Seminera
Matio 23


Matio 23

Manameloka ny fihatsarambelatsihy ny Mpamonjy

Jesus talking to Pharisees in Jerusalem. Movie still from The Life of Jesus Christ Bible Videos.

Nandritra ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoana izay nataony teto an-tany dia nanameloka ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hisoroka ny fihatsarambelatsihy sy ho mpanara-dia feno fanetren-tena an’i Jesoa Kristy.

Fahatakarana ny sahan-kevitra fonosin’ny soratra masina. Afaka manampy ireo mpianatra mba hahatakatra tsaratsara kokoa ny Testamenta Vaovao ny fianarana momba ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. Hanomana ireo mpianatra mba hahafantatra ny hafatr’ireo mpanoratra nentanim-panahy ny fahatakarana ny sahan-kevitry ny soratra masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona izay miezaka manaraka ny Mpamonjy amin’ny fahatsoram-po sy ny finiavana madio rehefa manao soa ho an’ny hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Raha toa ka afaka manome tombony bebe kokoa ireo mpianatra ny fianarana momba ny fiarovana izay atolotry ny Mpamonjy antsika noho ny fampianarany momba ny fihatsarambelatsihy, dia hevero ny hampianatra ny sahanasa izay hita ao amin’ny Matio 23:37 ao amin’ny fizarana “Sahanasa Fianarana Fanampiny”.

Inona no atao hoe fihatsarambelatsihy?

Manomana kaopy tsy mangarahara anankitelo. Lotoy ny ivelan’ilay kaopy voalohany sy ny ao anatin’ilay kaopy faharoa ary avelao ho madio ilay kaopy fahatelo. Asehoy ireo kaopy, ary anontanio ny iray kilasy hoe iza amin’ireo kaopy no tian’izy ireo hisotrona zavatra. Manasà mpianatra anakiray mba handinika ny ao anatin’ireo kaopy ireo ary hanazava ny heviny momba ny kaopy izay nosafidiany hisotroany zavatra ary nahoana.

Photo of three cups. One that is dirty on the inside, one that is dirty on the outside, and one that is clean
  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ireo kaopy maloto ny mpihatsaravelatsihy?

Rehefa mifanakalo hevitra momba ny fihatsarambelatsihy ireo mpianatra dia tokony hijery ny ao anatin’’izy ireo ary hifantoka amin’ny tenanizy ireo manokana. Sorohy ny mety hanendrikendrehan’ireo mpianatra ny hafa ho mpihatsarambelatsihy.

Ny teny hoe mpihatsaravelatsihy dia nadika avy tamin’ny teny Grika izay midika hoe “mpilalao sary mihetsika na tantara” ary anehoana ny olona anankiray izay mody misary, na mampitombo zavatra, na mamitaka ka tsy manao zavatra araka ny fihetsika izay asehony. Amin’ny “ankapobeny dia entina milaza olona anankiray izay milaza ny tenany ho mpivavaka kanefa tsy izany akory” (Bible Dictionary, “ Mpihatsaravelatsihy ”). Izy io dia afaka ilazana ihany koa olona anankiray izay milaza ho tsy mpivavaka kanefa izy dia tena mpivavaka be mihitsy.

Rehefa mianatra ny Matio 23 , dia tadiavo ny fahamarinana izay afaka hanampy anao hisoroka ny fihatsarambelatsihy ary mba hahatonga anao ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Tamin’ny ampahan’ny hafatra ampahibemaso farany izay nomen’ny Mpamonjy nandritra ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoana izay nataony teto an-tany, dia nanameloka ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo Izy. Nasongadiny fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo dia “[nipetraka] eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy” ( Matio 23:2), izay midika fa nitana ny toeran’ny manam-pahefana hampianatra ny fotopampianarana sy handika ary hitantana ny lalàna izy ireo. Nihevitra ny tenany ho mendrika kokoa noho ny olon-drehetra tao amin’ny synagoga izy ireo.

Vakio ny Matio 23:3–7 , ka tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy momba ireo fomba izay naha-mpihatsaravelatsihy an’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo. Mialohan’ny hamakianao azy, dia mety hanampy anao ny fahalalana ny atao hoe “fylakitera” ( andininy faha 5) dia boaty hoditra kely misy tady ahafahana mamatotra azy eo amin’iny andrina na amin’ny sandry havia izay nampiasain’ireo Jiosy fahiny. Nisy horonan-taratasy kely izay nahitana andinin-tsoratra masina manokana avy ao amin’ny Testamenta Taloha tao anatin’ireo fylakitera. Ny Jiosy dia nanisy an’ireny fylakitera ireny mba hanampy azy ireo hahatsiaro hitandrina hatrany ny didin’ Andriamanitra.

