Seminera
Joseph Smith—Matio 1:21–37; Lioka 21:25–36


Joseph Smith—Matio 1:21–37; Lioka 21:25–36

Aza matahotra

Profile of a Young Woman in bright sunlight.

Nandidy ireo mpianany i Jesoa Kristy hoe “aza matahotra” (Joseph Smith—Matio 1:23) na dia eo aza ny loza, fahoriana sy faharavana maro samihafa izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany. Ity lesona ity dia hanampy anao hiady amin’ny fahadisoam-panantenana sy handresy ny tahotra manoloana ireo zavatra hitranga amin’ny andro farany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hanao tombana ny fomba izay nanampian’ny tanjona amin’ny fandalinana soratra masina azy ireo. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny manao tombana raha sendra ka nanana fahasarotana izy ireo tamin’ny fanatratrarana ireo tanjony izay napetrany sy ny fomba tiany hanatsarana izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Fandresena ny fahadisoam-panantenana

  • Inona avy ireo hevi-diso roa na telo izay fahita matetika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Rehefa niresaka tamin’ny Apôstôliny ny Mpamonjy dia naminany fa hisy ireo hanaparitaka hevi-diso mialoha ny Fiaviany Fanindroany. Vakio ny Joseph Smith—Matio 1:22 , ary tadiavo ireo faminaniana izay nataon’ny Mpamonjy.

  • Ahoana no zava-dehibe tokoa ny fahafantarana fa na ny olom-boafidy” aza dia mety ho voafitakak?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) fa ireo Kristy sy mpaminany sandoka dia tsy voafetra hiseho amin’ny endrika olona fa afaka miseho amin’ny endrika hevitra na fampianaran-diso ihany koa (jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 132). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hitadiavana ireo fomba ahafahanao matoky ny Tompo sy mandresy ireo hevi-diso na fahadisoam-panantenana.

Rehefa avy nampianatra momba ireo fahadisoam-panantenana hafa sy ireo famantarana momba ny Fiaviany ny Mpamonjy (jereo ny Joseph Smith—Matio 1:23–36), dia nampianatra fomba iray andresena ny fahadisoam-panantenana Izy. Vakio ny Joseph Smith—Matio 1:37 .

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany ao amin’ny andininy 37 . Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mitahiry ny tenin’ny Tompo isika dia tsy ho voafitaka velively.

Mitadiava fomba ahafahana manampy ireo mpianatra mba hahatakatra ny hevitra fonosin’ny teny hoe mitahiry ny tenin’ny Tompo. Afaka mitahiry ny tenin’ny Tompo isika rehefa mandalina ny Soratra Masina, mandalina ny tenin’ireo mpaminany sy ireo mpitarika hafa, ary mandray fanambarana an’ny tena manokana ary manao asa araka izany.

Ity sahanasa manaraka ity dia ohatra iray amin’izany.

A drawing of a treasure chest.

Ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ataovy sary ny harena sarobidy na vata fitahirizana harena sarobidy iray. Ny hoe mitahiry zavatra iray dia midika fa mankafy, mitia, na manome lanja lehibe. Rehefa “mitahiry” ny tenin’ny Tompo isika, dia raisintsika ho zavatra masina izany ary arovantsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:34). Soraty manodidina na ao anatin’ilay vata ireo fomba ahafahantsika mitahiry ny tenin’ny Tompo.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny momba ny fitahirizana ny tenin’ny Tompo. Manaova sarina vata eny amin’ny solaitrabe ary avelao ireo mpianatra hanoratra ny eritreritriny manodidina ilay vata.

Asao hamaky ity tantara manaraka ity ireo mpianatra, na asehoy azy ireo ilay horonan-tsary mirakitra ny lahatenin’i M. Russell Ballard “When Shall These Things Be (Rahoviana no hiseho ireo zavatra ireo)?” hita ao amin’ny speeches.byu.edu, avy eo amin’ny minitra faha 30:47 ka hatramin’ny minitra faha 33:26.

Ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha Mpanatanteraka ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nitantara ny fihaonana nataony tamin’ny misiônera niverina iray izay namaky vaovao nitsikera ny Fiangonana. Nanana fanontaniana maro izay tsy nahitany valiny ilay tovolahy, ary nahatsapa izy fa very ny fijoroana ho vavolombelona izay nananany. Nanaiky ny Filoha Ballard fa hanomana valinteny ho an’ny fanontaniana izay napetrak’ilay tovolahy kanefa nanasa azy ihany koa izy mba hamaky ny Bôkin’i Môrmôna mandritra ny adin’ny iray isanandro ao anatin’ny 10 andro. Nitantara ny Filoha Ballard hoe:

Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Niverina tany amin’ny biraoko izy folo andro taty aoriana, ary efa vonona aho. Navoakako ireo taratasiko mba hanombohana mamaly ireo fanontaniany, saingy najanony aho.

“Filoha,” hoy izy, “tsy ilaina akory izany.” Dia nanazava izy avy teo hoe: “Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Fantatro fa mpaminanin’ Andriamanitra tokoa i Joseph Smith.”

(M. Russell Ballard, “When Shall These Things Be?,” Ensign, Dec. 1996, 60)

  • Araka ny hevitrao, nahoana no afaka namaha ny ankamaroan’ny olan’ity tovolahy ity ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna isan’andro?

  • Nahoana no manana hery eo amin’ny fiainantsika ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Soratra Masina?

Makà fotoana mba hisaintsainana ny fomba izay nitahian’ny tenin’ny Mpamonjy anao manokana. Inona ny fiantraikan’ny teniny teo amin’ny fitiavanao Azy? Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitahirizanao ny tenin’ny Mpamonjy nanampy anao mba tsy ho diso fanantenana?

Sady manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina, manasà mpianatra maromaro mba hizara.

Raha toa ka mitondra tombontsoa ho an’ireo mpianatra ny fandalinana ity lohahevitra ity mandritra ny fotoana lavalava dia hevero ny hampiasa ilay sahanasa ao amin’ny fizarana “Sahanasa Fianarana Fanampiny”.

Nanoro hevitra ihany koa ny Filoha Ballard hoe:

Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Manokana fotoana sy toerana mba handalinana ny soratra masina isan’andro, na dia minitra vitsy monja aza. … Raha oharina amin’ny zavatra lehibe, fotoana kely fotsiny dia efa ampy anaovana ireo zavatra ireo. Saingy ny tombontsoa maharitra ho antsika sy ny fianakaviantsika dia tsy manam-pahataperana sy mandrakizay, ary hanao zavatra maro mba hanomanana antsika izy ireo… manoloana ireo fanamby izay tsy mitsaha-mitombo hitranga.

(M. Russell Ballard, “When Shall These Things Be?,” Ensign, Dec. 1996, 60–61)

Ataovy tombana ny ezaka izay nataonao tamin’ny fandalinana sy fitahirizana ireo tenin’i Jesoa Kristy. Inona ny zavatra tsapanao? Hevero ihany koa ireo sakana izay atrehinao eo amin’ny fiainana sy ny fomba hanampian’ny fitahirizana ny tenin’i Kristy handresy azy ireny.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny. Miezaha mamorona rivom-piainana azo antoka izay mandala ny fahatsorana sy ny fahamarinana.

Soraty amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo akaikin’ilay sarina vata fitahirizana harena sarobidy ny tanjonao amin’ny fitahirizana ny tenin’ny Mpamonjy.

Fandresena ireo fanelingelenana sy tahotra

Hevero ny hanoratra eo amin’ny solaitrabe ireto fehezanteny manaraka ireto ary asao ireo mpianatra tsirairay na ny vondrona kely mba hampifandray ireo andinin-tsoratra masina amin’ireo fehezanteny ireo.

Nirakitra torohevitra sy fampitandremana fanampiny izay nozarain’ny Mpamonjy momba ny Fiaviana Fanindroany i Lioka. Vakio ireto andinin-tsoratra masina ireto, ary ampifandraiso amin’ny famintinana marina izany.

  1. Lioka 21:25-26

  2. Lioka 21:34-35

  3. Lioka 21:36

a. Ny fahotana sy ny fanahian’izao fiainana izao dia mety hanelingelina ny fahavononantsika amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.b. Amin’ny andro farany, dia maro ireo olona ho resin’ny tahotra.d. Rehefa mijery tsara ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika, mivavaka, sy miezaka ny ho mendrika, dia afaka ny ho vonona amin’ny fiverenan’ny Tompo.

(Fanamarihana: Ny dikatenin’ny Joseph Smith ho an’ny Lioka 21:36, Torolalana ho an’ny Soratra Masina d, dia miampy ny fehezanteny hoe “ary tandremo ny didiko.”)

  • Inona ny zavatra nanamarika anao rehefa namaky ireo andinin-tsoratra masina momba ny Fiaviany Fanindroany ireo?

Henoy tsara ny zavatra izay zarain’ireo mpianatra. Hevero ny hanampy na hanamafy ny zavatra izay zarainy amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany izay mety hahaketraka ny fon’ny olona noho ny tahotra amin’izao fotoana izao?

  • Ahoana no mahatonga ny fahotana sy ny fiahiahian’izao fiainana izao hanelingelina antsika amin’ny fiomanana amin’ny fiavian’ny Tompo? Nahoana no mampidi-doza ny variana tahaka izany?

  • Ny fivavahana sy ny fiezahana ho mendrika dia manampy antsika hihaona amin’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana?

Nanazava ireo teniny sasantsasany avy tamin’ny alalan’ny Filoha Russell M. Nelson ny Tompo. Raha misy, dia jereo ny horonan-tsary “Men’s Hearts Shall Fail Them” (3:24). Henoy ny zavatra izay ampianarin’ny Filoha Nelson momba ny fandresena ny tahotra sy ahiahy amin’ny andro farany. Ilay horonan-tsary sy ny lahatsoratr’izany dia azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Bibliothèque de l’Evangile.

A drawing of a treasure chest.
  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitodihana amin’ny Tompo manampy antsika handresy ireo ahiahy sy tahotra amin’izao andro farany izao?

Mampihatra ny zavatra izay nianaranao

Alaivo sary an-tsaina fa taorian’ny lesona momba ny Fiaviany Fanindroany dia misy namana roa nilaza izao manaraka izao:

Namana #1: “Tena tsy mieritreritra mihitsy aho fa olana lehibe ny Fiaviana Fanindroany. Raha ny tena marina, dia na ny raiko aza tsy mieritreritra akory fa tena hitranga marina tokoa izany. Tsy tiako ny miahiahy amin’ny zavatra tahaka izany.”

Namana #2: “Tsy te hieritreritra momba ny Fiaviana Fanindroany aho. Matahotra sy mikorotan-tsaina tokoa aho rehefa mandinika ny fiainana andavanandro tahaka ny fianarana sy ny olana miaraka amin’ny namana, kanefa ny Fiaviana Fanindroany dia mbola lehibe lavitra noho izany. Ireo famantarana tahaka ny ady sy horohoron-tany ary ny fahadisoam-panantenana—dia toa mampatahotra.”

Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara teo aloha. Ampiasao ny zavatra izay nianaranao tato amin’ity lesona ity, katsaho ny fitarihan’ny Fanahy rehefa manoratra zavatra izay mety holazainao na hataonao mba hanampiana ny namanao ianao. Mitadiava fomba tsara ahafahana mamporisika azy ireo mba hitahiry ny tenin’ny Tompo sy hatoky Azy.

Hevero ny manasa mpianatra maromaro mba hizara ny zavatra izay nosoratan’izy ireo. Misaora azy ireo ny amin’ny fizarana nataony, ary asehoy azy ireo ireo fitsipika marina tao anatin’izay nozarainy. Farano amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay hita tato anatin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Matio 24:24 . Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ny lainga sy fahadisoam-panantenana amin’ny andro farany?

Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoritsoritra ny sasany amin’ireo fomba ampiasain’i Satana mba hikatsahana handisoana fanantenana an’izao tontolo izao ankehitriny.

Official portrait of Elder Gary E. Stevenson of the Quorum of the Twelve Apostles, 2015.

Ohatra, sarontsaronany ny voka-dratsy manimban’ny zava-mahadomelina na ny fisotroana ka lazainy fa hitondra fahafinaretana kosa izany. Arobony ao anatin’ny singa ratsy maro karazana izay hita ao anatin’ny tambazotran-tserasera isika, anisan’izany ny fampitahana mandrava sy ny zava-misy lazaina fa lafatra loatra. Ankoatra izany, dia ataony tsara afina ireo votoatin-javatra maizina sy manimba hita ao amin’ny internet toy ny pôrnôgrafia, sy ireo fanafihana mibaribary ny hafa amin’ny alalan’ny fandrabiana ao amin’ny internet, ary ny famafazana fampahalalana diso mba hiteraka ahiahy sy tahotra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika.

(Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 95)

Lioka 21:26 . Ahoana ny fomba hanoherako ny tahotra mba hiatrehako ny hoaviko amin’ny finoana?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson momba ny maha zava-dehibe ny fitazomana ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mandritra ny fotoanan’ny fisalasalana:

Official portrait of Elder Gary E. Stevenson of the Quorum of the Twelve Apostles, 2015.

Mazava ho azy, fa voaro tanteraka isika rehefa mifamatotra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy! Ny fiainana tsy misy an’ Andriamanitra dia fiainana feno tahotra. Ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra dia fiainana feno fiadanana.

(Russell M. Nelson, “Raiso am-pinoana ny ho avy,” Liahona, nôv. 2020, 75)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fanombohana hafa: mandrakitra ny teny mba hisorohana ny fahadisoam-panantenana

Vakio ity lisitra mitanisa hevi-diso manaraka ity. Hazavao ny antony mahadiso azy ireo.

  • Tsara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, saingy mbola maro koa ireo zavatra eo amin’ny fiainana no manan-danja kokoa.

  • Maniry ny hanao ny tsara eto amin’izao tontolo izao aho, saingy tsy manana zavatra be hatolotra.

  • Mahaliana i Jesoa Kristy, saingy heveriko fa tsy miraharaha ahy manokana Izy.

  • Mbola ho ela izany Fiaviana Fanindroany izany. Tsy mila mieritreritra momba izany mihitsy aho.

Asao ireo mpianatra mba hanao lisitra ireo hevi-diso hafa fahita ankehitriny eto amin’izao tontolo izao.Rehefa avy eo dia asao izy ireo hikaroka ny soratra masina na ny teny nataon’ireo mpaminany sy apôstôly izay afaka manampy azy ireo mba hiala amin’ny fahadisoam-panantenana amin’ny alalan’ireo hevitra ireo.