Seminera
Matio 26:1–25


Matio 26:1–25

“Moa izaho va izany, Tompoko?”

Jesus giving the sop to Judas Iscariot. Outtakes include just Jesus, all the disciples seated, Jesus passing the cup of wine, Jesus holding the bread, a servant woman bring a jar, Judas Iscariot eating the sop, Jesus taking a piece of bread wrapped in cloth, and Jesus raising a glass of wine.

Talohan’ny fetin’ny Paska, dia nohosoran’i Maria diloilo manitra sarobidy ny Mpamonjy, ary i Jodasy dia niray tetika tamin’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna hamono an’i Jesoa. Nandritra ny sakafon’ny Paska, dia nanambara i Jesoa fa hisy hamadika Izy. Nanontany izay olona hamadika ny Mpamonjy ny Apôstôly ka nanao hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?” Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampiasa ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina mba handinihanao momba ny fiainanao sy hamantaranao ireo zavatra izay ilainao hatsaraina.

Mieritreritra ny mpianatra rehefa manomana ny lesona. Eo am-piomanana hampianatra dia eritrereto ny vokatra tokony ho azon’ireo mpianatra avy amin’ilay lesona. Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe: “Ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara dia tsy ny handrotsaka fampahalalana ao an-tsain’ireo zanak’ Andriamanitra. … [Izany dia natao mba hanampiana azy ireo] hampitompo ny finoany an’i Jesoa Kristy Tompo sy … mba hiova fo amin’ny filazantsarany ” (“Learn of Me,” Ensign, Mar. 2016, 4). Mikatsaha fitaomam-panahy hahafantarana ny fomba hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny finoany sy hahatsapa fitiavana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy avy amin’i Jesoa Kristy isaky ny lesona.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana anankiray izay nampiharany ireo torohevitra na fampianarana avy ao amin’ny soratra masina, na avy tamin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na avy tamin’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha tsy nisafidy ny hampihatra izany torohevitra izany izy ireo?

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fomba hitondrantsika ireo zavatra sarobidy amintsika

Hevero ny hizara ohatra iray an’ny tena manokana ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra manaraka ity.

Mieritrereta olona iray zay tena manan-danja aminao.

  • Nahoana no manan-danja be aminao io olona io?

  • Ahoana no anehoan’ny fihetsikao ny hasarobidin’io olona io aminao?

Amin’ity ampahany amin’ny lesona ity ianao dia handalina ny fomba nanehoan’ny olona sasany tamin’ny alalan’ny zavatra izay nataony ny habean’ny fitiavany sy ny fankasitrahany ny Mpamonjy. Rehefa mandalina ianao dia eritrereto ny halehiben’ny lanjan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao ary inona ny zavatra azonao atao mba hanehoana ny fitiavanao Azy.Andro vitsivitsy talohan’ny namorian’i Jesoa ny Apôstôliny tamin’ny sakafon’ny Paska farany natrehany dia nankany Betania Izy mba hiaraka tamin’ny sasany tamin’ireo mpanara-dia Azy (jereo ny Matio 26:6 ; Jaona 12:1).

Vakio ny Jaona 12:3–8 mba hianarana momba ny zavatra izay nataon’i Maria tamin’ny Mpamonjy fony Izy tao Betania.

  • Naneho inona mikasika ny fomba nitiavany sy nankasitrahany ny Mpamonjy ny zavatra nataon’i Maria?

  • Inona ny zavatra azonao ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ity tantara ity?

Afaka manome valiny isan-karazany ho an’ilay fanontaniana napetraka teo aloha ireo mpianatra, anisan’izany ireto manaraka ireto: Sarobidy tamin’ireo mpanara-dia Azy Izy. Takany tsara fa tsy ho ela dia ho faty Izy. Nentiny tamim-pitiavana sy hatsaram-panahy i Jodasy, na dia fantany aza fa hamadika Azy izy.

  • Inona ny zavatra tsapanao na tonga tao an-tsainao rehefa avy nisaintsaina ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy ireo ianao?

Ianarantsika ao amin’ny Matio 26:3–5 fa nifampidinika ny amin’ny fomba mety hamonoan’izy ireo an’i Jesoa ireo lohan’ny mpisorona. Vakio ny Matio 26:14–16 , dia tadiavo ny zava-nitranga taoriana kelin’ny nanosoran’i Maria diloilo manitra sarobidy an’i Jesoa tao Betania.

Mety hahaliana ny mahafantatra fa ny namadihan’i Jodasy an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny sekely volafotsy telopolo dia nahatanteraka ny faminanian’ny mpaminany Zakaria ao amin’ny Testamenta Taloha (jereo ny Zakaria 11:12). Araka ny lalàn’i Mosesy ihany koa, dia sekely volafotsy telopolo no nanonerana tamin’ny tompony ny fahafatesan’ny andevo anankiray (jereo ny Eksodosy 21:32).

  • Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ny fampitahana ny zavatra nataon’i Maria tamin’ny zavatra nataon’i Jodasy?

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia tsara kokoa raha valian’ireo mpianatra tsirairay ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina.

Makà fotoana hanaovana jery todika ny herinandronao hatreto.

  • Inona avy ireo trangan-javatra izay efa nahafahanao naneho ny fitiavanao ny Mpamonjy?

  • Efa nisy fotoana ve nanananao faniriana hoe tahaka izay aho nanao zavatra tsaratsara kokoa?

  • Inona ny zavatra mety hovainao amin’ny ho avy mba hanehoana bebe kokoa ny fitiavanao Azy?

Eritrereto ny fomba ahafahan’ny tenini Jesoa mihatra amintsika

Niara-nihinana ny sakafon’ny Paska, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe Fanasana Farany, tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa andro vitsivitsy taorian’ny nanosoran’i Maria diloilo Azy. Vakio ny Matio 26:20–21 , ary tadiavo ny filazana nataon’ny Mpamonjy nandritra ity sakafo ity.

  • Raha anisan’ireo Apôstôly ianao dia inona no mety ho neritreretinao tamin’io fotoana io?

Vakio ny Matio 26:22 mba hahitana ny valin-teny nomen’ireo Apôstôly.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nizara ny iray amin’ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny valin-teny izay nomen’ireo Apôstôly. Mety ho tianao ny hijery ilay horonan-tsary hoe “Moa izaho va izany, Tompoko?” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny minitra faha 1:09 ka hatramin’ny 2:30, na vakio ny lahatsoratra etsy ambany.

18:18
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy niahiahy ny fahamarinan’ny zavatra nolazain’i [Jesoa] ireo mpianatra. Na koa nitoditodika, sy nanondro olon-kafa, ary nanontany hoe, “Moa izy va izany?”

Fa, “nalahelo indrindra izy ireo, ka nanomboka samy nanontany Azy hoe, Moa izaho va izany, Tompoko?” [ Matio 26:22 ; nampiana fanamafisana].

Manontany tena aho hoe inona no ho nataontsika tsirairay. … Mety ho nitoditodika ve isika ary niteny tao anakampontsika hoe, “Rahalahy Rakoto angamba izany olona tiany holazaina izany. Efa nampametra-panontaniana ahy foana izy io,” na hoe “Faly aho fa eto Rahalahy Rabe. Tena mila maheno ity hafatra ity mihitsy izy”? Sa mety ho, nanao tahaka an’ireo mpianatra fahiny ireo ve isika, ka nandinika ny tenantsika ary nametraka fanontaniana lalina hoe: “Moa izaho va izany?”

Ao anatin’ireo teny tsotra ireo hoe “Moa izaho va izany, Tompoko?” no ahitana ny fiandoham-pahendrena ary ny lalana mitondra any amin’ny fiovampon’ny tena manokana sy ny fiovana maharitra.

(Dieter F. Uchtdorf, “Moa izaho va izany, Tompoko?,” Liahona, nôv. 2014, 56)

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io teny nambara io sy ny ohatra nasehon’ny Apôstôly ny hoe ny fianarana mandinika ny fiainantsika manokana araka ny tenin’ny Mpamonjy dia manampy antsika amin’ny lalana mankany amin’ny fiovam-po manokana sy ny fiovana maharitra.

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny manontany tena hoe ahoana no ahafahan’ny tenin’ny Tompo mihatra amintsika toy izay hihevitra fa natao ho an’olon-kafa ny teniny?

  • Inona avy ireo toe-javatra eo amin’ny fiainanao izay ahafahanao manontany hoe, “Moa izaho va izany, Tompoko?”

  • Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy ka afaka mamporisika anao hanontany hoe, “Moa izaho va izany, Tompoko?”

Ny Filoha Uchtdorf dia nizara ohatra roa momba ny loharano izay azontsika ampiasaina mba hanampiana antsika handini-tena ara-panahy:

Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Mamelà ahy ianareo mba hanoro hevitra fa ny soratra masina sy ireo lahateny zaraina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia fitaratra mahomby azontsika tazonina mba handinihan-tena.

Rehefa mihaino sy mamaky ireo tenin’ny mpaminany fahiny sy maoderina ianareo dia aza mieritreritra ny fomba azo ampiharana ireo teny amin’ny olon-kafa fa mametraha fanontaniana tsotra hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?”

(Dieter F. Uchtdorf, “Moa izaho va izany, Tompoko?,” Liahona, nôv. 2014, 58)

Makà fotoana hieritreretana hoe impiry ianao no miezaka mampihatra ny soratra masina na ireo fampianarana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany eo amin’ny fiainanao. Eritrereto ireo fitahiana izay efa azonao noho ny ezaka nataonao mba hampiditra ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Asao ny mpianatra mba hizara ireo zavatra izay efa niainany rehefa avy nampihatra ny torohevitra na ireo fampianarana avy ao amin’ny soratra masina na lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany teo amin’ny fiainany izy ireo. Asao izy ireo mba hieritreritra hoe mety ho hafa toy ny ahoana ny fiainan’izy ireo raha toa ka tsy nisafidy ny hampihatra izany torohevitra izany izy ireo. Mety efa nieritreritra zavatra niainana tahaka izany ireo mpianatra tao anatin’ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra.

Manazara tena mampiahatra ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao

Mianara telo farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto. Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba iharan’ny tenin’ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo aminao. Azonao atao ihany koa ny mandalina lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany ao anatin’ity sahanasa ity.

Rehefa vita ny fandalinana izay nataon’ireo mpianatra, dia manasà mpianatra vonona ny hanolo-tena hizara ny sasantsasany amin’ireo fomba iharan’ireo andinin-tsoratra masina na lahateny izay nianarany eo amin’ny fiainany. Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto ho isan’ny fifanakalozan-kevitra.

  • Inona no fampianarana hitanao fa azo ampiharina amin’ny toe-javatra izay iainanao ankehitriny?

  • Araka ny eritreritrao dia inona no fitahiana mety ho azonao avy amin’ny fampiharana ireo fampianarana ireo eo amin’ny fiainanao?

Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo fahamarinana izay noresahina androany. Asao ireo mpianatra mba hanohy hitady ireo trangan-javatra ahafahana mampihatra ny tenin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no antony no nanosoran’i Maria diloilo an’i Jesoa?

Hoy ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe:

Portrait of James E. Talmage.

Ny fanosorana ny lohan’ny vahiny iray amin’ny diloilo tsotra dia fanajana azy; ny fanosorana ny tongony ihany koa dia natao mba hanehoana fanajana tsy mahazatra; fa ny fanosorana ny loha sy ny tongotra amin’ny narda, sady betsaka toy izany, dia fihetsika fanajana fanomezam-boninahitra izay tsy dia fanao na dia ho an’ny mpanjaka aza. Ny fihetsika nataon’i Maria dia fanehoana fiderana. Izany dia hanitra nitosaka avy tamin’ny fo feno fiderana sy fitiavana.

(James E. Talmage, Jesus the Christ[1916], 512)

Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fanakianan-tena tafahoatra sady manaiky ihany hoe mila mampivoatra ny tena?

Rahavavy Michelle D. Craig, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nizara izao hevitra manaraka izao:

Sister Michelle D. Craig, first counselor, Young Women general presidency. Official Portrait as of October 2018.

Tokony horaisintsika an-tanan-droa ny fahatsapana tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra izay miantso antsika handeha amin’ny lalana avoavo kokoa, no sady miezaka mamantatra sy misoroka ihany koa ny fahatsapana hosoka avy amin’i Satana, dia ny fahakiviana izay tsy mampandroso izany. Fahafahana iray hanararaotan’i Satana hamporisihana antsika hanana io fahatsapana io izany. Afaka misafidy ny handeha amin’ilay lalana avoavo kokoa izay mitarika antsika hikatsaka an’ Andriamanitra sy ny fiadanany sy ny fahasoavany isika, na afaka mihaino an’i Satana isika, izay manafika antsika amin’ny alalan’ny hafatra milaza fa tsy ho afa-po izany mihitsy isika: tsy ho afa-po amin’ny harenantsika isika, tsy ho afa-po amin’ny fahaizantsika isika, tsy ho afa-po amin’ny fahatsarantsika isika, tsy ho afa-po amin’ny zava-drehetra isika. Ny tsy fahafaham-po tsapantsika dia afaka ny ho araka an’ Andriamanitra, na mety hanimba.

(Michelle D. Craig, “Tsy fahafaham-po araka an’Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2018, 53)

Sahanasa fianarana fanampiny

Rehefa mahatsikaritra olana isika, dia tokony hijery ny tenantsika aloha fa tsy hitsara ny hafa

Mitondrà fitaratra fitarafana sy fitaratra mazava iray na varavarankely kely ao an-dakilasy.

Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny Apôstôly nanontany hoe: “Moa izaho va izany, Tompoko?” dia asehoy ny mpianatra ilay fitaratra fitarafana sy ilay fitaratra mazava izay nentinao. Mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Araka ny eritreritrao dia nahoana no zava-dehibe ny manontany hoe, “Moa izaho va izany, Tompoko?” [asehoy ilay fitaratra fitarafana], fa tsy hoe, “Tompo ô, izy ve izany” [asehoy ilay fitaratra mazava]?

  • Inona ny olana azo sorohana eo amin’ny fifandraisantsika raha mijery ny tenantsika isika [asehoy ilay fitaratra fitarafana] fa tsy mitsara ny hafa [asehoy ilzy fitaratra mazava]?

2:19