny Tompo. Niantso sy nanome torolalana ireo Apôstôly Roambinifololahy i Jesoa Kristy ary naniraka azy ireo hitory, hanompo, ary hanasitrana ny marary.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ny mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Marka 5:24–34;

Matio 9:20-22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahana misintona ny herin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoan’izy ireo Azy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina fotoana iray nitodihan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy nitady fanampiana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny misaintsaina zavatra niainan’olon-kafa.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny video conférence: Raha ohatra ka afaka anaovana izany ny rindrambaiko izay ampiasainao, dia hevero ny hanasa ireo mpianatra hiasa ao amina salles de réunion (breakout rooms) mba hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana ireto: Inona no azonao hatao mba hanehoana fa fanirianao lehibe indrindra ny handray ny fanampian’ny Mpamonjy? Hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao raha toa ianao ka misintona ny herin’i Jesoa Kristy matetika kokoa?

Marka 5:21–24, 35–43

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampihatra finoana an’i Kristy sy hino an’i Kristy mandritra ireo fotoana mampatahotra sy mampisalasala azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Amporisiho ireo mpianatra hitadidy ilay andian-teny hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” ( Marka 5:36). Angataho izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’io fehezan-teny io hanampy azy ireo mandritra ireo fotoam-pitsapana lalovan’izy ireo.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Raha azo atao, dia mitondrà fitaovana hampiasain’ireo mpianatra mba hahafahan’izy ireo hanao sary ahitana ilay andian-teny manao hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence:Asao ireo mpianatra hizara ao amin’ny faritra ifanakalozan-dresaka (chat) ireo soratra masina na ireo teny avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mikasika ny tsy tokony hatahorana. Afaka manasa mpianatra notsongaina manokana avy eo mba hizara andinin-tsoratra masina iray hitany amin’alalan’ny fizarana efijerin’izy ireo sy ny fampisehoana ilay soratra masina avy ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile an-jotra na ny application Bibliothèque de l’Evangile.

Matio 9:36–38; Matio 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny antso sy sy ny tanjon’’ireo Apôstôly amin’ny maha-solotena sy vavolombelon’i Jesoa Kristy azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handinika ireo zavatra niainany tamin’ny Apôstôlin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no fomba nitondran’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy anao mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? Inona ny zavatra mahatalanjona anao mikasika azy ireo? Inona avy ireo fanontaniana izay anananao momba ny andraikitra sahanin’ny Apôstôly iray? Diniho ilay Sosokevitra hafa ho an’ny fiomanan’ny mpianatra izay nozaraina tao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

  • Votoatin-javatra haseho: Miomàna ny hampiseho, na hizara amina taratasy zaraina ny fanambarana izay nataon’ny Filoha Nelson sy ireo fanontaniana mba hahafahan’ireo mpianatra manombatombana ny fahatsapany sy toe-tsaina ananany manoloana ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy.

  • Loharanom-pahalalana ho an’ny mpianatra: Diniho hoe inona avy ireo loharanom-pahalalana avy amin’ireo Apôstôly maoderina sy momba azy ireo izay azonao omena ireo mpianatrao.

Lioka 9:24–26, 57–62

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hamantatra ireo fomba tsara mba hahatongavana ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo ezaka izay nataon’izy ireo mba hanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence: Mba hanampiana ireo mpianatra hanao tatitra ireo zavatra nianaran’izy ireo, dia hevero ny hampiasa ny solaitrabe na zavatra mitovy amin’izany. Azon’ireo mpianatra atao ny mameno ny fehezan-teny manao hoe “Mba ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina, isika dia afaka …”

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany sy hanome alalana azy ireo hizatra hanazava ny fotopampianarana izay nampianarina ao amin’ireto andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana manaraka ireto: Matio 5:14–16 ; Lioka 2:10–12 ; Jaona 3:5 ; sy Jaona 3:16 .

Naoty: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondrom-paritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra fotoana ampianarana ny seminera.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisafidy iray amin’ireto andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana hita ao amin’ny Matio, Lioka, na Jaona izay manan-danja ho azy ireo. Angataho izy ireo hisaintsaina momba ny antony maha-manan-danja io andinin-tsoratra masina io amin’izy ireo ary ho tonga ao am-pianarana vonona ny hizara ny hevitr’izy ireo amin’ny mpiray kilasy.

  • Votoatin-javatra haseho: Hevero ny hampiseho ilay lisitr’ireo fomba fianarana izay hampiasain’ireo mpianatra hanombatombanana ny fomba izay hanampy azy ireo hianatra amin’ny fomba tsara indrindra.

  • Ireo fitaovana ilaina : Avereno jerena ireo sahanasa izay manasongadina ireo karazana fomba fianarana, ka fantaro ireo fampitaovana mety hilain’ireo mpianatrao mba hahafahan’izy ireo mamita am-pahombiazana ny sahanasa safidin’izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hanoro hevitra ireo mpianatra ny amin’ireo fampitoavana sy fitaovana entin’izy ireo avy any an-tranony izay azony ampiasaina rehefa manatanteraka ilay sahanasa momba ny karazana fomba fianarana. Asao ireo mpianatra hamela ny iray kilasy hampiasa ny fampitaovana nentiny .

Hamoaka printy