Seminera
Jaona 14:15–31; 15:10–14


Jaona 14:15–31; 15:10–14

“Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko”

Sary
Jesus teaches about forgiveness to Peter.

Rehefa nankalaza ny Paska tao amin’ny efitrano ambony rihana ny Mpamonjy sy ny Apôstôliny dia nampianatra fahamarinana lehibe an’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy. Na dia teo aza ny fijaliany tao Getsemane sy Kalvary izay mbola ho avy, dia nampianatra ireo lehilahy izay tena tiany i Jesoa hoe, “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Ity lesona ity dia afaka hanampy anao haneho ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fankatoavana ireo didin’Izy ireo.

Mandinika sy mamantatra. Makà fotoana handinihana ireo mpianatra, ary katsaho ny fanampian’ny Fanahy mba hamantarana ireo zavatra izay ilain’izy ireo mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona araka izany. Aza dia variana loatra amin’ny fampianarana ny votoatin-desona rehetra na amin’ny zavatra izay hotenenina manaraka. Mety hisalovana mba tsy ahitana ny zavatra ilain’ny mpianatra sy handrenesana ny bitsiky ny Fanahy Masina izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hijery ny “Raha tia ahy Hianareo, dia hitandrina ny didiko,” ilay lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbta 2015 nataon’i Carole M. Stephens, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny 4:31. Angataho ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay azon’io tantara io ampianarina antsika momba ny antony nahatonga ny Tompo nanome didy antsika.

Sahanasa fianarana azo atao

Atombohy amin’ny fizarana ohatra an’ny tena manokana momba ny fifanehoam-pitiavana ataon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Azo ampiasaina ho solon’izany ny fanasana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

Ahoana ny fomba hanehoanao fitiavana?

  • Ahoana no ahafahanao milaza fa tia anao ny olona iray? Inona avy ireo teny, na zavatra atao, na fihetsika maneho ny fitiavan’izy ireo?

  • Ahoana no hanehoanao ny fitiavanao ny hafa?

  • Ary ahoana raha tia olona iray ianao kanefa ny fihetsika izay asehonao na ny zavatra izay ataonao dia tsy naneho foana izany fitiavana izany? Inona ny zavatra azonao atao?

Rehefa nanohy nampianatra ireo Apôstôliny nandritra ny Fanasana Farany ny Mpamonjy, dia nampianatra momba ny fitiavany antsika sy ny fomba ahafahantsika maneho ny fitiavantsika Azy Izy.

Miankina amin’ny zavatra ilain’ireo mpianatra sy ny fahafahany, dia tokony hamaky ireto andinin-tsoratra masina ireto ny mpianatra tsirairay, na azo zaraina roa ihany koa ny iray kilasy ka ny antsasany mamaky ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary ny antsasany mamaky ilay iray hafa.

Vakio ny Jaona 14:15, 21, 23–24 sy ny Jaona 15:10–14 , dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy fa azontsika atao mba hahafahantsika maneho ny fitiavana Azy sy ny Ray any An-danitra.

Rehefa avy namaky izany ireo mpianatra, dia amporisiho izy ireo hametraka fanontaniana na hanao fanamarihana momba ny zavatra izay novakian’izy ireo. Rehefa manao izany izy ireo, dia ampio hamantatra ny fomba ahafahantsika maneho fitiavana an’Andriamanitra, ary ampio koa izy ireo handray an-tsoratra ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

  • Inona ny zavatra nasongadin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba ahafahantsika maneho fitiavana Azy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity manaraka ity na fahamarinana mitovy amin’izany izay hitan’ireo mpianatra: Maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny isika.

  • Inona ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fitiavan’ny Mpamonjy anao?

  • Inona avy ireo toe-java-nitranga sasantsasany ka mety hanampy ao anatin’izany ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Raha nasaina nijery ilay horonan-tsary tao anatin’ny fiomanan ny mpianatra dia asao izy ireo mba hifanakalo hevitra mikasika ny zavatra nianarany momba ny antony anomezan’Andriamanitra antsika didy, fa aza averina jerena ao an-dakilasy indray ilay horonan-tsary. Na azon’ny mpianatra jerena ihany koa ilay horonan-tsary “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” avy eo amin’ny minitra faha- code 0:00 ka hatramin’ny 4:31, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity teny nambara eto ambany ity.

Ny rahavavy Carole M. Stephens, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nampianatra momba ny antony manosika an’ Andriamanitra hanome antsika didy sy ny antony mamporisika antsika hankatò azy ireny.

Raha azo atao dia jereo ilay horonan-tsary “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” manomboka eo amin’ny minitra faha-0:00 ka hatramin’ny 4:31, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ao amin’io horonan-tsary io Rahavavy Carole M. Stephens, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha, dia mizara ny zavatra niainany niaraka tamin’i Chloe zafikeliny.

Sary
Official portrait of Carole M. Stephens, sustained at the April 2012 general conference as first counselor in the Relief Society general presidency, October 2012. Released April 2017 General Conference.

Mety hisy fotoana hieritreretantsika fa mametra ny fahafahantsika manokana, sy manaisotra ny fahafahantsika misafidy ary manakantsakana ny fivoarantsika ireo lalàn’ Andriamanitra. Saingy rehefa mikatsaka fahatakarana lalindalina kokoa isika, ka mamela ny Raintsika hampianatra antsika, dia hanomboka hahita fa ireo lalàny dia fanehoany ny fitiavany antsika ary ny fankatoavana ny lalàny dia fanehoantsika ny fitiavantsika Azy.

(Carole M. Stephens, “Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko,” Liahona, nôv. 2015, 119)

Hevero ny hangataka mpianatra vitsivitsy hanampy amin’ny famoronana ity lisitra manaraka ity amin’ny alalan’ny fanoratana eny amin’ny solaitrabe ny valinteny omen’ireo namany.

Ataovy lisitra ny lalàna sy didy vitsivitsy izay tsapanao fa mampiseho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra anao. Mba hanampy anao hisaintsaina didy vitsivitsy, dia azonao averina jerena ny Didy Folo (jereo ny Eksôdôsy 20:3–17) na ny Jeunes soyez forts [Ho zatovo mahery!][kiboky, 2011].

  • Ahoana no maha-“Fanehoana ny fitiavan’[Andriamanitra] antsika” an’ireo didy notanisainao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fankatoavanao ireo didy ireo ho “fanehoana ny fitiavana[nao] Azy”?

Misafidiana iray avy amin’ireo didy ao amin’ny lisitrao. Mety ho didy iray izay ezahinao ankatoavina izany na didy iray izay efa nisedran’ny fakam-panahy anao mba hodikaina saingy nisafidy ny hankatò ianao.

Ekeo ny ezaka izay ataon’ireo mpianatra mba hankatò amin’ny alalan’ny famantarana ny sasany amin’ireo didy izay tandremany, ary ampio izy ireo hanao tombana ny antony manosika azy ireo hitandrina ireo didy ireo.

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary omeo fotoana mifanaraka amin’izany ireo mpianatra mba hisaintsainana sy hanoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Tandremo fa saro-pady ireo fanontaniana ireo.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia hanampy anao hanao tombana ny antony nanosika anao hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Rehefa misaintsaina ny valin-teninao ianao dia zava-dehibe ihany koa ny mahafantatra fa mety hanana antony isan-karazany izay manosika anao hitandrina ny didy ianao. Na inona na inona ny antony izay manosika anao amin’izao fotoana izao, dia tohizo hatrany ny fankatoavanao, ary rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny fanirianao hankatò noho ny fitiavana.

  • Inona ny antony manosika anao hitandrina io didy io?

  • Inona ny zavatra tsapanao momba ny antony itandremanao ny didy raha ampitahaina amin’ny ohatry ny Tompo tamin’ny fankatoavana tamim-pitiavana?

  • Nahoana no zava-dehibe ireo antony manosika anao hankatò?

  • Inona no torohevitra homenao an’ireo olona izay maniry hankatò am-pitiavana ny didin’ Andriamanitra?

Ny ohatry ny fitiavana nasehon’ny Mpamonjintsika

Nanome ohatra tonga lafatra mikasika ny fomba hankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny didiny amin’ny fitiavana madio i Jesoa Kristy. Taorian’ny Fanasana Farany dia hoy Izy hoe: “Fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no hataoko” ( Jaona 14:31). Avy eo dia nandeha i Jesoa mba hijaly noho ny fahotantsika sy ny “fanaintainana, fahoriana ary ny fakam-panahy isan-karazany” ( Almà 7:11) izay mianjady amintsika tao amin’ny Sahan’i Getsemane ary koa teo ambonin’ny hajofijaliana.

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanasa antsika handinika tsara ny zavatra izay azon’ny fitavan’i Jesoa Kristy amporisihana antsika mba hataontsika. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Hitoetra amin’ny fitiavako,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny minitra faha-14:27 ka hatramin’ny 14:50, na vakio ity teny nambara manaraka ity:

Sary
Official portrait of Carole M. Stephens, sustained at the April 2012 general conference as first counselor in the Relief Society general presidency, October 2012. Released April 2017 General Conference.

Moa ve ianao tsy hitia Ilay nitia anao voalohany? [jereo ny 1 Jaona 4:19 ]. Tandremo àry ny didiny [jereo ny Jaona 14:15 ]. Moa ve ianao tsy mety ho naman’ Ilay nanolotra ny ainy ho an’ireo namany? [jereo ny Jaona 15:13 ]. Tandremo àry ny didiny [jereo ny Jaona 15:14 ]. Moa ve ianao tsy hitoetra amin’ny fitiavany ka handray izay rehetra atolony maimaim-poana ho anao? Tandremo àry ny didiny [jereo ny Jaona 15:10 ].

(D. Todd Christofferson, “Hitoetra amin’ny Fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 51)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanolorantenanao hankatò bebe kokoa, izay mifototra amin’ny fitiavana, mba hisy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Jereo ny Môzià 5:13 .)

Rehefa miezaka mitandrina ireo didy am-pitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao, dia hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’Izy Ireo eo amin’ny fiainanao (jereo ny Jaona 14:21). Raha sendra ka sahirana mankatò ianao, na raha maniry ny hankatò mihitsy aza, dia afaka manampy anao ny Ray any An-danitra raha toa ka mangataka Aminy amim-panetren-tena mba hahazo fiovam-po ianao. Tsarovy ihany koa fa ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra dia ny fibebahana, ary afaka mitandrina izany didy izany avokoa isika sady mandresy ihany ny fahalementsika.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana Andriamanitra no mitaky ny fankatoavantsika ny didiny?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Mitaky antsika hankatò ireo didiny Andriamanitra satria amin’ny alalan’izany fankatoavana izany ihany, ka tafiditra ao anatin’izany ny fibebahana, no ahafahantsika miverina miaina eo anatrehany indray ary ho lasa tonga lafatra tahaka Azy.

(Dallin H. Oaks, “Ireo didy roa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 74)

Manan-danja ve ny antony hankatoavako ny didy?

Tokony samy hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe, nahoana isika no mankatò ny didin’ Andriamanitra. Moa ve noho ny fahatahorantsika fanasaziana izany? Moa ve noho ny faniriantsika hahazo valisoa hanana fiainana tsara izany? Moa ve noho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy sy ny faniriantsika hanompo Azy Ireo izany?

Tsara kokoa ny mankatò ny didy satria matahotra fanasaziana isika toy izay tsy mankatò azy mihitsy. Saingy ho faly kokoa isika raha toa ka mankatò an’Andriamanitra satria tia Azy ary te hankatò Azy. Raha mankatò Azy amim-pahalalahana isika, dia hitahy antsika amim-pahalalahana Izy. Hoy Izy hoe, “Izaho, Tompo, … dia finaritra ny hankalaza ireo izay manompo Ahy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5 ]. Ny fankatoavana dia manampy antsika koa hivoatra sy ho lasa hitovy bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra. Saingy ireo izay tsy manao na inona na inona raha tsy didiana ary avy eo mankatò an-katerena dia tsy [ha]hazo ny valisoany [jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29 ].

(Fitsipiky ny Filazantsara[2009], 201–2)

Sahanasa fianarana fanampiny

Jaona 15:18–25 . “Raha halan’izao tontolo izao hianareo”

Raha sahirana mankatò ireo didy ny mpianatra noho ny fitaomana na ny fanenjehana izay ataon’izao tontolo izao, dia mety hanampy azy ireo hahery sy hanana fomba fijery tsara ireto andinin-tsoratra masina ireto.

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fomba mety handraisana an’i Jesoa Kristy raha toa ka amin’izao androntsika izao no nitrangan’ny asa fanompoana izay nataony teto an-tany.

Afaka mandalina ny Jaona 15:18–25 ireo mpianatra, ary mitady ireo zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy momba an’izao tontolo izao sy ny antony mahatonga ny olony hiaritra fanoherana sy fanenjehana mandrakariva avy amin’izao tontolo izao. Inona no fampaherezana sy hery entina mankatò azontsika raisina avy amin’io hafatra avy Aminy io?

Afaka mitandrina ny didy isika na dia tsy takatsika aza ny antony nanomezana azy ireny

Hoy ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44): “Noraisiko ho toy ny fitsipika arahako izao: Rehefa manome didy ny Tompo, dia ataovy izany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2011], 160). Ny soratra masina sy ny tantaran’ny Fiangonana dia ahitana tantaran’olona izay nisafidy ny hankatò na dia tsy takatr’izy ireo tanteraka aza ny antony nanomezana ilay didy na ilay torohevitra. Ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto dia ahitana ireo ohatry ny fankatoavana tamim-pinoana tanteraka ary ny vitsivitsy amin’ireo fitahiana izay noraisin’ireo olona ireo noho ny fankatoavan’izy ireo:

I Adama sy i Eva: Mosesy 5:5–12

I Simona Petera sy ireo mpiara-nanompo taminy: Lioka 5:4–11

I Nefia: 1 Nefia 9:5–6

Azo asaina hisaintsaina ireto fanontaniana ireto ireo mpianatra: Inona ireo didy izay tsy takatrao tanteraka? Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitiavanao an’ Andriamanitra manampy anao hino sy hankatò mandrapahazoanao tanteraka ilay izy?

Avereno jerena ny fanoloran-tenanao

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ireo drafitra na fanoloran-tena izay nataon’izy ireo vao haingana mba hahafahany mankatò bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety efa avy nanao izany izy ireo tamin’ny lesona seminera teo aloha na tao anatin’ny tanjona izay napetrak’izy ireo tamin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo. Raha toa ka mbola tsy manana tanjona na drafitra ny ho mpankatò bebe kokoa izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny mieritreritra ny iray amin’ireo didy izay notanisainy tato amin’ity lesona ity.

Hamoaka printy