Seminera
Matio 21:12–16


Matio 21:12–16

Manadio ny tempoly i Jesoa

Jesus turning over a table of a money changer in the temple. Outtakes include images of Christ alone and with the crowd of merchants and buyers fleeing, people buying goods, and people looking.

Raha tonga tao Jerosalema tamin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainany i Jesoa dia nanadio ny tempoly fanindroany Izy ary nanasitrana ireo izay nanatona Azy. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatsapa faniriana tsy mitsaha-mitombo mba hametraka ny tempoly ho toerana masina izay ahafahanao mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy hampatanjaka ny finoanao Azy.

Manampy ireo mpianatra hanatontosa ny anjara asany. Rehefa manomana ny lesona tsirairay ianao dia mifantoha amin’ny anjara asan’ny mpianatrao amin’ny fianaran’izy ireo manokana. Mba tsy hametrahanao ny fanontaniana hoe: “Inona no hataoko any am-pianarana anio?” na, “Inona no hampianariko ny mpianatro?” dia azonao atao ihany koa ny mametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona no azon’ny mpianatra atao mba hanatonany kokoa ny Mpamonjy?” sy ny hoe “Inona no hataon’ny mpianatra mandritra ny lesona anio mba hanasany ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo?”

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fotoana farany indrindra nitsidihan’izy ireo tempoly. Raha tsy mbola nandeha tany amin’ny tempoly mihitsy izy ireo dia asao mba hisaintsaina izay eritreretiny ho endrik’izany hoe mankany amin’ny tempoly izany izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Manadio ny tempoly i Jesoa

Mandritra ny fampaherezam-panahy, dia azonareo atao ny manao hira mahakasika ny tempoly, ohatra “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny kilonga, 95). Asehoy ny sarin’ny tempoly iray ao amin’ny vondromparitra izay misy anao ary asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo mahakasika ny tempoly. Ireo sarin’ny tempoly dia azonao jerena ao amin’nytemples.ChurchofJesusChrist.org.

Nankany Jerosalema i Jesoa mba hankalaza ny fetin’ny Paska ary nitsidika ny tempoly Izy. Ireo mpivavaka izay tonga tao Jerosalema dia nila nanakalo ny volany amin’ny sandam-bola izay azony ampiasaina ao amin’ny tempoly mba hividianana biby hatao sorona izay hataon’ny mpisorona ho azy ireo. Na dia nilaina sy natao ho an’ny tanjona tsara aza izany raharaham-barotra izany dia tsy mendri-kaja ny fanaovana izany tao amin’ny tempoly. Namaly indroa miantaona ny zavatra izay hitany tao amin’ny tempoly i Jesoa: ny voalohany dia tany am-piandohan’ny fotoana nanompoany (jereo ny Jaona 2:13–16) ary ny faharoa dia tamin’ny herinandro farany nahavelona Azy (jereo ny Matio 21:12–13).

Vakio ny iray na izy roa amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ka tadiavo ny fomba nentin’ny Mpamonjy namaliana ny zavatra izay hitany tao amin’ny Tempoly. Mety maniry ihany koa ianao hijery ny horonan-tsary “Jesus Cleanses the Temple” (1:54), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Io horonan-tsary io dia mampiseho ny tantara ao amin’ny Jaona 2.

Cordoba Argentina Temple celestial room
  • Inona ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny famakianao ireo tantara roa ireo mahakasika ny fahatsapan’ny Mpamonjy momba ny Tempoly?

  • Araka ny hevitrao dia nahoana no io fomba io no nosafidian’ny Mpamonjy mba hamaliana ny zavatra izay nitranga tao amin’ny Tempoly?

  • Inona ny fahamarinana izay nianaranao avy tamin’ny teny izay nataon’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony tao amin’ny Tempoly?

Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny fahamarinana izay hitany eny amin’ny solaitrabe. Mety nahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity izy ireo: Ny Tempoly dia tranon’ Andriamanitra ary toerana masina.

Nampianatra momba ny maha masina ny tranon’ny Tompo ny Filoha Russell M:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo. Ny fototry ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana rehetra atao any amin’ny temoly—ny ivon’ny drafitry ny famonjena mihitsy—dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny hetika rehetra izay ataontsika, ny lesona, ny zavatra rehetra izay ataontsika ao am-piangonana, dia manondro ny Tompo sy ny tranony masina avokoa. …

… Mitaky ny fiarovana ny Tempoliny amin’ny fanimbazimbana azy ny Mpanavotra antsika. Tsy misy zavatra tsy madio ka afaka miditra ao amin’ny tranony masina. Kanefa izay rehetra tsara fiomanana dia ho raisina an-tanan-droa avokoa.

