Seminera
Matio 9:36–38; 10


Matio 9:36–38; 10

Niantso sy nanome toromarika ireo Apôstôly Roa ambin’ny Folo i Jesoa Kristy

Sary
Christ has his hands placed on Peter’s head, the rest of the Twelve are standing with heads bowed in prayer on either side. Outtakes include Jesus instructing the Twelve with one of the disciples kneeling in front of him with Christ’s hand on his shoulder, Jesus ordaining John with the others on either side, close up profile shots of Jesus with some of the apostles in the background, Jesus ordaining other apostles and, close up of Jesus with his hands on Peter’s head.

Niantso sy nanome torolalana ireo Apôstôly Roa ambin’ny Folo i Jesoa Kristy ary naniraka azy ireo hitory, hanompo, ary hanasitrana ny marary. Ity lesona ity dia hanampy anao mba hahatakatra ny antso sy ny anjara asan’ireo Apôstôly amin’ny maha solotena sy vavolombelon’i Jesoa Kristy azy ireo.

Mihaino ny fanontanian’ireo mpianatra. Katsaho ny hahatakatra ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fihainoana tsara sy fametrahana fanontaniana fanaraha-maso ao anatin’ny fanahin’ny fitiavana sy fitserana. Angataho am-bavaka ny fahafahana mametraka ny tenanao eo amin’ny toe-javatra iainan’ireo mpianatra. Aoka ianao ho vonona hanamboatra ny lesona sy ireo sahanasa mba hifanaraka amin’ny zavatra izay tena ilain’ireo mpianatra sy ny fahatakaran’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handinika ireo zavatra niainany tamin’ny Apôstôlin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana no fomba nitondran’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy anao mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? Inona ny zavatra mahatalanjona anao mikasika azy ireo? Inona avy ireo fanontaniana izay anananao momba ny andraikitra sahanin’ny Apôstôly iray?

Fanamarihana: Misy fiomanan’ny mpianatra hafa ihany koa hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fahatsapanao sy ny fahatakaranao momba ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy

Saintsaino ny fomba izay mety hamalianao ity fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manaraka ity:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Moa ve ianao manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara?

(Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 121)

  • Inona no dikan’ny hoe manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo?

Matetika isika no mihevitra fa ny fanohanana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia vitan’ny fihetsika aseho ara-batana toy ny fananganan-tanana fotsiny ihany. Saingy ny fanohanana dia mihoatra lavitra noho ny fanomezana famantarana avy ety ivelany fotsiny ihany. Ny fanohanana dia ahitana fanosehana, famporisihana, fahatokiana, ary fanarahan-dia ireo olona izay tohanantsika satria mino isika fa izy ireo dia nantsoin’ Andriamanitra.

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny iray amin’ireo fepetra takiana mba hidirana ny tempoly dia hisy fifandraisany amin’ny fanohanantsika sy ny fahatsapantsika mikasika ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy?

Ampiasao ity mari-pandrefesana manaraka ity mba hanombanana bebe kokoa ny fahatsapanao manokana sy ny mety ho fihetsikao manoloana ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Tsy hasaina mizara ny valinteninao amin’ny hafa akory ianao.

Hevero ny hampiseho ity mari-pandrefesana manaraka ity. Mety hanampy ny mamaky mafy ny tsirairay amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hosaintsainin’ireo mpianatra, avy eo dia asao izy ireo handrakitra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

(A) Manaiky tanteraka (B) Manaiky (D) Tsy momba ny atsy na ny aroa (E) Tsy manaiky

  1. Mino aho fa tena manan-danja tokoa ireo Apôstôlin’i Jesoa Kristy.

  2. Te haheno ny zavatra izay lazain’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy aho, ary mihaino tsara aho rehefa manana fotoana ahafahana mihaino azy ireny.

  3. Tokony afaka mizara zavatra anankiray na roa avy nampianarin’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy vao haingana aho.

Makà fotoana mba hisaintsainana sy handraketana an-tsoratra ireo fanontaniana izay tianao hapetraka momba ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ianao, dia saintsaino ireto fanontaniana ireto, ary mikatsaha valiny avy amin’ny Fanahy Masina.

Apôstôlin’i Jesoa Kristy fahiny

Vakio ny Matio 9:36–38 , ka mitadiava olana anankiray izay hitan’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona izany olana izany, ary inona ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy fa ilaina hatao?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hamaky tsiroaroa na anaty vondrona kely ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireo.

Mba hanampiana amin’ny fanompoana ny olona, dia niantso Apôstôly i Jesoa Kristy. Ny teny hoe apôstôly dia avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe “ilay nirahina.” Tamin’ny voalohany ireo Apôstôly dia nalefa tany amin’ireo taranak’Isiraely fotsiny ihany. Taty aoriana, ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty dia nandidy ny mba hitoriana ny filazantsara amin’ireo Jentilisa ihany koa, na ireo izay tsy anisan’ireo taranak’Isiraely. Ankehitriny dia asaina mitory teny manerana an’izao tontolo izao izy ireo (jereo ny Asan’ny Apôstôly 10).

Vakio ny antso sy toromarika izay nomen’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôly Roa ambinifolo ao amin’ny Matio 10:1–8 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23 . Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ny zavatra izay nasain’ny Mpamonjy hataon’ireo Apôstôliny?

  • Inona no fitoviana misy tsikaritrao eo amin’ny asa izay nataon’i Jesoa sy ny asa izay nanirahany ireo Apôstôliny?

  • Inona avy ireo fahamarinana azonao ianarana avy amin’ny andinin-tsoratra momba ny asa izay niantsoan’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly?

Apôstôly maoderin’i Jesoa Kristy

Raha toa ka azo atao, dia mampisehoa sary iray misy ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao.

Fahamarinana iray azontika tsoahana avy amin’ny Matio 10:1–8 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23 ny hoe miantso ireo Apôstôly mba hijoro ho vavolombelona manokana amin’ny anaran’i Kristy manerana izao tontolo izao sy hanao ny asany ny Tompo. Izany dia marina na ho an’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy fahiny na ho an’ireo izay nantsoiny ho Apôstôly ankehitriny.

Vakio ny Matio 10:40, ary tadiavo ireo torohevitra izay nomen’ny Mpamonjy ho an’ireo izay mandray ny Apôstôliny.

  • Nahoana ny fanekena ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy no mitovy amin’ny fanekena ny Mpamonjy?

Jereo ny horonan-tsary “President Nelson: Prophet of God manomboka avy amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 5:41. Ity horonan-tsary ity dia maneho ny Filoha Russell M. Nelson izay manandratra ny andraikitra sahanin’ “ilay nirahina” mba hisolo tena sy hitondra ny olona ho eo amin’ny Mpamonjy.

Hevero ny haneho ohatra fanampiny mikasika ny fomba fanompoan’ireo Apôstôly maoderina ankehitriny tahaka izay nataon’ny Mpamonjy. Ahitana ohatra fanampiny sasantsasany ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

  • Inona araka ny fahitanao azy ny mampitovy ny fomba fanompoan’ny Filoha Nelson ny hafa sy izay nataon’i Jesoa Kristy?

Koa satria ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia misolo tena ny Mpamonjy ary mijoro ho vavolombelony manokana, ny fandalinana ny fampianaran’izy ireny dia mitovy amin’ny mandalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ihany ary fomba anankiray ahafahana mianatra momba ny Mpamonjy mihitsy izy ireny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Mampiasà iray amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto (hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org), halalino ny fampianaran’ireo Apôstôly maoderina, ary tadiavo ny zavatra azonao ianarana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fantaro hoe inona avy ireo loharanom-pahalalana izay mety hanampy indrindra ny mpianatra, ary manomeza ohatra amin’ny fomba ahafahan’ireo mpianatra mahazo izany.

Ilay Kristy velona: Ny fijoroan’ireo Apôstôly ho vavolombelona

Vavolombelona manokan’i Kristy

Lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany

Avelao ireo mpianatra hizara ny zavatra izay niainany avy tamin’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fianarany ny teny izay nataon’ireo Apôstôly maoderina.

  • Inona ny zavatra izay hitanao tamin’ny fianaranao ka manampy anao hahatsapa fitomboana tamin’ny fahatakarana sy fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no efa avy nahatsapa sy nanaiky fa ireo Apôstôlin’ny Tompo dia maneho an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny zavatra izay nianaranao androany hampisy fiantraikany amin’ny fomba hanohananao sy hihainoanao ireo Apôstôly maoderin’ny Mpamonjy?

Hevero ny hampahatsiahy ireo mpianatra ny sahanasa fanomanana raha nahavita izany izy ireo. Asao izy ireo hanao sary momba ny zavatra niainany ato anatin’ity sahanasa manaraka ity.

Fanontaniana tsara saintsainina

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra izay nianaranao androany, sy katsaho amim-bavaka ny fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra, ary henoy tsara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, ary hevero ny hirakitra an-tsoratra ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireo fahatsapana izay voarainao sy ny fomba hampiharanao izany.

  • Manao ahoana ianao sy ny fianakavianao raha ny amin’ny fandraisana sy fanarahana ny torohevitra avy amin’ireo Apôstôly maoderin’ny Mpamonjy?

  • Nanao ahoana ny fomba nanatonanao bebe kokoa an’i Jesoa Kristy noho ireo torohevitra sy fampianarana avy tamin’ireo Apostolin’ny Mpamonjy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety ahafahan’ny fananana drafitra manokana momba ny fahafantarana sy fanarahana ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy mitahy anao?

  • Voavaly androany daholo ve ny fanontanianao momba ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy? Inona no nianaranao? Inona avy ireo fanontaniana izay mbola manitikitika anao, ary ahoana ny fomba mety hahitanao ny valin’izany?

