Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Matio 22:36–39


Fifehezana fotopampianarana: Matio 22:36–39

Ireo didy roa lehibe

Sary
Jesus is shown with a group of people speaking to a scribe about the two great commandments. Outtakes: include close ups of people in the crowd. (Scene filmed at ext. the temple court of the Women)

Ao amin’ny Matio 22:36–39, dia nampianatra ireo didy roa lehibe ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia hanampy anao hampihatra ny fotopampianarana izay ampianarina ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hahatakarana ny fomba hankatoavana ireo didy roa dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny namanao.

Manampy ireo mpianatra hianatra ny fomba hahitana ireo valim-panontaniana. Ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hampianarana ireo mpianatra “ny fomba hikatsahana fahamarinana, sy ny fomba fisainana momba ny fampahalalana vaovao, ary ny fomba hahazoan’izy ireo ny valin’ireo fanontaniany manokana.” Ho solon’ny fanomezana ireo mpianatra ny valin’ny fanontaniana tsirairay avy, dia azonao saintsainina hoe inona no fanontaniana mety hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary hitarika azy ireo amin’ilay “lamina masina voatendry amin’ny famantarana fahamarinana” ho an’ny tena manokana (jereo ny Chad H Webb, “Doctrinal Mastery” [lahateny natao nandritra ny Fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, Jona 14, 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra any an-trano amin’ny alalan’ny fangatahana olona iray mba hametraka andiam-panontaniana amin’izy ireo na mampiasa ny application Fifehezana Fotopampianarana. Azo asaina ihany koa ireo mpianatra mba hanao zavatra araky ny drafitra izay napetrak’’izy ireo amin’ny fitandremana ireo didy roa lehibe.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao mba ho ampianarina ny mpianatra aorian’ny lesona mitondra ny lohateny hoe Matio 22:34–40, izay lesona miresaka ny sahan-kevitr’io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io. Raha toa ity lesona fifehezana fotopampianarana ity ka ilaina ahemotra amin’ny herinandro hafa mba hampifanarahana izany amin’ny fandaharam-potoana any an-tsekoly, dia ataovy izay hampianarana ihany koa ny lesona miresaka ny sahan-kevitra mifanaraka amin’izany mandritra ilay herinandro.

Tadidio ary hazavao

Azonao atao ny mampiasa ity sahanasa manaraka ity na sahanasa fohy iray hafa mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra.

Ataovy tsianjery ilay andian-teny fototra hoe “Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao” ho an’ny adinin-tsoratra masina Matio 22:36–39 .

Manaova sarina fo ary soraty eo ambanin’izany ny isa 1 sy 2. Eo akaikin’ny isa 1, soraty, “Tiava ny Tompo Andriamanitrao”;Eo akaikin’ny isa 2, soraty,“Tiava ny namanao.” Tondroy eo amin’ny fo, ary lazao ilay andinin-tsoratra masina. Avy eo, dia tondroy ny isa tsirairay. Rehefa manao izany ianao, dia lazao ny ampahany amin’ny andian-teny fototra izay mifandray amin’ilay isa. Avereno imbetsaka izany dingana izany.

Ny tanjon’ity fizarana manaraka ity dia ny hanasa ireo mpianatra hizatra hanazava fahamarinana amin’ny hafa, ka mety hahomby ny fanendrena ireo mpianatra mba handeha tsiroaroa na ho anatina vondrona.

Vakio ny Matio 22:36–39 , ary avereno tadidina ny fandalinanao ireo andininy ireo tany aloha.

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo? Ahoana ny fomba ahafahantsika mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nomena araka io filaharany io ireo didy roa ireo?

Fizàrana mampihatra

Hevero ny hamerina hijery vetivety miaraka amin’ny mpianatra ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Rehefa avy eo dia zarao mandeha tsiroaroa na vondrona kely ny iray kilasy ary asao ireo mpianatra mba hifandimby hilaza ireo fitsipika izay tadidiny. Asao ireo zay mazoto mba hamintina izany amin’ny tenin’izy ireo manokana.

Raha ilaina dia avereno jerena ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizarana “Fahazoana fahalalana ara-panahy” fizarana ao amin’ny ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianaran (2022).Amin’ny toe-java-mitranga sasantsasany, dia mety hanana olana amin’ny famantarana ny fomba fanarahana ireo didin’ Andriamanitra sy fanehoana fitiavana ho an’ireo izay tsy mankatò ny didin’ Andriamanitra isika.

Ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa:

Sary
Former Official Portrait of Elder Lynn G. Robbins. Photographed March 2017. Replaced October 2019 (with Telescope ID: 2298123)

Mampifamadika ny filaharan’ny didy lehibe voalohany sy faharoa (jereo ny Matio 22:37–39) ny fanaovana izay hahafaly ny hafa aloha, vao izay hahafaly an’Andriamanitra. Manadino izay tokony hitodihantsika ny fanaovana izany. Nefa dia samy nanao izany fahadisoana izany avokoa isika noho ny fahatahorana ny olona. …

Avy amin’ny fahatsiarovana ny filaharana marin’ny didy lehibe voalohany sy faharoa no hananana toetra mafy orina tsara. …

Nitodika tany amin’ny Rainy foana ny sain’ny Mpamonjy, ilay Ohatra lehibe ho antsika. Nitia sy nanompo ny mpiara-belona taminy Izy saingy nilaza hoe, “Tsy mandray laza avy amin’olona Aho” ( Jaona 5:41).

(Lynn G. Robbins, “Mitodika mankaiza ianao??,” Liahona, nôv. 2014, 9, 11)

Saintsaino ireto fanontaniana ireto mialohan’ny hanaovanao ity sahanasa manaraka ity.

  • Efa avy natahotra hanitsy am-pitiavana na hanoro hevitra ny namana iray ve ianao satria tsy te hanafintohina azy?

  • Efa nahatsapa ve ianao fa tsy maintsy nisafidy manoloana ny zavatra izay andrasan’ny olona aminao sy ny zavatra izay andrasan’ny Tompo aminao?

Omeo taratasy na karatra fandraisana naoty ireo mpianatra mba ahafahan’izy ireo hifanakalo izany amin’ny mpianatra hafa.

Manorata tantara ahitana olona misedra fahasarotana amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fanarahana ny didiny ary ny fanehoana fitiavana ny hafa ihany koa. (Fanamarihana: Aza mamorona tantara izay mety ho fantatry ny hafa fa mahakasika olona manokana na mitovy aminy.)

Raha ilaina dia misy ohatra ana tantara azo atao ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Entano ireo mpianatra mba hifanakalo an’ireo tantara sy hiresadresaka momba izany miaraka amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny kilasy. Ny fanaovana izany dia mety hanampy ireo mpianatra hifandray amin’ny tsirairay avy amin’izy ireo sy hanana fomba fijery lehibe kokoa. Azo angonina sy zaraina atao antsapaka ireo tantara (afaka manampy ireo mpianatra hahazo aina kokoa amin’ny fizarana ny tsy fitononana anarana).

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Saintsaino ny olona ao amin’ny tantara izay nosoratanao rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ianao.

  • Fiheverana toy ny ahoana no mety hitarika ny olona iray hisafidy ny hanao izay mahafaly ny hafa fa tsy izay mahafaly an’ Andriamanitra?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra na ireo fampianarana hafa ao amin’ny Filazantsara hanampy hamaha ireo fiheveran-diso ireo?

  • Inona avy ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy izay mety hanampy ilay olona mba hahita ny hafa avy amin’ny alalan’ny fomba fijerin’Izy ireo?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izaynofinidin’ Andriamanitra

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahamarinana ao amin’ny Matio 22:36–39 hanampy amin’ny fitarihana io olona io?

