Seminera
Jaona 13


Jaona 13

“Mifankatiava”

Sary
Jesus washing Peter’s feet. Outtakes show similar scenes.

Rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska dia nanasa ny tongotr’ireo mpianany i Jesoa. Nampianatra azy ireo momba ny fifanompoana sy ny fifankatiavana Izy. Ity lesona ity dia afaka mamporisika anao hikatsaka ny fahasambarana amin’ny alalan’ny fanompoana sy ny fitiavana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa.

Famporisihana mba hanome valiny maro amin’ireo fanontaniana. Sorohy ny fahazarana manaiky valin-teny iray fotsiny ihany amin’ny fanontaniana anankiray ary avy eo dia manohy ny lesona. Manasà mpianatra hafa hamaly na haneho hevitra momba ny valin-teny iray nomena teo aloha. Mikatsaha fitarihan’ny Fanahy rehefa manasa ireo mpianatra handray anjara amin’ny ady hevitra ianao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitady fahafahana hanompo na haneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy amin’ny olona iray hafa.

Sahanasa fianarana azo atao

Miezaka aho mba ho toa an’i Jesoa

Hirao na vakio ny tonon’ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy,78–79). Rehefa mihira, mamaky, na mijery ianao, dia saintsaino ireo antony mahatonga anao te hiezaka ho toa an’i Jesoa.

Music Video: I’m Trying to Be Like Jesus – Emily Brown

Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany rehefa mihira na namaky ilay hira izy ireo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto ary ampiasao ny fanontaniana voalohany mba hamporisihana hanao fandinihan-tena manokana fa tsy hanao fifanakalozan-kevitra.

  • Ahoana no fomba iezahinao ho toa an’i Jesoa?

  • Inona no hitanao niova teo amin’ny fiainan’ny olona rehefa niezaka ny ho toa an’i Jesoa izy ireo? Ary manahoana ny fiainanao manokana?

Rehefa mandray anjara amin’ity lesona ity ianao, dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka mitarika anao bebe kokoa hanaraka ny ohatra sy ireo fampianarana izay nomen’ny Mpamonjy.

“Fianarana no nomeko anareo”

Hevero ny hampiseho ilay sary any am-panombohan’ity lesona ity mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny zava-miseho ato amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity.

Rehefa akaiky hifarana ny fiainan’ny Mpamonjy, dia namory ireo Apôstôliny Izy mba hanatrika ny sakafon’ny Paska farany izay nataony. Ny zava-niseho tamin’ity takariva ity dia antsoina matetika hoe amin’ny hoe ny Fanasana Farany.

Vakio ny Jaona 13:1–11 , ary tadiavo ny zavatra nataon’i Jesoa rehefa avy niara-nihinana ilay sakafon’ny Paska Izy sy ireo Apôstôliny.

Hisy fotoana hafa hiresahana ireo tranga hafa izay niseho nandritra ny sakafon’ny Paska ao amin’ireo lesona hafa amin’ity herinandro ity.

Mety hanampy ny mahafantatra fa tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia naloto dia naloto avokoa ny tongotry ny olona noho ny fanaovana kapa sy fandehanana tamin’ny lalana be vovoka ny ankamaroany. Ny fanasana tongotr’olona hafa dia matetika nataon’ireo mpanompo izay ambany saranga indrindra.

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny toetran’i Jesoa avy tamin’ny nanasany ny tongotr’ireo Apôstôly?

  • Inona ny zavatra mety ho tsapanao na ho nasetrinao raha nanolotra io karazana fanompoana feno fanetren-tena io taminao i Jesoa?

Tsy vitan’ny hoe nanatanteraka asa fanompoana tena tsara fotsiny ihany ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fanasany ny tongotr’ireo Apôstôliny, fa nanomboka ny fanatanterahana ôrdônansy masina iray ihany koa (jereo Bruce R. McConkie, Fanazavana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao [1965], 1:708–9). Io ôrdônansy io dia naverina tamin’ny laoniny amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:74–75, 137–41 ; Saints, 1:166). Koa satria ôrdônansy masina izay zara raha resahan’ireo mpaminany sy apôstôly izy io, dia tsy tokony horesahan’ny mpampianatra ny fomba hanatanterahana azy io amin’izao androntsika izao. Ny mpampianatra sy ny mpianatra dia tsy tokony handray anjara amin’ny fiaraha-mientana izay mifandray amin’ny fifanasana tongotra. Fa ny tokony hatao kosa dia ny manantitrantitra ny ohatra lehibe izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ny fitiavana nanompo ireo mpianany tamin’io fomba io.

Vakio ny Jaona 13:12–17 , dia tadiavo ireo lesona azonao ianarana avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy.

  • Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Oviana ianao no nahatsapa fifaliana rehefa nanaraka ny ohatry ny fanompoana izay nasehon’i Jesoa?

