Seminera
Marka 5:21–24, 35–43


Marka 5:21–24, 35–43

Manasitrana ny zanakavavin’i Jairo i Jesoa Kristy

Sary
Jesus is smiling at the daughter of Jairus who was raised from the dead, her father is in the foreground and some disciples in the background.

Natsangan’i Jesoa tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jaïro. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hampihatra ny finoanao ary ny hanananao finoana an’i Kristy mandritra ireo fotoana mampatahotra sy mampisalasala anao.

Mamporisika ny mpianatra hikatsaka zavatra iainana ara-panahy an’ny tena manokana. Rehefa mampianatra ianao, dia amporisiho ireo mpianatra mba hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’ny alalan’ny fikatsahana zavatra iainana ara-panahy an’ny tena manokana. Mandritra ireny zavatra iainana ireny ny Tompo dia afaka mampianatra azy ireo amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Amporisiho ireo mpianatra hitadidy ny fehezan-teny hoe “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” ( Marka 5:36). Angataho izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’io fehezan-teny io hanampy azy ireo mandritra ireo fotoam-pitsapana lalovan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy

Amin’ny lesona izay atao anio ianao dia hianatra bebe kokoa momba ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy na dia mandritra ireo fotoana mampisy fisalasalana sy tahotra aza. Mieritrereta toe-javatra izay mety hiteraka fisalasalana na tahotra eo amin’ny fiainanao manokana. Mitanisà iray na roa amin’izy ireny ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  • Nanao ahoana ny finoanao nandritra ireo toe-javatra ireo? Soraty ao anatin’ny fehezan-teny iray na roa ny eritreritrao.

Eo am-pandalinanao ity lesona ity, dia henoy ireo bitsika avy amin’ ny Fanahy izay mety hitaona anao hampihatra finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy mandritra ireo fotoana isian’ny fisalasalana sy tahotra eo aminao.

Sary
Jairus coming to Jesus to heal his daughter.

Ao amin’ny Marka 5 , ny mpanapaka ny synagoga jiosy iray nantsoina hoe Jairo dia nandalo fotoana izay nisian’ny fisalasalana sy tahotra lehibe teo aminy.

Vakio ny Marka 5:22–24 , ka tadivao ny zavatra izay niainan’i Jairo.

Sary
Jairus coming to Jesus to heal his daughter.
  • Nahoana araka ny eritreritrao no nitady ny Mpamonjy i Jairo?

Raha teny an-dàlana ho any an-tranon’i Jairo izy ireo, dia nisy vehivavy iray aretina momba ny rà nikasika ny akanjon’ny Mpamonjy koa dia sitrana. Nijanona i Jesoa hiresaka sy hampionona an’io vehivavy io (jereo ny Marka 5:25–34).

  • Inona araka ny fiheveranao ny zavatra neritreretin’i Jairo na tsapany rehefa nahita ny Mpamonjy niresaka tamin’io vehivavy io?

Vakio ny Marka 5:35–36 , ka tadiavo ny zavatra niseho manaraka.

  • Inona no safidy nataon’i Jairo rehefa nilazana izy fa maty ny zanany vavy?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 36 no nanampy an’i Jairo hiatrika ny tahotra nananany ?

  • Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay afaka ny hanampy anao hino Azy, na dia mandritra ny fotoana mampatahotra aza?

Farano ilay tantara amin’ny famakiana ny Marka 5:37–43 , ka tadiavo ilay fahagagana izay hitan’i Jairo noho izy nisafidy ny hino.

Sary
Jairus coming to Jesus to heal his daughter.
  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io tantara io manamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Manoro hevitra antsika ny Tompo mba tsy hatahotra

Ao anatin’ireo soratra masina ny Tompo dia nanoro hevitra antsika hoe: “aza matahotra, minoa fotsiny ihany” ( Marka 5:36). Tadiavo ireo andinin-tsoratra masina na ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na teny taterina izay manoro hevitra antsika mba tsy hatahotra. Azonao atao ny mampifandray ireo andinin-tsoratra masina sy lahatenin’ny fihaonambe ireo amin’ny Marka 5:36 .

Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny manao lisitr’ireo andinin-tsoratra masina hitany eny amin’ny solaitrabe. Hevero ny mizara ny zavatra niainanao manokana amin’ny fanarahana ny fanasana nataon’ny Tompo hoe: “aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manoro hevitra antsika matetika ny Tompo mba tsy hatahotra?

  • Ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny ny fanarahanao ilay teny fanasan’ny Tompo hoe: “aza matahotra, minoa fotsiny ihany”?

Mety hahazo tombony ireo mpianatra amin’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao anaty diary fandalinany. Hevero ny hanasa ireo mpianatra izay te hizara ireo valin-teniny. Izany ihany koa dia afaka ny ho fahafahana ho an’ireo mpianatra hanaovana tatitra momba ilay fiomanan’ny mpianatra.

  • Inona avy ireo toe-javatra eo amin’ny fiainanao ka mety hilazan’ny Tompo aminao hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”?

  • Inona avy ireo asa azonao hatao hanarahana ny fanasan’ny Mpamonjy anao hoe: “aza matahotra, minoa fotsiny ihany”? Ahoana no ahafahan’ireo asa ireo manampy anao hiatrika ny tahotra izay misy aminao?

Raha azo atao, dia mitondrà fitaovana izay azon’ireo mpianatra ampiasaina hanaovana sary mandritra ity sahanasa manaraka ity. Afaka mamorona sary nomerika ihany koa ireo mpianatra.

