Seminera
Matio 22:34-40


Matio 22:34-40

Ireo didy roa lehibe

Sary
Jesus is shown with a group of people speaking to a scribe about the two great commandments. Outtakes: include close ups of people in the crowd. (Scene filmed at ext. the temple court of the Women)

Teo am-pikasana ny hitsapa ny Mpamonjy dia nisy iray tamin’ireo Fariseo nanontany izay didy lehibe indrindra ao amin’ny lalàna. Mba ho valin’izany, dia nampianatra ny Mpamonjy fa ny didy voalohany dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fo, sy ny fanahy, ary ny sy saina manontolo ary ny faharoa dia ny mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba fiainana ireo didy roa lehibe ireo.

Ampio ireo mpianatra mba hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha zava-dehibe ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Mora kokoa amin’ny mpianatra ny mampihatra ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny soratra masina rehefa mahatsapa ny maha zava-dehibe sy ny hevitry ny tokony maha laharam-pahamehana ny fampidirana izany eo amin’ny fiainany izy ireo. Ny fomba iray ahafahana manampy ireo mpianatra mba hanao izany dia ny famporisihina azy ireo hisaintsaina ny maha zava-dehibe ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany sy mba hizara ny zavatra izay mba efa niainany manokana mifandraika amin’ireo fahamarinana ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara momba ny olona iray izay fantany izay naneho fa tena tia an’ Andriamanitra sy ny hafa tokoa.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo didy lehibe

Hevero ny hampiasa ity rafi-tantara manaraka ity mba hanombohana ny lesona na asao ireo mpianatra mba hanome ohatra amin’ireo olona manana toetra araka ny an’i Kristy fantany ary hanampy azy ireo mba hahita ny fomba ahafahan’ireo didy lehibe ireo hanampy antsika ho tonga tahaka ny Mpamonjy.

Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka momba ny finoanao amin’ny namanao ianao. Teo am-piresahana ny maha zava-dehibe ny didin’ Andriamanitra dia nanontany ireo didy manokana izay ampianarina ao amin’ny Fiangonanao ilay namanao.

Makà minitra iray ary mitanisà didin’ Andriamanitra sy fitsipika araka izay betsaka indrindra azonao eritreretina.

Rehefa avy mizara ny lisitr’ireo didin’ Andriamanitra nataonao ianao dia anontanio ilay namanao izay didy manan-danja indrindra amin’ireo.

Avereno jerena ny lisitra izay nataonao ary saintsaino ny fomba hamalianao ny fanontaniana izay napetrany.

Rehefa nampianatra teo anivon’ny vahoaka i Jesoa dia maro tamin’ireo Fariseo no nametra-panontaniana Taminy, nitady zavatra hanalana baraka Azy teo anatrehan’ny vahoaka. Vakio ny Matio 22:36–40 , ka mitadiava fanontaniana iray izay napetraka tamin’ny Mpamonjy sy ny fomba nentiny namaliana izany.

  • Inona avy ny eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny fomba namalian’ny Mpamonjy ireo fanontaniana ireo?

Nanazava ny Mpamonjy fa ny didy lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fo sy ny fanahy, ary ny saina manontolo. Ny didy lehibe faharoa dia ny mitia ny namanantsika tahaka ny tenantsika. Ireo didy roa ireo dia avy ao amin’ny Deoteronomia 6:5 sy Levitikôsy 19:18 . Ilay “lalàna” voatanisa amin’ny Matio 22:36 dia lalàn’i Môsesy.

Saintsaino ireo zavatra izay ilain’ny mpianatra ary resaho ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mihitsy aza izay hita ao anatin’ito fitaovana manaraka ito. Hevero ny hampiasa izay fomba fiasa mety hanampy ireo mpianatra amin’ny famaliana ireo fanontaniana. Ohatra, ny sasany amin’izy ireo dia azo ifanakalozana hevitra miaraka amin’ny iray kilasy, na ao anaty vondrona kely, na mandeha tsirairay ao anaty diary fandalinana soratra masina.

  • Inona no dikan’ny hoe mitia an’ Andriamanitra amin’ny fo sy ny fanahy, ary ny sainao manontolo? (Raha tianao ny mba hahatakatra bebe kokoa ireo teny ireo, dia jereo ny famaritana azy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana fanampiana amin’ny fandalinana, toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)

  • Inona avy ny ohatra sasany avy tamin’ny fiainan’i Kristy ka nampisehoany ny fitiavany an’ Andriamanitra tamin’io fomba io?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mitia ny namanao tahaka ny tenanao?

  • Manampy antsika mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahona ny fankatoavana ireo didy roa lehibe ireo?

Mariho fa ao amin’ny Matio 22:40 , dia nampianatra i Jesoa fa ireo didin’ Andriamanitra rehetra dia natao mba hanampiana ny olona haneho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy ny namany.

