Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lioka 22:19–20


Fifehezana fotopampianarana: Lioka 22:19–20

“Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy”

Sary
Sacrament trays with bread and water.

Nianatra momba ny fampahafantaran’ny Mpamonjy ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tamin’ny mpianany nandritra ny Fanasana Farany ianao rehefa nandalina ny Matio 26:26–30. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hampitombo ny fifehezanao ny fotopampianaran’ny fanasan’ny Tompo. Hanao izany ianao amin’ny alalan’ny fitadidiana ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 22:19–20, amin’ny alalan’ny fanazavana ny fotopampianarana ary amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Manampy ny mpianatra hamerina hijery ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Omeo fahafahana tsy tapaka ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy: manao asa amim-pinoana, mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra (Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2022], “Mahazo fahalalana ara-panahy”). Hanao fampiharana hampiasa ireo fitsipika ireo ny mpianatra isaky ny manao fampiharana. Avereno ianarana tsara araka izay ilaina ireo fitsipika mba hahafahan’ny mpianatra mitadidy sy mampiasa izany eo amin’ny fiainany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra hoe inona no manampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo sy hiomana hampiasa na hizara ity zavatra niainany ity ato amin’ity lesona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Tadidio sy hazavao

Ity lesona momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny “Matio 26:26–30; Lioka 22:19–20,” izay lesona mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 22:19–20 . Raha ilaina ny fanemorana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity ho amin’ny herinandro hafa dia alaivo antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra izay mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hilalao an-tsehatra tsiroaroa ity rafi-tantara manaraka ity, na manasà mpianatra roa haneho ilay rafi-tantara ho an’ny iray kilasy.

Alaivo sary an-tsaina hoe mitondra namana iray izay tsy mahalala na inona na inona momba ny fivavahana naorina na i Jesoa Kristy any am-piangonana ianao. Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nanontany izy hoe: “Inona no tanjon’ny fizarana ny mofo sy ny rano amin’ny olona rehetra?”

  • Ahoana no hanazavanao ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo amin’ilay namanao?

Omeo fotoana hitadidina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Lioka 22:19–20 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina miaraka amin’izany ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ity sahanasa manaraka ity. Ampifanaraho amin’ny zavatra iainana ity sahanasa ity amin’ny alalan’ny famelana ny mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa na ao anatina vondrona kely na amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny mpianatra iray manontolo sy ny fanoratana ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja eny amin’ny solaitrabe.

Soraty moramora amin’ny pensilihazo ary tsy tsindrina mafy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina manaraka ity: “ Lioka 22:19–20 : Hoy i Jesoa Kristy, raiso ny fanasan’ny Tompo -ho fahatsiarovana Ahy.-”

Avereno vakina amin’ny feo mafy ity toko sy andinin--tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ity. Avy eo dia fafao ny teny na isa roa ary mizàra mamaky indray ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy ilay andian-teny. Avereno atao io lamina io, fafao ny teny na isa ary avereno vakina ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja, mandra-paha-voafafa ireo teny sy isa rehetra. Avy eo dia soraty araka izay tadidinao ity toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ity.

Fizàrana mampihatra

Raha ilaina dia ampio ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Fomba iray hanaovana izany ny famitan’ny mpianatra ity sahanasa manaraka ity. Tsy tokony hihoatra ny telo na dimy minitra ity famerenana ity.

Avereno jerena vetivety ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy (jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2022], “Mahazo fahalalana ara-panahy”). Misafidiana iray amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy ary manaova sarina tandindona na sary tsotra izay heverinao fa maneho izany.

Izao dia manaova fanazarana mampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Lioka 22:19–20 amin’ny alalan’ny famakiana ity rafi-tantara manaraka ity sy ny famaliana ireo fanontaniana manaraka.

Ity rafi-tantara manaraka ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao zavatra ankoatra ny fanangonana fotsiny ihany ny lisitr’ireo zavatra tokony atao mandritra ny fanasan’ny Tompo ary hieritreritra lalina kokoa mikasika ny fomba hahatonga ny fanasan’ny Tompo ho traikefa manan-danja.

Ampifanaraho amin’ny zavatra iainana ilay rafi-tantara mba hahatonga izany ho tena manan-danja ho an’ny mpianatra.

15 taona i Lova, efa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny androm-piainany izy, ary manatrika tsy tapaka ny fivoriam-piangonany. Miara-mipetraka amin’ny reniny sy ny renibeny izy, izay ohatra tsara ho azy. Ny Alahady lasa teo dia nahaliana manokana an’i Lova ny lohahevitra noresahan’ireo mpandahateny tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Nizara zavatra niainana manokana manan-danja sy tamin-kitsimpo mikasika ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo sy ny fomba nampitomboan’izany ny fitaoman’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpandahateny tsirairay. Izany no nahatonga azy hieritreritra hoe nahoana ary izy no tsy niaina manokana zavatra tahaka izany. Miaiky izy fa matetika izy no variana amin’ny findainy na amin’ny zavatra ataon’ny hafa mandritra ny fanasan’ny Tompo, na mieritreritra ny fomba hodiany haingana any an-trano mba hakany aina kely.