Combined image of two men wearing phylacteries and an image of the wailing wall in Jerusalem

Rehefa avy mamaky ianao, dia mety te hijery ihany koa ny horonan-tsary “Phylacteries” (1:06), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Combined image of two men wearing phylacteries and an image of the wailing wall in Jerusalem
  • Araka ny andininy faha 5 , dia nahoana no nampitomboan’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo ny fylakiteran’izy ireo sy ny “somotraviaviny”?

Tsy nanameloka ireo izay nanao fylakitera ny Tompo fa kosa nanameloka ireo izay nampiasa izany tamim-pihatsarambelatsihy na nampitombo ny haben’izany mba ho tsikaritry ny hafa rehefa anaovan’izy ireo izany.

  • Inona avy ireo loza sasantsasany ateraky ny fanompoana an’ Andriamanitra amin’ny fanasongadinana asa ety ivelany mba ho voamariky ny hafa?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ Andriamanitra hanompo Azy amim-pahatsorana sy amim-pahamarinana ianao?

Ankoatra ny fampitandremana ny olona mba tsy hanaraka ny fihetsika izay nasehon’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, dia niresaka mivantana tamin’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo ihany koa ny Mpamonjy. Nilaza loza maromaro izay hanjo azy ireo Izy noho ny fihatsarambelatsihin’izy ireo (jereo ny Matio 23:13–33). Loza dia midika ho fahantrana, fahoriana ary alahelo.

Vakio ny Matio 23:23–28 , ary tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy tamin’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo.

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’ireo andininy ireo ny fahatakaranao ny fihatsarambelatsihy?

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa ny olana anankiray amin’ny fihatsarambelatsihy dia izy misakana antsika tsy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa mihatsaravelatsihy isika, dia mifantoka kokoa amin’ny fomba fisehoantsika amin’ny hafa fa tsy izay tena ahatongavantsika.

  • Inona no zavatra mety holazainao amin’ny olona iray zay manahy ny ho lasa mpihatsaravelatsihy rehefa manao fahadisoana nefa izy mba miezaka ihany hiaina ny filazantsara?

Raha mila fanampiana ireo mpianatra amin’io fanontaniana eo ambony io, dia zarao ny lahateny izay nataon’ny Loholona Jeffrey R Holland izay hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Ahoana no fomba ahafahantsika misoroka sy mandresy ny fihatsarambelatsihy

Tsy toa ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, tsy mba nihatsaravelatsihy mihintsy ny Mpamonjy. Nampianatra ny olona mba tsy hihevitra ny tenany ho tsara noho ny hafa Izy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa izy ireo, ary mitovy tanteraka eo imasony. Nijoro ho vavolombelona Izy fa ny Ray any An-danitra no Mpahary antsika ary Izy, Kristy dia nirahin’ny Ray ary Izy no tena Tompontsika izay manome fiainana (jereo ny dikantenin’i Joseph Smith, Matio 23:6 [ao aminny Matio 23:9 , fanamarihana ambany pejy’ a]; Matio 23:8–10).

Vakio ny Matio 23:11–12 , ary mitadiava fampianarana izay afaka hanampy antsika handresena sy hisorohana ny fihatsarambelatsihy. Ao amin’ny andininy 12 , ny teny hoe manandratra dia midika ho mampiakatra, ary ny manetry dia midika ho mampidina, afabaraka na tsy mihaja.

  • Inona araka ny hevitrao no fitsipika izay ampianarin’i Jesoa Kristy antsika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Nampianatra ny Mpamonjy fa raha manetry tena sy manompo ny hafa isika, dia hanandratra antsika indray ny Tompo. Hanampy antsika mba ho tonga tahaka Azy kokoa Izy, ary amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny sy ny fibebahana marina no hanandratan’ Andriamanitra antsika any amin’ny fanjakana seletialy.

  • Ahoana no fomba ahafahana milaza fa i Jesoa Kristy dia ohatra amin’ny fanetren-tena sy ny fanompoana ny hafa, ary ny fisorohana ny fihatsarambelatsihy?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fanetren-tena sy ny fanompoana ny hafa hanampy anao hiala amin’ny fihatsarambelatsihy sy mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Asehoy ireto teny manaraka ireto, ary asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny amin’ny zavatra izay hitan’izy ireo matetika. Amporisiho ireo mpianatra mba hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa misaintsaina. Ampahatsiahivo azy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary te hanampy azy ireo handresy ny fihatsarambelatsihy. Azon’ireo mpianatra atao ny mirakitra ny eritreriny ao anaty diary fandalinana soratra masina.

  • Miseho ho olona tsy izaho akory aho.

  • Manao ny tsara aho mba hohitan’ny hafa.

  • Matetika aho no mieritreritra fa tsara noho ny hafa.

  • Na dia manao fahadisoana aza aho dia miezaka amim-pahatsorana hiaina ny filazantsara hatrany.

