Seminera
Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12


Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

Topimaso ankapobeny

Niditra tamin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema i Jesoa Kristy mba hanombohany ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoany teto an-tany. Nanadio ny tempoly sy nanasitrana ireo izay nanatona Azy tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy. Nampianatra ireo didy roa lehibe Izy ary nanameloka ny fihatsarambelatsihy izay nataon’ny mpanora-dalàna sy ireo Fariseo.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 21:1–11; Jaona 12:27–36

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa fanajana sy hanome lanja bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny asa izay nanirahana Azy mba hamonjy antsika.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hiresaka momba ny fotoana izay nilan’izy ireo fanampian’ olon-kafa mba hialana amin’ny toe-java-tsarotra iray. Raha te hahita ohatra amin’ny karazana toe-javatra toy izany izy ireo, dia afaka mijery ny “Where Justice, Love, and Mercy Meet,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra faha 0:00 ka hatramin’ny minitra faha 5:01.

  • Votoatin-javatra haseho: Fanehoana an-tsary ny fampahalalana na tahirin-kevitra izay tafiditra ao amin’ny lesona; sarin’ireo zava-nitranga farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny hizara ny efijery mba hanehoana ny fanehoana an-tsary ny fampahalalana na tahirin-kevitra. Rehefa avy eo dia afaka mampiasa ny chat ireo mpianatra mba hizaran’izy ireo ny fanontaniana izay tiany hovaliana na hizarany ny zavatra izay tian’izy ireo hianarana bebe kokoa.

Matio 21:12–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa fitomboam-paniriana kokoa amin’ny fandraisana ny Tempoly ho toerana masina sy mba hahazo ny hery manasitran’ny Mpamonjy avy amin’ny alalan’ny fanaovana ny asan’ny tempoly.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny fotoana farany izay nitsidihan’izy ireo tempoly. Raha sendra ka mbola tsy tany amin’ny tempoly mihitsy izy ireo, dia asao mba hisaintsaina hoe mety hanao ahoana tokoa moa izany mandeha any amin’ny tempoly izany.

  • Votoatin-javatra haseho: Sarin’ny tempoly, miaraka amin’ny sarin’ireo efitrano samihafa izay hita ao anatiny

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Mamorona fampisehoana famelabelarana izay ahitana ny sarin’ireo efitrano samihafa hita ao amin’ny tempoly, ireo teny izay nambaran’ny Filoha Nelson sy ny Loholona Renlund, ary fanontaniana vitsivitsy ho an’ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy.

Matio 22:34-40

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba iainana ireo didy roa lehibe.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara momba ny olona iray izay fantany ka naneho fa tena tia an’ Andriamanitra sy ny hafa tokoa.

  • horonan-tsary: Realizing What God Has Done, How Could I Not Help?” (2:50), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org; “Spiritual Whirlwinds” (15:54; jereo avy amin’ny minitra faha 7:40 ka hatramin’ny minitra faha 9:13), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ihany koa

  • Ohatra sy trangan-javatra izay efa niainana manokana: Miomàna hizara trangan-javatra izay efa niainanao sy ohatra hafa manokana momba ny olona izay mampiseho amin’ny teny sy ny asa fa tia an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona iray izay naneho fa tia an’ Andriamanitra sy ny hafa izy ireo. Asao ireo mpianatra, raha azo atao, mba hiresaka amin’io olona io ny fomba izay naneho fitiavana ho an’ Andriamanitra sy ny hafa. Entano mba ho tonga an-dakilasy vonona ny hizara ireo mpianatra.

Fifehezana fotopampianarana: Matio 22:36–39

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy anao hampihatra ny fotopampianarana izay ampianarina amin’ity andinin-tsoratra masina ity sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hahatakarana ny fomba hankatoavana ireo didy roa ireo dia ny ho tia an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny fototra any an-trano amin’ny alalan’ny fangatahana olona anankiray mba hametraka andiam-panontaniana na mampiasa ny application Fifehezana Fotopampianarana. Azo asaina ihany koa ireo mpianatra mba hanao zavatra araky ny drafitra izay napetrak’’izy ireo amin’ny fitandremana ireo didy roa lehibe.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ Alalan’ny video conférence: Mandritra ny fizarana momban’ny fanazarana entina hampiharana ny lesona, dia omeo fahafahana hampiasa solaitra fotsy sy hizara efijery ireo mpianatra. Apetraho ao anaty zana-bondrona ireo mpianatra ary manendre mpitarika anankiray. Afaka mizara ny solaitrany fotsy amin’ny vondrona ny mpitarika, ary ny vondrona dia afaka mizara ilay tantara ary manoratra ny eritreriny amin’ny solaitra fotsy mandritra ny lesona. Ny mpitarika ny vondrona tsirairay dia afaka mizara pikan-tsary amin’ny valin’ny solaitrabe farany nataon’ny vondrona misy azy ary manazava fohifohy ny zavatra nosoratan’ny vondrona misy azy.

Matio 23

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra mba tsy hiatsaravelatsihy sy mba hanetry tena ho mpanaradia an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra olona izay miezaka manaraka ny Mpamonjy amin’ny fahatsoram-po sy ny finiavana madio rehefa manao soa ho an’ny hafa.

  • Votoatin-kevitra haseho: Sarin’ny lehilahy Jiosy iray mitafy filakitera

  • {3}horonan-tsaryPhylacteries” (1:05), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Mampiasà solaitra fotsy mba hitanisana ireo fitsipika izay hitan’ny mpianatra nandritra ny lesona. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanoratra lahateny mikasika ny iray amin’ireo fitsipika ireo. Hevero ny handefa mozika malefaka rehefa manoratra izy ireo. Rehefa vita izany, dia manasà mpianatra izay mazoto mba hizara ny heviny amin’ny iray kilasy.

Hamoaka printy