Seminera
Jaona 17


Jaona 17

Ny Vavaka Fanalalanana lehibe nataon’ny Mpamonjy

Sary
Jesus has his eyes closed in prayer, the back of the disciples heads are in the foreground. Outtakes include a view of just the disciples in prayer and just Jesus in a green field with his head bowed in prayer.

I Jesoa Kristy dia nanolotra ny Vavaka Fanalalanana lehibe (izany hoe nitalaho tamin\u2019ny Ray any An-danitra Izy ho an\u2019ireo Apôstôliny sy ireo izay rehetra mino Azy) fotoana fohy talohan\u2019ny nijaliany noho ny fahotantsika. Tao anatin\u2019ny vavaka nataony dia nanambara i Jesoa fa ny mahafantatra ny Ray sy ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jaona 17:3). Ity lesona ity dia hamporisika anao hahafantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manokana kokoa eo amin\u2019ny fiainanao.

Ampiasao ny solaitrabe. Ny fampiasana amim-pahombiazana ny solaitrabe mandritra ny lesona dia afaka manomana ny mpianatra hianatra. Mandrisika azy ireo handray anjara mavitrika koa izany, indrindra ho an’ireo izay mahay mianatra avy amin’ny zavatra hitan’ny maso. Azonao ampiasaina ny solaitrabe hanasongadinana ireo lohahevitra na fitsipika lehibe ao amin’ny lesona iray, hampisehoana amin’ny alalan’ny sary ny fotopampianarana na tranga iray, hampisehoana sarintany, hanaovana ny sarin’ireo zavatra voafariparitra ao amin’ny soratra masina, hamelabelarana rindran-damina, na hanaovana zavatra hafa izay hanatsara ny fianarana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny 3 Nefia 19:16, 26–33 ary hisaintsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany mandre ny Mpamonjy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ho azy ireo izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manokana

Mba hamoronana firaisan-kina bebe kokoa ao an-dakilasy dia diniho ny mampifanaraka amin’ny zava-misy ity asa atao manaraka ity. Ny manondro namana iray tsy fantany tsara ho an’ny mpianatra tsirairay no mety kokoa noho ny mametraka ireo fanontaniana roa voalohany momba ny olo-malaza iray. Asao izy ireo hieritreritra zavatra iray na roa fantany momba io olona io. Avy eo dia omeo roa minitra izy ireo hiresahana amin’ny namany miaraka amin’ny torolalana tsotra mba “hamantarany azy ireo bebe kokoa.” Rehefa afaka roa minitra dia asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahalalana zavatra momba ny olona iray sy ny tena lasa mahafantatra azy ireo.

Mieritrereta olo-malaza iray teo amin’ny tantaran’ny firenenao.

  • Inona avy ireo zavatra fantatrao momba io olona io?

  • Ahoana no hamariparitanao ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahalalanao momba ilay olo-malaza sy ny fahalalanao olona akaiky ao amin’ny fianakavianao?

Makà fotoana kely hanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tsapanao momba ny fahalalanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mifototra amin’ny zava-misy fantatrao momba Azy Ireo fotsiny ihany ve izany, sa lasa an’ny tena manokana kokoa noho izany? Ahoana araka ny eritreritrao no mety hitahiana ny fiainanao raha fantatrao amin’ny sehatra manokana kokoa Izy Ireo?

Nivavaka ho an’ny mpianany i Jesoa

Ny alina talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy ny namadihana Azy ary ny nanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana dia nanao vavaka masina tamin’ny feo mafy izay fantatra amin’ny hoe Vavaka Fanalalanana lehibe ny Mpamonjy. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra Izy nitalaho ho an’ny mpianany, anisan’izany ireo mpanara-dia Azy izay miaina amin’izao androntsika izao (jereo ny Jaona 17:20). Andramo alaina sary an-tsaina ny mety ho fihetseham-pon’ireo Apôstôly raha nandre an’i Jesoa nivavaka ho azy ireo tamin’io alina masina io.

Raha nasaina nanao ny fiomanan’ny mpianatra ny mpianatra dia angataho izy ireo mba hizara ny heviny.

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny ohatra nasehony tamin’ny fivavahana ho an’ireo mpianany sy ireo rehetra izay manaraka Azy talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy ny fisamborana Azy?

Vakio ny Jaona 17:1–3 , ka tadiavo ireo fitahiana nangatahan’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianany tao anatin’ny vavaka.

  • Inona no irin’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianany?

Ny andian-teny hoe “fiainana mandrakizay” ( andininy 2–3) dia matetika diso no andraisana azy ka adika hoe miaina mandrakizay fotsiny ihany. Nivavaka ny Mpamonjy mba hahazoantsika mihoatra noho izany. Ny “fiainana mandrakizay” dia ilay karazana fiainana izay iainan’ny Ray any An-danitra. … Ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana, dia ny fiaiaina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fitohizan’ny fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4)” (Lohahevitra momba ny Filazantsara, “Eternal Life,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Raiso ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 3 io famaritana io.

  • Araka ny andininy 3 , inona no iray amin’ireo zavatra takina amintsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ny vavaky ny Mpamonjy ny hoe mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaintsika ny mahafantatra marina ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Ny Loholona Michael John U. Teh ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ny Mpamonjy:

Sary
Official Portrait of Elder Michael John U. Teh. Photographed in 2015. Background replaced in March 2017.

Mila miaiky isika fa ny mahafantatra ny Mpamonjy no zava-katsahina manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tokony ho apetraka ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra izany.

(Michael John U. Teh, “Ny Mpamonjy antsika manokana,” Liahona, mey 2021, 99)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-katsahina manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika ny mahafantatra ny Mpamonjy?

  • Inona no mety hanasarotra ny fanaovana ambonin’ny zavatra rehetra ny fahalalana ny Mpamonjy mihoatra noho ny zava-katsahina hafa eo amin’ny fiainanao?

Saintsaino kely ny fomba nitomboan’ny fifandraisanao akaiky tamin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao. Inona no nataonao mba hahafantarana azy ireo bebe koa? Nisy zava-niainana lehibe nanampy anao tena hahafantarana azy ireo ve? Naharitra hafiriana no nivoatra ilay fifandraisana?

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fihetsika izay nanampy anao hanana fifandraisana akaiky amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namana iray mba hamantaranao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mba hahazoana hevitra fanampiny momba ny fomba hamantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia zarao ireo teny avy ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho”.

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondrona kely mba hahafahan’ny mpianatra maro mizara.

  • Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao ho lasa nahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Inona no nianaranao tamin’ireo zavatra niainanao ireo?

Mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny vavaka nataony

Mba hamelana ireo mpianatra handalina ny toko manontolo fa tsy ireo andinin-tsoratra masina atolotra ao amin’ny andiam-pehezan-teny manaraka fotsiny, dia omeo mpianatra samihafa ireo fizarana ao amin’ilay toko, ary asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy.

Ny fomba iray hamantarana ny Mpamonjy dia amin’ny alalan’ny vavaka ataony. Makà minitra vitsivitsy hianarana bebe kokoa momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra nangatahiny tamim-bavaka tao amin’ny Jaona 17 . Azonao safidina hifantohana ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Jaona 17:4–11, 20–26 .

  • Inona no ianaranao momba ny fifandraisan’i Jesoa Kristy amin’ny Rainy avy amin’io vavaka io?

  • Inona no fitahiana irin’i Jesoa Kristy ho antsika?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hivavaka ho anao Izy mba hahazoana ireo fitahiana manokana ireo?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ka manampy anao haniry hahafantatra Azy Ireo bebe kokoa?

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana ny manakaiky ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ka azo lazaina fa iray amin’izany ny fifandraisanao amin’Izy Ireo. Hanao ahoana izany aminao? Ho tsara kokoa amin’ny fomba ahoana ny fiainanao? Tena tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary maniry ny ho anisany tafaray aminao. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy mba hanampiana anao hanana fifandraisana akaiky amin’ Izy Ireo. Tadidio fa mitaky fotoana sy ezaka ny fifandraisana toy izany mba hivoatra, mandritra ity fiainana ity sy any amin’ny manaraka.

Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tianao hatao mba hahafantarana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampidiro ao ny eritreritrao momba ny fomba ahafahanao mamantatra fa mihamatanjaka ny fifandraisanao amin’Izy Ireo ary ny fomba inoanao fa hitahian’izany fifandraisana izany ny fiainanao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona no azontsika atao mba hahafantarana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Raha te hijanona ho akaikin’ny olona izay tena tianao ianao, nefa tsy manana fifandraisana akaiky aminy dia fantatrao ny fomba hanaovana izany. Hahita fomba hiresahana amin’izy ireo ianao, hihaino azy ireo ianao ary hahita hevitra mba hanaovana zavatra miaraka amin’izy ireo. Arakaraka ny nisian’izany rehetra izany no nahatonga izany haharitra sy hahalalim-paka ny fifankatiavana misy eo aminareo. Raha betsaka ny fotoana tsy nifampiresahana, tsy nifampihainoana ary tsy nifanaovana zavatra dia hihena ilay fifankatiavana.

