Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 9


Famerenana fifehezana fotopampianarana 9

Fanaovana fampiharana manakatra sy manazava ny fahamarinana

Sary
Two young men are talking to each other. They are seated outside.

Ahitana fahamarinana manan-danja momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo fahatakarana bebe kokoa momba ireo fahamarinana ireo ary manampy anao hanao fampiharana hanazava izany amin’ny hafa.

Fanaovana fampiharana manazava. Ny fanomezana fahafahana ireo mpianatra hanao fampiharana manazava ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy dia afaka manampy azy ireo hamantatra ny zavatra fantany momba ny fahamarinana iray ary hampitombo ny fahatokisan-tenany amin’ny fizarana ny fahalalany amin’ny hafa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianarany vao haingana ary hanazava izany amin’ny olona iray.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana fandaminana ny hafainganam-pandehan’ny fampianarana izay nomen’ny tale na ny mpiandraikitra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny seminera.

Asao ny mpianatra iray hampiseho fahaiza-manao izay nilàna fanazaran-tena vao nitombo, toy ny mitendry zavamaneno na mihira.

Fampitomboana fahaiza-manao

  • Inona no zavatra tena hainao?

  • Ahoana no nahatonga anao nahay izany?

Ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fomba hampitomboana ny fahaiza-manao.

Sary
Official portrait of Elder Gary E. Stevenson of the Quorum of the Twelve Apostles, 2015.

Mba hahatonga ny olona iray ho tena mahay amin’ny zavatra iray na inona izany na inona dia mitaky fifehezan-tena tsara, fahafoizan-tena ary ora maro tsy voaisa eo amin’ny fiofanana sy fanazaran-tena izany ankoatra ny talenta voajanahary.

(Gary E. Stevenson, “Ny boky mirakitra ny tetikadinareo ao amin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2019, 47)

  • Ahoana no mety hampiharana izany amin’ny fandalinanao ny soratra masina?

  • Hatraiza ny fahatokisanao ny fahaizanao manazava ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’ny hafa?

Aza misalasala misafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa ho an’ireto sahanasa manaraka ireto.

Anio ianao dia hampiasa andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanamafisana ny fahatakaranao ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy, ary hampihatra ny fanazavana ireo fahamarinana ireo amin’ny hafa. Voalohany dia mety hanampy ny mamerina mijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaranao vao haingana. Andramo ampifandraisina amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifanaraka aminy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Aza misalasala misafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa ho an’ireto sahanasa manaraka ireto. Ny valin’ny sahanasa fampifandraisana dia 1-D, 2-B, 3-A, 4-E.

1. Matio 11:28–30

A. “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

2. Matio 16:15–19

B. Ary hoy Jesoa taminy: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

3. Jaona 7:17

D. “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

4. Matio 22:36–39

E. “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Manakatra andinin-tsoratra masina

Hevero ny hanao ireto sahanasa manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy. Manorata andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eny amin’ny solaitrabe (alohan’ny fotoam-pianarana, raha azo atao). Zarao ity torolàlana manaraka ity ary asao ny mpianatra hanoratra ny fanontanian’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Manorata fanontaniana betsaka araka izay azonao atao momba ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana . (Ahitana izao manaraka izao ny ohatra amin’ireo fanontaniana mety azonao apetraka: Inona no hevitr’io andian-teny io? Iza no niresahan’ny Mpamonjy, ary nahoana? Inona no fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy, ary nahoana? Rahoviana no mety hanampy ahy io fampianarana io?)Mitadiava valin’ireo fanontanianao ireo amin’ny fampiasana loharanom-pahalalana toy ny andinin-tsoratra masina hafa, vavaka, fanampiana amin’ny fandalinana ny filazantsara, ary olona atokisanao. Soraty izay valiny hitanao.

Zava-dahibe ny mitadidy fa tsy hita avy hatrany avokoa ny valiny rehetra. Mitaky fotoana fanampiny, fandalinana fanampiny ary fanambarana ho an’ny tena manokana ny sasany. Na izany aza, ny fanaovana fampiharana mametraka fanontaniana sy mikatsaka valiny dia afaka manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra ary manampy anao hitombo amin’ny fahaizanao mizaka tena ara-panahy.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Avy eo dia asao izy ireo hanao samirery io sahanasa io amin’ny fampiasana andinin-tsoratra masina hafa. Na mety mahasoa ny manome ny mpianatra tsirairay ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nanaovana famerenana ary avy eo dia mizara ny mpianatra ho vondrona, ka omena andinin-tsoratra masina samy hafa avy ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay vondrona.

Manazava ny fahamarinana

Ampifanaraho amin’ny zavatra iainana ity sahanasa manaraka ity amin’ny alalan’ny fametrahana valopy manodidina ny efitrano ary asio andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay avy ao anatin’ny valopy. Omeo andraikitra ny mpianatra tsirairay handalina ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Zarao ho vondrona maromaro ny mpianatra ary hamarino tsara raha nahazo andinin-tsoratra masina samy hafa ny mpianatra tsirairay ao amin’ilay vondrona. Asao ireo vondrona hijery ny valopy tsirairay. Rehefa avy nosokafan’izy ireo izany dia asaivo manazava amin’ny vondrona rehetra ny hevitr’ilay andinin-tsoratra masina sy ny zavatra nianarany momba izany ilay mpianatra ao amin’ny vondrona izay nandalina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tao ao anatin’ilay valopy.

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray mamaky ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay vao avy nianaranao teo nefa sahirana manakatra ny hevitr’izany sy mamantatra ny maha-zava-dehibe izany amin’ny fiainany. Manontany anao momba izany izy ireo.

Manorata fanazavana momba ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ho an’ilay namanao. Alaivo antoka ny fitadiavana ireo fahamarinana manan-danja ary hazavao ny antony maha-zava-dehibe izany ho anao.

Fanaraha-maso ny fampiharana

Saintsaino io zavatra niainana io izay nikatsahana ny hahatakatra sy hanazava lalindalina kokoa ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Inona no fiantraikan’ny fampitomboana ny fahatakaranao amin’ny fahaizanao manazava ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara?

  • Inona no azonao atao amin’ny ho avy mba ho vonona hanazava amin’ny hafa ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezina fotopampianarana sy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa?

Hamoaka printy