Seminera
Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21


Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21

Topimaso

Namaly ny fanontanian’ireo mpianany mikasika ny Fiaviany Fanindroany i Jesoa Kristy rehefa niresadresaka nitokana tamin’izy ireo tao an-Tendrombohitra Oliva. Nandidy azy ireo Izy mba “tsy hatahotra” (Joseph Smith—Matio 1:23). Nampianatra ny fomba hiomanana amin’ny fiverenany koa Izy, ka nizara ny fanoharana momba ny virijiny folo, ny talenta, ary ny ondry sy ny osy. Ity herinandro ity dia ahitana famerenana fifehezana fotopampianarana mba hanampiana anao hahatakatra sy hanazava ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny zavatra mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Joseph Smith—Matio

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ireo famantarana ny fiaviany sy hiandrandra ilay andro izay hiverenany eto an-tany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Joseph SmithMatio 1:22–55 ary handinika ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

  • Fitaovana: Sary kely omena ny mpianatra tsirairay mampiseho ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, raha azo atao

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asao ny mpianatra hanokana iray minitra hanoratana amin’ny taratasy iray teny na andian-teny maro araka izay tonga ao an-tsainy izay hamaly ireo fanontaniana roa voalohany ao amin’ny lesona. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny iray amin’ireo teny na andian-teny nosoratany ary hanazava ny antony nanoratany izany.

Joseph Smith—Matio 1:21–37; Lioka 21:25–36

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra tsy ho diso fanantenana sy handresy ny tahotra mikasika ireo zavatra mitranga amin’ny andro farany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanombatombana hoe nanampy azy ireo tamin’ny fomba ahoana ny tanjona napetrany handalinana ny soratra masina. Afaka manombatombana ihany koa ny mpianatra raha toa ka sahirana izy ireo amin’ny fihazonana ny tanjony ary ahoana no tian’izy ireo hivoarana amin’izany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Asehoy amin’ny diapositive ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Lioka 21 sy ireo fehezan-teny mifanaraka amin’izany. Vakio mafy ny andinin-tsoratra masina iray dia anontanio hoe inona ny fehezan-teny mamintina izany indrindra, ary asao ny mpianatra hamaly ao amin’ny fonction chat amin’ny alalan’ny a, b, na d.

Matio 25:1–13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanomanany ny tenany hihaona amin’ny Tompo rehefa tonga indray Izy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanome isa ny tenany amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (midika hoe tsy manaiky ianao ny isa 1; midika hoe manaiky ianao ny isa 10) amin’ity fehezan-teny manaraka ity: “Mahatsapa ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany aho.” Asao izy ireo hisaintsaina ny antony nanomezany izany isa izany ho an’ny tenany.

  • Taratasy zaraina: Taratasy zaraina mikasika ny fanala

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy nanoratra ny fanoharana momba ireo virijiny folo izay nataony amin’ny endriny mifanaraka amin’izao vaninandro izao ny mpianatra dia hevero ny hangataka mpianatra iray hisafidy izay fanoharana tiany hohenoina. Na, raha tian’izy ireo kokoa, dia azony atao ny manondro ambony, ambany, miankavia, na miankavanana, ary azo angatahina hizara izany izay mpianatra mipoitra ao amin’ny solosain’ny mpampianatra araka izay faritra voatondro izay. (Fanamarihana: tsy voatery hitovy foana ny fisehon’ny filaharan’ny mpianatra ao amin’ny solosaina rehetra.) Raha tiana dia azo averina io sahanasa io.

Matio 25:14–46

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ireo fahamarinana avy amin’ny fanoharana momba ny talenta sy ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy. Afaka manampy ireo mpianatra hiomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ihany koa izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny fanoharana momba ny talenta (jereo ny Matio 25:14–30) na ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy (jereo ny Matio 25:31–46) ary hiomana hizara ny lesona nianarany avy amin’ny fandalinana nataony.

  • Taratasy zaraina: Taratasy zaraina mikasika ny fanoharana momba ny talenta sy ny fanoharana mikasika ny ondry sy ny osy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny ho vondrona ny mpianatra amin’ny fampiasana zana-bondrona, miara-mivory mba handalinana ireo fanoharana roa ireo. Dia miverena miaraka daholo indray avy eo mba hifanakalo hevitra momba izany. Raha mamela ny hanaovana izany ny teknolojia, dia miezaha mitsidika ireo vondrona samihafa mba hankaherezana sy hitarihana azy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa momba ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Afaka manampy ireo mpianatra hanao fampiharana hanazava ireo fahamarinana ireo amin’ny hafa ihany koa izany.

Fanamarihana: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana fandaminana ny hafainganam-pandehan’ny fampianarana izay nomen’ny tale na ny mpiandraikitra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny seminera.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianarany vao haingana ary hanazava izany amin’ny olona iray.

  • Fitaovana: Ilay sahanasa fampifandraisana ny fifehezana fotopampianarana haseho eny amin’ny solaitrabe

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Alohan’ny fotoam-pianarana dia manasà mpianatra efatra hilalao an-tsehatra ny andraikitr’ireo namana ao amin’ilay sahanasa fanazavana. Asaivo mifandimby manontany ny hevitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izy ireo ary mamela ireo mpianatra ao an-dakilasy hamaly.

Hamoaka printy