(Russell M. Nelson, “Personal Preparation for Temple Blessings,” Ensign, May 2001, 32–33)

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny teny izay nataon’ny Filoha Nelson manampy antsika hahatakatra kokoa ny fihetsika izay nasehon’ny Mpamonjy mahakasika ny Tempoly?

  • Nahoana araka ny hevitrao no mitaky ny fahamendrehantsika ny Tompo rehefa hiditra ny Tempoliny isika?

Zarao ny zavatra izay efa niainanao manokana momba ny maha masina ny Tempoly. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra izay efa niainany. Ampahatsiahivo ireo mpianatra mba tsy hizara zavatra saro-pady na tsiambaratelony manokana.

Asehoy ity teny nataon’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary saintsaino ny zavatra izay tian’ny Tompo hataonao. Azonareo atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary “Exceeding Great and Precious Promises,” izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, avy amin’ny minitra faha 10:08 ka hatramin’ny 11:17, na vakio ity teny notsongaina manaraka ity.

2:3
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny Tempoly no toerana masina indrindra amin’ny toerana fitsaohana rehetra eto an-tany. Ny tempoly dia tranon’ny Tompo ara-bakiteny, toerana masina iray natokana hitsaohana an’ Andriamanitra ary handraisana sy hahatsiarovana ireo fampanantenany sady soa no lehibe.

… Ny tena ivon’ny fitsaohana ao amin’ny tempoly dia ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy sy ny fianarana mikasika ireo fanekempihavanana, ny fandraisana ary ny fahatsiarovana azy ireny. Ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny akanjo izay anaovantsika any amin’ny tempoly dia tsy mitovy amin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika ary ny akanjo anaovantsika any amin’ireo toerana hafa mety falehantsika.

Ny tanjona voalohan’ny tempoly dia ny hampisondrotra ny fijerintsika miala eo amin’ireo zavatr’izao tontolo izao mankany amin’ireo fitahiana avy amin’ny mandrakizay.

(David A. Bednar, “Fampanantenana lehibe sy sarobidy indrindra,” Ensign na Liahona, nôv. 2017, 92)

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny valin-teniny amin’ity fanontaniana manaraka ity ary handray an-tsoratra ireo eritreriny sasany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

  • Inona ny zavatra tsapanao fa tian’ny Tompo ho fantatrao, tsapanao, na hataonao noho ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny lesona momba ny toetra masina izay ananan’ny Tempoly?

Nanasitrana ny jamba sy nandringa i Jesoa

Vakio ny Matio 21:14 , ka tadiavo ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy rehefa avy nanadio fanindroany ny tempoly Izy. Ny teny hoe “mandringa” dia ilazana ireo olona malemy na manana fahasembanana rehefa mamindra.

Mariho ny fomba nentin’ny Mpamonjy nanasitrana ireo mpanara-dia azy teo akaikin’ny Tempoly.

  • Karazam-panasitranana hafa toy ny ahoana no azontsika iainana avy amin’ny fampiharantsika ny finoantsika Azy sy ny fanaovantsika ny asan’ny tempoly?

Nanazava ny fanasitranana izay azontsika raisina noho ny fandraisantsika anjara ao amin’ny tempoly sy ny asan’ny tantaram-pianakaviana ny loholona Dale G. Renlund avy amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Jereo ity horonan-tsary manaraka ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 3:49 ka hatramin’ny minitra faha 4:09, na vakio ity teny natao manaraka ity.

2:3
Official portrait of Elder Dale G. Renlund of the Quorum of the Twelve Apostles, January 2016.

Eo am-pandraisantsika anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asan’ny tempoly ankehitriny, dia afaka ny handraykoa ireo fitahiana miendrika “fanasitranana” nampanantenain’ireo mpaminany sy apôstôly isika. Ireo fitahiana ireo dia mahavariana sy mampientanentana koa noho ny vokany sy ny toetoetrany manokana ary ny fiantraikany eto amin’ny fiainana an-tany.

Hevero ny hizara ny zavatra efa niainanao manokana izay mifandray amin’ny fitadiavana fanasitranana ao amin’ny tempoly.

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fitsaohana any amin’ny tempoly hanampy antsika ho sitrana amin’ny ratra ara-panahy sy ara-pihetseham-po izay mahazo antsika?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Matio 21:13. Nahoana i Jesoa no niteny fa nataon’ny vahoaka “zohy fieren’ny jiolahy” ny tempoly?

Ny fomba fiteny hoe “zohy fieren’ny jiolahy” dia manambara fa liana kokoa tamin’ny fahazoana tombom-barotra mihoatra ny fitsaohana an’ Andriamanitra sy fanampiana ny hafa mba hitsaoka Azy ireo mpanakalo vola sy ireo mpivarotra.

Tezitra ve i Jesoa rehefa nanadio ny tempoly?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nampianatra momba ny Mpamonjy nanadio ny tempoly. Jereo ity horonan-tsary manaraka ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 11:07 ka hatramin’ny minitra faha 11:35, na vakio ity teny notsongaina manaraka ity.

2:3
Frontal half-length portrait of President Gordon B. Hinckley. President Hinckley’s hands are resting on the back of a chair. The image is the official Church portrait of President Hinckley as of 1995. This was President Hinckley’s last official portrait. President Hinckley died 27 January 2008.

Ny fahatezerana dia mety azo hamarinina amin’ny toe-java-mitranga sasantsasany. Nitantara tamintsika ny Soratra Masina fa noroahin’i Jesoa ireo mpanakalo vola tao amin’ny tempoly, ka nilaza Izy fa “Ny tranoko dia atao ho trano fivavahana; fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy” ( Matio 21:13). Na dia teo aza izany dia natao ho fananarana kokoa io voalazany io fa tsy firehetany tamin’ny fahatezerana tsy voafehy akory.

(Gordon B. Hinckley, “Malain-kotezitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 66)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fitsidihana virtoaly ny tempoly

Asehoy ityhoronan-tsarymomba ny fitsidihana virtoaly ny tempolin’i Roma Italia ity mba hianarana bebe kokoa ny momba ny tempoly sy ny zavatra izay ataontsika ao. Ity sahanasa ity dia azo atao ho fanombohana ny lesona.

2:3

Fanasitranana azo avy amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana

Asehoy ityhoronan-tsarymomba ny nahitan’ny mpanoro hevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana iray ity ilay fampanantenana momba ny fanasitranana tamin’ny rahavavy iray izay nampiany tamin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Aorian’ny fijerena ilay horonan-tsary dia afaka asaina ihany koa ireo mpianatra mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fitadiavana ny anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviany sy ny fitondrana ireo anarana ireo tany amin’ny tempoly.

2:3

Hevero ny hizara ampahany amin’ilaylahatsoratra hoe “Miracles of Healing through Temple Ordinances” (Ensign, Septambra. 2020, 43–47), izay nosoratan’ny rahavavy Reyna I. Aburto ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany.

Fanadiovana ny tempolintsika manokana

Nampitaha ny tenantsika tamin’ny “Tempolin’ny Fanahy Masina” ny Apôstôly Paoly (jereo ny 1 Korintianina 6:19). Azon’ireo mpianatra atao ny mandinika ny fomba hanadiovany ny tempoliny manokana, izany hoe ny vatany, miaraka amin’ny fanajana lalina sy ny fahamehana izay nananan’i Jesoa rehefa nanadio ny tempoly tao Jerosalema Izy. Azon’ireo mpianatra atao ny mamerina mijery ilay kiboky Ho zatovo mahery ka mandinika ny zavatra izay tokony ho esoriny eo amin’ny fiainany mba ho masina kokoa sy hankamamiana ny fiarahana tsy tapaka amin’ny Fanahy Masina. Azo amporisihina ihany koa ireo mpianatra mba hametraka tanjona ara-panahy ho ampahany amin’ny fandaharan’asa ho an’ny ankizy sy ny zatovo izay hanampy azy ireo “hanome voninahitra an’ Andriamanitra amin’ny tena[ny]” ( 1 Korintianina 6:20).

Temples.ChurchofJesusChrist.org

Asao ireo mpianatra hitsidika io tranonkala io mba hahitany ny valin-teniny tamin’ilay fanontaniany momba ny tempoly. Ity sahanasa ity dia azo ampiasaina rehefa mamarana ny lesona. Azo amporisihina ihany koa ireo mpianatra mba hitsidika manokana ilay tranonkala. Soraty eo amin’ny solaitrabe ilay rohy.