  • Efa nanana fahatsapana toy izany ve ianao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mahatsapa zavatra toy izany ny olona indraindray?

Omeo fotoana ny mpianatra hanaovany fampiharana mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana an’i Lova ao anatin’izany toe-javatra izany. Fomba iray hanaovana izany ity manaraka ity.

Raha mila fanampiana bebe kokoa ny mpianatra amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’io toe-javatra io dia ampiasao ireo fanontaniana voatanisa eo ambanin’ireo lohateny amin’ny soratra matevina mba hitarihana ny fifanakalozan-kevitra.

Mamoròna lohateny, ao anatin’ny diary fandalinanao, ho an’ny fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy tsirairay: (1) manao asa amim-pinoana, (2) mamakafaka foto-kevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary (3) mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Soraty eo ambanin’ny lohateny tsirairay ny fomba manokana ahafahan’io fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy io manampy an’i Lova amin’ny toe-javatra iainany. Ohatra, azonao atao ny manolotra fomba manokana ahafahany manao asa amim-pinoana, mizara ny fomba mety hanampian’ny fananana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay amin’ny toe-javatra iainany, ary manolora loharano nofidin’ Andriamanitra izay mety hampiasainy ho fitarihana sy tari-dàlana.

  • Inona no torohevitra omenao an’i Lova mba hanombohany ny famahana ny olany?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy ireo hanampiana an’i Lova?

Ampio ireo mpianatra hieritreritra ireo fomba hifandraisana amin’i Jesoa Kristy sy hahatsiarovana Azy mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Rehefa mamaly ny mpianatra dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao: Ahoana no hanampian’izany anao hahatsiaro ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahanao mifandray amin’ny Mpamonjy sy mahatsiaro Azy fa tsy hoe manao ilay zavatra tsy am-piheverana fotsiny?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona no torohevitra omenao an’i Lova ka afaka manampy azy hiaina zavatra tsara kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

  • Inona no mety hanakana azy hanao ireo fanovana ireo? Ahoana no mety handreseny ireo sakana ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona no fanontaniana azonao apetraka amin’i Lova mba hanampiana azy hijery ny toe-javatra iainany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Inona no antony hisafidiananao ireo fanontaniana ireo?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona no ampianarina ao amin’ny Lioka 22 sy ao amin’ny soratra masina hafa na fampianarana avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ka mety hanampy an’i Lova?

  • Aiza koa no ahafahan’i Lova mitady fanampiana mba hanatsarana ny zavatra iainany amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo?

Famerenana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony ampiasaina amin’ny lesona izay ampianarina ao aoriana kely ao.

Omeo karatra fasiana soratra na taratasy miraikitra ny mpianatra tsirairay. Asao izy ireo hanoratra ny “ Lioka 22:19–20 : Nanome didy i Jesoa Kristy hoe raiso ny fanasan’ny Tompo -ho fahatsiarovana Ahy-” eo amin’ny karatra fasiana soratra na taratasy miraikitra izay azy ireo ary avy eo dia hamafa ny sasany amin’ireo teny sy isa avy amin’ity toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ity. Asao ny mpianatra hifanakalo karatra na taratasy ary hijery raha afaka mameno ireo teny na isa tsy eo izy ireo. Avy eo dia asao ny mpianatra hanandrana hamerina tsianjery ilay toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny.

Sahanasa fianarana fanampiny

Ovaovao ny rafi-tantara

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny anjara asa lehibe hazonin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny fandehanana any am-piangonana dia ampiasao ity rafi-tantara hafa ity:

Vao haingana i Toky no nahazo asa izay mitaky azy hiasa Alahady. Tsy noheveriny fa hisy fiantraikany izany tsy mandeha mivavaka indray na indroa alahady isam-bolana izany. Saingy tsapan’i Toky ankehitriny fa na dia tsy miasa aza izy ny Alahady dia sarotra ho azy ny hahatsapa faharisihana handeha ho any am-piangonana. Mahatsiaro tena ho leo izy any am-piangonana ary tsy mifandray amin’olona any.

Rehefa avy nozaraina io rafi-tantara io dia ifanakalozy hevitra ny fomba ahafahan’ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manampy an’i Toky amin’ny toe-javatra iainany. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia asao ny mpianatra hieritreritra hoe inona no fitahiana mety tsy ho azon’i Toky amin’ny tsy fandraisana tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo.

Hamoaka printy