Andriamanitra dia tonga lafatra sy mahavita ny zava-drehetra fa izaho sy ianao kosa dia mety maty. Raintsika anefa Izy, tia antsika Izy ary manome fahafahana mitovy ho antsika mba hanakaiky bebe kokoa Azy tahaka ny mety hataon’ny namana be fitiavana iray. Ary hanao izany amin’ny fomba toy izany koa ianao: miteny, mihaino ary manao zavatra.

(Henry B. Eyring, “To Draw Closer to God,” Ensign, mey 1991, 66)

Ny Loholona C. Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava hoe:

Sary
Official Portrait of Elder C. Scott Grow. Photographed March 2017.

Ry tanora namako, afaka manomboka mahafantatra an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka. …

… Rehefa mandalina irery ny soratra masina isan’andro sy miaraka amin’ny fianakaviana ianao dia hianatra hamantatra ny feon’ny Fanahy ary ho lasa mahafantatra an’ Andriamanitra. …

Rehefa mikatsaka ny sitrapon’ Andriamanitra isika amin’ny fanompoana amim-pahatokiana Azy sy ny mpiara-belona amintsika dia mahatsapa ny fankasitrahany ary lasa tena mahafantatra Azy isika.

Milaza amintsika ny Mpamonjy fa ny fomba tena tsara indrindra hahafantarana an’ Andriamanitra dia fahatongavantsika tahaka Azy. Hoy ny nampianariny: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” [ 3 Nefia 27:27 ].

Tena ilaina ny fahamendrehana mba hahatongavana tahaka Azy. …

Fantatr’ Andriamanitra ianareo ary manasa anareo Izy mba hahafantatra Azy. Mivavaha amin’ny Ray, halalino ny soratra masina, katsaho ny sitrapon’ Andriamanitra, miezaha ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy, ary manaraha ireo mpampianatra marina. Raha manao izany ianareo dia ho lasa mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, ary handova ny fiainana mandrakizay.

(C. Scott Grow, “Ary izao no fiainana mandrakizay,” Liahona, mey 2017, 121–24)

Sahanasa fianarana fanampiny

Horonantsary—ho lasa iray

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hahatonga ny mpianatr’i Jesoa Kristy ho lasa iray amin’ny alalany, na dia eo aza ny fahasamihafan’izy ireo, dia asehoy ny horonantsary “One in Christ” (4:48), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa fanaovana sary—ho lasa iray

Asao ny mpianatra iray haneho ity asa atao manaraka ity eny amin’ny solaitrabe raha mamita izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra hafa.

Asao ny mpianatra hamorona kisary eo amin’ny pejy fotsy ary hanoratra ny anarany eo amin’ny zorony ambany havia, ny anaran’ny namana iray eo ambany akaikin’ny afovoany, ny anaran’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana eo amin’ny zorony ambany havanana, ary ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy eo ambony akaikin’ny afovoany.

Manaraka izany dia asaivo manao tsipika mahitsy avy amin’ny anaran’izy ireo mankany amin’i Jesoa Kristy ny mpianatra, ary avy eo avy ireo anarana hafa mankany amin’i Jesoa Kristy.

Asao izy ireo haka sary an-tsaina fa ny olona tsirairay ao amin’ilay pejy dia mandroso mankany amin’i Jesoa Kristy araka ny tsipika nataon’ilay mpianatra. Inona no mitranga amin’ny elanelan’ireo olona ireo rehefa manatona akaiky kokoa ny Mpamonjy ny tsirairay?

Angataho ny mpianatra hamaky ny Jaona 17:18–26 , mba hitady ny zavatra mitranga voajanahary eo amin’ny fifandraisan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehefa lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa ny olona tsirairay.

Mampiasa ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hanamafisana ny fahatakarantsika ny soratra masina

Omeo ny tahadikan’ny lahatenin’ny Loholona David A. Bednar mitondra ny lohateny hoe “Raha nahafantatra Ahy hianareo” ( Liahona, nôv. 2016, 102–5) ny mpianatra tsirairay. Omeo fotoana ny mpianatra handalinana sy hikarohana ireo antony fanampiny ilaintsika mba hamantarana ny Mpamonjy, ary koa ireo zavatra azontsika atao mba hahafantarana Azy bebe kokoa.

Hamoaka printy