Vakio ireto fanambarana manaraka ireto izay avy tamin’ireo mpaminanin’ny andro farany mba hahitana ireo hevi-baovao izay mety hanampy ireo olona ao amin’ny tantara izay nosoratanao.Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Former Official Portrait of Elder Lynn G. Robbins. Photographed March 2017. Replaced October 2019 (with Telescope ID: 2298123)

Indraindray isika mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia tsikerain’ny olona amin’ny fihazonana mafy ny lalàn’ Andriamanitra, sy amin’ny fiarovana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ary amin’ny fanoherana ireo fanerena ara-piarahamonina amin’izao androntsika izao. …

… Kanefa moa ve tsy vao mainka tsy firaharahana avy amintsika raha toa ka tsy milaza ny marina isika—tsy mampianatra ny zavatra izay nambaran’ Andriamanitra?

(Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God [Ny fitiavana sy ny lalàn’ Andriamanitra]” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young , Septambra. 17, 2019], 3, speeches.byu.edu)

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara fa:

Sary
Former Official Portrait of Elder Lynn G. Robbins. Photographed March 2017. Replaced October 2019 (with Telescope ID: 2298123)

Tsy maintsy miezaka mitandrina ireo didy roa lehibe isika. Mba hahafahana manao izany dia mitandrina be isika rehefa mampifandanja lalàna sy fitiavana, izany hoe sady mitandrina ireo didy sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana no mitia ireo namantsika eo amin’izany lalana izany. Ity dia atao ity dia mitaky antsika hikatsaka fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra mikasika an’izay tokony hotohanana sy izay tokony holavina ary ny fomba hitiavana sy hihainoana amim-panajana ary hampianarana ao anatin’izany rehetra izany.

(Dallin H. Oaks, “Ireo didyroa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 75)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ireo fanambarana ireo manampy ny olona hita ao anatin’io rafi-tantara io?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no azon’ireo olona ao amin’io tantara io atao mba hahazoany ny fanampian’ny Ray any An-danitra hamantarany izay tokony atao?

  • Inona no tokony hataon’izy ireo mba hahafahany mitandrina ireo didy roa lehibe?

Raha nifanakalo tantara ireo mpianatra dia angony ireo tantara ary avereno amin’ilay mpianatra izay nanoratra izany, na apetraho eo ambony latabatra ary asao ireo mpianatra mba hangataka izany.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Amin’ny fotoam-pianarana manaraka, dia avereno jerena ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra mba hanao ny sahanasa tahaka ity manaraka ity:

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity andinin-tsoratra masina sy andian-teny manaraka ity ary fenoy ny banga rehefa avy eo. 

Matio 22:36–39 : “ Tia_____ an’i Jeh_______ Andr ____. … Tiava ny ________.”

Avereno tononina araka izay ilaina ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina. 

Sahanasa fianarana fanampiny

Tantara azo atao

Hevero ny hampiasa iray amin’ireto tantara manaraka ireto:

  • Nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’i Stanton, ary matetika izy no manao faran’ny herinandro miaraka amin’ny dadany. Tsy tian’ny dadany ny fandehanan’i Stanton mankany am-piangonana ary minia manisy fandaharam-potoana mifanindry amin’ny fanompoana any am-piangonana izy. Te hanokana fotoana miaraka amin’ny dadany i Stanton, saingy te hankatò ny Tompo amin’ny alalan’ny fandehanana any am-piangonana ihany koa izy.

  • Tsy mitsahatra mahatsapa bitsika avy amin’ny Fanahy Masina mba hanasa an’i Gabe namany hamaky ny bokin’i Môrmona i Sarah, saingy tsy nohenoiny izany bitsika izany satria fantany fa tena mazoto amin’ny fivavahana hafa miaraka amin’ny fianakaviany i Gabe ary tsy te hanafintohina azy ihany koa izy.

Hamoaka printy