  • Raha mieritreritra ny fianakavianao, ny namanao, ary olon-kafa izay ifaneraseranao na mety hahasarika anao, iza amin’izy ireo no mety hahazo tombontsoa amin’ny fianarana sy fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra izay niainanao androany? Ahoana ny fomba mety hizaranao izany amin’izy ireo?

Avelao ireo mpianatra izay vonona mba hizara ny fahatsapana, na fijoroana ho vavolombelona azony, na fihetsika izay tsapany ho fitaomam-panahy azon’izy ireo raisina noho ny fandalinany.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Matio 10:14 . Inona ny dikan’ny hoe “manintsana ny vovoka hiala amin’ny tongotrareo”?

Ny Loholona James E. Talmage dia nanome hevi-baovao momba ny fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fanintsanana ny vovoka hiala amin’ny tongotra:

Sary
Portrait of James E. Talmage.

Ny fanarahana ny fomba fanintsanana ny vovoka hiala ny tongotry ny tena mba ho vavolombelona hanohitra ny olona iray dia takatr’ireo Jiosy fa marika entina maneho ny fitsaharana amin’ny finamanana sy ny fialana mba tsy ho tompon’andraikitra amin’ireo vokatra izay mety haterak’izany. Lasa ôrdônansy fiampangana sy fijoroana ho vavolombelona izany tamin’ny alalan’ilay toromarika izay nomen’ny Tompo ireo Apôstôliny araka izay voalaza ao amin’ny [ Matio 10:14 ]. Nandritra ity fotoampitantanana ity, dia nanome toromarika toy izany ihany koa tamin’ireo mpanompony izay nomena lalana ny Tompo mba hijoro ho vavolombelona hanohitra ireo izay minia sy manana tanjona ratsy hanohitra ny fahamarinana rehefa ampahafantarina amin’ny alalan’ny fahefana izany.

(James E. Talmage, Jesus the Christ [1916], 345; jereo ihany koa ny Fotopampianarana Sy fanekempihavanana 24:15; 75:18–22; 84:92–96).

Tsy fanaon’ny misiônerantsika ankehitriny izany, ary tsy hisy izany raha tsy manome torolalana fanampiny ireo mpitarika avy ao amin’ny Fiangonana.

Nahoana isika no mila ireo Apostolin’i Jesoa Kristy eto an-tany ankehitriny?

Aiza no misy toerana ahafahako mianatra bebe kokoa momba ireo Apôstôly maoderin’i Jesoa Kristy ary ahoana ny fomba anaovan’izy ireo ny asa fanompoana tahaka ny Mpamonjy?

Ity loharanom-pahalalana manaraka ity (izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org) dia afaka manampy anao hianatra bebe kokoa momba ny Apôstôly maoderin’i Jesoa Kristy.

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona

Neil L. Andersen, “Ny mpaminanin’ Andriamanitra,” Liahona, my 2018, 24–27

Fanampiny Lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany

Hihaona amin’ireo Mpaminany sy Apôstôly ankehitriny

“Niresaka momba ny andraikitry ny Apôstôly ny Loholona Bednar”

“Elder Bednar in England” (manomboka avy amin’ny mari-potoana 4:06 ka hatramin’ny 4:47)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ataovy mifandimby ny fiomanan’ny mpianatra

Asao ireo mpianatra mba ho tonga vonona hanolotra tantaram-piainana fohy sy fampianarana voafantina avy amin’ny iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny. Asao ihany koa izy ireo mba ho tonga vonona hizara ny fomba nampitodihan’ny fianarana bebe kokoa momba ity Apôstôly ity azy ireo ho amin’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanomboka ny fampianarana amin’ny alalan’ny famelana ireo mpianatra izay niomana mba hizara ny zavatra izay nianarany amin’ny iray kilasy.

Ampio ireo mpianatra mba hiomana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Ampiasao na amboary ny ampahany amin’ity lesona ity mba hanampiana ireo mpianatra hiomana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manaraka. Mety hitondra tombontsoa ny manamafy ny fahalalan’ny mpianatra momba ireo mpaminany sy ireo Apôstôly amin’ny andro farany sy ny fampianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy (ohatra, amin’ny alalan’ny famoronana fanontaniana mifototra avy amin’ny fiainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny famoronana fanontaniana ho an’ny iray kilasy, amin’ny alalan’ny fandalinana ny sasany tamin’ireo lahatenin’izy ireo tany aloha, ary ny fitadiavana andalana anankiray na fehezan-kevitra anankiray mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa izay nanirahana Azy, sy ny sisa). Mety ho hitan’ireo mpianatra fa manampy ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fomba fiomanana ny hihaino sy hanao laharam-pahamehana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany (toy ny fanafoanana ny fanelingelenana, ny fanadiovana ny fandaharam-potoana, ny fahatongavana miaraka amin’ny fanontaniana izay manitikitika ao an-tsaina, sy ny sisa).

Hamoaka printy