“[Mifankatiava]”

Taorian’ny nanasany ny tongotr’ireo Apôstôliny dia naka fotoana nampianarana azy ireo ny Mpamonjy. Vakio ny Jaona 13:34–35 mba hahitana ny fotopampianarana manan-danja izay nampianariny.

Ampio ireo mpianatra hitady fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity: mba hahatongavana ho mpianatra marin’i Jesoa Kristy, dia tsy maintsy mifankatia isika tahaka ny itiavany antsika.

Mety ho sahirana ny hitia olona iray izay nandratra azy ireo ny mpianatra sasany. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny famantarana izay fanamboarana mety ilaina atao mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy azy ireo sy ny hafa.

  • Rehefa mamaky sy mieritreritra momba ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia inona ny zavatra mba eritreretinao, tsapanao, na ny fanontaniana manitikitika anao?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka tsiroaroa na anaty vondrona kely hanao ity sahanasa manaraka ity. Afaka mampiditra ny ohatra hitany ao amin’ny lisitra iray eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra.

Mieritrereta tantara ao amin’ny Soratra masina izay ahitana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany ny hafa.

  • Ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy fitiavana tamin’ny fomba isan-karazany tamin’ny olona samihafa?

Makà fotoana hisaintsainana sy hanoratana mikasika ny fotoana sy ny fomba nahatsapanao ny fitiavan’i Jesoa anao. Hevero ny hangina sy hangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hamantatra ireny fotoana ireny.

  • Inona no fiantraikan’ny fahafantarana sy ny fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy anao eo amin’ny fanirianao haneho fitiavana ho an’ny hafa?

Mety hanana fahasarotana ny sasany amin’ireo mpianatra amin’ny fisaintsainana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy fitiavana ho azy ireo tamin’ny fomba manokana. Hevero ny hizara ireo ohatra momba ny fomba nentiny nanehoana fitiavana, toy ny fanomezana famelan-keloka, ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny hasarobidiny, na ny famelana azy ireo hahatakatra ireo zavatra izay lalovany. Hevero ny hizara zavatra niainanao manokana mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa manohy hatrany maneho izany famindram-po izany ho antsika Izy tahaka izay nataony tao amin’ireo tantara ao amin’ny Soratra Masina.

Fantaro fa ny lesona momba ny “Tombano ny fianaranao” manaraka dia hanara-maso ny fanarahana ity drafitra ity. Raha sendra ka misy fanovana natao tato dia alaivo antoka ny hanamboatra ny lesona momba ny “Tombano ny fianaranao” mba hifanaraka amin’izany.

Manaova drafitra amin’ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fitiavana sy ny fanompoana ny hafa, sy ny fotoana mba tianao hanaovana izany koa. Mety hanampy ny fieritreretana ireto hevitra manaraka ireto rehefa manao drafitra ianao.

  • Manaova zavatra ho an’ny fianakaviana, namana, na olona eny anivon’ny fiarahamonina izay misy anao androany.

  • Manaova zavatra anehoana fitiavana sy hatsaram-panahy ho an’ny olona izay tsy mitovy aminao, na olona izay nanahirana anao koa aza ny nifankahazo taminy tany aloha tany.

  • Mitadiava olona tsapanao fa tokony hanehoanao fitiavana na fanajana bebe kokoa araka ny fitaomam-panahy azonao.

  • Hevero ny fomba ahafahanao manasa ny fitiavan’ny Mpamonjy ho tafiditra ao anatin’ny ezaka izay ataonao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Jaona 13:26 . Inona no atao hoe sombin-kanina?

Ilay “sombin-kanina” izay voalaza ao amin’ny Jaona 13:26 dia tapamofo kely izay nampiasain’ireo olona nisakafo mba hakana rony sy hena avy tao anaty lovia baolina. Koa satria fihetsika maneho hatsaram-panahy sy fanajana izay ataon’ny tompon-trano ny fanatsobohana ny sombin-kanina ho an’ny vahiny hisakafo, dia nanolotra ny finamanany tamin’i Jodasy ny Mpamonjy tamin’ny alalan’izany fihetsika izany, ary mety izay angamba no fotoana farany nomena azy hanadaboka ilay famadihany izay efa nomaniny.

Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanompoantsika azy ireo?

Ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara ity tantara manaraka ity:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Notendrena hamangy ivon-toerana fivoriana fanasan’ny Tompo iray aho. Nasaina nizara ny fanasan’ny Tompo aho. Tsy nieritreritra ireo dingana sy lamina mirindra amin’ny fizarako ny fanasan’ny Tompo intsony aho fa nibanjina ny tarehin’ireo zokiolona tsirairay. Nahita ny maro tamin’izy ireo nitomany aho. Nisy ramatoa iray nisambotra ny moron’ny tanan’akanjoko, nitraka nibanjina ahy sady niteny mafy hoe: “Misaotra re, misaotra.”

Nitahy ny asa fanompoana nataoko ny Tompo, asa fanompoana izay natao tamin’ny anarany. Tamin’io andro io aho dia nivavaka mba hahatongavan’ny fahagagana toy izany fa tsy nivavaka ny amin’ny fomba tsara ahafahako manatontosa ny anjarako. Nivavaka aho mba hahatsapan’ny olona ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataoko tamim-pitiavana. Nianatra aho fa izany no lafiny manan-danja indrindra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa amin’ny anarany.

(Henry B. Eyring, “Mitahia amin’ny Anarany,” Liahona, mey 2021, 68–69)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ovaovao ny fomba hanombohana ny lesona

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ity kisary manaraka ity:

Sary
A line with arrows marked with the words “How Happy am I?”

Vakio mafy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo valim-panontaniana izay naroson’izy ireo (hazavao fa tsy mila mamaly amin’ny feo mafy izy ireo):

Aiza no hametrahanao ny tenanao eo amin’io tsipika io?

Te ho sambatra kokoa noho ny amin’izao fotoana izao ve ianao?

Iza no tianao hampiana mba ho faly kokoa?

Rehefa mandalina ny Jaona 13 ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hahafantatra ireo zavatra azony atao mba hahatonga azy ireo ho faly kokoa.

Ahoana ny fomba hanehoanao fa Kristiana ianao?

Amin’ny fanombohan’ny fizarana “[Mifankatiava,]” dia mety hanampy ireo mpianatra hazoto indray amin’ny lesona ity sahanasa manaraka ity:

Anontanio ny mpianatra raha sendra efa nisy olona niampanga azy ireo hoe tsy Kristiana, na tena mpianatr’i Jesoa Kristy, satria mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Raha efa nisy dia anontanio ny fihetsika nasehon’izy ireo tao anatin’izany toe-javatra izany. Asao ny mpianatra rehetra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona no azonao havaly raha sendra misy olona milaza aminao fa tsy Kristiana ianao?

Inona ny fomba sasantsasany ahafahanao maneho fa mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ianao?

Jaona 13:35 . “Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo”

Hevero ny hanamafy ilay fahamarinana ao amin’ny Jaona 13:34 fa rehefa mifankatia tahaka ny itiavan’i Jesoa Kristy antsika isika, dia ho fantatry ny hafa fa mpianany.

Mba hanehoana io fahamarinana io, dia zarao ity tantara manaraka izay notantarain’i Loholona Paul E. Koelliker ity fony izy mpikambana tao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Final official portrait of Elder Paul E. Koelliker of the First Quorum of the Seventy, 2005. Granted emeritus status at the October 2013 general conference.

Nandondona tao amin’ ny trano iray ny misiônera vao erotrerony roa, izay nanantena fa hahita olona handray ny hafatr’ izy ireo. Nisokatra ny varavarana, ary lehilahy goavana iray no nandray azy ireo tamin’ ny feo somary nitrerona: “Ohatra an’ny efa nolazaiko anie ianareo tsy handondona ny varavarako intsony. Efa nampitandrina anareo aho taloha fa raha mbola miverina ianareo, dia hivadika toe-javatra ratsy izany. Mandehana mandeha any amin’ izay.” Nakatony haingana ny varavarana.

Raha nandao ilay trano ireo elder, dia napetrak’ ilay misiônera efa manana traikefa bebe kokoa teo an-tsorok’ ilay misiônera vao tonga vao haingana ny sandriny mba hankahery sy handrisika azy. Tsy fantatr’izy ireo akory hoe nitazana teo am-baravarankely ilay lehilahy mba hahazo antoka fa azon’ireto misiônera ireto tsara ny hafatra nomeny. Izy dia tena nanantena ny hahita azy ireo hihomehy sy hihanihany tamin’ilay valin-teny feno tsy fahalalam-pomba rehefa nanandrana ny hamangy azy izy ireo. Kanefa rehefa hitany ny fifanehoana hatsaram-panahy nisy teo amin’ireto misiônera roa ireto dia tonga nihanalefaka ny fony. Novohany indray ny varavarana ary nangataka ireto misiônera roa ireto izy hiverina ary hizara aminy ny hafatr’izy ireo.

… Ity fitsipiky ny fifankatiavana sy ny fampivelarana ny fahafahantsika mifantoka amin’i Kristy ity eo amin’ny fomba fisainantsika, sy fomba firesatsika, ary amin’ny zavatra ataontsika dia zava-dehibe ao anatin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Kristy.

(Paul E. Koelliker, “Tena tia antsika marina Izy,” Liahona, mey 2012, 17)

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny antony nahatonga io fifandraisana teo amin’ireo misiônera io nitondra fiantraikany lehibe toy izany teo amin’ilay lehilahy.

Hamoaka printy