  • Miezaka ny manompo ny hafa aho ary tsy miandry fankasitrahana.

  • Miezaka ny manetry tena aho ary tsy mieritreritra ny tenako ho tsara noho ny hafa.

Mangataha fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mahita zavatra izay azonao hatsaraina . Tadidio fa tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary mahita ireo ezaka ataonao amin’ny fiainana ny filazantsara. Rehefa mangataka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra ianao, dia hanampy anao handresy zay mety ho fahalemena na fihatsarambelatsihy Izy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no fomba nijeren’ny Mpamonjy ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo mpihatsaravelatsihy?

Tao amin’ny lahateniny “Ny Feo Fampitandremana,” izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fomba nanamelohan’i Jesoa ny fihatsarambelatsihy izay nataon’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo ( Liahona, mey 2017, 108–11).

15:15

Mihatsaravelatsihy ve aho raha manao fahadisoana rehefa miezakamiaina ny filazantsara?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ry rahalahy sy anabavy, maniry ny hanana fiainana tahaka ny an’i Kristy kokoa isika tsirairay avy nefa matetika tsy vitantsika ny miaina an’izany. Raha miaiky izany amin-kitsimpo isika ary miezaka ny hivoatra dia tsy ho mpihatsaravelatsihy intsony isika, fa olombelona.

(Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo—amin’ny farany,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 42)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa azo hanombohana ny lesona

Ampio ireo mpianatra mba hanombana ny olana mety hitranga amin’ireto tranga tsirairay manaraka ireto. (Raha iriana izany, dia hevero ny hanova ireo tranga ireo mba hifanaraka amin’ny fomba amam-panao sy fomban-drazana misy eo an-toerana izay mety hisy fiantraikany tsaratsara kokoa amin’ireo mpianatra.)

  1. Ny olona manatrika fivoriam-piangonana nefa mieritreritra kokoa ny hahitan’ny hafa azy noho ny fitsaohana an’ Andriamanitra

  2. Mpikambana iray izay milaza ho manohana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana nefa avy eo mitsikera ny fanapahan-kevitr’izy ireny

  3. Olona mandefa votoatin-javatra amin’ny media sosialy izay manitatra ny hatsarany

Rehefa avy nanombana ireo tranga ireo ny mpianatra, dia hazavao ny atao hoe mpihatsaravelatsihy, ary jereo raha afaka mamaritra ny maha fihatsarambelatsihy ireo tantara ireo ny mpianatra. Avy eo atomboho ny fianarana ny Matio 23 .

Tanànan’i Potemkine sy ny fihatsarambelatsihy

Fonyizy mbola nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ny Filoha Dieter F. I Uchtdorf dia nampiasa ny tanànan’i Potemkin ho ohatra mba hampianarany ny maharatsy ny fihatsarambelatsihy. Hevero ny hijery ny horonan-tsary “On Being Genuine,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 0:00 ka hatramin’ny minitra faha 4:59. Afaka mizara zavatra izay nianarany momba ny fihatsarambelatsihy sy ny fomba ahafahantsika misoroka izany ireo mpianatra avy eo.

17:51

Matio 23:37 . “Na dia ho tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany”

Ao amin’ny Matio 23:34–39 dia nampitandrina ny mponin’i Jerosalema ny Mpamonjy noho izy ireo nandà ny mpaminany, dia havela ho lao izy ireo.

A mother hen and her baby chicks.

Asehoy ny sary maneho reny akoho sy ny zanany ary mametraha fanontaniana hoe: “Ahoana no iarovan’ny reny akoho ny zanany?”

Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Matio 23:37–39 , ary hitady ny fomba namalian’ny mponina tao Jerosalema ny ezaka izay nataon’i Jesoa hanangona azy ireo tahaka ny fanangonan’ny reny akoho ny zanany.

Nomen’i Jesoa hafatra mitovy amin’izany ny vahoakan’ny Bokin’i Môrmôna. Ireo olona izay nandà ny mpaminany dia maty avokoa nandritra ny fandringanana taorian’ny nahafatesany (jereo ny 3 Nefia 9:1–12). Taorian’izany dia notoloran’ny Mpanavotra fanasana ireo rehetra izay voatsimbina.

Asao ireo mpianatra hamaky ny 3 Nefia 9:13–14 ; 10:4–6 , mba hitady ny fanasan’ny Mpamonjy.

Hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona no zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo fomba ahafahan’ny Mpamonjy manangona, miaro, ary mamonjy antsika?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahana milaza fa ny fanarahana ny mpaminany dia fomba iray ahafahantsika mahazo ny fiarovan’ny Mpamonjy?

  • Inona no zavatra hataonao mba hiangonana ao amin’ny Mpamonjy ka hahafahanao manohy mandray ny fiahiany sy ny fiarovany?

  • Inona no fiantraikan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy?