Seminera
Jaona 14–17


Jaona 14–17

Topimaso ankapobeny

Nandritra ny takariva farany izay niarahany tamin’ny mpianany, dia nampianatra sy nampahery azy ireo i Jesoa Kristy. Nampianatra azy ireo Izy ny amin’ny mahatonga azy ho “lalana, sy fahamarinana, ary fiainana” (Jaona 14:6) sy ny fomba ahafahan’izy ireo maneho ny fitiavany Azy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny. Nanasa azy ireo hitoetra ao Aminy ny Mpamonjy ary nampianatra azy momba ny asa nanirahana ny Fanahy Masina. Nivavaka ho azy ireo i Jesoa Kristy rehefa nanao ny Vavaka fanelanelanana lehibe.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Jaona 14:1–6; 15:1–11

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka Azy sy mahazo ny heriny ary ny fanohanany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady na haka sarina lalana iray na sarina voaloboka na hazo misy rantsana. Angataho ny mpianatra hieritreritra ireo fomba ahafahan’ireo sary ireo mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy ary hitondra ny sariny any am-pianarana.

  • Fahafahana mampianatra: Asao ireo mpianatra hampianatra mandritra ity lesona ity. Afaka miomana mialoha ny hampianatra ampahany amin’ny lesona ireo mpianatra, na koa miomana sy mampianatra mandritra ny fotoam-pianarana.

  • Taratasy zaraina: “I Jesoa Kristy no ‘lalana, sy fahamarinana, ary fiainana’ (Jaona 14:6)”

  • Fitaovana: Sampana na ampahany amin’ny voaloboka

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Zarao ho zana-bondrona maromomaro ny mpianatra ka hampianatra ny lesona efa nomaniny amin’ireo mpiara mianatra aminy.

Jaona 14:15–31; 15:10–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra haneho ny fitiavany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Didin’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hijery ny horonantsary “Going to Grandma’s” (4:02), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary hisaintsaina ny zavatra izay azon’io tantara io ampianarina antsika momba ny antony nahatonga ny Tompo nanome ireo didy ireo antsika.

  • Ohatra niainan’ny tena manokana: Miomàna hizara ohatra iray momba ny fotoana izay nanehoan’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na hafa ny fitiavany anao.

  • Horonan-tsary:Going to Grandma’s” (4:02); “Abide in My Love” (15:08; jereo avy amin’ny mari-potoana 14:27 ka hatramin’ny 14:50)

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Angataho ireo mpianatra hanasa ray aman-dreny na olona hafa ao amin’ny fianakaviana mba handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra izay hatao mikasika ny fahafantarana raha tia ny hafa ny olona iray.

Jaona 14–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra ny fomba hanatanterahan’ny Fanahy Masina ny asany eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hiomana hamaly ny fanontaniana hoe “Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao?” miaraka amin’ny ohatra avy ao amin’ny soratra masina na zavatra izay efa niainana manokana.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Taratasy kely na karatra kely izay azon’ireo mpianatra soratana

  • Votoatin-kevitra haseho: Ny tabilao maneho ny andraikitry ny Fanahy Masina

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mamoròna antontan-taratasy zaraina izay ahitana ilay tabilao. Asao ireo mpianatra hanoratra ny valinteniny ao anatin’ilay tabilao. Azo ampandraisana anjara amin’ny sehatra sasany ireo mpianatra. Asehoy ny tabilao feno mba ho hitan’ny rehetra.

Jaona 17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hamporisika ireo mpianatra mba hahafantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fiomananan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 19:16, 26–33 ary hisaintsaina hoe ahoana no mety ahatsapany ny fandrenesana ny Mpamonjy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ho azy ireo.

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ampiasao ireo soso-kevitra ao amin’ny “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ity lesona ity izay mitondra ny lohateny hoe “Sahanasa manao sary—ho tonga ho iray” mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa lasa miray saina kokoa isika tsirairay rehefa manatona akaikin’i Jesoa Kristy.

Fifehezana Fotopampianarana: Jaona 17:3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ity andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy fehezan-teny manan-danja ity ao amin’ny Jaona 17:3 , izay manazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamantatra olona iray fantany izay mety mahafantatra tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra hanontany io olona io hoe inona no nanampy azy ireo hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Votoatin-kevitra haseho: Torolalana sy fanontaniana eo ambanin’ireo lohateny telo mifanaraka amin’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

  • Videoconference teaching suggestion: Mampiasà fomba fiasa amin’ny alalan’ny zana-bondrona mba hanomezana alalana ireo mpianatra hiasa ao anaty vondrona ka hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izay hita amin’ilay rafi-tantara ao amin’ny lesona. Avy eo dia avereno miaraka ny iray kilasy mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra izay nianaran’ny vondrona tsirairay.

Hamoaka printy