Mamoròna sary ahitana ilay andian-teny hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.” Mety ho tianao ihany koa ny hampiditra ao amin’izany ireo andian-teny avy amin’ireo soratra masina na fiteny taterina hafa hitanao. Apetaho amin’ny toerana izay hanampy anao hahatsiaro ny hino an’i Jesoa Kristy sy tsy hatahotra io sary io.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Inona no atao hoe finoana an’i Jesoa Kristy?

Ity teny notsongaina avy ao amin’ny Sujets de l’Evangile (Lohahevitry ara-pilazantsara) ity dia mampianatra momba ny finoana an’i Jesoa Kristy:

Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka—fahatokiana ny heriny, ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny finoana ny fampianarany. Izany dia midika hoe, mino fa na dia tsy takatrao aza ny zava-drehetra dia takany izany. Tsarovy fa mahafantatra ny fomba hanampiana anao handresy ireo fahasarotana eo amin’ny fiainanao andavanandro Izy satria efa niaina ny fanaintainanao, sy ny fahorianao, ary ny fahalemenao rehetra.

(Miorim-paka ao amin’ny finoana, “Finoana,” https://www.churchofjesuschrist.org/study/manual/true-to-the-faith/faith?lang=mlg)

Inona ny zavatra afaka manampy antsika hino sy tsy hatahotra?

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Hoy i Jesoa tamin’ ilay mpanapaky ny synagoga iray hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” [ Marka 5:36 ]. Ny atao hoe mpanara-dia dia mino Azy ao anatin’ny fotoam-piadanana sy mino Azy ao anatin’ny fotoam-pahasarotana ary rehefa tsy mahita fahatoniana raha tsy avy amin’ny alalan’ny finoana fa tia antsika Izy sy mitazona ny fampanantenany, ny fanaintainantsika ary ny tahotsika.

(Neil L. Andersen, “Ahoana no hevitr’i Kristy mikasika ahy?,” Liahona, mey 2012, 113)

Fanamby, fahasarotana, fanontaniana, ahiahy—ireo dia ampahan’ny fiainantsika eto an-tany avokoa. Kanefa tsy irery isika. Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo antsika, dia manana tahirim-pahazavana sy fahamarinana ara-panahy goavana izay azontsika ampiasaina isika. Ny tahotra sy ny finoana dia tsy afaka hiara-hitoetra ao am-pontsika ao anatin’ny fotoana iray. Amin’izao andro sarotra iainantsika izao dia misafidy ny lalan’ny finoana isika. Hoy i Jesoa hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” [ Marka 5:36 ].

(Neil L. Andersen, “Vous savez assez,” Liahona, Nov. 2008, 14)

Inona avy ireo fomba sasany ahafahan’ny Tompo manasitrana antsika?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Tonga amin’ny fomba maro ny fitahian’ny fanasitranana, ka mifanaraka amin’izay ilaintsika manokana ny tsirairay amin’izany, izay fantatr’Ilay tena tia antsika indrindra. Indraindray ny “fanasitranana” dia manala ny aretintsika na manaisotra ny enta-mavesantsika. Saingy indraindray dia “sitrana” isika amin’ny alalan’ny fahazoana hery na fahatakarana na fanetren-tena mba hahazakana ireo enta-mavesatra izay napetraka eo amintsika.

(Dallin H. Oaks, “Il guérit ceux qui sont chargés,” Liahona, nov. 2006, 7–8)

Sahanasa fianarana fanampiny

FamerenanaAvia, hanaraka Ahy

Hevero ny hamerina hijery miaraka amin’ireo mpianatra ny Sosokevitra ho an’ny fandalinana ho an’ny Matio 9:18–26; Marka 5:22–43 ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023. Asao ireo mpianatra izay te hizara ireo zavatra niainany avy tamin’ny fandalinan’ny tena manokana nataon’izy ireo.

Mety afaka hanampy ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ireo fehezan-teny sasantsasany ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” mikasika ny fandresena ny tahotra amin’ny alalan’ny finoana an’ny Tompo.

Finoana sy tahotra

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny finoana sy ny tahotra dia tsy afaka miara-mitoetra. Hevero ny hamakin’ny iray kilasy ny Marka 4:40 sy ny Marka 5:36 mba hanehoana io hevitra io. Mifanakaloza hevitra momba ireo antony mahatonga ny finoana sy ny tahotra tsy afaka ny hiara-hitoetra sy ny fomba ahafahantsika mampihatra ny finoana an’ny Mpamonjy mba handresena ireo tahotra izay ananantsika. Afaka ny ho isan’ny zavatra azo ifanakalozana hevitra ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona ny zavatra mitranga amin’ny finoantsika rehefa milefitra amin’ny tahotra isika? Ahoana no handresena ny tahotra amin’ny alalan’ny finoana?

Mety afaka hanampy ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ireo fehezan-teny ao anatin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” mahakasika ny fandresena ny tahotra amin’ny finoana an’ny Tompo.

Ohatra iray amin’ny fitazomana ny finoana an’i Jesoa Kristy

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa azontsika atao ny mitazona ny finoana an’i Jesoa Kristy na dia tsy mitranga araka izay nanantenantsika azy aza ny fanasitranana, dia hevero ny hijery ny horonan-tsary misy ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Fitopololahy izay mizara momba ny nanasitranan’ny Tompo ny fony tamin’ny fotoan-tsarotra iray nolalovany. Jereo ny horonan-tsary “Satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana faha 4:04 ka hatramin’ny 10:57.

Hamoaka printy