Seminera
Tombano ny fianaranao faha-5


Tombano ny fianaranao faha-5

Matio 21–26; Marka 11–14; Lioka 19–21; Jaona 12–13

Sary
Young woman sitting on a bed reading scriptures.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaran’ny tena manokana izay niainanao nandritra ny fianaranao ny Testamenta Vaovao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo lesona farany maromaro sy ny traikefa azony vokatr’ireo lesona ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hanao tombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ny fiovan’ny fomba fihetsiny, ny faniriany, ary ny fahaizany miaina ny Filazantsara. Ny fianaran’ny mpianatra iray kilasy ny Matio 21–26; Marka 11–14; Lioka 19–21; Jaona 12–13 dia mety nanamafy kokoa ireo fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Inona no nianaranao?

Makà iray minitra handinihana ny zavatra nianaranao vao haingana avy tamin’ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. Mety hanampy anao ireto sary manaraka ireto. Mety ilaina ihany koa ny mijery ny zavatra nosoratanao vao haingana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Afaka manampy anao hanombantombana ny fivoaranao vokatry ny zavatra nianaranao ity sahanasa manaraka ity.

Sary
Jesus turning over a table of a money changer in the temple. Outtakes include images of Christ alone and with the crowd of merchants and buyers fleeing, people buying goods, and people looking.
Sary
Jesus washing Peter’s feet. Outtakes show similar scenes.
Sary
The resurrected Jesus Christ (wearing white robes with a magenta sash) standing above a large gathering of clouds. Christ has His arms partially extended. The wounds in the hands of Christ are visible. Numerous angels (each blowing a trumpet) are gathered on both sides of Christ. A desert landscape is visible below the clouds. The painting depicts the Second coming of Christ. (Acts 1:11)

Raha tianao dia avelao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto tsiroaroa na ao anatina vondrona kely.

  • Inona no nianaranao vao haingana momba an’i Jesoa Kristy izay manan-danja indrindra aminao? Inona avy ireo tantara ao amin’ny soratra masina nanampy anao hanana io fahatakarana momba Azy io?

  • Inona ny zavatra nataonao mba ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena bebe kokoa?

  • Inona no dingana manaraka azonao atao mba ho lasa mpanara-dia ny Mpamonjy tsaratsara kokoa?

Tiavo Andriamanitra ary tiavo ny namanao

Vao haingana ianao no nandalina ny fampianaran’i Jesoa fa ny didy roa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra sy ny fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Matio 22:36–39).

Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ity fanontaniana manaraka ity amin’ny namana iray.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ireo didy ireo no didy roa lehibe indrindra?

Vao haingana koa ianao no nianatra momba an’i Jesoa nanasa ny tongotry ny mpianany sy nanome azy ireo didy vaovao mba hifankatiavany tahaka ny nitiavany azy ireo (jereo ny Jaona 13).

Avelao ny mpianatra maromaro hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto. Mametraha fanontaniana fanaraha-maso mba hahafahan’ny mpianatra mizara ny zavatra niainany teo am-panatanterahana ny drafitr’izy ireo.

  • Nanao ahoana ny zavatra niainanao rehefa nanatanteraka ny fampianaran’ny Mpamonjy?

  • Inona no tsapanao momba ny fitiavan’i Jesoa Kristy anao sy ny fitiavany ny hafa rehefa novalianao ireo fanasana nomena tao an-dakilasy?

  • Inona no tianao hatao na tianao tohizana vokatry ny fampianaran’ny Mpamonjy?

Mety hanampy ny manara-maso indray ny drafitr’ireo mpianatra afaka andro vitsy. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana azontsika rehefa miezaka mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny hafa tahaka ny ataon’ny Mpamonjy isika.

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Mandritra ity ampahan’ny lesona ity dia hevero ny hampiseho ilay sary maneho ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany manomboka any amin’ny fiandohan’ny lesona.

Ny fomba tsara hanatsorana ny fampianarana ny filazantsara dia ny manazava izany amin’ny fomba tsotra takatry ny ankizy. Mba hanampiana anao hanazava ireo lafin-javatra manan-danja amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany amin’ny teninao manokana dia manorata famintinana toy ny hoe manoratra izany ho an’ny ankizy ianao.

Afaka miasa samirery na tsiroaroa ny mpianatra rehefa manoratra ny famintinana.

Tadidio fa tamin’ny lesona teo aloha dia mety nandany fotoana kely ireo mpianatra nandalinana ny fomba hisorohana ny savorovoron-tsaina sy ny fisalasalana ary ny tahotra momba ny Fiaviana Fanindroany. Mety hanampy ny mangataka ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianarany rehefa mianatra ny Joseph Smith—Matio alohan’ny hanombohany manoratra ny famintinany.

Ny hamaly fanontaniana roa no tanjon’ny famintinana ataonao:

  • Inona no azontsika atao hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

  • Nahoana no ho be voninahitra ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? (Tsarovy fa tamin’ny lesona teo aloha ianao dia mety efa namaky ny fanasan’ny Loholona Neil L. Andersen mba haka sary an-tsaina sy hamerina hijery ireo vanim-potoana be voninahitra manodidina ny Fiaviana Fanindroany [jereo ny “Ho tonga anie ny Fanjakanao,” Liahona, mey 2015, 122].)

Ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto dia mety hanampy anao amin’ny famerenana ny zavatra nianaranao.

Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny famintinany miaraka amin’ny namany iray, na afaka manolo-tena hamaky ny famintinany amin’ny iray kilasy ny mpianatra iray na roa.

Hamoaka printy