  • Hanampy antsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra hafa rehetra ny fankatoavana ireo didy roa lehibe. Amin’ny fomba ahoana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava ny fomba fifandraisanan’ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fitiavantsika ny hafa.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika hitsinjo izay mahasoa ny hafa amin’ny lamina iray izay kanto sy tsara.

(Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” na Liahona, nôv. 2019, 97)

  • Nahoana no mety hampitodika ny fontsika amin’ny hafa ny fitiavantsika an’ Andriamanitra?

Ampiasao ny torohevitra momba ny fampianarana sy ny fiomanan’ny mpianatra amin’ity lesona ity amin’ny alalan’ny famporisihina ny mpianatra hizara ohatra amin’ireo olona izay tia an’ Andriamanitra sy ny hafa. Ny fanaovana izany dia afaka hanampy ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha zava-dehibe ireo didy ireo ary hahita ireo fomba ahafahany mampihatra izany. Henoy tsara ny valin-tenin’izy ireo, ary misaora azy ireo tamin’ny fizarana izay nataony.

  • Iza no olona fantatrao fa ohatra tsara amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa?

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nanehoan’izy ireo io fitiavana io? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra izay nomen’izy ireo amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa amin’ny fomba tsotra isan’andro?

Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Realizing What God Has Done, How Could I Not Help? | His Hands” (2:50) hahitana ohatra ny amin’ny fomba ahafahan’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika mampitodika ny fontsika Aminy sy ny hafa. Izany horonan-tsary izany dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manosika anao hankatò ireo didy roa lehibe. Mety hanampy ny fisaintsainana ny zavatra izay efa niainanao manokana rehefa nahatsapa ny fitiavan’Izy ireo ho anao ianao.

Manasà mpianatra izay mazoto hanao izany mba hizara fohifohy ny sasany amin’ireo zavatra nosoratan’izy ireo.

Ny fitiavana an’ Andriamanitra dia tokony ho laharam-pahamehana amintsika

Raha zava-dehibe ny fankatoavana ireo didy roa lehibe ireo, dia nizara fampitandremana ny Filoha Dallin H. Oaks:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny fahazotoantsika be hitandrina izany didy faharoa izany dia tsy tokony hahatonga antsika hanadino ilay didy voalohany, dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra. Mampiseho izany fitiavana izany isika amin’ny alalan’ny “fitandremana[na] ny didi[ny]” [ Jaona 14:15 ].

(Dallin H. Oaks, “Ireo didy roa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 73–74)

  • Inona no antony mety ho maha zava-dehibe ny filaharana amin’ireo didy ireo?

  • Inona no olana mety hitranga raha ataontsika laharam-pahamehana mihoatra ny fitiavana an’ Andriamanitra ny fitiavana ny namana?

  • Amin’ny trangan-javatra na toe-javatra toy ny ahoana no mety ilainao ny mametraka ny fitiavana an’ Andriamanitra ho laharam-pahamehana ?

Raha mila ohatra amin’ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fitiavana an’ Andriamanitra ireo mpianatra dia jereo ny horonan-tsary “Spiritual Whirlwinds” avy eo amin’ny minitra faha 7:40 ka hatramin’ny minitra faha 9:13. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ihany koa izany horanan-tsary izany.

Manaova drafitra

Saintsaino ny zava-nitranga niainanao vao haingana ka nahafahanao nankatò ireo didy roa lehibe ireo. Avy amin’ny isa iray ka hatramin’ny dimy, omeo isa ny tenanao amin’ny fomba fankatoavanao ireo didy tsirairay ireo, ka ny isa iray dia “tena tsara” ary isa dimy kosa “ dia tsara loatra.”

Manoava drafitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hankatò bebe kokoa ireo didy roa lehibe ireo.

  • Manaova lisitry ny zavatra manokana izay azonao atao mba ahafahanao miaina tsaratsara kokoa ireo didy roa lehibe ireo. Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina, ary misafidiana iray izay ho tanterahinao.

  • Soraty ny fomba hanatanterahanao io asa io. Hevero ny hizara amin’ny ray aman-dreny na namana izay atokisanao ny drafitra izay nataonao ary asao izy ireo mba hanampy anao. Fantaro fa hanampy anao Andriamanitra rehefa miezaka ny manatanteraka izany araka izay vitanao ianao (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17).

Amporisiho ireo mpianatra mba hanatanteraka ny drafitra izay nataony ary ampahafantaro azy ireo fa amin’ny lesona fanaovana tomban’ezaka manaraka (“Tombano ny Fomba Fianaranao 5”) dia mety hanana fotoana izy ireo hanara-maso io drafitra io. Asehoy azy ireo fa matoky azy ireo ianao, ary omeo toky ihany koa izy ireo fa hanampy azy ireo ny Tompo amin’ny ezaka izay ataony.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no hianarako mitia ny tenako manokana?

Ao amin’ny lahateny hoe “Fotoanantsika izao!” ny Loholona S. Gifford Nielsen ao amin’ny Fitopololahy dia nilaza ny maha zava-dehibe ny hoe manjary tia ny tenantsika (Liahona, mey 2021, 64–67). Azonao jerena ilay horonan-tsary, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny minitra 7:36 ka hatramin’ny 9:32. Ity lahatsoratra manaraka ity ihany koa dia mampianatra antsika ny fomba hianarantsika mitia ny tenantsika: “How to Love Yourself Like God Loves You” (ChurchofJesusChrist.org).

Ahoana no iarahan’ireo didy roa lehibe ireo miasa? (jereo ihany koa ny 1 Jaona 4:7–11, 20–21)

Ny Loholona Peter M. Johnson ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Peter M. Johnson. Sustained April 6, 2019 as a General Authority Seventy.

Tsarovy fa ny didy voalohany sy lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika [jereo ny Matio 22:37–38 ]. Ny zavatra rehetra ataontsika dia tokony hatosiky ny fitiavana Azy sy ny Zananilahy. Rehefa mamolavola fitiavana Azy ireo isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny, dia hitombo ny fahafahantsika hitia ny tenantsika sy hitia ny hafa. Hanomboka hanompo ny fianakaviana, sy ny namana, ary ny mpiara-belona amintsika isika satria ho hitantsika tahaka ny fahitan’ny Mpamonjy azy ireo izy ireo—dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra [jereo ny Jaona 3:16 ; 1 Jaona 4:19 ; Môzià 2:17 ].

(Peter M. Johnson, “Hery handreseko ny fahavalo,” Liahona, nôv. 2019, 111)

Ahoana ny fomba ahafahan’ny fankatoavana ireo didy mba ho tia an’ Andriamanitra sy ny hafa hisy fiatraikany amin’ny fiainako?

Nanazava ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha Mpanatanteraka ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Ny fankatoavana ireo didy roa ireo dia manolotra fomba hiainana fiadanana sy fifaliana bebe kokoa. Rehefa tia sy manompo ny Tompo isika ary tia sy manompo ny namantsika dia hahatsapa ho azy fifaliana bebe kokoa izay tonga ao amintsika amin’ny fomba tsara tsy misy toy izany.

(M. Russell Ballard, “Ny Filazantsara Marina, Madio sy Tsotra an’i Jesoa Kristy,” Liahona, mey 2019, 29)

Nahoana no amafisina ao amin’ireo didy roa ireo ny fitiavana?

Jereo ny horonan-tsary “Love and Law” (3:21). Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org izany horanan-tsary izany.

Ahoana no hanosehan’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika mba hankatò ireo didy roa lehibe?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro vavolombelona fa:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ny didy lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra—izany no ilay didy lehibe voalohany. Saingy ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra. Io fitiavana io no vato iorenan’ny mandrakizay ary tokony ho vato iorenan’ny fiainantsika isan’andro. Mazava ho azy fa amin’ny alalan’io toky miredareda ao am-pontsika io ihany no ahafahantsika manana fahatokiana hanohy ny fiezahana hivoatra, hanohy hikatsaka ny famelana ny fahotantsika ary hanohy hanolotra izany hatsaran-toetra izany amin’ny mpifanolobodirindrina amintsika.

(Jeffrey R. Holland, “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016, 127)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fitandremana ny didy lehibe indrindra voalohany: fifantohan’ny lesona solony

Asao ny mpianatra mba hitady ireo fomban-drazana, lalàna, na fomba fanao eto amin’izao tontolo izao izay misarika antsika hametraka ny fitiavana ny namantsika hihoatra ny fitiavana an’ Andriamanitra. Anisan’ireo ohatra ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na samy vavy, na fomba hafa handikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ary ireo fandikana ny Tenin’ny fahendrena.

Ampiasao ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba ho fitarihana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy miainga amin’ny maha zava-dehibe ny fakana antoka fa mitandrina ny didy voalohany aloha isika ary tsy mamela ireo fitaoman’izao tontolo izao hampiala antsika amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra. Mifantoha amin’ny Mpamonjy sy ny fomba nanehoany tamintsika tamin’ny alalan’ny ohatra izay asehony ny fomba fitiavana an’ Andriamanitra aloha sady mbola tiany namantsika ihany koa.

  • Dallin H. Oaks, “Ireo didy roa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 73–76

  • Lynn G. Robbins, “Lalana mankaiza no atrehanao?,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 9–11

Fampiasana tantara hafa ao amin’ny Filazantsara

Hevero ny hijery ny tantaran’ny Mpamonjy mampianatra ireo didy lehibe avy ao amin’ny Marka 12:28–34 voarakitra ao amin’ilay horonan-tsary “The Greatest Commandment” (1:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ampitahao amin’ny izay hita ao amin’ny Matio 22:34–40 ilay horonan-tsary, ary tadiavo ny fomba ahafahan’ ireo tantara roa ireo manampy anao hahatakatra kokoa ny tenin’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy