Seminera
Matio 26:26–30; Lioka 22:19–20


Matio 26:26–30; Lioka 22:19–20

Ny Fanasan’ny Tompo

Sary

Teo amin’ny toerana iray fantatra amin’ny anarana hoe efitrano ambony rihana, dia “nipetraka nihinana … mbamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy” ny Mpamonjy (Matio 26:20) ary nankalaza ny fetin’ny Paska farany tamin’ny fiainany teto an-tany Izy. Nandritra iosakafon’ny Paska farany io dia nampianatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy ho toy ny fomba vaovao ahafahan’ireo mpianatra mahatsiaro Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovana ny Mpamonjy rehefa mandray fanasan’ny Tompo.

Manasa ireo mpianatra mba hizara. Mitadiava fotoana hanasana ireo mpianatra hizara ireo zavatra efa niainan’izy ireo. Ny fizarana hevitra sy zavatra niainana mifandray amin’ny lesona dia afaka manampy hanazava ny fahatakaran’ny mpianatra iray ireo fotopampianarana sy fitsipiky ny Filazantsara. Rehefa mizara ireo hevitra sy zavatra niainana ireo ny mpianatra, dia matetika izy ireo no voatariky ny Fanahy Masina hanana fijoroana ho vavolombelona lalindalina kokoa ny amin’ireo fahamarinana izay zarain’izy ireo. Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia afaka ihany koa mitondra fiantraikany lehibe amin’ny fo sy ny sain’ireo namany ny teny lazain’izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Ampahafantaro ireo mpianatra fa amin’ity lesona ity dia hasaina hanao tombana ny zavatra niainany tamin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Asao ireo mpianatra hisaintsaina momba ny zavatra niainany vao haingana tamin’ny fandraisany ny fanasan’ny Tompo sy ho avy amim-pahavononana hizara ny zavatra izay nataony, nosaininy na tsapany ka nanampy azy ireo hahatsiaro ny Mpamonjy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia asao ireo mpianatra mba hamaly tsiroaroa na anaty vondrona kely. Aorian’izany dia asao izy ireo mba hiresadresaka ny valin-tenin’izy ireo amin’ny iray kilasy. Mety ilaina ihany koa ny manasa ireo mpianatra hilalao an-tsehatra ity rafi-tantara ity.

Inona no mety havalinao raha misy olona iray mametraka ity fanontaniana ity aminao:

  • Nahoana no mankany am-piangonana isaky ny Alahady ireo mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Mba ho solon’ny famakiana ity teny nambara manaraka ity, dia hevero ny hizara zavatra niainanao manokana momba ny fanekena fa mitana anjara asa fototra ao anatin’ny antony hankanesana any am-piangonana ny ôrdônansin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Antony iray manan-danja hankanesantsika any am-piangonana ny fandraisana fanasan’ny Tompo. Rahavavy Cheryl A. Esplin, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany teo aloha, dia nizara ny resadresaka nifanaovan’ny raim-pianakaviana 96 taona iray sy ny zanany lahy izay nampiseho ny anjara asa fototra tanan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ka mahatonga antsika ho any am-piangonana.

Sary
Final official portrait of Cheryl A. Esplin, second counselor in the Primary general presidency, 2011. Released as second counselor and sustained as first counselor at the April 2015 general conference. Released at the April 2016 general conference.

Arakaraka ny hisaintsainantsika ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo no maha-manan-danja izany amintsika. Izao no nambaran’ny raim-pianakaviana 96 taona iray rehefa nanontany azy ny zanany lahy hoe, “Dada a, fa inona no antony andehananao any am-piangonana? Tsy afaka mahita ianao, tsy afaka mandre, sarotra aminao ny mandehandeha. Inona no antony andehananao any am-piangonana?” Namaly ilay raim-pianakaviana nanao hoe, “Ny fanasan’ny Tompo. Mandeha any aho mba handray ny fanasan’ny Tompo.”

(Cheryl A. Esplin, “Ny Fandraisana Fanasan’ny Tompo—Fanavaozana ho an’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2014, 14)

  • Inona araka ny hevitrao no zavatra takatr’io lehilahy io sy tsapany momba ny fandraisana fanasan’ny Tompo ka nahatonga izany ho zava-dehibe tokoa taminy?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina mangina eo am-pamitany ity fanaovana tombana ny tena manokana ity. Omeo fotoana izy ireo mba hanoratany ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Tombano ny zavatra niainanao tamin’ny fandehananao tany am-piangonana sy ny fandraisanao anjara tamin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo. Mampiasà maridrefy iray ka hatramin’ny dimy, ka ny isa iray no ambany indrindra ary ny dimy kosa no ambony indrindra mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Hatraiza ny maha-laharampahamehana aminao ny fandehanana any am-piangonana sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo?

  • Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, dia toy ny ahoana ny halehiben’ny fieritreretanao an’i Jesoa Kristy sy hiainanao zavatra manan-danja?

Aorian’ny fanaovanao tombana ny zavatra niainanao, dia diniho ny antony nanomezanao io isa io ny tenanao. Rehefa mianatra ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Tompo mba hahafantaranao ny fomba hampitomboanao ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovana ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao.

Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy

Nankalaza ny fetin’ny Paska i Jesoa Kristy talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Lasa fantatra amin’ny hoe Fanasana Farany io fotoana io. Rehefa niara-nihinana ny sakafon’ny Paska tamin’ireo apôstôliny ny Mpamonjy, dia nanorina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo Izy.

Raha mety hitondra tombontsoa ho an’ireo mpianatra ny fahatakarana lalindalina kokoa ny ôrdônansin’ny Paska sy ny fifandraisan’izany amin’ny fanasan’ny Tompo, dia hevero ny hanao ilay sahanasa ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”any amin’ny faran’ny lesona ity.

Vakio ny Matio 26:26–30 sy ny Lioka 22:19–20 , dia tadiavo ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôly momba ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo. Mety ho tianao ny hanipika ireo teny na andian-teny manan-danja.

  • Inona no tanjon’ny Mpamonjy tamin’ny fanorenana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo?

Ny fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy mba hanampiany antsika hahatsiaro Azy.Na dia tsy mbola niaina ny fijaliana sy ny fahoriana tamin’ny Sorompanavotana nataony aza ny Mpamonjy, dia natao mba hanampiana ireo Apôstôliny hahatsiaro Azy sy ny fanomezany ny Sorompanavotany ny ôrdônansy sy ny tandindona izay nampianariny azy ireo.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na ireo zavatra niainanao manokana nanampy anao hieritrertitra ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho anao?

  • Inona ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo na misaintsaina ireo zavatra niainana ireo ianao?

Raha mila fanampiana amin’ny fitadidiana ireo zavatra niainany na tsapany ireo mpianatra, dia hevero ny hizara ireo zavatra niainanao manokana, ireo teny izay nolazain-dRahalahy Lund ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ato amin’ity lesona ity, na adinin-tsoratra masina hafa tahaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19 na ny Almà 7:11–13 . Amin’ny lesona iray manaraka, dia hianatra amin’ny antsipiriany kokoa ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra mba hiezahana hanakatra ny fijalian’ny Mpamonjy sy ireo zavatra izay niainany tao amin’ny Sahan’i Getsemane.

  • Ahoana no ahafahan’ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo ireo manampy anao hahatakatra kokoa ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy sy ireo izay mbola azony atao ho anao?

Mamorona rindran-damina ho an’ny lesona

Alaivo sary an-tsaina ohatra fa nasaina nampianatra momba ny fanasan’ny Tompo mandritra ny fifanakalozan-kevitra fandalinana soratra masina izay ho atao any an-tokantranonao ianao. Ampiasao ireo adininin-tsoratra masina vao nianaranao sy ireo toko sy andininy ary zavatra hafa izay nosafidinao (tahaka ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany), mba hiomanana hanampy ny hafa hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo.

Asehoy an’ireo mpianatra ireto torolalana manaraka ireto mba hojeren’izy ireo rehefa mamorona ny rindran-damin’ny lesony izy ireo.

Ny drafitry ny lesonao dia tokony hahitana ireto manaraka ireto: (1) andinin-tsoratra masina iray na mihoatra izany na teny nolazain’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana momba ny fanasan’ny Tompo mba hianarana sy hosaintsainina, (2) fanontaniana roa farafahakeliny izay mety hapetrakao mba hampitomboana ny fahatakarana, ary (3) fanasana hampihatra ireo fahamarinana izay hifanakalozanareo hevitra. Ampiasao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hitarika anao amin’ny famoronana ny rindran-daminao.

  • Inona ny atao hoe fanasan’ny Tompo?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanasan’ny Tompo manampy antsika hahatakatra kokoa ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

  • Inona no nanampy anao hiaina zavatra manan-danja teo am-pandraisanao ny fanasan’ny Tompo?

  • Mety hiova toy ny ahoana ny fiainanao raha mahatsiaro an’i Jesoa Kristy matetika kokoa ianao?

Amporisiho ireo mpianatra hanao ezaka bebe kokoa hahatsiaro ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no ifandraisan’ny Paska amin’ny fanasan’ny Tompo?

Nahoana isika no mampiasa rano fa tsy divay amin’ny fanasan’ny Tompo?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2 dia milaza fa tsy maninona na inona na inona zavatra ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo rehefa atao amin’ny “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahi[tr’i Kristy]” ( andininy 2) izany. Amin’izao fotoana izao, dia mangataka antsika ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hampiasa rano rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Inona ny zavatra azoko atao mba hampisy lanjany kokoa ny fanasan’ny Tompo?

Ny Filoha Steven J. Lund, Filohan’ny Zatovolahy Maneran-tany dia nampianatra fa:

Sary
Official portrait of Steven J. Lund. President, Young Men General Presidency. Sustained April 2020.

Isaky ny mihazona ny lovia fampiasa amin’ny fanasan’ny Tompo ny diakona iray dia tsaroantsika ilay tantara masin’ny Fanasana Farany, sy ny Getsemane, sy ny Kalvary ary ilay zaridaina nisy ny fasana. Rehefa nilaza tamin’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy” [Lioka 22:19], dia niresaka tamin’ny tsirairay amintsika ihany koa Izy. Niresaka momba ny fahagagana tsy manam-piafarana izay ho atolony amin’ny maha-diakona sy mpampianatra ary mpisorona any aoriana azy Izy rehefa manolotra ny tandindony sy manasa ireo zanany mba hanaiky ny fanomezany mitondra fanavotana.

Ireo tandindona rehetra amin’ny fanasan’ny Tompo dia manondro izany fanomezana izany. Mandinika ilay mofo izay novakiany tamin’izany isika—ary ny mofo izay potipotehan’ireo mpisorona eo anoloantsika amin’izao. Mieritreritra ny dikan’ilay rano voatokana tamin’izany sy ankehitriny isika rehefa miampita avy eo am-bavan’ireo mpisorona ho ao anaty fontsika sy any an-danitra amin’ny fomba manetriketrika ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, izay fanavaozana ireo fanekempihavanana mampifandray antsika amin’ny herin’ny famonjen’i Kristy mihitsy. Afaka mieritreritra isika ny hoe midika inona ny diakona mitondra ny tandindona masina mankeo amintsika, mijoro amin’ny toerana izay mety hijoroan’i Jesoa raha teo Izy, manolo-tena ny hanamaivana ny enta-mavesatra sy ny fanaintainantsika.

(Steven J. Lund, “Mahita fifaliana ao amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2020, 36)

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ity torohevitra manaraka ity:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo—ary indrindra indrindra mandritra ny fanatanterahana nyfanasan’ny Tompo—dia tokony hifantoka amin’ny fitsaohana ary tsy hanao zavatra hafa isika, indrindra fa ny fitondrantena izay mety hanelingelina ny fitsaohan’ny hafa. Eny fa na dia ny olona tafalatsaka ao anaty torimaso mangina aza dia tsy tokony hanelingenina ny hafa. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tsy fotoana famakiana boky na gazetiboky. Ry tanora, tsy fotoana fibitsibitsihana amin’ny finday izany na fandefasana hafatra ho an’olona any amin’ny toeran-kafa. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao fanekempihavanana masina fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Mampalahelo tokoa ny mahita mibaribary olona mandika izany fanekempihavanana izany mandritra ilay fivoriana izay hanaovan’izy ireo izany mihitsy.

(Dallin H. Oaks, “Ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fanasan’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2008, 18–19)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny fetin’ny Paska

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fifandraisana misy eo amin’ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo, dia asao izy ireo hijery ireo sarin’ny sakafon’ny Paska sy ny fanasan’ny Tompo, na manehoa mofo fisaka (na crackers) sy kaopy iray eo amin’ny ilan’ny latabatra ary lovia misy fanasan’ny Tompo eo amin’ny ilany. Asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra fantany momba ireo singa hita ao amin’ny fetin’ny Paska izay notandremana fahiny sy ny fifandraisan’izany amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo izay tandremantsika ankehitriny.

Manao ny fanasan’ny Tompo ho manan-danja kokoa

Hamoaka printy